Toko 62
Nankatò ny Fanahy Masina i Paoly
Nilaza tamin’i Paoly ny Fanahy Masina mba handeha ho any Jerosalema. Nilaza tamin’i Paoly ny Fanahy Masina fa hiditra am-ponja izy. Tsy natahotra i Paoly. Tia ny Mpamonjy izy ary nanao izay nasain’ny Fanahy Masina nataony.
Asan’ny Apôstôly 20:22–24
Nanao veloma ireo namany i Paoly. Nilaza izy fa tsy hahita azy ireo intsony. Nilaza tamin’izy ireo izy mba hiaina ny filazantsara sy hankatò ny didin’Andriamanitra. Nampitandrina azy ireo i Paoly tsy hihaino ireo olona izay manandrana mampianatra azy ireo zavatra tsy marina.
Asan’ny Apôstôly 20:25, 28–32
Nasain’i Paoly nifankatia sy nifanampy izy ireo. Nandohalika sy niara-nivavaka tamin’izy ireo izy. Nitomany daholo ny rehetra. Niaraka taminy hatreny an-tsambo izy ireo ary nitazana azy ho any Jerosalema.
Asan’ny Apôstôly 20:35–38