Avia, hanaraka Ahy
11–17 nôvambra. Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ ny zavatra tsara ho avy-


“11–17 nôvambra. Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ ny zavatra tsara ho avy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“11–17 nôvambra. Hebreo 7–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Melkizedeka manome tsodrano an’i Abrama

Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka, nataon’i Walter Rane.

11–17 nôvambra.

Hebreo 7–13

“Mpisoronabe ny amin’ ny zavatra tsara ho avy”

Eo am-pamakianao ny Hebreo 7–13 dia mety hahazo fahatsapana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao. Eritrereto ny fomba azonao hiraketana azy ireny. Ohatra, azonao raketina ato amin’ity rindran-damina ity izany, na eny sisin’ny pejin’ny soratra masinao, na ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Na ireo Olomasina nahatoky aza tamin’izany fotoana izany dia nijaly “noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana” izay nampihozongozona ny fitokian’izy ireo (jereo nyHebreo 10:32–38). Fantatr’i Paoly fa ireo Jiosy niova fo ho Kristianina dia nandalo fanenjehana mafy noho ny finoana vaovao nananan’izy ireo. Mba hampaherezana azy ireo hijanona ho marina amin’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo dia nampahatsiahiviny azy ireo ny fomban’ireo mpino nahatoky efa ela tao amin’ny tantaran’izy ireo: i Abela, i Enoka, i Noa, i Abrahama, i Sara, i Josefa, i Mosesy, “vavolombelona … toy ny rahona” izay ampanantenain’ Andriamanitra fa tena misy ary mendrika ny andrasana (Hebreo 12:1). Io lovan’ny finoana io dia ananan’ireo rehetra izay “mijery an’i Jesoa [ho] Tompon’ ny finoantsika sy Mpanefa azy” (Hebreo 12:2). Noho Izy dia afaka ny “hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be avy amin’ ny finoana” isika isaky ny mitaona antsika “hihemotra” ny fitsapana (Hebreo 10:22, 38). Ho antsika, tahaka ireo Olomasina fahiny, dia i Jesoa Kristy no “Mpisoronabe ny amin’ ny zavatra tsara ho avy” (Hebreo 9:11).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Hebreo 7:1–22

Ny Fisoronana Melkizedeka no fisoronana ambony kokoa.

Nandritra ny taonjato maro ny Jiosy dia nampiasa ny Fisoronan’i Levy, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe Fisoronana Aharôna. Tao anatin’ny fahafenoan’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy anefa dia tonga ny fisoronana lehibe kokoa, dia ny Fisoronana Melkizedeka, izay manolotra fitahiana lehibe kokoa. Inona no ianaranao momba ny Fisoronana Melkizedeka avy amin’ny Hebreo 7? Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo fahamarinana izay mety ho hitanao:

Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 7:3, 21:Ireo izay natokana ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia “atao mitovy amin’ny Zanak’ Andriamanitra” sy mpisorona mandrakizay.

Hebreo 7:11:Ny Fisoronan’i Levy dia tsy manolotra ny “fahatanterahana” ka noho izany dia nosoloin’ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny FF 84:18–22).

Hebreo 7:20–21:Ny Fisoronana Melkizedeka dia raisina amin’ny alalan’ny fianianana (jereo ny FF 84:19–44).

Inona no fitahiana efa noraisinao avy tamin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo ôrdônansy ao aminy?

Jereo koa ny Almà 13:1–13; Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–46; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Melkizedeka,” scriptures.lds.org; Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny Fisoronana,” Liahona, mey 2014, 49–52.

Hebreo 9:1–10:22

Manondro an’i Jesoa Kristy ny ôrdônansy taloha sy ankehitriny.

Ireo Hebreo tany am-boalohany namaky ity epistily ity dia mety ho efa zatra tamin’ny tabernakely fahiny sy ireo ôrdônansy izay nosoritsoritan’i Paoly. Saingy ny sasany dia tsy nahafantatra tanteraka fa ny tanjon’ireo ôrdônansy ireo dia nanondro ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Tamin’ny andron’ny baiboly, isaky ny fety fanao isan-taona nantsoina hoe andro fanavotana, dia miditra ao amin’ny toerana masina indrindra (na fitoerana masina indrindra) tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny mpisorona avo iray dia manao sorona zanak’osy na zanak’ondry hanavotana an’i Isiraely. Nanazava i Paoly fa i Jesoa Kristy dia mpisorona avo izay nanao sorona tokana, dia ny ainy, mba hanavotana ny fahotan’izao tontolo izao (jereo nyHebreo 9:24–10:14).

Eritrereto ireo ôrdônansy izay andraisanao anjara ankehitriny. Amin’ny fomba ahoana no hampitodihan’ireo ôrdônansy ireo anao any amin’i Jesoa Kristy?

Hebreo 11

Ny finoana dia mitaky fatokiana ireo fampanantenan’ Andriamanitra.

Raha misy olona iray manontany anao mba hamaritra ny atao hoe finoana, dia inona no holazainao? Rahavavy Anne C. Pingree, mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, dia nampiasa teny avy ao amin’ny Hebreo 11 mba hanomezana izao famaritana izao: “Ny finoana, ilay fahafahana ara-panahy ho resy lahatra ny amin’ireo fampanantenana izay tazana -eny lavitra eny- nefa mety tsy ho tratra eto amin’ity fiainana ity, dia fenitra azo antoka ho an’izay tena mino” (“Seeing the Promises Afar Off,” Ensign or Liahona, Nov. 2003, 14).

Azonao atao ny mamolavola famaritana anao manokana momba ny finoana rehefa misaintsaina ireo hevitra ao amin’ny Hebreo 11 ianao. Inona no zavatra ampianarin’ny ohatra asehon’ireo olona voalaza ato amin’ity toko ity anao momba ny finoana? (Jereo koa ny Etera 12:6–22.)

Jereo ihany koa ny Almà 32:21, 26–43;  Sujets de l’évangile, “La foi en Jésus Christ,” topics.lds.org.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Hebreo 10:32–36

Azonao atao ny manasa ny ao amin’ny fianakavianao hizara traikefa ara-panahy rehefa nahatsapa ho “nohazavaina” tamin’ny finoana izy ireo. Ahoana no hanampian’ireo traikefa ireo antsika tsy hanary ny fahasahiantsika mandritra ny fotoam-pitsapana na fisalasalana?

Hebreo 11

Ahoana no ahafahanao manampy ny ao amin’ny fianakavianao hianatra zavatra avy amin’ireo ohatra feno finoana voalaza ao amin’ny Hebreo 11? Mety ho mahafinaritra ny milalao an-tsehatra ireo tantara sasany ao amin’ireo ohatra ireo. Na azon’ny fianakavianao atao tsara ny manao fifanakalozan-kevitra momba ny ohatry ny olona mahatoky hafa izay fantatrao, tafiditra ao anatin’izany ireo razambe, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ireo mpikambana eo amin’ny fiarahamonina misy anao.

Hebreo 12:2

Araka io andininy io dia nahoana i Jesoa no vonona hiaritra ny fanaintainana sy ny fijaliana teo amin’ny hazofijaliana? Inona no ampianarin’izany antsika momba ny fomba hiaretantsika ireo fitsapana antsika? Ny Filoha Russell M. Nelson dia nitondra hevi-baovao vitsivitsy izay manampy mikasika io andininy io ao amin’ilay hafany manao hoe “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy” (Liahona, nôv. 2016, 81–84).

Hebreo 12:5–11

Nahoana ny Tompo no manafay sy manitsy antsika? Inona no zavatra tsikaritry ny ao amin’ny fianakavianao momba ny fjerin’ny Tompo ny famaizana rehefa miaraka mandalina ireo andininy ireo ianareo? Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny fomba famaizanao na ny fandraisanao famaizana?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà mozika mba hanasana ny Fanahy ary hianarana fotopampianarana. Nilaza ny Fiadidiana Voalohany hoe, “Manana hery tsy misy fetra hanetsika [antsika] ho any amin’ny ara-panahy ambony kokoa ny mozika” (“First Presidency Preface,” Hymns, x). Ny fihirana mahakasika ny finoana toy ny “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy lah. 12) dia hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny Hebreo 11.

Sary
sarin’ny tanànan’i Jerosalema fahiny

Ireo tandindona ao amin’ny tempoly fahiny sy ireo ôrdônansy natao tao dia nampianatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy.