Avia, hanaraka Ahy
19–25 aogôsitra. 1 Korintiana 1–7: -[Aoka] ho tafakambana tsara hianareo-


“19–25 aogôsitra. 1 Korintiana 1–7: -[Aoka] ho tafakambana tsara hianareo” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“19–25 aogositra. 1 Korintiana 1–7,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Korinto

Korinto, Grisia atsimo, ivontoerana fanaovana adihevitra sy fivorian’ny mpiara-monina, sary hosodoko nataon’i Balage Balogh

19–25 aogôsitra

1 Korintiana 1–7

“[Aoka] ho tafakambana tsara hianareo”

Hanampy anao ny Fanahy Masina hahafantatra hoe inona no fitsipiky ny filazantsara ao amin’ny 1 Korintiana 1–7 izay hanampy ireo ankizy ampianarinao. Eo am-pamakiana ombam-bavaka ireo toko ireo ianao, dia raketo ny eritreritra sy fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Manasà ankizy iray na maromaro andro vitsivitsy mialoha mba hitady andininy iray ao amin’ny 1 Korintiana 1–7 izay azon’izy ireo zaraina amin’ny iray kilasy. Afaka manasa ny ray aman-dreniny ianao hanampy azy raha ilaina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

1 Korintiana 2:11–14

Mampianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ny Fanahy Masina.

Iray amin’ireo anjara asan’ny Fanahy Masina ny mampianatra antsika ny fahamarinana. Inona no zavatra niainana azonao zaraina amin’ireo ankizy mba hanampiana azy ireo hahatakatra izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa zavatra na sary iray izay maneho fomba hianarantsika momba izao tontolo izao (toy ny fianarana na boky na finday). Inona no azontsika ianarana rehefa mampiasa ireo zavatra ireo isika? Hazavao fa ao amin’ny 1 Korintiana 2:11, 14, i Paoly dia nampianatra fa amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra, izay ny Fanahy Masina, ihany no ahafahantsika mianatra momba an’ Andriamanitra. Inona no azontsika atao mba hianarantsika “ny ao am-pon’ Andriamanitra”?

  • Mitehafa sady teneno ny vaninteny tsirairay ao amin’ny fehezanteny hoe: “Mampianatra ahy ny fahamarinana ny Fanahy Masina”. Angataho ny ankizy mba hitehaka sy hamerina ilay andian-teny. Mizarà zavatra niainana iray amin’ny ankizy izay nanampian’ny Fanahy Masina anao hahafantatra fa marina ny zavatra iray.

  • Miaraha manao hira iray momba ny Fanahy Masina, toy ny “Le Saint-Esprit” (Chants pour les enfants, 56). Ampio ireo ankizy hahita teny sy andian-teny ao amin’ilay hira izay mampianatra ny fomba hiresahan’ny Fanahy Masina amintsika sy ny zavatra ampianariny antsika.

1 Korintiana 3:10–11

I Jesoa Kristy no fanorenako.

Manao fanorenana ho an’ny fijoroana ho vavolombelona ananany ireo ankizy, ary afaka manampy azy ireo ianao hanorina fanorenana mafy eo amin’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ireo ankizy ny 1 Korintiana 3:11 ary hazavao fa i Jesoa Kristy no fanorenantsika. Ampisehoy amin’ny ankizy ny sarin-javatra maromaro izay azontsika hananana fijoroana ho vavolombelona, anisan’izany ny sarin’i Jesoa Kristy. Ampio izy ireo handamina ireo sary mba hahatonga ny sarin’i Jesoa Kristy ho eo ambany indrindra, toy ny fanorenana, ary ireo sary hafa ho lasa “manorina” fijoroana ho vavolombelona ny Aminy.

  • Mamoròna fihetsika ho an’ilay hira “Le sage et le fou” (Chants pour les enfants, 132), ary hirao miaraka amin’ ny ankizy io hira io. Omeo vatokely misy soratra hoe “Jesoa Kristy no fanorenako” ny ankizy tsirairay. Asaivo entin’izy ireo mody ireo vatokely mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny zavatra nianarany.

  • Mizarà sary izay maneho ny sasany amin’ireo tantara ankafizinao indrindra teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy, ary angataho ny ankizy mba hilaza aminao ny zava-miseho eo amin’ireo sary. Avelao izy ireo hizara ny tantara tiany indrindra momba an’i Jesoa. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no fanorenan’ny finoantsika.

1 Korintiana 6:19

Toy ny tempoly ny vatako.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hankasitraka ny vatany amin’ny maha-fanomezana avy amin’ Andriamanitra an’izany, sy hanana faniriana bebe kokoa hikarakara ny vatany?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina tempoly amin’ireo ankizy (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana), ary vakio ireto teny ao amin’ny 1 Korintiana 6:19 ireto: “Ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina.” Ampio ireo ankizy hahatakatra fa tian’ny Ray any An-danitra isika hitandrina ny vatantsika ho madio sy masina tahaka ny tempoly.

  • Mampisehoa sarin’ankizy iray, ary apetaho manodidina izany ny sarin-javatra izay tsara ho an’ny vatantsika sy zavatra izay ratsy. Asao ny ankizy hifandimby hitady ny zavatra tsara sy hanala ny zavatra ratsy.

  • Iaraho manao ny hira iray momba ny vatana, toy ny “La tête, les épaules, les genoux, les pieds” (Chants pour les enfants, 129), ary anontanio ireo ankizy hoe nahoana izy ireo no feno fankasitrahana noho ny vatany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

1 Korintiana 1:23–25

Hendry noho ny olombelona Andriamanitra, ary mampiseho ny tena fahendrena marina aho rehefa mino ny fampianarany.

Ireo ankizy ampianarinao dia hahita, raha tsy efa nahita, fa ny olona sasany dia mampianatra zavatra izay mifanohitra amin’ny fahendren’ Andriamanitra. Ny fandalinana ny 1 Korintiana 1:23–25 dia afaka manampy ireo ankizy hahatakatra fa hendry noho ny olombelona Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakiana ny 1 Korintiana 1:23–25 ary ampio ireo ankizy hitady ny teny hoe fahendrena sy fahadalana. Hazavao fa maro ny olona izay nieritreritra fa ireo fampianaran’i Paoly dia feno fahadalana, kanefa i Paoly dia nanazava fa ny finoana ny filazantsaran’i Kristy no tena fahendrena marina. Nahoana no fahendrena ny mino izay zavatra ampianarin’ Andriamanitra?

  • Ampio ireo ankizy hanao tantara an-tsehatra ny fomba azon’izy ireo hasetry an’ireo olona izay mieritreritra fa ny fampianaran’ny Fiangonana dia “feno fahadalana”, dia ny fampianarana toy ny hoe ny finoana ny Mpamonjy na ny fanajana ny Tenin’ny Fahendrena na ny fankatoavana ny lalànan’ny fahafolonkarena. Ohatra, afaka mijoro ho vavolombelona izy ireo ny amin’ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fiainana ireo fampianarana ireo.

  • Mizarà zavatra iray niainanao ka nieriteretan’ny hafa fa ireo finoanao dia feno fahadalana, na mizarà ohatra iray avy amin’ny soratra masina. Afaka hizara zavatra niainany mitovitovy amin’izany ve ireo ankizy? Ahoana no ahafahan’ny 1 Korintiana 1:25 manampy antsika hijanona ho mahatoky kanefa ny hafa dia milaza fa ny finoantsika dia feno fahadalana?

1 Korintiana 2:11–14

Mampianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ny Fanahy Masina.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra fa mila ny Fanahy Masina izy ireo mba hahatakarany “ny ao am-pon’ Andriamanitra”?

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova lisitry ny fomba hianarantsika momba izao tontolo izao, ohatra: boky, sekoly ary ny Internet. Avy eo iaraho vakiana ny 1 Korintiana 2:11–14. Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba hianarantsika “ny ao am-pon’ Andriamanitra”?

  • Asao ireo ankizy hizara fotoana iray izay nahatsapany ny fitaoman’ny Fanahy Masina, izay antsoina ihany koa hoe “ny Fanahin’ Andriamanitra” (1 Korintiana 2:11–14). Izany fotoana izany dia mety hoe tamin’izy ireo tao am-piangonana, na tamin’izy ireo nivavaka, na tamin’izy ireo namaky ny soratra masina. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny Fanahy Masina dia nampianatra azy ireo ny fahamarinana, araka ny nolazain’i Paoly.

  • Asao ny ankizy tsirairay hamaky ny iray amin’ireto soratra masina ireto: 1 Korintiana 2:11–14; 1 Nefia 10:17; Môrônia 10:3–5 ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3. Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra nianarany avy tao amin’ireo soratra masina ireo mikasika ny fomba ampianaran’ny Fanahy Masina antsika. Amporisiho izy ireo mba hanoratra ireo andininy ireo eny amin’ny sisin’ny soratra masiny.

1 Korintiana 6:19–20

Tokony hitondra am-panajana ny vatako aho sy hitandrina azy ho masina.

Ny fahatakarana fa ny vatantsika dia fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra dia hanampy ireo ankizy hitandrina ny vatany ho masina, eny na dia rehefa alaim-panahy tsy hanao toy izany aza izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà fanomezana voafono izay misy sarina ankizy sy tempoly ao anatiny. Asao ireo ankizy hamaky ny 1 Korintiana 6:19–20 sy hamantatra hoe inona ilay fanomezana. Avelao izy ireo hanokatra ilay fanomezana ary resaho ny fomba hitovizan’ny vatantsika amin’ny tempoly.

  • Resaho miaraka amin’ny ankizy no tokony hataontsika amin’ny tempoly. Raha toy ny tempoly ny vatantsika, inona no tokony ataontsika amin’ny vatantsika? Ny fihirana na famakiana ny tonon’ny hira iray momba ny tempoly, toy ny “Je demeure dans un temple” (Chants pour les enfants, 73) dia afaka manampy amin’ny famaliana io fanontaniana io. Rehefa manao fahadisoana isika, ahoana no ahafahantsika mamerina ny “tempolintsika” ho madio indray?

  • Iaraho vakiana ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo” ao amin’ny Ry tanora mahereza) (2011, 25–27). Asao ny ankizy mba hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo torohevitra hitany momba ny fomba hikarakarana ny vatantsika.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny hira izay nirainy tao an-dakilasy sy ny zavatra nianarany avy amin’izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Anisan’ireo zavatra tena manan-danja azonao atao amin’ny maha-mpampianatra anao ny mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy. Izany dia hanampy ny ankizy hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo.