Toko 5
Teraka i Jesoa Kristy
Nametraka lalàna ny amperora Romana fa ny olona rehetra dia tsy maintsy mandoa hetra. Nonina tao Nazareta i Josefa sy i Maria. Tsy maintsy nandeha an-tongotra teo amin’ny 105 km teo izy ireo nankany Betlehema mba handoa ny hetran’izy ireo.
Lioka 2:1–5
Tsy mora tamin’i Maria ny nandeha tany Betlehema. Ho teraka atsy ho atsy ny zanany.
Lioka 2:4–5
Rehefa tonga tany Betlehema i Josefa sy i Maria, dia feno daholo ny trano fandraisam-bahiny. Tsy maintsy nipetraka tao am-bala i Maria sy i Josefa. Ny vala dia toerana ametrahana ireo biby fiompy.
Lioka 2:6–7
Ary dia teraka tao ilay zaza. Nofonosin’i Maria tamin’ny lamba Izy ary napetrany teo amin’ny toeram-pihinanam-bilona. Nantsoin’i Maria sy i Josefa hoe Jesoa ilay zaza.
Lioka 2:7, 21
Tamin’ny alina nahaterahan’i Jesoa, dia nisy mpiandry ondry niandry ireo ondriny teo akaikin’i Betlehema. Nisy anjely tonga teo amin’izy ireo. Natahotra ireo Mpiandry ondry.
Lioka 2:8–2
Nizala ny anjely fa tsy tokony hatahotra izy ireo. Nanana vaovao mahafaly izy: Teraka ao Betlehema Ilay Mpamonjy, Jesoa Kristy. Ho hitan’izy ireo Izy mandry eo amin’ny toeram-pihinanam-bilona.
Lioka 2:10–12
Nandeha tany Betlehema ireo mpiandry ondry, ka hitan’izy ireo tany i Jesoa zazakely.
Lioka 2:15–16
Faly ireo mpiandry ondry nahita ny Mpamonjy. Nolazain’izy ireo tamin’ny olona hafa ny zava-drehetra hitan’izy ireo sy ren’izy ireo.
Lioka 2:17–20