Avia, hanaraka Ahy
21–27 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana: -[Aza] malaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo-


“21–27 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana: ‘[Aza] malaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“21–27 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
misiônera vavy miresaka amin’ny lehilahy iray

21–27 ôktôbra

1 sy 2 Tesaloniana

“[Aza] malaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo”

Rehefa mamaky ombam-bavaka ny 1 sy 2 Tesaloniana sady mieritreritra ireo ankizy ianao, dia hahita ireo fitsipika izay ilain’izy ireo takarina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Tao amin’ny lesona natao tamin’ny herinandro lasa, moa ve ianao nanasa ireo ankizy mba hampihatra ny zavatra nianarany? Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra niainany mandritra ireo minitra vitsy voalohany amin’ny fotoam-pianaran’ity herinandro ity.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

1 Tesaloniana 5:1–6

Rehefa manaraka ireo didin’ Andriamanitra aho dia ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Ny torohevitr’i Paoly dia afaka manampy antsika ho vonona sy hiandry ilay andro lehibe izay hahatongavan’ny Mpamonjy etỳ an-tany indray.

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà renim-pianakaviana iray mba hiresaka momba ny hoe manao ahoana ny fiandrasany zazakely ho teraka kanefa tsy fantany mazava tsara ilay fotoana tena hahaterahany. Vakio ny 1 Tesaloniana 5:2–3, ary lazao amin’ireo ankizy fa ho tonga etỳ an-tany indray i Jesoa Kristy, kanefa tsy misy mahalala mazava tsara hoe rahoviana, tahaka ilay renim-pianakaviana izay tsy mahalala mazava tsara hoe rahoviana ilay zazakely no ho teraka.

  • Angataho ny ankizy mba hiresaka momba ny fotoana iray izay niomanany handeha lavitra na handeha hanatrika fotoan-dehibe iray. Inona no nataon’izy ireo mba hiomanana? Mitondrà valizy na kitapo iray ary avelao ireo ankizy hanao toy ny hoe mampirina izany mba hiomanany handeha lavitra na handeha hanatrika fotoan-dehibe iray. Hazavao fa miomana ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy indray isika amin’ny alalan’ny fivavahana sy ny famakiana soratra masina sy ny fanarahana ny mpaminany ary ny fiainana am-pahamarinana isan’andro. Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ny fomba ahafahan’izy ireo manao izany ary ataovy ao anatin’ilay valizy ireo sary.

  • Vakio amin’ny ankizy ny 1 Tesaloniana 5:6 ary hazavao fa raha tsy miomana ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa indray isika, dia toy ny hoe resin-tory isika ka tsy ho vonona ho Azy. Mody asaivo matory ny ankizy. Hazavao fa raha miomana isika, dia toy ny hoe miambina sy miandry Azy. Asao izy ireo mba hiambina. Hirao miaraka ny “Quand Jésus reviendra” (Chants pour les enfants, 46–47).

2 Tesaloniana 2:1–3

Nampianatra i Paoly fa hisy apôstazia mialoha ny fahatongavan’i Jesoa Kristy indray.

Ilay Fiangonana naorin’i Jesoa Kristy dia tafalatsaka tao anaty apôstazia tamin’ny farany, izany hoe ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fahamarinan’ny filazantsara dia nesorina tsy ho etỳ an-tany. Naminany i Paoly fa io apôstazia io, na “fihemorana” dia hitranga alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Asa atao azo tanterahina

  • Rehefa avy mamaky ny 2 Tesaloniana 2:3 miaraka amin’ireo ankizy dia manamboara tilikambo vita amin’ny kaopy na biriky kilalao vita amin’ny plastika. Lazao amin’ireo ankizy fa ireo kaopy na biriky kilalao dia maneho ampahany manan-danja amin’ny Fiangonana, toy ireo fahamarinan’ny filazantsara, ny fisoronana, ny famehezana any amin’ny tempoly ary ireo mpaminany. Taorian’ny nahafatesan’i Paoly sy ireo Apôstôly hafa dia very ireo zavatra ireo, ary ny Fiangonana marina dia tsy tetỳ an-tany nandritra ny taona maro. Manasà ankizy iray mba handrodana ilay tilikambo, ary hazavao fa izany no nantsoina hoe Apôstazia na “fihemorana”. Rehefa namerina indray ny Fiangonany i Jesoa Kristy, dia izany no nantsoina hoe Famerenana amin’ny laoniny. (Jereo ihany koa ny “Apôstazia,” Miorim-paka ao amin’ny finoana, 13–14.)

  • Mampisehoa Bokin’i Môrmôna iray sy sarin’ny mpaminany ary tempoly iray. Asao ireo ankizy hiteny hoe: “Apôstazia” rehefa manafina ireo zavatra ireo ao anaty harona ianao ary hiteny hoe: “Famerenana amin’ny laoniny” rehefa averinao avoaka indray ireo zavatra ireo.

  • Manaova hira izay mampianatra fahamarinana izay nesorina nandritra ny Apôstazia ary naverina tamin’ny laonininy amin’izao androntsika izao, toy ny “Je suis enfant de Dieu,” “L’Eglise de Jésus Christ,” ary “Oh, j’aime voir le temple” (Chants pour les enfants, 2–3, 48, 99).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

1 Tesaloniana 5:1–6

Rehefa manaraka ireo didin’ Andriamanitra aho dia ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Ny torohevitr’i Paoly dia afaka manampy antsika ho vonona sy hiandry ilay andro lehibe izay hahatongavan’ny Mpamonjy etỳ an-tany indray.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny 1 Tesaloniana 5:1–6 ka hanaraka ny vakiteny ireo ankizy hafa. Isaky ny tapitra ny andininy iray, dia mangataha ankizy iray hamintina izay eritreretiny fa lazain’ilay andininy. Hazavao fa ny “andron’ny Tompo” dia midika hoe ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nahoana ireo ankizy no mieritreritra fa ny Fiaviana Fanindroany dia oharina amin’ny mpangalatra amin’ny alina na amin’ny vehivavy iray efa ho teraka?

  • Asaivo maka sary an-tsaina ireo ankizy hoe hamangy ny kilasinareo amin’ny fotoana tsy fantatra ny Mpamonjy anio. Ahoana no ahafahantsika manomana ny efitrano fianarana ho amin’ny famangiany? Ampio ireo ankizy hieritreritra zavatra azontsika atao mba hanomanana ny tenantsika amin’ilay andro hiverenan’ny Jesoa Kristy? Ohatra, azontsika atao ny mibebaka, mamela heloka, manatsara ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika, manaraka ny mpaminany ary mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika. Amporisiho ny ankizy mba hisafidy zavatra iray izay hataony mba hanomanany ny tenany mba handray ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany.

2 Tesaloniana 2:1–3

Nampianatra i Paoly fa hisy apôstazia mialoha ny fahatongavan’i Jesoa Kristy indray.

Raha takatr’ireo ankizy fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia nesorina hiala tsy ho etỳ an-tany nandritra ilay Apôstazia Lehibe, dia hazava kokoa amin’izy ireo hoe ilaina ny Famerenana amin’ny Laoniny.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny 2 Tesaloniana 2:1–3. Araka ireo andininy ireo, inona no tsy maintsy mitranga alohan’ny “andron’ny Tompo”, izay midika hoe ny Fiaviana Fanindroany? Moa ve misy amin’ireo ankizy ny mahafantatra ny dikan’ny hoe “fihemorana”? Ataovy izay hahatakaran’ireo ankizy fa izany dia midika hoe ilay Apôstazia Lehibe, izay nitranga taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy. Azonao atao ny mizara ny fampahafantarana ao amin’ny “Apôstazia,” Miorim-paka ao amin’ny finoana, 13–14.

  • Ampio ny mpianatra hitanisa eo amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fahamarinana sy fitahiana izay ananantsika noho ny filazantsara. (Ohatra amin’izany ny tempoly, ny mpaminany, ny fisoronana, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina.) Fafao tsirairay ireo zavatra ireo ary anontanio ireo ankizy hoe inona no hiova amin’ny fiainan’izy ireo raha tsy eo ireo zavatra ireo. Hazavao fa ireo fahamarinana ireo dia very nandritra ilay Apôstazia Lehibe. Nahoana no zava-dehibe ny hamerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy etỳ an-tany amin’izao andro farany izao? Asao ireo ankizy “hamerina amin’ny laoniny” na hamerina hanoratra ireo fahamarinana sy fitahiana eny amin’ny solaitrabe.

2 Tesaloniana 3:7–13

Tian’ny Ray any An-danitra hiasa aho.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahita fa ny asa dia fitahiana fa tsy zavatra tokony hialana?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny 2 Tesaloniana 3:7–13 ary hitady ny olana natrehan’ireo Olomasina. Nahoana isika no tian’ny Ray any An-danitra hiasa? Inona no ho nitranga raha tsy nianatra ny hiasa mafy mihitsy isika? Avelao ny ankizy hifandimby hanao fihetsika maneho raharaha tsotra ary ireo ankizy hafa kosa mamantatra hoe inona ilay fihetsika atao.

  • Asao ny ankizy mba hiresaka momba ny fotoana iray izay niasany mafy hanaovany raharaha na tetik’asa na tanjona iray. Inona no tsapany momba ny tenany rehefa vita izany? Inona no dikan’ny hoe “[tsy] ketraka amin’ny fanaovan-tsoa”? (2 Tesaloniana 3:13).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hilaza amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na amin’ny namany iray ny antony iray izay mahafeno fankasitrahana azy hoe manana ny filazantsara etỳ an-tany isika ankehitriny (ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity dia afaka manampy azy ireo hahatadidy hanao izany).

Manatsara ny fampianarantsika

Tohano ireo ray aman-drenin’ny ankizy. “Ny ray aman-dreny no mpampianatra filazantsara manan-danja indrindra ho an’ny zanany.Izy ireo dia samy manana andraikitra voalohany mba hitarika ny zanany ary manana hery tena lehibe hanaovana izany (jereo ny Deoteronomia 6:6–7 Rehefa mampianatra ny ankizy any am-piangonana ianao dia mivavaha mba hahita fomba hanohanana ny ray aman-dreny amin’ilay anjara asa lehibe hazonin’izy ireo ” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).