Avia, hanaraka Ahy
14–20 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: -Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy-


“14–20 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: -Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“14–20 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
i Paoly nampanoratra taratasy avy tao am-ponja

14–20 ôktôbra

Filipiana; Kolosiana

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy”

Vakio ny Filipiana sy Kolosiana dia mieritrereta an’ireo ankizy ampianarinao. Mikatsaha fitaomam-panahy momba ny fomba hampianarana azy ireo ireo fitsipika ao anatin’ireo epistily ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Anontanio ny ankizy izay nataon’izy ireo tamin’iny herinandro lasa iny mba hanoloran-tanana ny namana sahirana iray, araka ny nifampiresahana tamin’ny fampianarana tamin’ny herinandro lasa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Filipiana 1:3–4; Kolosina 1:3, 9

Tia ahy sy mivavaka ho ahy ireo mpitarika ny Fiangonana.

Matetika i Paoly no nanomboka ny epistiliny tamin’ny fanehoana fitiavana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ny filazana tamin’izy ireo fa nivavaka ho azy ireo izy. Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa tia azy ireo ny mpitarika ny Fiangonana.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio mafy ny Filipiana 1:3–4 sy ny Kolosiana 1:3, 9, ary asaivo mamoritra ny tanany sy manondrika ny lohany ny ankizy isaky ny maheno ireo teny hoe fivavahana, fangatahana ary mivavaka. Hazavao fa ny Apôstôly Paoly dia nivavaka ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, tahaka ny hivavahan’ireo mpitarika ny Fiangonana ho antsika ankehitriny.

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy ary mizarà ohatra momba Azy izay nivavaka ho an’ny olona iray (ohatra Lioka 22:32; 3 Nefia 19:21, 23). Inona no nangatahin’i Jesoa rehefa nivavaka ho an’ny hafa Izy?

  • Ampio ny ankizy mba hilaza ny anaran’ny sasany amin’ireo mpitarika azy ireo ao amin’ny Fiangonana, toy ny Filohan’ny Kilonga, ny eveka, ary ny Filohan’ny Fiangonana. Hazavao fa ireo mpitarika ireo dia mangataka amin’ny Ray any An-danitra mba hitahy ireo zanany sy hanampy azy ireo hiaina amim-pahamarinana. Lazao amin’ny ankizy izay lazainao rehefa mivavaka ho azy ireo ianao.

Filipiana 4:4, 8

Afaka mifaly ao amin’ny Tompo aho.

Namporisika ny Olomasina mba hifaly i Paoly, na dia niatrika fisedrana mafy aza izy ireo ary na dia babo mihitsy aza i Paoly. Amin’ny fomba ahoana no hanampianao ny ankizy hahita fa mitondra fifaliana ny fiainana ny filazantsara?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hihaino ny teny naverimberina rehefa mamaky ny Filipiana 4:4 ianao. Asaivo asehon’ny ankizy aminao ny zavatra mety ho ataon’izy ireo rehefa mifaly izy ireo. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny hoe “mifaly ao amin’ny Tompo” dia midika hoe mahatsapa ho faly satria manana ny filazantsara isika ary satria tia antsika i Jesoa Kristy.

  • Mitondrà zavatra na sary izay maneho ireo zavatra izay manampy antsika “hifaly ao amin’i Kristy.” Afaka mitondra zava-boahary tsara tarehy nataon’ Andriamanitra ianao na sarina tempoly iray, ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty, na fianakaviana iray. Avelao ny ankizy hifandimby hisafidy sary na zavatra iray, dia lazao amin’izy ireo hoe nahoana izany no mahatonga anao ho faly. Asao izy ireo mba hizara ireo zavatra izay mety hanampy azy ireo hifaly ao amin’ny Tompo.

  • Iaraho vakiana ny Filipiana 4:8, ary ampio ireo ankizy mba hieritreritra ireo zavatra izay mifandraika amin’izany famaritana izany ao amin’ilay andininy (jereo ihany koa ny Fanekem-pinoana 1:13). Omeo taratasy ny ankizy ary avelao izy ireo hanao sarin’ireo zavatra ireo mba hanampy azy ireo “hihevitra” ireo zavatra nofariparitan’i Paoly.

Kolosiana 1:23; 2:6–7

Tokony “hiorina mafy” ao amin’i Jesoa Kristy ny finoako.

Raha vitan’ny ankizy ny manorina ny fiainana sy ny finoany eo amin’ny Mpamonjy dia ho afaka ny hahatohitra ireo tafiotry ny fiainana izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ilay sarina hazo ao amin’ny rindran-dramina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo am-pamakiana ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ny Kolosiana 1:23; 2:6–7. Inona no hitranga amin’io hazo io raha toa ka tonga ny tafiotra iray kanefa tsy nanana faka matanjaka ilay hazo? Avelao ny ankizy mba hijoro sy hilaza ny tenany ho hazo iray izay manana faka malemilemy, ary avy eo hazo iray izay manana faka matanjaka. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny finoana ny Mpamonjy antsika tahaka ilay hazo manana faka matanjaka?

  • Asao ny ankizy iray mba hanao sarina hazo iray eny amin’ny solaitrabe. Asaivo lazain’ny ankizy izay azon’izy ireo atao mba “hiorina mafy” ao amin’i Jesoa Kristy. Isaky ny milaza zavatra iray ny ankizy iray dia asao izy mba hanampy faka iray eo amin’ilay sary.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Filipiana 4:4–13

Afaka ny ho faly aho na mandritra ny fotoan-tsarotra aza raha toa ka manana finoana an’i Jesoa Kristy.

Niaritra fitsapana maro i Paoly, saingy faly izy satria nanana finoana an’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo maka sary an-tsaina ireo ankizy fa toy ny ao am-ponja izy ireo, tahaka ny Apôstôly Paoly rehefa nanoratra ny epistily ho an’ny Filipiana izy. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Filipiana 4:4–13 ary asaivo mitady ireto teny manaraka ireto izy ireo: mifalia, fiadanana, tsy hierina. Nahoana no afaka nifaly sy nahatsapa fiadanana i Paoly na dia tany am-ponja aza? Ampio ny ankizy hitady ireto teny hoe: Tompo, Andriamanitra, ary Kristy ao amin’ireo andininy ireo. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny finoan’i Paoly an’i Jesoa Kristy dia nahatonga azy ho afaka nifaly.

  • Asao ny ankizy hanampy anao hameno ireo fehezan-teny tahaka izao manaraka izao: Mety ho ao anatin’ny maizina aho kanefa mbola mahita ihany raha toa aho ka manana . Mety ho eny ivelan’ny trano aho mandritra ny andro mahamay kanefa mbola mahatsapa ho mangatsiatsiaka ihany raha toa aho ka manana . Mety handalo fotoan-tsarotra aho kanefa mbola mahita fifaliana ihany raha toa aho ka . Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo mahita fifaliana ao amin’i Jesoa Kristy rehefa mandalo fotoan-tsarotra izy ireo. Afaka mihira hira iray izy ireo, na mamaky ny soratra masina tiany indrindra, na manompo olona iray, na manana vavaka feno fisaorana. Inona ho torohevitra atolotry ny Filipiana 4:4–13? Zarao amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo hira na soratra masina izay manampy anao hahita fifaliana mandritra ny fotoan-tsarotra.

Filipiana 4:8

Afaka mihevitra ireo zavatra izay marina sy mahitsy ary madio aho.

Matetika ny ankizy no mifanerasera amin’ny zavatra ratsy sy tsy madio. Afaka manampy azy ireo ianao mba hikatsaka ireo zavatra izay mahate-ho-tia sy misy hatsaram-panahy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mamaky mafy ny Filipiana 4:8 ny ankizy iray eo am-pitadiavan’ny ankizy hafa teny mitovy na sahala amin’izany ao amin’ny Fanekem-pinoana 1:13. Asao ny olona iray mba hanoratra ireo teny ireo eny amin’ny solaitrabe. Omeo ny famaritana tsotra an’ireto teny ireo ary asaivo mampifandray ireo famaritana ireo amin’ireo teny ny ankizy. Nahoana isika no tokony “hihevitra” ireo teny ireo? Ahoana no fomba “hikatsahantsika” azy ireny?

  • Asaivo milaza ireo zavatra izay mifanaraka amin’ireo famaritana ao amin’ny Filipiana 4:8 ny ankizy. Asao izy ireo mba hanao ny lisitr’ireo zavatra izay mety ho tsikaritr’izy ireo amin’ity herinandro ity ka mifanaraka amin’ireo famaritana ireo. Amporisiho izy ireo mba hitondra ny lisitr’izy ireo ao amin’ny Kilonga amin’ny herinandro manaraka ka hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

Kolosiana 1:23; 2:6–7

Tokony “hiorina mafy” ao amin’i Jesoa Kristy ny finoako.

Miezaka ny hampalemy ny finoan’ny ankizy i Satana amin’ny alalan’ireo fakam-panahy sy fotopampianaran-diso. Ahoana no fomba hitaomanao ny ankizy mba hampatanjaka ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy ka “tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara”?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hanao sary izay maneho ireo fahamarinana hita ao amin’ny Kolosiana 1:23; 2:6–7. Avelao izy ireo mba hizara ny sariny amin’ny iray kilasy ary hanazava ireo fahamarinana asehon’ny sary nataon’izy ireo.

  • Ampisehoy ilay horonan-tsary hoe “Tadio ara-panahy.” Inona avy ireo fakampanahy sy fotopampianarana sasantsasany eto amin’izao tontolo izao ankehitriny izay mety hampalemy ny finoantsika? Inona no azontsika atao mba hampatanjahana ny finoantsika ka “hiorina mafy” ao amin’i Jesoa Kristy isika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny hoe “miorina mafy” ao amin’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo ampiasaina ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity na ny soratra masina iray izay novakiana nandritra ny fampianarana androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Liana sy tia mianatra amin’ny alalan’ny fomba vaovao sy isan-karazany ny ankizy. Manaova asa izay manampy ny ankizy hihetsiketsika, sy hampiasa ny retsipamantarany rehetra ary hanandrana zavatra vaovao. Afaka manampy ireo torohevitra ao amin’ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy” any amin’ny fiandohan’ity loharanom-pitaovana ity. (Jereo ihany koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,25–26