Avia, hanaraka Ahy
30 septambra–13 ôktôbra. Efesiana: -Ho fanatanterahana ny olona masina-


“30 septambra–13 ôktôbra. Efesiana: -Ho fanatanterahana ny olona masina-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“30 septambra–13 ôktôbra. Efesiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
fianakaviana mijery sary

30 septambra–13 ôktôbra

Efesiana

“Ho fanatanterahana ny olona masina”

Eo am-pandalinanao ny Epistily ho an’ny Efesiana dia eritrereto ireo fitsipika azonao antitranterina mba hitahiana ny ankizy ampianarinao. Raketo izay mety ho hevitra tonga ao an-tsainao eo am-pamakianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asaivo mijoro dia milahatra ny ankizy. Angataho ny ankizy voalohany eo amin’ny filaharana mba hizara zavatra iray izay nianarany vao tsy ela nandritra ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, tao amin’ny Kilonga, na tamin’ny toerana na fotoan-kafa. Asao ny ankizy manaraka eo amin’ny filaharana mba hamerina ny zavatra nozarain’ilay ankizy teo aloha dia hanampy zavatra iray izay nianarany avy eo. Havereno izany mandrapahazoan’ny ankizy tsirairay avy fahafahana hizara.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Efesiana 2:19

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony ho mpinamana sy “mpiray fanjakana.”

Moa ve ny ankizy ao amin’ny kilasy misy anao mifandray kokoa toy ny “vahiny” sa toy ny “mpiray fanjakana” amin’ny samy ankizy sy amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy? Ampio izy ireo hahatakatra fa na dia eo aza ny fahasamihafantsika dia manampy antsika mba hiray hina sy hifankatia ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ataovy eo ampovoan’ny efitra ny sarin’ny Mpamonjy iray. Asao ny ankizy hitsangana amin’ireo lafiny samihafa ao amin’ilay efitra mba hanehoana ny hoe “vahiny” na “mpivahiny.” Eo am-pamakianao ny Efesiana 2:19 dia asao izy ireo hanatona ilay sarin’i Kristy mandrapijoron’ny tsirairay eo akaikin’ny namany. Lazao izy ireo fa rehefa manatona akaiky kokoa ny Mpamonjy isika dia afaka ny ho lasa miray hina amin’ny hafa tahaka ny mpinamana sy “mpiray fanjakana.”

  • Mitadiava sarina ankizy avy amin’ny faritra samy hafa eto amin’izao tontolo izao dia afeno manerana ny efitrano fianarana izany. Apetraho eo aloha ny sarin’ny Mpamonjy iray. Asao ny ankizy mba hiara-hiasa amina namana iray tahaka ny fanaon’ireo misiônera dia mifandimbiasa mitady sarina “vahiny” iray mba hapetraka eo akaikin’ilay sarin’ny Mpamonjy. Ampio izy ireo hahatakatra fa rehefa vita batisa ny olona dia lasa tafiditra ao amin’ny fianakaviamben’ny Fiangonana, na ny “ankohonan’ Andriamanitra.” Ahoana no hanampiantsika ny olona vaovao iray mba hahatsiaro ho voaray tsara?

Efesiana 6:1–3

Tian’ny Ray any An-danitra aho hankatò ny ray aman-dreniko.

Eo am-pamakianao ny Efesiana 6:1–3 dia mieritrereta fomba hahafahanao manampy ireo ankizy hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana ray aman-dreny.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Efesiana 6:1, na ampio ny ankizy iray hamaky izany. Asaivo lalaovin’izy ireo an-tsehatra ny fotoana izay nankatoavany ny ray aman-dreniny. Inona no mety ho nitranga raha toa tsy nankatò izy ireo?

  • Hirao miaraka ny hira momba ny fankatoavana iray toy ny “Je veux obéir” (Chants pour les enfants, 71). Miatoa aorian’ny andalana voalohany dia asaivo lazain’ny ankizy iray ny zavatra iray izay nasain’ny rainy na ny reniny nataony; dia hirao hatramin’ny farany ilay hira avy eo. Averimbereno im-betsaka izany mba hahafahan’ny ankizy hafa manao ny anjarany.

  • Zarao ny zavatra niainanao iray izay nankatoavanao ny ray aman-dreninao ka nahazoanao fitahiana. Na zarao ny tantaran’i Chloe avy amin’ilay lahateny nataon’ny Rahavavy Carole M. Stephens manao hoe “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Ensign na Liahona, nôv. 2015, 118–20).

Efesiana 6:10–18

Ny fiadian’ Andriamanitra dia afaka miaro ahy.

Ahoana no hanampianao ireo ankizy hahatakatra fa ny fanaovana zavatra araka ny fahamarinana dia toy ny mitafy fiadiana?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina olona mitafy fiadiana, tahaka ilay sary ao amin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity na ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Eo am-pamitinanao ny Efesiana 6:10–18, dia asehoy amin’ny ankizy ny fomba hiarovan’ny singa tsirairay ao amin’ilay fiadiana ny faritra samihafa ao amin’ny vatana.

  • Hoento ao an-dakilasy ny zavatra vitsivitsy izay afaka maneho ireo fiadiana voalaza ao amin’ny Efesiana 6:14–17 (ohatra, satroka na tablie), na amboary amin’ny fomba tsotra amin’ny alalan’ny taratasy izy ireo. Avelao hifandimby hitafy ny “fiadiana” ny ankizy. Ifanakalozy hevitra ny dikan’ny hoe voaro amin’ny ratsy ary ny fomba hahafahan’ny fiadiana tsirairay avy miaro azy ireo. Ahoana no fomba hitafiantsika ny fiadian’ Andriamanitra? (ohatra: amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina, fanompoana ny hafa, vavaka, fankatoavana, sns).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Efesiana 2:13–19

Mpiray fanjakana ao amin’ny ankohonan’ Andriamanitra isika.

Ampatanjahana ny ankizy rehefa manana namana tsara ao amin’ny filazantsara izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hanatsara bebe kokoa ny finamanana misy eo amin’izy samy izy?

Sary
Asa atao ho an’ireo Kilonga

“Tompon-tany, mpiray fanjakana” amin’ireo olomasin’ Andriamanitra isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakiana ny Efesiana 2:19 ary mifanakaloza hevitra ny amin’ny dikan’ny hoe vahiny na mpivahiny. Zarao ny zavatra niainanao izay nahatsapanao fa vahiny na mpivahiny ianao ary nisy olona nanampy anao hahatsapa fa tsara ny fandraisana anao. Asao ireo ankizy hizara ny zavatra niainany mitovitovy amin’izany. Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika ho “tompon-tany, mpiray fanjakana” fa tsy vahiny? Misy amin’ireo ankizy ampianarinao ve no tsy tonga matetika, angamba noho izy ireo mahatsapa ho toy ny vahiny? Ampio ireo ankizy hanolotra drafitra mba hanampiana ireo mpikambana ireo mba hahatsapa fandraisana tsara sy fitiavana.

  • Mba hanampiana ireo ankizy izay ampianarinao hifanakaiky bebe kokoa, dia manorata eny amin’ny solaitrabe fanontaniana izay mitaona azy ireo hizara zavatra momba azy, toy ny hoe: Oviana no nahazo valim-bavaka ianao? na Inona zavatra tianao atao indrindra miaraka amin’ny fianakavianao? Ampiaraho ho tsiroaroa ireo mpianatra, ka asao izy ireo hifametraka ireo fanontaniana ireo. Inona no zavatra nianaran’izy ireo momban’izy samy izy?

Efesiana 6:1–3

Tian’ny Ray any An-danitra aho hankatò sy hanaja ireo ray aman-dreniko.

Mieritrereta fomba hahafahanao manampy ireo ankizy hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny ray aman-drenin’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hamaky manokana ny Efesiana 6:1–3 ary hitady andian-teny izy manaitra azy ireo. Asao izy ireo hizara ireo andian-teny ireo sy hilaza ny antony hahatsapany fa manan-danja ireo andian-teny ireo.

  • Asao ireo ankizy hizara ohatra maneho olona ao amin’ny soratra masina izay nankatò ireo ray aman-dreniny, toy ny Mpamonjy (jereo ny Lioka 2:42–52), Rota (jereo ny Rota 1), na Nefia (jereo ny 1 Nefia 3:1–8). Nahoana no zava-dehibe ny mankatò sy manaja ny ray aman-drenintsika?

  • Omeo taratasy kely misy soratra hoe: manaja eo amboniny ny ankizy tsirairay. Ifampiresaho ny hevitr’io teny io. Asao ireo ankizy hanoratra na hanao sary eo amin’ny taratasy keliny ny zavatra iray izay azony hatao mba hampisehoany fa izy ireo dia manaja ny ray aman-dreniny.

Efesiana 6:10–18

Ny fiadian’ Andriamanitra dia afaka miaro ahy amin’ny ratsy.

Eo am-pamakiana ny Efesiana 6:10–18, dia eritrereto ny sasany amin’ireo loza ara-panahy izay atrehin’ireo ankizy sy ny fomba ahafahanao manampy ireo ankizy hatanjaka manoloana azy ireny.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo misy ankizy iray mamaky ny Efesiana 6:10–18 ary angataho ny ankizy iray hafa hanao lisitra na hanao sary eny amin’ny solaitrabe ireo fiadiana tsirairay izay voalaza. Nahoana no zava-dehibe ny fitafiana fiadiana mandritra ny ady iray? Ahoana no fomba hitafiantsika fiadiana ara-panahy isan’andro?

  • Angataho ny ankizy tsirairay hanao ny sary sy hanisy ny lohateniny ho an’ny iray amin’ireo fiadiana voalaza ao amin’ny Efesiana 6:14–17. Ahoana no fomba hiarovan’ireo fiadiana ireo antsika amin’ny ratsy? Inona no ampanantenain’ny Tompo ireo izay mitafy ny fiadian’ Andriamanitra? (jereo ny Efesiana 6:13). Inona no dikan’ny hoe: “[m]anohitra amin’ny andro mahory”?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hijery mandritra ity herinandro ity raha misy olona izay mety mahatsiaro tena ho vahiny. Amporisiho izy ireo hanao zavatra mba hanolorana tanana ho an’io olona io.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy kely mba hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Mba hanampiana ny ankizy kely hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina dia mifantoha amin’ny andinin-tsoratra masina iray na amin’ny andian-teny manan-danja iray fotsiny aza. Azonao atao ny manasa ny ankizy hitsangana rehefa maheno teny na andian-teny iray manokana izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)