Avia, hanaraka Ahy
28 ôktôbra–03 novambra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: -Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao-


“28 ôktôbra–03 novambra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: -Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“28 ôktôbra–03 novambra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Sary
vehivavy telo mijoro eo ivelan’ny tempoly

28 ôktôbra–03 novambra

1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao”

Indraindray dia mety hanampy ny fiatrehana ny fandalinana ny soratra masina miaraka amin’ny fanontaniana iray na mihoatra ao an-tsaina. Asao ny Fanahy mba hitarika anao amina valim-panontaniana eo am-pandalinanao sy eo am-pandraisanao an-tsoratra izay fanentanam-panahy mety ho azonao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Ao amin’ireo epistilin’i Paoly ho an’i Timoty sy Titosy ary Filemona dia mahita ny santionan-javatra ao am-pon’ny mpanompon’ny Tompo isika. Ireo epistily ireo dia tsy mitovy amin’ny epistilin’i Paoly hafa izay nalefany ho an’ny fiangonana manontolo, fa natokana kosa ho an’olon-tokana, dia ireo namana sy mpiara-manompo akaiky amin’i Paoly ao amin’ny asan’ Andriamanitra izany; ary ny famakiana azy ireo dia toy ny mihaino resadresaka. Hitantsika ao ny fankaherezan’i Paoly an’i Timoty sy i Titosy, izay mpitarika fiangonana roa, ao amin’ny fanompoan’izy ireo ao amin’ny Fiangonana. Hitantsika ao ihany koa ny famporisihany an’i Filemona namany mba hamela ny Olomasina iray hafa sy handray azy ho tahaka ny rahalahy ao amin’ny filazantsara. Tsy natokana ho antsika mivantana ny tenin’i Paoly, ary mety tsy ho nampoiziny mihitsy ny hoe olona maro no hamaky izany indray andro any. Na dia izany aza dia torohevitra sy fankaherezana ho antsika no hitantsika ao amin’ireo epistily ireo, na inona na inona fanompoantsika manokana ao amin’ny asan’i Kristy.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

1 sy 2 Timoty; Titosy

Iza moa i Timoty sy i Titosy?

Nanompo niaraka tamin’i Paoly tamin’ny dia fitoriana sasany nataony i Timoty sy i Titosy. Nandritra ny fanompoan’izy ireo dia lasa mendrika ny fanajana sy fitokisan’i Paoly izy ireo. Taty aoriana dia nantsoina ho mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao Efeso i Timoty, ary i Titosy dia nantsoina ho mpitarika tao Kreta. Ao amin’ireo epistily ireo dia nanome toromarika sy fankaherezana nanoloana ny andraikitr’izy ireo i Paoly, dia tafiditra amin’izany ny fitoriana ny filazantsara sy ny fiantsoana lehilahy mba ho lasa eveka.

Jereo koa ny, “Epistilin’i Paoly,” “Timoty,” “Titosy.”

Sary
eveka iray miresaka amina zatovolahy ao amin’ny biraony

Ireo eveka dia voantso mba hitondra fitarihana ara-panahy ho an’ireo mpikamban’ny paroasy.

1 Timoty 4:10–16

Raha toa “fianarana ho an’ny mino” aho, dia afaka mitarika ny hafa ho any amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany aho.

Mbola azo lazaina fa tanora i Timoty, saingy nahafantatra anefa i Paoly fa afaka ny ho mpitarika lehibe ao amin’ny Fiangonana izy na dia teo aza ny naha-tanora azy. Inona no torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty ao amin’ny 1 Timoty 4:10–16? Ahoana no hanampian’izany torohevitra izany anao amin’ny fitarihana ny hafa ho amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany?

Jereo ihany koa ny Almà 17:11.

2 Timoty

“Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.”

Inoana fa ny 2 Timoty no epistily farany indrindra nosoratan’i Paoly, ary toa tsapa fa nahafantatra izy fa efa mby ny fotoana hialany amin’ity fiainana ity (jereo ny 2 Timoty 4:6–8). Eo am-pamakianao an’ity epistily ity dia eritrereto ny zavatra mety ho tsapan’i Timoty noho ny fahafantarany fa tsy ho ela dia mety tsy ho eo intsony ilay mpampianatra sy mpitarika nitokisany. Inona no zavatra nolazain’i Paoly mba hankaherezana azy? Inona no zavatra ampianarin’ny tenin’i Paoly anao momba ny fiatrehana ireo fitsapana sy tahotrao manokana?

2 Timoty 3

Ny fiainana ny filazantsara dia mitondra fiarovana amin’ny loza ara-panahin’ny andro farany.

Miaina ao amin’ilay hoe “any am-parany any” izay noresahin’i Paoly isika, ary efa tonga ny “andro mahory” (2 Timoty 3:1). Eo am-pamakianao ny 2 Timoty 3, dia soraty ireo lozan’ny andro farany izay voatanisa ao (jereo koa ny 1 Timoty 4:1–3):

Inona izao no ohatra mahakasika an’ireo loza ireo ao amin’ny tontolo manodidina anao, na koa eo amin’ny fiainanao? Tahaka an’ireo olona voalaza ao amin’ny andininy 6, dia ahoana no “[hisokosokoan’ireny loza ireny] miditra [ao an-tranonao] ka mahalasa [anao] ho babo”? Inona no torohevitra hitanao ao amin’ny 2 Timoty 3, ary koa ivelan’ireo epistily ireo, izay afaka miaro anao sy ny fianakavianao amin’ireo loza ara-panahy ireo? (jereo ohatra ny, 1 Timoty 1:3–11; 2 Timoty 2:15–16; Titosy 2:1–8).

Filemona

Iza moa i Filemona?

Kristianina niova fo ho an’ny filazantsara tamin’ny alalan’i Paoly i Filemona. Nanana andevo antsoina hoe Onesimosy izay nandositra sy nihaona tamin’i Paoly ary niova fo ho an’ny filazantsara ihany koa izy. Tao anatin’ny taratasy iray ho an’i Filemona dia namporisika ny namany i Paoly mba hamela an’i Onesimosy sy handray azy “tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala” (andininy 16).

Filemona

Mifamela ny mpanaradia an’i Kristy.

Efa nisy toe-javatra iray niainanao ve ka nangatahan’ny olona iray famelana avy aminao? Eritrereto ny momba izany toe-javatra izany eo am-pamakianao ny epistilin’i Paoly ho an’i Filemona. Inona no nampianarin’i Paoly an’i Filemona momba ny antony tokony namelany an’i Onesimosy? Misy hafatra ho anao ve ao amin’io epistily io?

Jereo koa ny 1 Nefia 7:16–21; Môsià 26:30–31.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

1 Timoty 2:9–10

Na dia tsy mihatra amin’ny vaninandrontsika aza ny lafin’ny torohevitr’i Paoly sasany ho an’ny vehivavy momba ny fanaovana akanjo maotina, dia samy afaka mianatra avy amin’ny toroheviny mba “hiravaka … amin’ny asa tsara” avokoa isika rehetra. Mety hahafalifaly ny olona ao amin’ny fianakavianao ny fiarahana mikarakara fampisehoana lamaody kely iray, ka ny olona ao amin’ny fianakaviana dia hanao akanjo na firavaka ahitana taratasy kely milaza karazana asa tsara samihafa. Inona ny asa tsara azon’ny fianakavianao atao mandritra ity herinandro ity?

1 Timoty 4:12

Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao haniry ny ho “fianarana ho an’ny mino,” dia azonao atao ny manasa azy ireo mba hanao sary maneho ny naha-ohatra tsara ny hafa tamin’izy ireo. Ahoana no nanentanan’ireo olona ireo antsika mba hanaraka an’i Jesoa Kristy? Ny hafatry ny Filoha Thomas S. Monson “Aoka ianao ho ohatra sy fahazavana” (Liahona, nôv. 2015, 86–88) dia mety hanome hevitra vitsivitsy.

1 Timoty 6:7–12

Nahoana “ny fitiavam-bola” no heverina fa “fototry ny ratsy rehetra”? Inona no loza ateraky ny fampifantohantsika ny fiainantsika amin’ny vola? Ahoana no hahafahantsika mionona amin’ny fitahiana ananantsika?

2 Timoty 3:14–17

Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia inona no fitahiana hirotsaka amin’ireo izay mahafantatra sy mandalina ny soratra masina? Azon’ny olona ao amin’ny fianakavianao atao angamba ny mizara soratra masina izay hitan’izy ireo fa “[n]ahasoa” azy ireo manokana.

Filemona 1:17–21

Vonona ny hanao inona ho an’i Onesimosy i Paoly? Ahoana no itovizan’izany amin’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy tamim-pahavononana ho antsika? (jereo koa ny 1 Timoty 2:5–6; FF 45:3–5). Amin’ny fomba ahoana no hanarahantsika ny ohatr’i Paoly sy ny Mpamonjy?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampianara fotopampianarana mazava sy tsotra. Ny filazantsara dia mahafinaritra ao anatin’ny fahatsorany (jereo ny FF 133:57). Tsy tokony hiezaka loatra ny hampifalifaly ny fianakavianao amin’ny lesona mitaky fiomanana be ianao fa tokony hiezaka kosa hampianatra fotopampianarana madio sy tsotra (jereo ny 1 Timoty 1:3–7).

Sary
mpianadahy mandalina soratra masina

Ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra dia manampy antsika mba ho voaro amin’ny loza ara-panahin’ny andro farany.