Avia, hanaraka Ahy
08–14 jolay. Asan’ny apostoly 6–9: -Inona no tianao hataoko?-


“8–14 jolay. Asan’ny apostoly 6–9: -Inona no tianao hataoko?-Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 20192019)

“8–14 jolay. Asan’ny apostoly 6–9,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Paoly teny amin’ny lalana mankany Damaskaosy

Aoka isika hanana fiainana mitovy amin’izany, nataon’i Sam Lawlor

8–14 jolay

Asan’ny Apostoly 6–9

“Inona no tianao hataoko?”

Atombohy amin’ny famakiana ny Asan’ny apostoly 6–9. Ireo soso-kevitra ao anatin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hamantatra ny sasany amin’ireo fitsipika manan-danja ao amin’ireo toko ireo, na dia mety hahita hafa mandritra ny fandalinanao manokana aza ianao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Raha misy olona tsy dia noheverina loatra fa hiova fo dia i Saoly mihitsy izany, satria izy dia Fariseo nalaza ho mpanenjika Kristianina. Koa rehefa nasain’ny Tompo hitady an’i Saoly sy hanome tsodrano azy ny mpianatry ny Tompo iray antsoina hoe Ananiasy dia mazava ho azy fa nisalasala ity farany. “Tompoko,” hoy izy, “Efa reko tamin’ny maro ny haben’ny ratsy nataon’izany lehilahy izany tamin’ny olonao” (Asan’ny Apostoly 9:13). Saingy nahafantatra ny tao am-pon’i Saoly sy ny zavatra mety ho vitany ny Tompo, ary nanana asa hokasaina hampanaovina an’i Saoly Izy: “Fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’isiraely” (Asan’ny Apostoly 9:15). Koa dia nankatò i Ananiasy, ka rehefa nifanena tamin’io mpanenjika azy taloha io izy dia niantso azy hoe “Ry Saoly rahalahy” (Asan’ny Apostoly 9:17). Koa satria afaka niova tanteraka i Saoly ary afaka nandray azy tsara tokoa toy izany i Ananiasy dia tsy tokony hihevitra hatrany ny hafa ho afaka miova ihany koa ve isika, tafiditra amin’izany ny tenantsika?

Sary
sary famantarana ny fandalinana manokana

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 6–8

Mila “mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra” aho.

Ny fitombon’ny fiangonana dia nidika ho fitombon’ny filàna mpianatra mba hanompo ao amin’ny fanjakana. Araka ny Asan’ny Apostoly 6:1–15, inona avy ireo toetra notadiavin’ny Apôstôly Roambinifolo izay tokony ho nananan’ireo izay hiara-hanompo amin’izy ireo? Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 6–8, dia mariho ny fomba nahitana taratra ireo toetra ireo, sy ny hafa koa, teo amin’ny olona tahaka an’i Stefana na i Filipo. Inona no tsy ampy tamin’i Simona, ary inona no azontsika ianarana avy aminy momba ny hoe vonona hiova?

Misy zavatra tsapanao avy amin’ny fitaomam-panahy ve fa mila hovaina mba hahazoana antoka fa “mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra” ianao? (Asan’ny Apostoly 8:21–22). Ahoana no mety hanampian’izany fanovana izany anao eo amin’ny fanompoanao an’ Andriamanitra?

Asan’ny Apostoly 6–7

Ny fanoherana ny Fanahy Masina dia afaka ny hitarika amin’ny fandavana ny Mpamonjy sy ny Mpaminaniny.

Ireo mpitarika Jiosy, na dia nomena andraikitra hanomana ny olona amin’ny fiavian’ny Mesia aza, dia nandà an’i Jesoa Kristy ary nangataka ny hanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana noho ny avonavona sy ny fikatsahan’izy ireo fahefana. Ahoana no nitrangan’izany? Hoy Stefana tamin’izy ireo hoe: “Hianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva” (Asan’ny Apostoly 7:51). Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe manohitra ny Fanahy Masina? Nahoana ny fanoherana ny Fanahy Masina no mitarika amin’ny fandavana ny Mpamonjy sy ireo Mpaminaniny?

Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 6–7 dia karohy ireo hafatra hafa nampianarin’i Stefana an’ireo Jiosy. Inona avy ireo fitondran-tena nampitandremany mba tsy hananana teto? Mahatsapa ny fisian’ny fitondran-tena toy izany ao aminao ve ianao? Inona no zavatra ampianarin’ireo tenin’i Stefana anao momba ny vokatry ny fandavana ny Fanahy Masina? Ahoana no hahafahanao hahatsapa sy hankatò bebe kokoa ny bitsiky ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao?

Jereo ihany koa ilay horonan-tsary manao hoe “The Martyrdom of Stephen” (LDS.org).

Asan’ny Apostoly 7:54–60

Ankoatra an’i Stefana dia iza koa no maty martiora noho ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

I Stefana no martiora (olona iray novonoina noho ny zavatra inoany) Kristianina voalohany fantatra taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Olomasina hafa maro teo amin’ny tantara no novonoina ihany koa satria tsy nandà ny finoany an’i Jesoa Kristy izy ireo. Ny sasany amin’izy ireo dia voatonona ao amin’ny 2 Tantara 24:20–21; Marka 6:17–29; Asan’ny Apostoly 12:1–2; Apokalypsy 6:9–11; Môsià 17:20; Almà 14:8–11; Helamàna 13:24–26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:47–49; 135:1–7; ary Abrahama 1:11. Azo inoana fa taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia maty martiora avokoa ny Apôstôly rehetra ankoatra an’i Jaona.

Asan’ny Apostoly 8:26–39

Ny Fanahy Masina dia hanampy ahy hanoro lalana ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy.

Inona no zavatra azonao ianarana momba ny fizarana ny filazantsara avy amin’ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26–39? Ahoana no nanampian’ny Fanahy Masina an’i Filipo? Inona no mampitovy ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa amin’ny fijoroana ho toy ny mpanoro lalana? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 8:31).

Asan’ny Apostoly 9:1–31

Rehefa manoa ny sitrapon’ny Tompo aho dia afaka ny ho lasa fitaovana eo an-tanany.

Toa tampoka be no nitrangan’ny fiovam-pon’i Saoly; “niaraka tamin’izay” izy dia niala tamin’ny fanagadrana Kristianina ka lasa nitory an’i Kristy tany amin’ireo synagoga (Asan’ny Apostoly 9:20). Eo am-pamakianao an’io tantara io dia saintsaino hoe nahoana izy no tena vonona ny hiova. (Raha te hamaky ny fanoritsoritan’i Saoly ny fiovam-pony dia jereo ny Asan’ny Apostoly 22:1–16 ary 26:9–18. Mariho fa ao amin’ireo fitantarana ireo dia efa niova ho Paoly ny anaran’i Saoly.)

Na dia marina tokoa fa niavaka ny zavatra niainan’i Saoly dia mitaky dingana lavalava kokoa ny fiovam-po ho an’ny ankamaroan’ny olona; misy zavatra momba ny fiovam-po azonao ianarana avy amin’i Saoly ve? Inona no zavatra azonao ianarana avy amin’ny fihetsika nasetrin’i Ananiasy sy ireo mpianatra hafa ny fiovam-pon’i Saoly? Inona no hataonao hampiharana ireo lesona ireo eo amin’ny fiainanao? Azonao atao ny manomboka amin’ny fanontaniana amin’ny alalan’ny vavaka, tahaka ny nataon’i Saoly, manao hoe: “Inona no tianao hataoko?” Na azonao atao ny manoratra izany fanontaniana izany mba ho lohateny iray ao amin’ny diarinao dia mandray an-tsoratra ireo zavatra izay tsapanao rehefa mandeha ny fotoana.

Jereo ihany koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Miandry eny amin’ny lalana mankany Damaskosy,” Ensign na Liahona, mey 2011, 70–77.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Asan’ny Apostoly 6:8–7:60

Manaova fampitahana an’ireo tantaran’i Stefana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:8 sy ny Asan’ny Apostoly 7:51–60 amin’ny tantaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 23:1–46. Ahoana no nanarahan’i Stefana ny ohatry ny Mpamonjy?

Asan’ny Apostoly 7:51–60

Ahoana no nitahian’ny Fanahy Masina an’i Stefana raha nenjehina izy? Oviana isika no nahazo tanjaka avy tamin’ny Fanahy Masina nandritra ny fotoan-tsarotra?

Asan’ny Apostoly 9:5

Fantatry ny fianakavianao ve ny dikan’ny hoe “manipaka ny fanindronana”? Ny fanindronana dia zavatra maranitra nampiasaina mba hibaikoana ny biby hanaraka ny lalana tokony halehany. Matetika ilay biby no manipaka rehefa voatsindrona, ka mahatonga ilay lefona hilentika kokoa any anatin’ny nofon’ilay biby. Ahoana no azo hampiharana amintsika io fanoharana io?

Sary
I Petera nanangana an’i Tabita tamin’ny maty

Ry Tabita, mitsangàna, nataon’i Sandy Freckleton Gagon

Asan’ny Apostoly 9:32–43

Hevero ny hanasa ny fianakavianao hanao sary ireo tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:32–43. Inona no zavatra ianaran’izy ireo avy amin’i Enea sy Tabita ary ireo mpitondratenan’i Jopa momba ny maha-tena mpianatry ny Tompo? Manampy ny hafa hino ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny olona iray izay “be ny asa soa” ataony? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 9:36, 42; “Toko 60: Natsangan’i Petera tamin’ny maty i Tabita,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 156–57, na ny horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny LDS.org).

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mampitaha ny soratra masina amin’ny fiainanao. Eo am-pamakianao dia saintsaino ny fomba azo hampiharana ireo tantara sy fampianarana ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Ohatra, oviana ianao no nahatsapa fa “feno ny Fanahy Masina” nandritra ny fotoam-pitsapana na fanenjehana? (Asan’ny Apostoly 7:55).

Sary
I Stefana notoraham-bato

Hitako ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra, nataon’i Walter Rane