Avia, hanaraka Ahy
23–29 septambra. Galatiana: -Mandehana araka ny Fanahy-


“23–29 septambra. Galatiana: -Mandehana araka ny Fanahy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“23–29 septambra. Galatiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
i Kristy niseho tamin’i Paoly tao am-ponja

23–29 septambra

Galatiana

“Mandehana araka ny Fanahy”

Rehefa mamaky ny Galatiana ianao dia inona ireo fahatsapana anananao momba ny zavatra tokony hianaran’ny ankizy ao amin’ny kilasinao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsivitsy ny ankizy mba hanao sarina zavatra iray izay nianaran’izy ireo avy tamin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara izay natao vao haingana tany an-trano na tao am-piangonana. Angony ireo sary ary avelao ny ankizy mba hamantatra izay asehon’ny sary tsirairay.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Galatiana 5:22–23

Manampy ahy hahatsapa fitiavana, sy fifaliana, ary fiadanana ny Fanahy Masina.

Afaka mahafantatra ny vokatry ny Fanahy ny ankizy kely. Izany dia hanomana azy ireo mba hikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina mandritra ny fiainan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina voankazo maromaro, ary angataho ny ankizy mba hamariparitra ny tsiron’ny voankazo tsirairay. Hazavao fa tahaka ny voankazo izay manana tsiro samy hafa dia afaka mahatsapa ny Fanahy Masina amin’ny fomba samy hafa isika, toy ny fitiavana sy fiadanana. Angataho izy ireo mba hamariparitra hoe manao ahoana ny fahatsapan’izy ireo ny Fanahy Masina.

    Sary
    paoma eo ambony hazo

    Ny ankizy rehetra na firy taona na firy taona dia afaka mahatsapa ny vokatry ny Fanahy.

  • Iaraho vakiana amin’ny ankizy ny Galatiana 5:22–23, ary hazavao ireo teny izay tsy mahazatra ny ankizy. Asao ny ankizy tsirairay mba hisafidy vokatry ny Fanahy iray izay voalaza ao amin’ireo andininy ireo ary hilaza momba ny fotoana iray niainany izany vokatry ny Fanahy izany. Asao ny ankizy mba hanao sary tsotra momba ny zavatra niainany.

Galatiana 6:2

Tian’i Jesoa Kristy hanampy ny sahirana aho.

Ilay torolalana ao amin’ny Galatiana 6:2 dia mitovitovy amin’ny fampianaran’i Almà ao amin’ny Môsià 18:8 ho an’ireo olona izay ho atao batisa. Ampiasao ity fahafahana ity mba hanampiana ny ankizy hiomana amin’ny fanekempihavanan’ny batisa.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina ankizy iray atao batisa (toy ny ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 104). Anontanio ny ankizy ny ataon’ilay ankizy. Hazavao fa rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana na fampanantenana. Vakio ny Galatiana 6:2 na Môsià 18:8 mba hanampiana ny ankizy hianatra ny iray amin’ireo zavatra ampanantenaintsika fa hataontsika: dia ny hifampitondra ny enta-mavesatra izany. Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo fomba ahafahan’izy ireo manampy ny hafa izay mitondra enta-mavesatra.

  • Vakio amin’ny ankizy ity fehezan-teny avy ao amin’ny Galatiana 6:2 ity: “Mifampitondrà izay mavesatra.” Mba hanehoana ny hevitr’izany dia omeo zavatra mavesatra mba hoentina ny ankizy iray. Avy eo dia manasà ny olona iray izay terem-panahy mba hanampy ilay ankizy hitondra ilay entana. Hazavao amin’ny ankizy fa zavatra maro no mety ho toy ny enta-mavesatra, toy ny hoe marary na fahatsapana ho malahelo na samirery. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny olona iray amin’io karazana enta-mavesatra io?

Galatiana 6:7-9

Misy fiantraikany ny asantsika, na ny tsara na ny ratsy.

Zava-dehibe ho an’ny ankizy ny mahatakatra fa misy fiantraikany ireo safidintsika. Afaka mampiasa ny Galatiana 6:7–9 ianao mba hanehoana io fahamarinana io.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa voa iray na legioma iray. Vakio amin’ny ankizy ny Galatiana 6:7–9. Asaivo mody mamboly voa ny ankizy rehefa mandre ny teny hoe “mamafy.” Asaivo mody mioty legioma avy amin’ny voly iray izy ireo rehefa mandre ny teny hoe “mijinja.”

  • Mampisehoa karazana legioma maro amin’ny ankizy, ary ampio izy ireo mba hitady ny voa ao anatin’ny tsirairay amin’izy ireo. Apetraho ao anatin’ny fitoeran-javatra iray ireo voa ireo ary asaivo mifandimby mifidy anankiray amin’izany ny ankizy ary milaza ny legioma izay hitombo raha toa ka mamboly izany izy ireo. Ampio izy ireo hahita fa ny hoe araka ireo voa ambolentsika no legioma azontsika, dia araka ireo safidy ataontsika no vokatra sy fitahiana ho azontsika any aoriana.

  • Asio tsipika vita amin’ny taratasy misy lakaoly ny tany. Asio endrika faly sy endrika malahelo eo amin’ny ilan’ilay tsipika avy. Asao ny ankizy iray mba hijoro eo afovoan’ilay tsipika, ary avelao ny ankizy hafa hilaza ireo safidy izay mitarika amin’ny fifaliana na alahelo (mety mila milaza ohatra vitsivitsy ianao). Ho an’ny safidy tsirairay dia asaivo mandroso mankany amin’ny faritra faly na faritra malahelo ilay ankizy eo afovoany. Avereno imbetsaka ilay asa atao ary avelao hifandimby hijoro eo ambonin’ilay taratasy misy lakaoly ny ankizy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Galatiana 5:1

Manafaka antsika i Jesoa Kristy.

Misy olona mihevitra fa mametra ny fahalalahany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Saintsaino ny fomba hanampianao ny ankizy hahita fa mitondra fahafahana amin’ny fahotana sy fahafatesana aza izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Galatiana 5:1. Tamin’ny fomba ahoana avy no hanafahan’i Jesoa Kristy antsika mba hahafahantsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra? Mampisehoa sarin’i Jesoa nijaly tao Getsemane sy ny Fitsanganany tamin’ny maty mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny fomba hanafahan’i Jesoa antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 5659).

  • Hirao miaraka sy avereno jerena ny tononkiran’ny hira iray momba ny Mpamonjy, toy ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76). Asaivo tadiavin’ny ankizy ireo teny ao anatin’io hira io izay mamariparitra ireo fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manafaka antsika amin’ny fangejana ara-panahy.

Galatiana 5:22–23

Raha toa ka “mandeha araka ny Fanahy” aho dia afaka mankamamy ireo “vokatry ny Fanahy.”

Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy hamantatra fa mahatsapa ny Fanahy Masina izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo taratasy iray nohetezana toy ny voankazo ny ankizy tsirairay, ary asaivo mitady “vokatry ny Fanahy” iray izay voatanisa ao amin’ny Galatiana 5:22–23 ny ankizy. Asao izy ireo mba hanoratra ny iray amin’ireo vokatra eo amin’ny ilan’ny taratasin’izy ireo ary teny iray izay midika ny mifanohitra amin’izany eo amin’ny ilany iray hafa. (Ampio izy ireo hahatakatra ireo teny izay tsy mahazatra azy ireo.) Asao izy ireo hizara ny vokatr’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Asao ny ankizy mba hamaky momba ny vokatry ny Fanahy ao amin’ny Galatiana 5:22–23 ary hanoratra momba izany na hanao ny sarin’ny fotoana iray izay nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo mba hahatsapa ny iray amin’ireo vokatra ireo. Asao izy ireo hizara ny tantarany na ny sary nataony amin’ny olona iray ao amin’ny kilasy. Nahoana ny voankazo no fomba tsara iray hanampiana antsika hahatakatra ny fomba fitaoman’ny Fanahy antsika?

Galatiana 6:7-9

Misy fiantraikany ny asantsika, na ny tsara na ny ratsy.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa ireo vokatry ny fitondrantenantsika dia tonga eo no ho eo indraindray ary ny hafa dia mety ho tonga “amin’ny fotoan’andro” (andininy 9).

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakiana ny Galatiana 6:7–9. Asao ny ankizy mba hanao ny sary tsotra izay ahitana olona iray mamboly ny voan’ny voankazo iray sy mijinja voankazo hafa. Nahoana no tsy ho tanteraka izany? Nahoana ny fanaovana safidy ratsy sy fiainana vokatra tsara no tsy ho tanteraka tsotra izao?

  • Manaova labyrinthe miaraka amin’ny ankizy tahaka ilay ao anatin’ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Asao ny ankizy mba hieritreritra teny hafa, ankoatra ireo izay ao anatin’ilay labyrinthe, izay maneho fahatsapana tsara avy amin’ny Fanahy Masina na safidy ratsy izay mety hanary azy. Ifanakalozy hevitra ireo vokatr’ireo safidy neritreretin’izy ireo.

  • Asao ireo ankizy mba hitanisa ireo fitahiana antenain’izy ireo ho azo avy amin’ny Ray any An-danitra. Ampio izy ireo hieritreritra ireo “voa” tsy maintsy ambolen’izy ireo mba “hijinjany” ireo fitahiana ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hijery ireo vokatra tsara, na “vokatra,” izay tonga noho ireo fanapahan-kevitra tsara nataon’izy ireo tamin’ity herinandro ity. Lazao azy ireo fa afaka mizara ny zavatra niainany izy ireo amin’ny herinandro manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Ovao ireo asa atao araka ny taonan’ireo ankizy. Omeo fahafahana handray anjara ny ankizy, saingy tsarovy fa ny fahafahan’izy ireo manao izany dia miovaova araka ny taonany sy ny fahamatorany. Ireo ankizy madinika dia mety hila toromarika sy torolalana. Rehefa mihamatotra izy ireo dia afaka mandray anjara bebe kokoa ary hahay hizara ny eritreriny bebe kokoa ny ankizy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,25–26