Avia, hanaraka Ahy
11–17 nôvambra. Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy-


“11–17 nôvambra. Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“11–17 nôvambra. Hebreo 7–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka

Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka, nataon’i Walter Rane.

11–17 nôvambra

Hebreo 7–13

“Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy”

Rehefa miverina mijery sy misaintsaina ity rindran-damina ity ianao, dia henoy tsara ireo fitaomana voarainao momba ireo ankizy ampianarinao. Hanampy anao hahita hafatra ho azy ireo ao amin’ny Hebreo 7–13 ny Fanahy Masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ireo ankizy hizara ireo zavatra izay ataon’izy ireo sy ny fianakaviany mba hianarana ny filazantsara ao an-tokantrano. Asao izy ireo hizara ny sasany amin’ireo traikefa maminy indrindra tamin’ny fianarany ny filazantsara niaraka tamin’ny fianakaviany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Hebreo 7:1–6

Afaka manampy antsika amin’ny fomba maro ny fisoronana.

Ny Hebreo 7:1–6 dia afaka manome fahafahana hampahafantatra ireo ankizy ireo fitahian’ny fisoronana.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fohifohy hoe iza i Abrahama, ary avy eo dia ampiasao ny Hebreo 7:1–6 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:36–40 ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hampianarana fa nandoa ny fahafolonkarena tany amin’i Melkizedeka i Abrahama. Hazavao fa i Melkizedeka dia nihazona ny fisoronana avo kokoa, izay herin’ Andriamanitra nomena ny olona etỳ an-tany, ary nampiasa izany izy mba hitahiana an’i Abrahama. Mety hahafaly ny ankizy ny milalao an-tsehatra io tantara io miaraka amin’ny fitaovana tsotra, toy ny satroboninahitra sy valopy fasiana fahafolonkarena.

  • Asao ny mpihazona fisoronana Aharôna iray sy mpihazona fisoronana Melkizedeka iray mba hamangy ny kilasy sy hilaza amin’ireo ankizy ny fomba nampiasany ny fisoronana mba hitahiana ny hafa. Avy eo dia ampisehoy sarina ôrdônansin’ny fisoronana ireo ankizy (ohatra, jereo ny sary 103–8 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Ampio ireo ankizy hamantatra hoe fisoronana inona no ilaina ho an’ireo ôrdônansy tsirairay ary hanome ilay sary mba hohazonin’ilay mpihazona ny fisoronana mifandraika amin’izany.

Hebreo 11:1–32

Ny finoana dia ny mino ireo zavatra tsy hitantsika.

Na dia tsy afaka mahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aza ireo ankizy mpianatrao, ary na dia tsy miaina ireo fitahian’ny filazantsara rehetra koa aza izy ireo, dia afaka mampitombo ny finoany izy ireo amin’ny fianarana avy amin’ireo ohatra hita ao amin’ny Hebreo 11.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sarin’i Jesoa Kristy iray. Manaparitaha zavatra manerana ny efitrano izay zavatra maneho “porofo” fa tena misy Izy na dia tsy afaka mahita Azy aza isika (toy ny soratra masina, sarin’ny Fahitana Voalohany, ary ny sarin’ny tany). Asao ireo ankizy mba hitady ny toerana misy ireo zavatra ireo, ary zarao amin’izy ireo avy eo ny fomba hanampian’ny zavatra tsirairay antsika mba hanana finoana hoe velona i Jesoa.

  • Mitondrà ventilateur, ary avelao ireo ankizy hifandimby hahatsapa ny rivotra mitsoka ny tarehin’izy ireo. Ampianaro azy ireo fa tsy afaka mahita ny rivotra isika, kanefa afaka mahatsapa izany. Mitovitovy amin’izany koa, tsy afaka mahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika, kanefa afaka mahatsapa ny fitiavany sy manana finoana fa tena misy Izy ireo.

  • Zarao ny tantaran’ny olona iray na maromaro izay voalaza ao amin’ny Hebreo 11:4–32. Azonao atao ny mampiasa ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (jereo ny toko 4–6, 8–10, 15–17, 23, sy 28). Inona no nataon’ireo olona ireo mba hanehoany fa nino zavatra izay tsy hitany izy ireo? Zarao ireo fitahiana sasany izay azonao noho ny finoanao.

Hebreo 13:5–6

Hanampy antsika ary tsy handao antsika mihitsy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Inona ireo fitsapana mety holalovan’ireo ankizy? Ahoana no mety hanampian’ilay hafatra ao amin’ny Hebreo 13:5–6 azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno jerena ny sasany amin’ireo tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nianaran’ireo ankizy tamin’ity taona ity ka ahitana ny Mpamonjy manampy ny hafa, toa ilay tantara momba ny nanasitranany ilay lehilahy mararin’ny paralysisa (jereo ny Lioka 5:18–26) na ny namahanany ny olona 5 000 (jereo ny Matio 14:15–21). Ampio ireo ankizy hianatra ny andian-teny hoe: “Jehovah no Mpamonjy ahy” (Hebreo 13:6).

  • Asao ny ankizy hanao sary maneho ny fotoana izay nahatsapany tahotra. Vakio amin’izy ireo ny Hebreo 13:5–6, ary mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia hanampy antsika ary tsy handao antsika mihitsy. Ampio ny ankizy hanety taratasy miendrika fo izay afaka manakona ilay sary nataony. Inona avy ireo zavatra vitsivitsy izay mety hanampy antsika hahatsapa ho akaikin’ny Ray any An-danitra bebe kokoa? Soraty eo amin’ireo fo ny sasany amin’izany.

  • Ampianaro ny ankizy ny andininy faharoa amin’ny “Dis-moi, Seigneur” (Chants pour les enfants, 75). Araka io hira io, inona no fanampiana afaka ho azontsika rehefa akaiky antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Miresaha momba ny fotoana izay naha-teo anilanao ny Ray any An-danitra ka nanampiany anao.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Hebreo 7:1–4

Ireo mpihazona ny fisoronana mendrika dia manaraka ny Mpamonjy.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa ireo izay mihazona ny fisoronana dia tokony ho mahatoky sy manompo ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ireo ankizy hanao ny lisitry ny zavatra fantatr’izy ireo momba an’i Abrahama sy Melkizedeka, izay mpihazona ny fisoronana lehibe anankiroa. Afaka mahita fanampiana izy ireo ao amin’ny Hebreo 7:1–4; Abrahama 1:1–2; ary ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:25–40 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Inona ireo toetra araka an’i Kristy izay nananan’ireo lehilahy ireo ka nanampy azy ireo hanaja ny fisoronana?

  • Angataho ireo ankizy hamaky ny Hebreo 7:1–2 sy hitady ny anaram-boninahitra nampiasaina mba hamariparitana an’i Melkizedeka. Nahoana no mampahatsiahy antsika an’i Jesoa Kristy ireo anaram-boninahitra ireo? Ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba maha-“Mpanjakan’ny fiadanana” an’i Jesoa. Mahafantatra mpihazona ny fisoronana hafa ve izy ireo izay ohatra ihany koa amin’ny fanarahana ny Mpamonjy?

  • Zarao ny zavatra niainanao izay nanampian’ny mpihazona ny fisoronana marin-toetra iray anao mba hanatona akaiky kokoa ny Mpamonjy. Ampio ireo ankizy hieritreretra ny fomba nitahian’ny fanompoan’ny fisoronana azy ireo.

Hebreo 11

Manome valisoa ho an’ireo izay manam-pinoana ny Ray any An-danitra.

Ny Hebreo 11 dia ahitana ohatra maro izay maneho olona notahiana rehefa nanao asa tamim-pinoana. Iza amin’ireo tantara ireo no hankahery indrindra na hanampy indrindra ireo ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra izay nianarany momba ny finoana ao amin’ny Hebreo 11:1–3, 6. Omeo ny ankizy tsirairay ny anaran’olona iray resahina ao amin’ny Hebreo 11, ary asao izy ireo hamaky ireo andininy mifanaraka amin’io olona io. Asaivo mizara fampahafantarana kely momba ilay olona izy ireo mba ahafahan’ireo ankizy hafa mamantatra hoe iza izany. Ahoana no fomba nanehoan’ireo olona ireo finoana, ary ahoana no nanomezan’ny Ray any An-danitra valisoa ho azy ireo? (Mba hahitana ny sarin’ireo olona ireo, dia jereo ny fizarana momba ny Testamenta taloha ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara).

  • Rehefa avy mamaky momba ny sasany amin’ireo ohatra maneho fahatokiana ao amin’ny Hebreo 11, dia angataho ireo ankizy mba hanoratra momba ny olona fantany izay naneho finoana. Manasà mpianatra maromaro hizara ny ohatra alainy tahaka amin’ireo mpianatra.

Hebreo 12:5–11

Manafay ireo izay tiany ny Tompo.

Afaka manampy ny ankizy ireo andininy ireo mba hahatakatra fa ny Ray any An-danitra, sy ny ray aman-drenin’izy ireo, ary ireo hafa dia manitsy azy ireo satria tia azy izy ireo izy ary tiany hianatra avy amin’ny fahadisoany izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakiana ny Hebreo 12:5–11, ary angataho ireo ankizy mba hitady ny antony hanafaizan’ny Ray any An-danitra antsika (hanitsiany na hamehezany antsika) Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny antony mahatonga ireo ray aman-dreny ety an-tany hanitsy antsika? Inona no tokony ho havalintsika raha misy fanitsiana am-pitiavana?

  • Mizarà ohatra maneho olona ao amin’ny soratra masina izay nofaizin’ny Tompo ka nibebaka (ohatra, jereo ny 1 Nefia 16:25–27; Etera 2:13–15). Nahoana izy ireo no ohatra tsara maneho ireo fitsipika ao amin’ny Hebreo 12:5–11?

  • Rehefa avy mamaky ny Hebreo 12:5–11, dia asao ireo ankizy hanoratra zavatra vitsivitsy izay ezahin’izy ireo hotsarovana rehefa misy manitsy izy ireo noho ny hadisoany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanao sary ny zavatra izay tsapan’izy ireo fa zavatra manan-danja indrindra nianarany tao an-dakilasy. Amporisiho izy ireo mba hizara amin’ireo fianakaviany ny zavatra nianarany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny pejin’ny asa atao. Eo am-panatontosan’ny ankizy ireo pejin’ny asa atao mandritra ny fotoam-pianarana, dia ampiasao ny fotoana mba hamerenana mijery ireo fitsipika avy ao amin’ny lesona.