Avia, hanaraka Ahy
8–14 jolay. Asan’ny Apostoly 6-9: -Tompoko, inona no tianao hataoko?-


“8-14 jolay. Asan’ny Apostoly 6-9: -Tompoko, inona no tianao hataoko?-Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 20192019)

“8-14 jolay. Asan’ny Apostoly 6–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
i Paoly teny amin’ilay lalana mankany Damaskosy

Ka ho velona isika, nataon’i Sam Lawlor

8-14 jolay

Asan’ny Apostoly 6–9

“Tompoko, inona no tianao hataoko?’”

Atombohy amin’ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 6–9. Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo. Ireo asa atao ho an’ny ankizy kely ato anatin’ity rindran-damina ity dia azo amboarina koa ho an’ny ankizy lehibe, dia mety koa ny mifamadika amin’izay.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ny anaran’ireo olona ao anatin’ny Asan’ny Apostoly 6–9. Asao ny ankizy hizara izay zavatra fantany momba ny iray amin’ireo olona ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 6–7

Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fijoroana amin’ny marina.

Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’i Stefana mikasika izany hoe mpanaradia an’i Jesoa Kristy izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamorona fihetsika mifanaraka amin’ny hira iray momba ny fisafidianana ny tsara, toy ny “Defends le bien” (Chants pour les enfants, 81). Ampiasao ny Asan’ny Apostoly 7:51–60 mba hilazana amin’ny ankizy ny fomba nampianaran’i Stefana momba an’i Jesoa Kristy, na dia nahatonga ny mpitarika Jiosy ho tena tezitra mafy aza ny fanaovana izany (jereo ihany koa ny “Toko 57: Namono an’i Stefana ireo olona ratsy fanahy,” Tantara ao amin’ny Testamenta, 150–51, na ny horonan-tsary mifanaraka amin’izany ao amin’ny LDS.org). Ahoana no fomba nijoroan’i Stefana tamin’ny marina?

  • Omeo trangan-javatra maro ahitana ankizy izay tsy maintsy misafidy amin’ny tsara sy ny ratsy ireo ankizy. Anontanio ireo ankizy ny zavatra hataon’izy ireo mba hijoroana amin’ny marina.

Asan’ny Apostoly 8:26–39

Mitaona ahy hizara ny filazantsara amin’ny hafa ny Fanahy Masina.

Nanaraka ny bitsiky ny Fanahy i Filipo ka nanampy lehilahy Etiopiana iray izay sahirana tamin’ny fahatakarana ny soratra masina. Inona ireo lesona avy ao amin’io tantara io ho an’ireo ankizy ampianarinao?

Sary
i Filipo nampianatra ilay Etiopiana

I Filipo nampianatra ilay Etiopiana, nataon’i Robert T. Barrett

Asa atao azo tanterahina

  • Sarito miaraka ny seza roa mba hanamboarana sarety iray. Asao ny ankizy roa mba hipetraka ao anatin’ilay sarety, ny iray hilalao an’i Filipo ary ilay iray hafa hilalao an’ilay lehilahy Etiopiana. Dia tantarao ny tantaran’ny fomba nampianaran’i Filipo ny filazantsara tamin’ilay lehilahy Etiopiana.

  • Efa nahatsapa ny Fanahy Masia nilaza taminao mba hizara ny filazantsara tamin’ny olona iray ve ianao, sahala amin’ny zavatra niainan’i Filipo tao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:29? Zarao amin’ny ankizy ny zavatra niainanao.

Asan’ny Apostoly 9:1–20

Rehefa manao fahadisoana aho dia manasa ahy hibebaka sy hiova ny Ray any An-danitra.

Rehefa nilaza tamin’i Saoly mba hitsahatra amin’ny fanenjehana ny Fiangonan’ny Tompo i Jesoa dia nibebaka teo no ho eo i Saoly ary niova. Ahoana no fomba ahafahan’ireo tantara ireo manampy ny ankizy ampianarinao mba haniry ny hiova faingana rehefa manao fahadisoana izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny tantaran’ny fiovam-pon’i Saoly, izay hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:1–20 (jereo ihany koa ny “Toko 59: Nianatra momba an’i Jesoa i Saoly,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 154–55).

  • Tanisao na ento ny sarin’ireo zavatra izay miova, toy ny tsiboboka izay lasa sahona, na ny hazo mandritra ireo vanim-potoana samy hafa. Niova toy ny ahoana i Saoly rehefa nitsidika azy i Jesoa Kristy?

  • Manaova sarina lalana misampatsampana eo amin’ny solaitrabe. Asao ireo ankizy hilaza toerana tian’izy ireo tsidihana, ary hanoratra izany eo an-tampon’ny lalana iray. Inona no hitranga raha mivily any amin’ny lalana diso isika? Ahoana no mampitovy ny fibebahana amin’ny fiverenana any amin’ny lalana tena izy?

  • Asaivo averin’ny mpianatra ny zavatra nolazain’i Saoly tamin’ny Tompo: “Inona no tianao hataoko?” Inona no tian’ny Tompo mba ho ataontsika?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 6–7

Ho vavolombelon’i Jesoa Kristy aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hianatra avy amin’ny ohatra nasehon’i Stefana tamin’ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakiana amin’ireo ankizy ny Asan’ny Apostoly 6:5–15 sy ny 7:51–60. Vavolombelon’i Jesoa Kristy i Stefana, tamin’ny fomba ahoana? Asao ny ankizy iray na maromaro mba hilaza ho Stefana ka hizara ny zavatra inoan’izy ireo sy ny anton’izany.

  • Asao ny ankizy mba hifandimby hamaky ny Asan’ny Apostoly 6:3-10, ary hitady ireo toetra tsara nananan’i Stefana izay nanampy azy mba hanompo.

  • Angataho ny ankizy mba hanampy anao hieritreritra trangan-javatra izay ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ampio izy ireo mba hilalao an-tsehatra ny sasany amin’ireo trangan-javatra ireo. Asaivo vakian’ny ankizy ny Môsià 18: 9. Hamafiso fa ny hoe vavolombelon’i Jesoa Kristy dia tafiditra ao amin’ireo fampanantenana ataontsika amin’ny batisa.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anarana hoe Stefana sy Filipo. Soraty eo ambanin’ny anaran’i Stefana ireo fomba ahafahantsika ho tonga ohatra ho an’ny hafa. Soraty eo ambanin’ny anaran’i Filipo ireo fomba ahafahantsika mizara ny filazantsara amin’ny hafa. Manampy antsika hizara ny filazantsara amin’ny fomba ahoana ny hoe ohatra maneho ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy?

Asan’ny Apostoly 8:5–24

Ny fisoronana dia fanomezana tsy voavidy vola avy amin’ Andriamanitra.

Indraindrain’i Satana ny hafatra fa ireo zavatra ara-materialy dia mitondra fifaliana ho antsika. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny tantaran’i Simona mba hanampiana ny ankizy hanome lanja ireo zavatra ara-panahy toy ny fisoronana sy ireo fitahiana avy amin’izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny tantaran’i Simona, izay hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:5-24 (jereo ihany koa ny “Toko 58: I Simona sy ny fisoronana,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 152-53). Nahoana no tsy afaka mahazo ny fisoronana amin’ny alalan’ny fividianana izany isika? Ahoana no fomba tena ahazoan’ny olona iray ny fisoronana? (jereo ny Fanekem-pinoana 1:5).

  • Omeo vola tsy tena izy ireo ankizy, ary mampisehoa sarin’ireo zavatra izay azo vidiana amin’ny vola. Anontanio ireo ankizy hoe ohatrinona amin’ireo vola tsy tena izy any amin’izy ireo no omeny hahazoana ireo zavatra ireo. Dia mampisehoa sarin’ny fanasan’ny Tompo, tempoly (maneho ireo fitahian’ny tempoly), batisa, ary fitahiana hafa azontsika amin’ny alalan’ny fisoronana. Hazavao fa ireo fanomezana avy amin’ Andriamanitra ireo dia sarobidy ary tsy azo vidiana amin’ny vola.

Asan’ny Apostoly 9:1–20

Rehefa manao fahadisoana aho dia manasa ahy hibebaka sy hiova ny Ray any An-danitra.

Rehefa nilaza tamin’i Saoly mba hitsahatra amin’ny fanenjehana ny Fiangonan’ny Tompo i Jesoa dia nibebaka teo no ho eo i Saoly ary niova. Ahoana no fomba ahafahan’ireo tantara ireo manampy ny ankizy ampianarinao mba haniry ny hiova faingana rehefa manao fahadisoana izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hamoritra taratasy iray eo amin’ny afovoany. Angataho izy ireo mba hanoratra hoe Mialoha eo amin’ny antsasany ary Aoriana eo amin’ilay antsasany hafa. Iaraho vakiana amin’ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 8:1–3; 9:1–2; ary 9:17–22, ary tadiavo ireo teny na andian-teny izay mamariparitra an’i Saoly mialoha sy taorian’ny nahitany ny Tompo.

  • Asao ny mpikambana iray ao amin’ny paroasy mba hizara ny tantaran’ny fiovam-pony sy ny fomba niovan’ny fiainany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy, tahaka ny niovan’ny fiainan’i Saoly.

  • Ataovy sary eo amin’ny solaitrabe ny “lalana mankany Damaskosy”. Asao ny ankizy mba hamaky ny Asan’ny Apostoly 9:6, 11, 18, 20–22, ary tadiavo ny zavatra natao’i Saoly mba hibebaka sy hitodika amin’i Kristy, ary soraty manerana ilay lalana ireo asa ireo. Inona no ianarantsika avy amin’i Saoly mikasika ny fomba ahafahantsika ho tonga tahaka an’i Kristy bebe kokoa?

  • Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ny ampahany tian’izy ireo indrindra amin’ny tantaran’ny fiovam-pon’i Saoly ary hizara ny sary nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hilaza amin’ny fianakaviany ny asa atao tian’izy ireo indrindra avy tamin’ny fianarana androany sy ny zavatra nampianarin’izany azy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Mety tsy hahay hamaky teny loatra ny ankizy kely, saingy mbola afaka mampanolo-tena azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Ohatra, afaka mamaky andalan-tsoratra masina iray ianao dia manasa azy ireo hitsangana na hanangana ny tanan’izy ireo rehefa maheno teny na andian-teny manokana izay tianao hifantohana (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).