Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 63: Nahavita ny Asa Nanirahana Azy i Paoly


Toko 63

Nahavita ny Asa Nanirahana Azy i Paoly

Paul takes some non-Jews to the temple. - ch.63-1

Nandeha tany amin’ny tempolin’i Jerosalema i Paoly. Nisy vondrona Jiosy nieritreritra fa nitondra olona izay tsy Jiosy tao amin’ny tempoly i Paoly. Nahatonga ny vahoaka Jiosy ho tezitra izany. Nentin’izy ireo nivoaka ny tempoly izy ary novonoin’izy ireo.

Asan’ny Apôstôly 21:26–32

Roman soldiers take Paul away. - ch.63-2

Nosamborin’ireo miaramila Romana i Paoly. Navelan’izy ireo hiresaka tamin’i vahoaka Jiosy izy. Nijoro ho vavolombelona tamin’ireo olona i Paoly fa nahita hazavana avy any an-danitra ary nandre ny feon’ny Mpamonjy. Nilaza izy fa i Jesoa no nilaza taminy mba hitory ny filazantsara.

Asan’ny Apôstôly 21:33–40; 22:1–15

Paul is put in chains and taken to prison. - ch.63-3

Tsy nino an’i Paoly ireo vahoaka. Te-hamono azy izy ireo. Nampidirin’ireo miaramila am-ponja nandritra ny alina i Paoly.

Asan’ny Apôstôly 22:22–30

The Savior visits Paul in prison. - ch.63-4

Nitsidika an’i Paoly tao an-tranomaizina ny Mpamonjy ary nilaza taminy mba tsy hatahotra. Nilaza tamin’i Paoly Izy fa handeha any Roma i Paoly hampianatra ny filazantsara any.

Asan’ny Apôstôly 23:11

Paul preaches to King Agrippa. - ch.63-5

Mba hiarovana an’i Paoly, dia nalefan’ireo Romana tany amin’ny tanàna hafa izy. Tao ny Mpanjaka Agripa. Nilaza tamin’ny Mpanjaka Agripa i Paoly fa efa Fariseo izy ary nankahala ny olona izay nino an’i Jesoa. Nampiditra am-ponja azy ireo mihitsy izy. Avy eo i Paoly dia nahita hazavana avy any an-danitra ary nandre ny feon’ny Mpamonjy. Ankehitriny izy dia nino an’i Jesoa.

Asan’ny Apôstôly 23:12–35; 25:13–23; 26:1–15

Paul tells King Agrippa about Jesus. - ch.63-6

Nijoro ho vavolombelona tamin’ny Mpanjaka Agripa i Paoly fa marina ny filazantsara. Nilaza izy fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Tao anatin’ny fahitana iray no nilazan’i Kristy tamin’i Paoly mba hampianatra ny filazantsara. Satria nankatò i Paoly, dia maro ireo olona nankahala azy.

Asan’ny Apôstôly 26:16–23

King Agrippa sends Paul to Rome. Paul is shown boarding a ship. - ch.63-7

Nilaza ny Mpanjaka Agripa fa efa saika nahavita nampino azy an’i Jesoa i Paoly. Tsy nanan-tsaina ny hamono an’i Paoly ny mpanjaka. Kanefa dia nalefany ho any Roma i Paoly, izay hitsarana an’i Paoly.

Asan’ny Apôstôly 26:27–32

Paul is in prison in Rome for two years. He is depicted writing letters to the Saints. - ch.63-8

Tao an-tranomaizina nandritra ny roa taona tao Roma i Paoly. Maro ireo olona tonga nijery azy. Nampianatra azy ireo ny filazantsara izy. Nanoratra taratasy maro ho an’ireo Olomasina tany amin’ny tany hafa i Paoly. Ny sasany tamin’ireo taratasy ireo izay nantsoina hoe epistily, dia hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Asan’ny Apôstôly 28:16–31

Paul knows he will be killed, but also knows he will be with Heavenly Father and Jesus Christ. - ch.63-9

Fantatr’i Paoly fa hovonoina izy. Tsy natahotra izy. Nankatò ny didin’Andriamanitra izy. Nampianatra ny filazantsara izy. Vitany ny asa nanirahana azy. Fantatr’i Paoly fa tia azy ny Ray any an-danitra. Fantany koa fa aorian’ny fahafatesany, dia hiaina hiaraka amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy izy.

2 Timoty 4:6–8