Avia, hanaraka Ahy
14–20 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: -Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy-


“14–20 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: -Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“14–20 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Paoly manonona taratasy ao am-ponja

14–20 ôktôbra

Filipiana; Kolosiana

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy”

Oviana ny fotoana farany namakianao ireo fahatsapana ara-panahy noraketinao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao? Mety hanampy ny mamerina mijery ireo bitsika izay noraisinao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Tany am-ponja i Paoly no nanoratra ny epistiliny ho an’ny Filipiana sy Kolosiana. Kanefa ireo taratasy ireo dia tsy mitovy amin’ny taratasy izay mety ho nosoratan’ny olona iray any am-ponja. Niresaka kokoa momba ny fifaliana sy ny fankasitrahana izy fa tsy mba momba ny fahoriana sy fitsapana: “Kristy no torina,” hoy izy, “ary mifaly amin’ izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho” (Filipiana 1:18). “Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ ny finoanareo an’ i Kristy” (Kolosiana 2:5). Azo antoka fa ilay “fiadanan’ Andriamanitra” izay niainan’i Paoly tao anatin’ireo toe-javatra sarotra ireo dia “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” (Filipiana 4:7), saingy tena zava-nisy niainany anefa izany. Ao anatin’ny fitsapana atrehantsika isika dia afaka mahatsapa io fiadanana io ka “[hifaly] mandrakariva amin’ ny Tompo” (Filipiana 4:4). Afaka miantehitra tanteraka amin’i Jesoa Kristy, “izay ananantsika fanavotana” isika tahaka ny nataon’i Paoly (Kolosiana 1:14). Afaka miteny, tahaka ny nataon’i Paoly, isika hoe, “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13; jereo koa ny Kolosiana 1:11).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Filipiana 2:12–13

“[Miasa ve isika] hahatanteraka ny famonjena [antsika]”?

Ny andian-teny hoe “miasà … hahatanteraka ny famonjena anareo” dia nampiasain’ny olona sasany mba hanohanana ilay hevitra hoe amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika ihany no hahavoavonjy antsika. Saingy izany dia fomba fijery voafetra, tahaka ny maha-voafetra ny fahatakarana ilay fampianaran’i Paoly manao hoe “fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana” (Efesiana 2:8) mba hilazana fa tsy misy asa takina mba hahazoana ny famonjena. Ny soratra masina, anisan’izany ireo asa soratr’i Paoly, dia mampianatra mazava tsara ny ilana azy roa, dia ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny ezaky ny tena manokana mba hahazoana famonjena. Araka ny voalazan’i Nefia hoe: “Noho ny fahasoavana no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23). Ao anatin’ny ezaka ataontsika hiasana hahatanteraka ny famonjena antsika dia, “Andriamanitra no miasa ao anatinareo” (Filipiana 2:13; jereo koa ny Filipiana 1:6).

Filipiana 3:5–14

Mendrika ny hanaovana ny fanoloran-tena rehetra ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.

Nahafoy zavatra betsaka i Paoly rehefa niova fo ho amin’i Jesoa Kristy, anisan’izany ilay toerana ambony nohazoniny tao amin’ny fiarahamonina Jiosy tamin’ny naha-Fariseo azy. Tadiavo ao amin’ny Filipiana 3:5–14 ny zavatra nolazain’i Paoly fa azony noho ny fahavononany hanao fahafoizan-tena ho an’ny filazantsara. Inona no tsapany momba ireo fanoloran-tena nataony?

Dia diniho avy eo ny fanarahanao dia an’i Jesoa Kristy. Inona no efa nafoinao ho an’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy? Inona no azonao? Misy fahafoizana fanampiny ve tsapanao fa ilainao atao mba hahatonga anao ho lasa mpanaradia ny Mpamonjy be fanoloran-tena kokoa?

Jereo koa ny 3 Nepfia 9:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:2–5; Robert C. Gay, “Fa inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” Liahona, nôv. 2012, 34–36.

Filipiana 4:1–13

Afaka mahita fifaliana aho, na inona na inona toe-javatra iainako.

Ny fiainan’i Paoly dia ohatra tsara momba ilay fahamarinana nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa amin’i Jesoa Kristy … no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana” (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82).

Eo am-pamakianao ny Filipiana, indrindra fa ny toko 4, dia tadiavo ireo fehezan-teny izay mety hanampy anao hahita fifaliana amin’ny zava-mitranga amin’ny fiainanao. Oviana ianao no efa niaina “ny fiadanan’ Andriamanitra” nandritra ny fotoan-tsarotra? (andininy 7). Oviana ianao no efa nahazo hery “ao amin’ i Kristy” mba hanao zavatra sarotra? (andininy 13). Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny “tsy [mierina]” na inona na inona toe-java-mitranga? (andininy 11). Manampy anao hahita fifaliana ao amin’ny toe-javatra iainanao amin’ny fomba ahoana ny fampiharana ireo toetra ao amin’ny andininy 8?

Jereo ny Almà 33:23; Dieter F. Uchtdorf, “Mahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy,” Liahona, mey 2014, 70–77.

Kolosiana 1:12–23

Miorina amin’i Jesoa Kristy ny finoako.

Inty misy fomba fandalinana izay azonao andramana amin’ny toko rehetra ao amin’ny soratra masina, na dia hoe amin’ny Kolosiana 1:12–23 aza izany no tena mandaitra tsara. Karohy ao amin’ireo andininy ny zavatra izay ianaranao momba an’i Jesoa Krisy, dia manaova lisitry ny zavatra hitanao. Nahoana ianao no mahatsapa fa manan-danja ny mahafantatra ireo zavatra momba ny Mpamonjy ireo?

Kolosiana 3:1–17

Lasa “vaovao” ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy rehefa miaina ny filazantsarany izy ireo.

Ahoana no ahafantaranao raha toa ka manampy anao ho lasa manana “toetra vaovao” ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy? Fomba iray ahafahana mahita izany ny fikarohana ao amin’ny Kolosiana 3:1–17 ary ny fanaovana ny lisitr’ireo fomba sy toetra ary fihetsika ao amin’ny “toetra taloha” sy lisitra iray hafa ahitana ireo fomba sy toetra ary fihetsika ao amin’ilay “toetra vaovao.”

Misy eritreritra nentanim-panahy momba ny fomba hanovan’ny filazantsara ny fiainanao ve entin’ny fandalinanao an’ireo andininy ireo? Raketo ireo eritreritra anananao mba hahafahanao mamerina mijery azy ireny amin’ny hoavy sy hisaintsainanao ny fandrosoanao.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Filipiana

Mety ho tsikaritry ny fianakavianao miverimberina ao amin’ny Filipiana ny teny hoe fifaliana na mifaly. Isaky ny mahita ny iray amin’ireo teny ireo ianareo dia azonareo atao ny mijanona dia mifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra nampianarin’ny Paoly momba ny fomba hahazoana fifaliana.

Filipiana 2:14–15

Ahoana no ahafahantsika miseho “tahaka ny fanazavana eo amin’ izao tontolo izao”?

Filipiana 4:8

Azon’ny olona ao amin’ny fianakavianao atao ny mamantatra zavatra tokony hoheverina izay mifanaraka amin’izay nosoritsoritana ao amin’ity andininy ity (jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:13). Inona no mety ho fitahiana ho azon’ny fianakavianao avy amin’ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly?

Kolosiana 1:9–11; 2:2–3

Inona no azontsika atao mba hitombo “amin’ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra”? Inona no “rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana” hitantsika ao amin’ny filazantsara?

Kolosiana 1:23; 2:7

Azon’ny fianakavianao atao angamba ny mamaky ireo andininy ireo sady mipetraka manodidina ny hazo iray na mijery sarina hazo iray (tahaka ilay nampiarahana amin’ity rindran-damina ity). Inona no dikan’ny hoe “mafy orina” sy “mamaka tsara” ao amin’i Kristy? Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ny fanamafisana ny fakantsika ara-panahy?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ny Loholona Neal A. Maxwell dia nampianatra hoe: “Ny toetranao dia hita taratra any amin’ny fampianarana ampitainao. Ho tsaroana kokoa ireo toetranareo … noho ny fahamarinana miavaka iray nampitaina nandritra ny lesona iray” (ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 13).

Sary
hazo

Nampianatra i Paoly fa ny finoantsika dia tokony ho “mamaka tsara” ao amin’i Jesoa Kristy (Kolosiana 2:7).