Avia, hanaraka Ahy
5-11 aogôsitra. Romana 1-6: -Herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino-


“5-11 aogôsitra. Romana 1–6: -Herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“5-11 aogôsitra. Romana 1–6,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
i Paoly manoratra epistily iray

5-11 aogôsitra

Romana 1–16

“Herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino”

Inona ireo bitsika azonao rehefa mamaky ny Romana 1–6 ianao? Ireo bitsika ireo dia afaka manampy anao hisafidy avy ao amin’ireto hevitra hoenti-mampianatra manaraka ireto.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra nataony ho setrin’izay fanasana nomenao azy ireo tamin’ny lesona tamin’ny herinandro lasa. Ohatra, niresaka tamin’ny fianakaviany momba ilay fiondranana an-tsambo voafariparitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly  27 sy ny fanarahana ny mpaminany ve izy ireo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Romana 1:16–17

Afaka mampiseho ny fitiavako an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fanarahana Azy.

Nampianatra i Paoly fa ny filazantsara dia manana hery mitondra amin’ny famonjena ho an’ny olona rehetra izay miaina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hampiseho ny finoany an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanarahana Azy?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hitady an’i Roma eo amin’ny sarin-tany iray. Hazavao fa ny bokin’i Romana dia ahitana taratasy iray izay nosoratan’i Paoly ho an’ireo Olomasina tao Roma mba hanampiana azy ireo hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara toy ny finoana.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Romana 1:17 ary ampio izy ireo mba hitadidy ilay fehezan-teny hoe: “Ny marina amin’ny finoana no ho velona.” Azonao omena teny iray avy ao amin’ilay fehezan-teny ny ankizy tsirairay ary angataho izy ireo mba hilaza izany teny izany rehefa voatondronao izy ireo. Hazavao fa io fehezan-teny io dia midika fa tokony hiaina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika isan’andro. Moa ve fantatry ny ankizy ny atao hoe finoana? Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy iray ary hazavao fa mino isika fa tena misy Izy na dia tsy mbola nahita Azy aza isika. Izao no atao hoe finoana: mino ny zavatra iray na dia tsy mbola hitantsika aza izany.

  • Hazavao fa isika dia mampiseho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fankatoavana Azy. Afeno eran’ny trano ny sarin’olona manao izay nasain’i Jesoa ataontsika. Avelao ny ankizy hifandimby hitady sy hamariparitra ireo sary. Inona no azontsika atao mba hanarahana an’i Jesoa?

  • Tampeno ny mason’ny iray amin’ireo ankizy ary tariho handehandeha ao anatin’ny efitrano izy hankeny amin’ny sarin’i Jesoa iray. Asaivo mifandimby manao izany ireo ankizy. Ampio ny ankizy hahatakatra ny tokony hataony mba hanarahana ireo fampianaran’i Jesoa tahaka ny nanarahan’izy ireo ny fitarihanao.

Romana 6:1–11

Toy ny hoe lasa olom-baovao ny atao batisa.

Miomana ho amin’ny batisa ireo ankizy ampianarinao. Inona no azon’izy ireo ianarana momba ny batisa avy amin’ny torolalana nomen’i Paoly mba “handeha amin’ny fiainam-baovao”?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamerina hiteny ilay andian-teny hoe “handeha amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:4). Hazavao fa rehefa atao batisa isika dia voavela amin’ny fahotantsika. Manana fahafahana handroso isika amin’ny alalan’ny fanaovana safidy tsara, sy fibebahana rehefa manao fahadisoana, ary ny fiezahana ny ho tonga tahaka an’i Jesoa bebe kokoa. Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hampianarana ny ankizy fa manampy antsika ho tonga olom-baovao ny batisa.

  • Lazao amin’ny ankizy ny fahatsapanao fony ianao natao batisa, ary asao izy ireo mba hizara ireo zavatra niainan’izy ireo rehefa nanatrika batisa izy ireo. Asao izy ireo hanao ny sarin’izy ireo amin’ny andron’ny batisany izay ho avy, ary hizara ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana amin’ny batisan’izy ireo.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba ny batisa, toy ny “Le jour de mon baptême” (Chants pour les enfants, 53). Inona no ianarantsika momba ny batisa avy amin’io hira io?

Sary
ankizilahy iray atao batisa

Maneho ny fanombohan’ny fiainam-baovao amin’ny maha-mpianatr’i Kristy ny batisa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Romana 1:16–17

Afaka mampiseho ny fitiavako an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fanarahana Azy.

Nampianatra i Paoly fa ny filazantsara dia manana hery mitondra amin’ny famonjena ho an’ny olona rehetra izay miaina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny finoana no fitsipika voalohan’ny filazantsara. Mamporisika antsika hankatò ny didy izany. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra bebe kokoa ny finoana?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hitady an’i Roma eo amin’ny sarin-tany iray. Ampio ny ankizy hahatakatra fa mandritra ireo herinandro vitsivitsy manaraka dia hianatra avy amin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany amin’ny toerana samy hafa izy ireo, manomboka amin’ny taratasiny ho an’ny Romana.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny soratra ao amin’ny Romana 1:16 ka soloy banga ny teny vitsivitsy. Asaivo mijery ny soratra masina ireo ankizy ary hameno ny banga. Hamafiso ilay fehezan-teny hoe: “Fa tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy aho,” ary asao ny ankizy mba hizara ny hevitr’izany fehezan-teny izany amin’izy ireo.

  • Asao ny ankizy iray mba hamaky mafy ny Romana 1:17, ary angataho ny ankizy hafa mba hihaino teny iray izay naverimberina. Inona no dikan’ny hoe “miaina amin’ny finoana”? Ampio ny ankizy hitady famaritana ny finoana ao amin’ny loharano iray toy ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Finoana,” scriptures.lds.org. Ahoana no hahasamy hafa ny fiainantsika raha toa ka tsy nanana finoana an’i Jesoa Kristy isika?

  • Mampisehoa voly iray sy voa iray, ary anontanio ny fomba hanampiantsika ny voa iray mba ho lasa voly iray. Hazavao fa rehefa mamboly sy manondraka voa iray isika dia mampiseho fa manana finoana ny hitombo izany. Amin’ny fomba ahoana no ampisehoantsika fa manana finoana an’i Jesoa Kristy isika? Mihirà hira iray momba ny finoana, toy ny “La foi” (Chants pour les enfants, 96), mba ho ampahany amin’ity asa atao ity.

Romana 3:23–24

Mila an’i Jesoa Kristy isika rehetra mba ho voavela amin’ny fahotantsika.

Tian’i Paoly ho takatry ny Romana fa ny famonjena dia tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany sy amin’ny alalan’ny fahasoavany. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampianatra io fahamarinana io amin’ny ankizy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray mba hamaky ny Romana 3:23–24 Inona no eritreretin’ny ankizy fa ampianarin’ireo andininy ireo antsika? Hazavao fa ny “fahasoavana” ao amin’ny andininy 24 dia midika hoe ny fanomezam-pahasoavan’ny fitiavana sy famindram-pon’ny Mpamonjy, izay mahatonga antsika ho afaka ny handray famelana ny fahotantsika.

  • Manantòna sakafo kely na sary iray, ataovy ambony be eo amin’ny rindrina, na eo amin’ny toerana hafa izay tsy ho takatry ny ankizy samirery. Avelao hiezaka hanakatra izany izy ireo, ary ampitahao amin’ny zavatra nampianarin’i Paoly ao amin’ny Romana 3:23 izany. Dia ampio hanakatra izany izy ireo. Inona no nataon’ny Mpamonjy ho antsika ka tsy ho vitantsika ny hanao azy ho an’ny tenantsika? Asao ny ankizy mba hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy rehefa eritreretin’izy ireo ny zavatra nataony ho azy ireo.

Romana 6:1–11

Toy ny hoe lasa olom-baovao ny atao batisa.

Nampianatra i Paoly fa maneho ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ny batisa. Maneho ny “fahafatesan’”ny tenantsika be fahotana ihany koa izany sy ny fitsanganana mba “handeha ao amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:4). Manavao ny fanolorantenantsika mba handeha ao amin’ny fiainam-baovao isika isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray mba hamaky ny Romana 6:3–6. Nolazain’i Paoly fa “tahaka ny” inona ny batisa?

  • Ifampiresaho ny maha-tandindon’ny fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty ny batisa. Nahoana ny fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty no tandindona maneho tsara ny zavatra mitranga rehefa atao batisa isika?

  • Iaraho vakiana ireo vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo (jereo ny FF 20:77, 79). Ampahatsiahivo ny ankizy fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manavao ny fanolorantena mba hanaraka an’i Jesoa Kristy izay nataontsika tamin’ny fotoana nanaovana batisa. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanasan’ny Tompo antsika mba “handeha ao amin’ny fiainam-baovao”?

  • Asao ny ankizy mba hanao peta-drindrina izay mampiseho ny dikan’ny hoe “mandeha ao amin’ny fiainam-baovao” amin’izy ireo. Azon’izy ireo ahantona eo amin’ny efitranony izany mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny hanao safidy tsara.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hangataka ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hampahafantatra azy ireo rehefa mahita ankizy manao zavatra izay mampiseho finoana izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoreno ny fahatokisan’ny ankizy. Mba hanampiana ny ankizy hanorina fahatokisana fa afaka mianatra samirery ny filazantsara izy ireo dia derao izy ireo rehefa mandray anjara ao amin’ny kilasy.