Avia, hanaraka Ahy
22–28 jolay. Asan’ny Apostoly 16-21 : -Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara-


“22-28 jolay. Asan’ny Apostoly 16-21 : -Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao (2019)

“22-28 jolay. Asan’ny Apostoly 16-21,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
i Paoly teo amin’ny Havoana Marsa

22-28 jolay

Asan’ny Apostoly 16–21

“Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”

Rehefa avy namaky ny Asan’ny Apostoly 16–21, dia saintsaino ny fomba ahafahan’ireo bitsiky ny Fanahy sy ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity manampy anao amin’ny fanomananao lesona. Jereo ny “Manatanteraka ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” ato anatin’ity boky torolalana ity mba hahazoana fanampiana fanampiny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hilaza aminao ny hitovian’i Paoly amin’ireo misiônera ankehitriny. Anontanio hoe: “Efa nizara ny filazantsara tamin’ny olona iray hafa ve ianareo?”

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 16:25–34

Mampianatra ny olona momba an’i Jesoa ireo misiônera.

Moa ve ny ankizy ampianarinao mahafantatra ny zavatra ataon’ireo misiônera? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy mba hahatakatra fa afaka mizara ny filazantsara amin’ny hafa izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ny Asan’ny Apostoly 16:25–34 rehefa mamintina ny tantaran’i Paoly sy i Silasy nizara ny filazantsara tao an-tranomaizina ianao (jereo ihany koa ny “Toko 61: I Paoly sy i Silasy tao an-tranomaizina,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 158–60). Hazavao fa ireo misiônera ankehitriny ihany koa dia mampianatra ny olona momba an’i Jesoa sy manampy azy ireo mba hatao batisa.

  • Manamboara takelaka kely asiana ny anaran’ny misiônera mba hanaovan’ny ankizy ary ampio izy ireo mba hanoratra ny anaran’izy ireo eo amin’ireo takelaka kely. Ampianaro fehezan-teny tsotra milaza fotopampianarana izay azon’izy ireo zaraina amin’ny hafa ny ankizy, toy ny hoe “Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra be fitiavana,” “Miresaka amin’ny alalan’ny mpaminany velona Andriamanitra,” na “I Jesoa Kristy no Mpamonjintsika.”

  • Asao ny ankizy hizara antsipirian-javatra momba ny olona iray fantatr’izy ireo izay manao asa fitoriana. Afaka manao sary izy ireo na manoratra taratasy kely halefa any amin’ilay misiônera.

Asan’ny Apostoly 17:10–12

Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny soratra masina.

Na dia tsy mbola afaka mamaky teny aza ny sasany amin’ireo ankizy ampianarinao dia afaka manampy azy ireo hampitombo ny fitiavana soratra masina ianao ka hahita ny fomba fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asio tahadikan’ny soratra masina maromaro eran’ny efitrano ary avelao hitady izany ny ankizy. Ampio ny ankizy iray mba hamaky ilay andian-teny hoe: “Ireo dia … nandinika ny soratra masina isan’andro” (Asan’ny Apostoly 17:11). Asao ireo ankizy hanondro ny andro tsirairay ao anatin’ny herinandro eo amin’ny fanisan’andro rehefa miara-mamerina io andian-teny io aminao izy ireo.

  • Mba hampianarana ny ankizy fa ny soratra masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia ampio izy ireo hijery toko iray ao amin’ny soratra masina, toy ny Asan’ny Apostoly 17 na 18, ary hitady ireo teny hoe Andriamanitra na Tompo. Azonao atao ny manisy marika ireo teny ireo mba hahafahan’ny ankizy mahita izany mora foana. Isaky ny mahita iray amin’ireo teny ireo izy ireo dia asao izy ireo mba hizara zavatra izay fantatr’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Asan’ny Apostoly 17:22–31

Zanaky ny Ray aho.

Nampianarin’i Paoly teo amin’ny Havoana Marsa ireo fahamarinana fototra momba ny toetran’ Andriamanitra, ka anisan’izany ireo fahamarinana momba ny zanany sy ny hoe “tsy mba lavitra antsika rehetra Izy” (Asan’ny Apostoly 17:27). Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy mba hahatsapa ho akaikin’ny Rain’izy ireo any An-danitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hamerina ilay andian-teny hoe “Terak’ Andriamanitra isika” (Asan’ny Apostoly 17:29), ary hazavao fa ny hoe teraka dia midika hoe zanaka. Zarao amin’ny ankizy tsirairay ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa zanak’ Andriamanitra izy. Anontanio azy ireo ny fahatsapany rehefa mandre fa zanak’ Andriamanitra izy ireo. Asao hizara ny fahatsapany momba ny Rainy any An-danitra izy ireo.

  • Mampisehoa sarina ankizy miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo (raha azo atao, dia mampiasà sarina ankizy ao amin’ny kilasinao). Hazavao fa isika dia zanaky ny renintsika sy ny raintsika, ary isika rehetra dia fanahy zanaky ny Raintsika any An-danitra.

  • Hirao ny hira iray momba ny Ray any An-danitra, toy ny “Velona ny Raiko” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, 115). Miaraka amin’ny fanampian’ny ankizy, manorata teny na manaova sary eny amin’ny solaitrabe izay maneho ireo zavatra ianarantsika momba ny Ray any An-danitra avy ao amin’ilay hira.

  • Vakio amin’ny ankizy ireto teny avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:27 ireto: “tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.” Miresaha momba ireo fotoana izay nahatsapanao ho akaiky ny Ray any An-danitra, ary asao ny ankizy mba hanao torak’izany koa.

Sary
lehilahy mihazona zazavavy kely

Zanak’ Andriamanitra ny tsirairay.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 16:14–15, 25–34; 18:7–8, 24–28

Afaka ny ho lasa mpitory ny filazantsara aho amin’izao fotoana izao

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ho tonga tahaka an’i Paoly ka hizara amin’ny hafa izay ianarany momba ny filazantsara?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Asan’ny Apostoly 16:14–15, 25–34; 18:7–8, 24–28 ary hitanisa ireo olona nizaran’i Paoly sy i Apolosy ny filazantsara. Dia asao izy ireo mba hitanisa ireo olona azon’izy ireo hizarana ny filazantsara. Avelao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny fomba mety hiresahan’izy ireo amin’ireo olona ireo momba an’i Jesoa Kristy na hanasana azy ireo ho any am-piangonana. Azonao atao koa ny manasa ny ankizy hanoratra taratasy kely izay mizara amin’ireo olona ireo ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara.

  • Manasà misiônera amin’ny fotoana feno, na misiônera niverina, na misiôneran’ny paroasy mba hitsidika ny kilasy ary hilaza momba ny traikefan’izy ireo tamin’ny fizarana ny filazantsara. Amporisiho ny ankizy mba hametraka fanontaniana momba ny fomba ahafahan’izy ireo mizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Asan’ny Apostoly 17:2–4, 10–12; 18:28

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ny soratra masina.

Ireo mpaminany rehetra dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy. Ahoana no hampianaranao ny ankizy mba hahita Azy ao amin’ny soratra masina, na dia tsy voatonona amin’ny anarany aza Izy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo vakian’ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 17:2–4, 10–12; 18:28, ary asao izy ireo mba hitady ireo zavatra hitovian’ireo andalana ireo. Araka ireo andininy ireo, inona no nanampy ny olona hino ny filazantsaran’i Jesoa?

  • Asao ny ankizy hizara ny tantara tian’izy ireo indrindra momba an’i Jesoa izay nianarany avy tao amin’ny soratra masina tamin’ity taona ity. Soraty amin’ny tapaka taratasy kely ireo andalan-tsoratra masina izay mampianatra momba ny Mpamonjy, ary afeno eran’ny trano izany. Dia asao ny ankizy hitady izany. Ampio ny ankizy hitady ireo andalan-tsoratra masina hitan’izy ireo, ary angataho izy ireo mba hifampizara izay ampianarin’ny soratra masina tsirairay momba an’i Jesoa.

  • Angataho ny ankizy mba hanampy anao hamorona tabilao tsotra izay azon’izy ireo asiana marika rehefa mamaky na mianatra momba an’i Jesoa avy ao amin’ny soratra masina izy ireo. Asehoy izany isan-kerinandro mandritra ny ambin’ny taona, ary ampio ny ankizy hitady ireo toerana ao amin’ny soratra masina izay mampianatra momba an’i Jesoa.

Asan’ny Apostoly 17:22–31

Zanaky ny Ray aho.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatsiaro fa zanak’ Andriamanitra izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa vato iray amin’ny ankizy, ary hazavao fa tamin’ny andron’i Paoly, ny olony dia nitsaoka andriamanitra izay namboarin’izy ireo avy tamin’ny vato sy akora hafa. Asaivo vakian’ ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 17:27–29 Inona no ianarantsika momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andininy ireo? Hazavao fa ny hoe teraka dia midika hoe zanaka. Anontanio ny ankizy ny zavatra tsapany noho ny fahafantarany fa zanak’ Andriamanitra izy ireo.

  • Asaivo vakian’ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 17:27 Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo fomba ahafahan’izy ireo “hahatsapa” na hitady an’ Andriamanitra. Oviana no nahatsapan’izy ireo fa “tsy mba lavitra [azy ireo] izy”?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hitady soratra masina iray izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy amin’ity herinandro ity (mety hitranga mandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina izany na mandritra ny fandalinan’ny mpianakaviny ny soratra masina). Amin’ny herinandro ambony dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba ho tonga mpianatra tsaratsara kokoa. Ny tanjonao amin’ny fampianarana ankizy dia tsy ny hizara fahamarinana amin’izy ireo fotsiny. Tokony hanampy azy ireo hivoatra ho lasa mpikatsaka fahamarinana mizaka tena ihany koa ianao. Ohatra, eo amin’ny toeran’ny fitantarana tsotra amin’ny ankizy ny tantaran’i Paoly nitory teo amin’ny Havoana Marsa, dia azonao atao ny manomana asa atao, tahaka ireo izay natolotra ato anatin’ity rindran-damina ity, izay manampy azy ireo hahita ireo fahamarinana ao anatin’ilay tantara.