Avia, hanaraka Ahy
30 septambra–13 ôktôbra. Efesiana: -Ho fanatanterahana ny olona masina-


“30 septambra–13 ôktôbra. Efesiana: -Ho fanatanterahana ny olona masina-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“30 septambra–13 ôktôbra. Efesiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
fianakaviana mijery sary

30 septambra–13 ôktôbra

Efesiana

“Ho fanatanterahana ny olona masina”

Mahita fifandraisana eo amin’ny hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Efesiana ve ianao?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Rehefa nanomboka niely tao Efeso ny filazantsara dia niteraka “tabataba be” (Asan’ny Apostoly 19:23) teo anivon’ny Efesiana izany. Ireo mpanao trano sy mpamoron-javatra izay nanamboatra fitaovana sy toeram-pitsaohana ho an’ andriamanin-kafa dia nandray ny finoana Kristianina ho sakana tsy hampiroborobo ny fiveloman’izy ireo, ka vetivety dia lasa “tezitra loatra [izy ireo], … ary nanerana ny tanàna ny tabataba” (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:27–29). Alaivo sary an-tsaina fa ianao dia vao niova fo ho an’ny filazantsara ao anatin’izany toe-javatra izany. Efesiana maro no nanaiky sy niaina ny filazantsara tao anatin’izany “tabataba” (Asan’ny Apostoly 19:40) izany, ary Paoly dia nanamafy tamin’izy ireo fa “ao amin’i Kristy … no fihavanantsika” (Efesiana 2:13–14). Ireo teny ireo sy ny hafatra nomeny mba “[hanaisotra] amin’[izy ireo] ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra” (Efesiana 4:31) dia toa tonga tamin’ny fotoana tena nilàna azy ary mankahery tokoa amin’izao fotoana izao tahaka ny tamin’izany fotoana izany. Ho an’ireo Efesiana sy ho anao dia tonga “ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany” (Efesiana 6:10–13) ny hery hahafahana miatrika ny fahavalo.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Efesiana 1:4–11, 17–19

Efa “nifidy” na “nanendry mialoha” ny zanany sasany mba ho vonjena ve Andriamanitra?

Niresaka i Paoly fa misy ireo Olomasina efa “[nofidian’]” Andriamanitra “fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” mba ho vahoakany. Araka ny fanamarihana nomen’ny Filoha Henry B. Eyring hoe: ny fisian’ny olona maro izay velona sy maty nefa tsy nanana fahafahana hahafantatra ny filazantsara dia mahatonga ny olona sasany “hino fa efa notapahan’ Andriamanitra mialoha izay zanany hovonjeny ka nomeny fahafahana handray ny filazantsara izy ireo, ary ireo izay tsy nandre velively ny filazantsara dia tsy -voafidy- tsotra izao. Saingy … mihoatra lavitra noho izany ny drafitr’ Andriamanitra. Maniry ny hanangona sy hitahy ny olona rehetra ao anatin’ny fianakaviany ny Raintsika any An-danitra” (“Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2017, 20). Ny zanak’ Andriamanitra rehetra dia afaka manaiky ny filazantsara sy ireo ôrdônansy ao aminy noho ny asa atao ho an’ny maty any amin’ireo tempoly masina.

Na dia tsy misy olona voalahatra mialoha mba ho voavonjy na tsy ho voavonjy aza dia mampianatra antsika ny fanambarana maoderina fa ny olona sasany dia “efa voatendry mialoha” tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana mba hanatanteraka andraikitra voafaritra ety an-tany. Tafiditra ao anatin’izany ny andraikitra ananan’ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra mba hizara ny filazantsara sy hanampy ny zanak’ Andriamanitra rehetra amin’ny lafin’ny voaly anankiroa mba hanatona an’i Kristy.

Efesiana 1:10

“[Hanangona] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” Andriamanitra.

Efa nanontany tena ve ianao hoe inona izany “fitantanana ny fotoam-pahafenoana” izany na hoe inona ny dikan’ilay hoe “[hangonina] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”? Eo am-pisaintsainanao an’ireo andian-teny ireo dia vakio ireto soratra masina manaraka ireto: Efesiana 4:13; 2 Nefia 30:7–8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16; 112:30–32; 128:18–21. Mety hahazo fanentanam-panahy ianao hanoratra ny fanazavanao manokana an’ireo andian-teny ireo.

Efesiana 2:19–22; 4:11–16

Ny Fiangonana dia miorina eo amin’ny fototry ny apôstôly sy ny mpaminany, ary i Jesoa Kristy no vato fehizoro indrindra.

Ny famakiana ny fampianaran’i Paoly momba ny apôstôly sy ny mpaminany dia afaka manampy anao hiomana handre ny hafatr’ireo apôstôly sy mpaminany maoderina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Araka ny Efesiana 2:19–22; 4:11–16, dia nahoana isika no manana mpaminany sy apôstôly? Ahoana no nanampian’ny fampianaran’izy ireo anao tsy ho “ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra”?

Jereo ihany koa ny Asan’ny Apostoly 4:10–12.

Sary
mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy

Miantso mpaminany sy apôstôly mba hitarika ny Fiangonany ny Tompo.

Efesiana 5:21–6:4

Afaka mampatanjaka ny fifandraisana misy eo amin’ny fianakaviako aho.

Eo am-pamakianao ny Efesiana 5:21–6:4, dia inona avy ireo eritreritra tonga ao an-tsainao momba ny fomba fampatanjahana ny fifandraisana ao amin’ny fianakavianao?

Zava-dehibe ny manamarika fa ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 5:22 dia nosoratana tao anatin’ny sahan-kevitry ny fomba fanao teo amin’ny fiarahamonina tamin’ny fotoanandrony. Ireo mpaminany sy apôstôly ankehitriny dia mampianatra fa ny lehilahy dia tsy omen-danja kokoa noho ny vehivavy ary ny mpivady dia tokony ho “mpiara-miasa mitovy lenta” (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2017, 145). Na dia izany aza dia mbola afaka mahita torohevitra ilaina amin’izao fotoana ao amin’ny Efesiana 5:23–33 ihany ianao, indrindra indrindra raha toa efa manam-bady na miomana amin’ny fanambadiana ianao. Ohatra, ahoana no hanehoan’i Kristy ny fitiavany an’ireo Olomasina? Midika inona amin’ny fomba tokony handraisan-dralehilahy an-dravehivavy izany? Inona no tsapanao fa hafatra ho anao manokana ao amin’ireo andininy ireo?

Efesiana 6:10–18

Ny fitafiana “avokoa ny fiadian’ Andriamanitra” dia hanampy ahy ho voaro amin’ny ratsy.

Eo am-pamakianao ny Efesiana 6:10–18, dia diniho hoe nahoana i Paoly no nanome anarana ny fitaovam-piadiana amam-piarovana tsirairay avy araka ny nataony. Hiaro antsika amin’ny inona ny “fiadian’ Andriamanitra [rehetra]”? Inona no azonao atao mba hitafiana bebe kokoa hatrany isan’andro ny fitaovam-piadiana amam-piarovana tsirairay avy?

Jereo koa ny 2 Nefia 1:23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Efesiana 1:10

Amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao dia manangona ny zavatra rehetra ho iray Andriamanitra, tafiditra amin’izany ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara rehetra. Mba hanehoana izany hevitra izany dia azonao atao ny manafina ao an-trano zavatra na andian-teny nosoratana izay manambara ireo zavatra efa naverina tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao (toy ny fanalahidin’ny fisoronana, ôrdônansin’ny tempoly, soratra masina, ary fanomezam-pahasoavana ara-panahy). Afaka mikaroka izany dia “manangona” izany miaraka ny olona ao amin’ny fianakaviana. Nahoana isika no mankasitraka ny fiainantsika mandritra ny “fitantanana ny fotoam-pahafenoana”?

Efesiana 2:4–10; 3:14–21

Asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana hizara traikefa izay nahatsapany ny fitiavana sy famindram-pon’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy izay voalazalaza ao amin’ireo andininy ireo.

Efesiana 2:12–19

Mety ho ankafizin’ny fianakavianao ny manangana rindrina vita amin’ny ondana na zavatra hafa ao an-trano dia mandrodana izany avy eo. Karazana rindrina inona no mampisaraka ny olona amin’izao fotoana izao? Ahoana no “nandravan’[i Jesoa Kristy] … ny efitry ny fisarahana” eo amintsika sy Andriamanitra?

Efesiana 6:10–18

Azon’ny fianakavianao atao ny mamorona ny “fiadian’ Andriamanitra” izay azy ireo manokana amin’ny alalan’ny fitaovana fampiasa ao an-tokantrano. Miaro antsika amin’ny lafiny ara-panahy amin’ny fomba ahoana ireo fitaovam-piarovana amam-piadiana tsirairay avy? Inona no azontsika atao mba hifanampiana isan’andro amin’ny “[fitafiana] ny fiadian’ Andriamanitra” (Efesiana 6:11) ?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Avelao ny Fanahy hitarika ny fandalinanao. Henoy tsara ny Fanahy eo am-pitarihany anao amin’ireo zavatra izay mila ianaranao isan’andro, na dia mitarika anao amin’ny fandalinana lohahevitra izay tsy nokasainao hohalalinina aza izany.

Sary
lehilahy mitafy fitaovam-piarovana amam-piadiana tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao

Ny fitafiana ireo fitaovam-piarovana amam-piadian’ Andriamanitra dia afaka miaro antsika ara-panahy.