Avia, hanaraka Ahy
26 aogôsitra–1 septambra. 1 Korintiana 8–13: -Hianareo no tenan’i Kristy-


“26 aogôsitra–1 septambra. 1 Korintiana 8–13: -Hianareo no tenan’i Kristy-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“26 aogôsitra–1 septambra. 1 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
fivoriana fanasan’ny Tompo

26 aogôsitra–1 septambra

1 Korintiana 8–13

“Hianareo no tenan’i Kristy”

Eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 8–13 dia henoy ireo fitaoman’ny Fanahy Masina momba ny fomba hampianarana ireo fitsipika ao amin’ireo toko ireo. Tsarovy fa ireo asa rehetra ampanaovina izay aroso ato dia azo ampifanarahana na ho an’ny ankizy lehibe na ho an’ny ankizy kely.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy mba hizara ny zavatra nataony nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo androany mba hieritreretany an’i Jesoa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

1 Korintiana 10:13

Hanampy ahy hanao safidy tsara ny Ray any An-danitra.

Tsy mora hatrany ny misafidy ny tsara, kanefa ny Ray any An-danitra dia hanampy antsika hanao safidy tsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ireo ankizy ny 1 Korintiana 10:13 ary asaivo haviliny ny fijeriny tsy hijery anao isaky ny mandre ny teny hoe “halaim-panahy” na “fakam-panahy”.

  • Manaova famantarana milaza hoe mila mijanona ho an’ireo ankizy. Milazà tantara fohy vitsivitsy izay ahitana olona mitady hanao safidy ratsy. Rehefa mihaino iny ny ankizy, dia asao izy ireo hanainga ambony ny famantarany isaky ny manao safidy ratsy ilay olona ao amin’ilay tantara. Inona no mety ho safidy tsara? Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia hanampy azy ireo hisafidy ny tsara.

  • Mampisehoa ny sarin’i Jesoa, ary iaraho mihira miaraka amin’ireo ankizy ny hira iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Jésus Christ est mon modèle” (chants pour les enfants, 40–41). Manampy antsika hanao safidy tsara amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana an’i Jesoa? Mampisehoa sarina zavatra hafa izay manampy antsika hanao safidy tsara, toy ny ray aman-dreny na ny soratra masina. Anontanio ny ankizy ny zavatra manampy azy ireo hanao safidy tsara.

1 Korintiana 12:4, 7–11

Nanome ahy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Ray any An-danitra.

Nanome fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho an’ireo zanany rehetra ny Ray any An-danitra. Inona ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hitanao ao amin’ireo ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakiana ny 1 Korintiana 12:7–11, ary tadiavo ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy nolazain’i Paoly. Ampio ireo ankizy hieritreritra fihetsika izay azo ampiarahina amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo ary ampiasao ireo fihetsika ireo mba hanampiana ny ankizy hahatsiaro ireo fanomezam-pahasoavana.

  • Asaivo ataon’ireo ankizy sary ny fanomezana iray noraisiny izay ankafiziny indrindra. Hazavao fa ny Ray any an-danitra dia manome antsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy mba hampatanjahana ny finoantsika sy hanampiana antsika hitahy ny hafa.

  • Manorata taratasy ho an’ny ankizy tsirairay, izay milaza fanomezam-pahasoavana ara-panahy iray izay hitanao ao aminy (azonao atao ny manasa ray aman-dreny hanoratra izany taratasy izany). Fonosy toy ny fanomezana ireo taratasy. Avelao ireo ankizy hanokatra ny fanomezany ary ampio izy ireo hamaky momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananany.

Sary
boaty misy fanomezana

Nanome fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho an’ireo zanany rehetra ny Ray any An-danitra.

1 Korintiana 13:1–8

Afaka mitia ny hafa Aho

Mampianatra ny soratra masina fa ny fiantrana dia ny “fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47). Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hanana sy haneho fitiavana araka an’i Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny 1 Korintiana 13:8 sy ny Môrônia 7:47, ary ampio ireo ankizy hamerina ny andian-teny hoe: “Ny fiantrana dia fitiavana madion’i Kristy.” Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy maneho fitiavana sy hatsaram-panahy ary anontanio ireo ankizy ny fomba nampisehoany fitiavana ho an’ny hafa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara mba hahitana hevitra).

  • Misafidiana ankizy iray ho eny aloha. Anontanio an’ilay ankizy ny fomba hanompoany olona iray hafa ao an-dakilasy. Hazavao fa izany dia fomba iray ahafahantsika mampiseho fitiavana ho an’ny hafa. Asao ny ankizy hafa hifandimby mampiseho fiantrana.

  • Manaova hira iray miaraka amin’ny ankizy momba ny fitiavana ny hafa, toy ny “Aimez chacun” na “Aimez vos frères” (Chants pour les enfants, 39, 74). Mampisehoa sarina olona isan-karazany (ohatra hoe ray aman-dreny na mpampianatra na namana) ary angataho ireo ankizy hizara ny fomba ahafahany manompo io olona io. Asao ireo ankizy hieritreritra olona iray izay azony anaovana asa fanompoana sy hanoratra taratasy na hanao sary omena io olona io .

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

1 Korintiana 10:13

Hanampy ahy handresy ny fakampanahy ny Ray any An-danitra.

Ireo fampanantenana hita ao amin’ity andininy ity dia afaka manome toky ho an’ireo ankizy fa ny Ray any An-danitra dia hanampy azy ireo rehefa alaim-panahy izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hiara-hamaky tsiroaroa ny 1 Korintiana 10:13 sy hamintina io andininy io amin’ny tenin’izy ireo manokana. Angataho ny ankizy mba hizara zavatra niainana iray izay nanampian’ny Ray any An-danitra azy mba hiala amin’ny fakampanahy na handresy izany. Inona no azontsika atao mba hianteherana amin’ny Ray any An-danitra rehefa alaim-panahy?

  • Soraty amin’ny taratasy kely ny fakampanahy maromaro mety atrehin’ireo ankizy ankehitriny. Asao ny ankizy mba hisafidy taratasy iray avy sy hizara ny zavatra nomen’ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika hiala amin’ireo fakampanahy ireo na handresy azy ireo. Mba hahazoana hevitra dia iaraho vakiana ny Almà 13:28–29.

1 Korintiana 11:23–29

Mandritra ny fanasan’ny Tompo aho dia afaka mieritreritra hoe manao ahoana ny fanarahako ny Mpamonjy.

Misy heviny fanampiny ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo ankizy izay efa natao batisa. Ampio izy ireo hijery io ôrdônansy masina io ho toy ny fahafahana iray “handinihana” ny tenan’izy ireo sy hanavaozana ny fanolorantenany ho an’ny Mpamonjy (1 Korintiana 11:28).

Asa atao azo tanterahina

  • Mangataha ankizy iray hamaky ny 1 Korintiana 11:28. Midika inona ny hoe “mandinika” ny tenantsika mialohan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo? Asaivo mieritreritra olona mpandinika zavatra ireo ankizy, toy ny dokotera na pôlisy mpanao fanadihadiana na mpahay siansa (ohatra hoe ny dokotera dia mandinika ny vatantsika mba hijereny ny ratra na aretina izay mila sitranina). Inona no ampianarin’ny asan’ireo olona ireo antsika mikasika ny fomba tokony handinihantsika ny tenantsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika?

  • Angataho ireo ankizy hanao lisitra ny zavatra azon’izy ireo eritreretina rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Asao izy ireo hampiasa ilay lisitra nataony mba ho fampahatsiarovana hoe tokony handinika ny tenany izy ireo mandritra ny fanasan’ny Tompo.

1 Korintiana 12:4, 7–12, 31; 13:1–8

Manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy aho.

Nampianatra i Paoly fa ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy dia “izy rehetra [no] samy nomena” azy (1 Korintiana 12:7). Io fitsipika io dia afaka manampy ireo ankizy hampiorina ny fahatsapany fa manan-danja ny tenany, indrindra rehefa mampiasa ny fanomezam-pahasoavany izy mba hitahiana ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo soratan’ireo ankizy eny amin’ny solaitrabe ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hitany ao amin’ny 1 Korintiana 12:7–11; 13:2. Asao izy ireo hitady fanomezam-pahasoavana fanampiny izay voalaza ao amin’ny Môrônia 10:8–18 sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–26. Zarao amin’izy ireo ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy voalazan’ny Loholona Marvin J. Ashton: “Ny fanomezam-pahasoavan’ny fangatahana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fihainoana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fialana amin’ny fifandirana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fikatsahana izay marina, ny fanomezam-pahasoavan’ny tsy fitsaratsarana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra mba hahazo fitarihana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fikarakarana ny hafa, ny fanomezam-pahasoavan’ny fanolorana vavaka, ny fanomezam-pahasoavan’ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika” (“There Are Many Gifts,” Ensign, Nôv. 1987, 20). Asao ny ankizy mba hiresaka momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy hitany amin’izy samy izy.

  • Mialohan’ny fotoam-pianarana dia anontanio ireo ray aman-dreny hoe inona no fanomezam-pahasoavana hitany ao amin’ny zanany, na ianao mihitsy no mieritrereta hoe inona ny fanomezam-pahasoavana ananan’ireo ankizy ireo. Lazao amin’ireo ankizy ireo fanomezam-pahasoavana ireo, ary asaivo fantariny hoe iza no manana izany fanomezam-pahasoavana izany. Asao ny ankizy mba hanoratra fomba iray hampiasany ny fanomezam-pahasoavana ananany mba hitahiana olona iray amin’ity herinandro ity.

  • Mizarà trangan-javatra isan-karazany izay afahafahan’ny olona mampiasa fanomezam-pahasoavana iray hita ao amin’ny 1 Korintiana 12:7–10. Asao ny ankizy hitady ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy azo ampiasaina isaky ny trangan-javatra.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananany amin’ny fianakaviany sy hanontany ireo olona ao amin’ny fianakaviany hoe inona ny fanomezam-pahasoavana ananany.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova fanasana izay manaja ny fahafahana misafidy. Rehefa manasa ny ankizy mba hanao asa araka ny zavatra nianarany ianao dia eritrereto ny fomba hanajana ny fahafahan’izy ireo misafidy. Azonao atao ny tsy manolotra fanasana mba hanao zavatra manokana, fa manasa azy ireo kosa hieritreritra izay fombany manokana hampiharana ny zavatra nianarany.