Avia, hanaraka Ahy
29 jolay–4 aogôsitra. Asan’ny Apostoly 22–28: -Ho mpanompo sy ho vavolombelona-


“29 jolay–4 aogôsitra. Asan’ny Apostoly 22–28: -Ho mpanompo sy ho vavolombelona-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“29 jolay–4 aogôsitra. Asan’ny Apostoly 22–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Paoly ao an-tranomaizina

29 jolay–4 aogôstitra

Asan’ny Apostoly 22–28

“Ho mpanompo sy ho vavolombelona”

Eo am-pamakianao ny mombamomba ny asa fanompoana nataon’i Paoly Apôstôly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22–28 dia mikaroha fitsipika izay hanan-danja amin’ireo ankizy ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mampisehoa sarina efitra iray ao amin’ny tranomaizina iray, sambo iray, ary bibilava iray. Asao ny ankizy hizara izay mety tantara fantany momba an’i Paoly ka mifandray amin’ireo sary ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 23:10–11

Miraharaha ahy sy hanampy ahy mandritra ireo fotoan-tsarotra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa.

Ny fianarana momba ny fomba nanampian’ny Mpamonjy an’i Paoly dia afaka manampy ireo ankizy hahafantatra fa miraharaha azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 23:10–11 izay namangian’ny Mpamonjy an’i Paoly tao an-tranomaizina . Zarao ny fotoana iray izay niainanao fitsapana iray ary nandraisanao fitarihana sy fampiononana avy amin’ Andriamanitra. Angataho ny ankizy mba hizara ireo fotoana nahatsapan’izy ireo ho nampiononin’ Andriamanitra.

  • Ampio ny ankizy hitadidy tsianjery ny zavatra nolazain’i Jesoa an’i Paoly: “Matokia.” Angataho ny ankizy hieritreritra olona iray izay azony asaina mba hatoky, mety ho olona iray izay malahelo na sahiran-tsaina izany.

Asan’ny Apostoly 26:1–29

Afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ny hafa aho.

Ny fanaovana famerenana ny fijoroana ho vavolombelona nambaran’i Paoly teo analoan’i Agripa Mpanjaka dia afaka manampy ny ankizy hianatra ny fomba hizarana ny zavatra fantany fa marina.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà satro-boninahitra fanaon’ny mpanjaka ao an-dakilasy dia asao ny mpianatra anankiray hanao izany ary hanao ny tenany ho mpanjaka. Asao ny mpianatra iray hafa hijoro eo anoloan’ny mpanjaka mba hilalao an’i Paoly eo am-pamintinanao ny fijoroana ho vavolombelon’i Paoly ary ny nasetrin’ny Mpanjaka Agripa an’izany, izay hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 26:1–29 (jereo ny “Toko 63: Nahavita ny asa nanirahana azy i Paoly,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 162–66, ). Hazavao fa afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny hafa tahaka ny nataon’i Paoly isika.

  • Asao ny ankizy hihaino eo am-pihiranao na eo am-pamakianao ny hira iray momba ny fijoroana ho vavolombelona, toy ny andininy 2 an’ny “Le Saint-Esprit a témoigné” (Cantiques, lah. 74) ohatra na ny “Je sais que mon Dieu vit” (Chants pour les enfants, 8). Asao ny ankizy hanangana ny tanany rehefa mahare zavatra iray izay afaka hijoroany ho vavolombelona izy ireo. Mety hilaina ny hihiranao ilay hira imbetsaka, asao ny ankizy hiara-hihira aminao rehefa manomboka zatra ny tonony izy ireo. Angataho izy ireo hizara zavatra vitsivitsy momba ny filazantsara izay fantany fa marina.

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hieritreritra momba ny zavatra iray izay azony lazaina rehefa mijoro ho vavolombelona izy ireo. Asao izy ireo hizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany.

Asan’ny Apostoly 27

Mampitandrina ahy ny amin’ireo loza ireo ny mpaminany.

Diniho hoe ahoana no hahafahan’ny tantaran’i Paoly vaky sambo manampy ny ankizy hianatra fa ireo mpaminany dia mahita ireo loza tsy hitantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mody manao hoe eo ambony sambo izay atopatopan’ny tafio-drivotra ny ankizy. Vakio ny fampitandremana nomen’i Paoly ny olona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 27:9–10, dia zarao ilay tantara nitrangan’ny fahavakisan’ny sambo izay nitranga satria tsy nihaino ny fampitandremana nomeny izy ireo (jereo ireo andininy 11, 39–44). Asehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana. Inona no karazana fampitandremana omeny antsika?

  • Apetraho ao amin’ny efitra fianarana ny sary na zavatra vitsivitsy izay maneho zavatra nampianarin’ireo mpaminany fa tokony ataontsika, toy ny hoe manatrika fivoriam-piangonana na atao batisa. Mandehana eran’ny efitra miaraka amin’ny ankizy rehetra, ka mijanona isaky ny mahita sary na zavatra iray mba hiresadresahana momba ny hoe ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpaminany dia manampy antsika mba ho voaro.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpaminany dia manampy antsika mba ho voaro.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 23:10–11; 27:18–26; 28:1–6

Rehefa miatrika fanoherana aho dia tsy hanary ahy Andriamanitra.

Nandritra ny fisedrana rehetra nahazo azy dia niaraka tamin’i Paoly hatrany ny Tompo. Ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy hampihatra ny zavatra niainan’i Paoly amin’ny fiainany manokana?

Asa atao azo tanterahina

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny Asan’ny Apostoly 23:10, dia hazavao fa nahiditra am-ponja i Paoly satria nampianatra ny olona momba an’i Jesoa izy. Dia iaraho mamaky amin’ny ankizy avy eo ny Asan’ny Apostoly 23:11 . Nahoana i Paoly no afaka “[natoky]” na dia tao an-tranomaizina aza?

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny Asan’ny Apostoly 23:10–11; Asan’ny Apostoly 27:18–26; ary ny Asan’ny Apostoly 28:1–6. Mampisehoa sarina fonja sy sambo ary bibilava, dia asao ny ankizy hanao famerenana ireo andininy ireo sy hampifanaraka izany amin’ireo sary avy eo. Tao amin’ireo tantara tsirairay ireo, dia ahoana no nampisehoan’ny Tompo tamin’i Paoly fa niaraka taminy Izy?

  • Asao ny olona iray ao amin’ny paroasy mba hizara zavatra niainana iray ka niaraka taminy nandritra ny fotoana sarotra iray ny Tompo. Azonao atao na azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mizara zavatra niainana.

Asan’ny Apostoly 26:1–29

Afaka mizara fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amim-pahasahiana aho.

Ny risim-pon’i Paoly tamin’ny fizarana ny fijoroany ho vavolombelona dia afaka manampy ny ankizy hanana fahasahiana rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny mpianatra hamaky ny Asan’ny Apostoly 26:1–29 dia mitadiava fahamarinan’ny filazantsara nampianarin’i Paoly an’i Agripa Mpanjaka. Nahoana no mety ho nampatahotra an’i Paoly ny hizara ireo zavatra ireo eo anoloan’ny mpanjaka? Asao ny ankizy hitanisa fitsipiky ny filazantsara vitsivitsy izay fantany fa marina. Angataho izy ireo hieritreritra olona iray izay fantany fa mila maheno ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ireo fahamarinana ireo.

  • Asao ny ankizy hampiasa ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanoratra zavatra iray izay mety ho lazainy ao anatin’izany fijoroana ho vavolombelon’izy ireo izany.

Asan’ny Apostoly 27

Mampitandrina ahy ny amin’ireo loza ireo mpaminany.

Azon’ireo ankizy atao ny mihaino ny hafatr’ireo mpaminany maoderina ary mamantatra ny fampitandreman’izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hianatra ny fomba fanarahana ireo fampitandremana ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Hetezo ny taratasy iray mba hiendrika sambo ary mba ho lasa singa ao amin’ny piozila iray. Asao ny ankizy hanoratra ny fampitandreman’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 27:9–11 eo amin’ireo singa ary hanambatambatra ny piozila avy eo. Nahoana ireo olona no tsy nihaino an’i Paoly? (jereo ny andininy 11). Asao ny ankizy hamaky ny andininy 18–20 ary ny 40–44 mba hamantarana ny zava-nitranga vokatr’izay. (Hazavao fa satria nanaraka ny torohevitra nomen’i Paoly taty aoriana ny olona ny amin’ny tokony hijanonana eo ambonin’ilay sambo dia tsy nisy ny aina nafoy rehefa vaky ny sambo; jereo ny andininy 30–32.) Inona ny zavatra azontsika ianarana avy amin’io zava-nitranga momba ny fanarahana ny mpaminany io?

  • Mitondrà hafatry ny Filohan’ny Fiangonana avy amin’ny fihaonambe maneran-tany vao tsy ela dia zarao amin’ny ankizy izay mety ho fampitandremana na torohevitra nomeny. Asao ny ankizy hieritreritra fomba hahafahany manaraka ny mpaminany

  • . Ahoana no itovizan’ireo mpaminany amin’ny lehilahy mijery amin’ny alalan’ny masolavitra?

  • Soraty ny asa atao vitsivitsy izay azon’ny ankizy atao ka hanampy azy ireo hianatra momba ny anjara asan’ny mpaminany, ohatra amin’izany ny hoe “Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–7” na ny “Hirao ny -Suis les prophètes-” (Chants pour les enfants, 58–59, na mampiasà hira hafa momba ny mpaminany). Hahantony eo ivelan’ny efitra fianarana ilay lisitra misy asa atao, dia asao ny ankizy iray hijoro eo am-baravarana ary hamaky asa atao iray isak’izay mandeha amin’ny ankizy hafa rehetra, dia hamela azy ireo mba hamita ilay asa atao mialoha ny famakiana anankiray hafa. Hazavao fa toy ny nanomezan’ilay mpianatra iray toromarika amin’ny hafa dia mampianatra antsika ny zavatra tian’ Andriamanitra ataontsika ny mpaminany. Asaivo mizara ny zavatra nianarany momba ny mpaminany avy amin’ireo asa atao ireo ny ankizy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asaivo ampiasain’ny mpianatra ny zavatra nianarany momba an’i Paoly mba handrisihana ny fianakaviany amin’ny fandalinana ny hafatra farany indrindra nambaran’ny mpaminany sy ifanakalozana hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo manarakany torohevitra nomeny.

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy izay hampiasana ireo retsipamantarana. “Tena mianatra tsara ny ankamaroan’ny ankizy (sy ny olon-dehibe) rehefa ampandraisina anjara ireo retsipamantarana maro. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hampiasa ny retsi-pahitany sy ny retsi-pandrenesany ary ny retsi-pahatsapany rehefa mianatra izy ireo. Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia mety hahita fomba aza ianao hampiasana ny retsi-pamofonany sy ny retsik’andrany!” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).