Avia, hanaraka Ahy
21–27 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana: -Mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo-


“21–27 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana: -Mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“21–27 ôktobra. 1 sy 2 Tesaloniana,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
vehivavy misiônera roa miresaka amin’ny zatovolahy iray

21–27 ôktôbra

1 sy 2 Tesaloniana

“Mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo”

Raha tsy raketintsika ireo fahatsapana azontsika avy amin’ny Fanahy dia mety ho very izy ireny. Inona no zavatra bitsihan’ny Fanahy anao mba ho raketina eo am-pamakianao ny 1 sy 2 Tesaloniana?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Tao Tesalonika i Paoly sy i Silasy dia voampanga ho “namadika izao tontolo izao” (Asan’ny Apostoly 17:6). Nahatezitra ny mpitarika sasany teo anivon’ireo Jiosy ny fampianaran’izy ireo, ary ireo mpitarika ireo no nahatonga ny vahoaka hitabataba (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:1–10). Vokatr’izany dia notoroina lalana hiala an’i Tesalonika i Paoly sy i Silasy. Nanahy ny amin’ireo Tesaloniana vao niova fo sy ny fanenjehana natrehan’izy ireo i Paoly, saingy tsy afaka niverina hitsidika azy ireo izy. “Izaho koa, raha tsy naharitra intsony,” hoy ny nosoratany, “dia naniraka hahafantatra ny finoanareo.” Ho valin’izany dia “nilaza teny soa taminay ny amin’ ny finoanareo sy ny fitiavanareo” i Timoty, mpiara-miasa mpanampy an’i Paoly, izay nanompo tany Tesalonika (1 Tesaloniana 3:5–6). Eny tokoa, ireo Olomasina tao Tesalonika dia fantatra ho ohatra ho an’ “ny mino rehetra” (1 Tesaloniana 1:7), ary niparitaka tany amin’ireo firenen-kafa ny vaovao momba ny finoan’izy ireo. Alaivo sary an-tsaina ny hafaliana sy ny fahamaivanana tsapan’i Paoly raha nandre fa “tsy foana” (1 Tesaloniana) ny asa nataony teo anivon’izy ireo. Saingy fantatr’i Paoly fa tsy ampy hahavelona ara-panahy amin’ny hoavy ny fahatokiana tamin’ny lasa, sady nampiahiahy azy ny fitaomana entin’ireo mpampianatra sandoka teo anivon’ireo Olomasina (jereo ny 2 Tesaloniana 2:2–3). Ny hafany ho azy ireo, sy ho antsika, dia ny hanohizana “hahatanteraka ny tsy ampy amin’ ny [finoantsika]” sy “hitombo bebe kokoa” amin’ny fitiavana (jereo ny 1 Tesaloniana 3:10; 4:10).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

1 Tesaloniana 1–2

Ny mpitory ny filazantsara dia mitory amin-kitsimpo sy fitiavana.

Ao amin’ny 1 Tesaloniana dia sady maneho fanahiana no maneho ny hafalian’ny olona iray izay nanolo-tena tanteraka hanompo ireo zanak’ Andriamanitra ny tenin’i Paoly. Indrindra indrindra fa ao amin’ireo toko roa voalohany ao amin’ny 1 Tesaloniana ianao dia hahita teny sy andian-teny izay manoritsoritra ny fampianaran’ny tena mpitory ny filazantsara. Entanin’ny Fanahy hanao inona ianao mba hanatsarana ny fampianaranao ny filazantsara?

1 Tesaloniana 3:9–4:12

Afaka ny ho lasa masina aho rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy.

Isika rehetra dia manantena fa amin’ny “fihavian’ i Jesoa Tompontsika,” dia ho afaka hijoro eo anatrehany isika miaraka amin’ny “[fo] tsy hanan-tsiny amin’ ny fahamasinana eo anatrehan’ Andriamanitra” (1 Tesaloniana 3:13). Inona no nampianarin’i Paoly mikasika ny fahatongavana ho masina kokoa ao amin’ny 1 Tesaloniana 3:9–13; 4:1–12?

Jereo ihany koa ny Môrônia 10:32–33; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahamasinana”; Carol F. McConkie, “Ny hatsaran’ny fahamasinana,” Liahona, mey 2017, 9–12.

1 Tesaloniana 4:16–18; 5:1–10; 2 Tesaloniana 1:4–10

Raha mahatoky sy mitandrina aho dia ho vonona ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany.

Ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:1–10, i Paoly dia mampiasa fanoharana maro mba hampianarana fahamarinana manan-danja momba ny fotoana hiverenan’i Jesoa eto an-tany. Rehefa mandalina ireo fanoharana ireo ianao dia eritrereto ny hanoratra ireo fahatsapana izay tonga ao aminao mahakasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany:

“Mpangalatra ao amin’ny alina”:

“Fanerena natao tamin’ny vehivavy iray manan-janaka”:

Fanoharana hafa hitanao:

Inona avy ireo fahamarinana fanampiny ianaranao momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany avy ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:16–18; 5:1–10; 2 Tesaloniana 1:4–10? Inona no bitsihin’ny Fanahy fa tokony ataonao mba hiambenana sy hiomanana ho amin’ny fiaviany?

Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign or Liahona, May 2004, 7–10.

2 Tesaloniana 2

Hisy Apôstazia, na fihemorana amin’ny fahamarinana, novinaniana hialoha ny Fiaviana fanindroany.

Teo anivon’ireo fanenjehana tsy nitsaha-nitombo dia maro tamin’ireo Olomasina tao Tesalonika no nino fa tsy maintsy efa akaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Saingy nahafantatra anefa i Paoly fa mialoha ny hiverenan’i Jesoa eto an-tany dia hisy Apôstazia, izay fikomiana na “fihemorana” amin’ny fahamarinana (jereo ny 2 Tesaloniana 2:1–4). Afaka mampitombo ny fahalalanao mikasika ny Apôstazia lehibe, sy ny fankasitrahanao ny Famerenana amin’ny laoniny, ianao rehefa mandalina ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto:

  • Soratra masina izay milaza mialoha ny Apôstazia: Isaia 24:5; Amosa 8:11–12; Matio 24:4–14; 2 Timoty 4:3–4

  • Soratra masina izay maneho fa efa nanomboka tamin’ny andron’i Paoly ny Apôstazia: Asan’ny Apôstôly 20:28–30; Galatiana 1:6–7; 1 Timoty 1:5–7

  • Fandinihan’ireo mpanavao Kristiana momba ny Apôstazia lehibe:

    Martin Luther: “Tsy nikatsaka afa-tsy ny hanavao ny Fiangonana hifanaraka amin’ny Soratra Masina aho. … Milaza fotsiny aho hoe nijanona tsy nisy intsony ny Kristianisma teo anivon’ireo izay tokony ho nitahiry izany” (ao amin’ny E. G. Schweibert, Luther and His Times: The Reformation from a New Perspective [1950], 590).

    Roger Williams: “Ny Apôstazia … dia efa nanimba ny rehetra ka tsy ho afaka ny hisy fanasitranana amin’izany apôstazia izany intsony raha tsy mandefa apôstôly vaovao i Kristy mba hanorina indray ny fiangonana” (ao amin’ny Philip Schaff, The Creeds of Christendom [1877], 851).

    Erasme: “Efa mikorontana amin’io resaka [fotopampianarana] sy didy io ny zava-drehetra ka tsy afaka ny hanantena izao tontolo izao hiverina amin’ny Kristianisma intsony isika” (The Praise of Folly, trans Clarence H. Miller, 2nd ed. [2003], 155–56).

Jereo koa ny 2 Nefia 28.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony horesahina arakaraka ny zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

1 Tesaloniana 3:9–13

Inona no manaitra anao amin’ny fahatsapana nananan’i Paoly ho an’ireo namany? Ahoana no ahafahantsika mampivoatra fahatsapana toy izany ao amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ireo Olomasina mpiara-mivavaka amintsika?

1 Tesaloniana 4:13–18

Ahoana no hampiasantsika ireo andininy ireo mba hampahery antsika na ny olona iray hafa rehefa misy olon-tiana nodimandry?

1 Tesaloniana 5:14–25

Avereno jerena ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:14–25, dia mitadiava andian-teny izay tian’ny fianakavianao hifantohana. Ataovy petadrindrina izany mba haseho ao an-tranonareo. Mety hanampy fanamarihana amin’ilay petadrindrina ny ao amin’ny fianakavianao rehefa mifankahita fa miaina araka ny torohevitra eo amin’ilay petadrindrina.

2 Tesaloniana 3:13

Efa nahatsapa ho “ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa” ve isika, na angamba mahatsapa ho be atao be noho ny zavatra takina amin’ny maha-mpianatra? Inona no manampy antsika rehefa mahatsapa izany isika? (Jereo ny Galatiana 6:9; FF 64:33.) Ahoana no ahafahantsika mifanampy rehefa mitranga izany?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinantsika manokana

Mikatsaha fanambarana isan’andro. Matetika “andalana hanampy andalana” (2 Nefia 28:30), no fomba ahatongavan’ny fanambarana fa tsy hoe tonga indray mandeha avokoa. … Aza eritreretina ho toy ny zavatra anokananao fotoana ny [fandalinana ny filazantsara] fa ho toy ny zavatra ataonao foana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).

Sary
i Kristy eny amin’ny rahona

I Kristy tafatsangana tamin’ny maty, nataon’i Robert T. Barrett