Avia, hanaraka Ahy
15–21 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: -Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra-


“15–21 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: -Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“15–21 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Kornelio miresaka amin’i Petera

15–21 jolay

Asan’ny Apostoly 10–15

“Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra”

Vakio tsara ny Asan’ny Apostoly 10–15 , avelao ny Fanahy hibitsika eritreritra sy fahatsapana aminao. Inona avy ireo zavatra ao amin’ireo toko ireo izay azonao ianarana?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia matetika ireo fampianaran’i Jesoa Kristy no niteraka olana tamin’ireo fomba amam-panao sy zavatra ninoan’ny olona hatry ny ela; izany dia tsy nitsahatra taorian’ny niakarany tany an-danitra, raha ny marina tokoa dia nanohy nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fanambarana Izy. Ohatra, nandritra ny fiainan’i Jesoa dia nitory ny filazantsara tamin’ny Jiosy ihany ireo mpianany. Saingy fotoana vetivety taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy nahalasa mpaminanin’ny Fiangonana an’i Petera dia nanambara tamin’i Petera i Jesoa Kristy fa tonga ny fotoana hitoriana ny filazantsara amin’ireo izay tsy Jiosy. Ny hoe fitoriana ny filazantsara amin’ny Jentilisa dia toa zavatra tsy mahagaga amin’izao fotoana izao, koa inona ary izany no lesona ho antsika avy amin’io tantara io? Angamba ny lesona iray dia ny hoe ny fiovana fenitra na fomba fanao, na tamin’ny fotoana fahiny izany na ao amin’ny Fiangonana maoderina, dia tonga amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Tompo ho an’ireo mpitarika voafidiny (Amosa 3:7; FF 1:38). Ny fanambarana tsy tapaka dia lafiny manan-danja iray ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy marina sy velona. Tahaka an’i Petera dia tsy maintsy vonona hanaiky ny fanambarana tsy tapaka sy mivelona amin’ny tenin’ Andriamanitra rehetra isika , dia tafiditra amin’izany “ny zava-drehetra izay efa nambara[ny], izay ambarany ankehitriny” ary ireo “zavatra lehibe sy manan-danja maro” izay mbola ho ambarany “mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9).

Sary
sary famantarana ny fandalinana manokana

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 10

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”

Nandritra ireo taranaka nifandimby maro dia nino ireo Jiosy fa ny hoe anisan’“taranak’i Abrahama,” izany hoe taranaka ara-bakintenin’i Abrahama, dia midika fa eken’ (voafidin’) Andriamanitra ny olona iray (jereo ny Lioka 3:8). Ny rehetra hafa dia noraisina ho Jentilisa “maloto” izay tsy eken’ Andriamanitra. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10, inona no zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Petera momba ny hoe “ankasitrahany”? (Asan’ny Apostoly 10:35). Inona no porofo hitanao ao amin’io toko io izay manamarina fa niaina tamim-pahamarinana i Kornelio ka nankasitrahan’ Andriamanitra? Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” (andininy 34), izay midika fa ny olona rehetra dia afaka mandray ireo fitahian’ny filazantsara raha toa miaina ny filazantsara izy ireo? (Jereo ny 1 Nefia 17:35).

Tahaka ireo Jiosy izay nanambany ireo izay tsy tao amin’ny fianakaviamben’i Abrahama, misy fotoana ve ianao mitsaratsara fahatany na ratsy fanahy amin’ny olona izay tsy mitovy aminao? Ahoana no hahafahanao mandresy izany fironana izany? Mety hahaliana ny fanandramana zavatra tsotra iray mandritra ireo andro vitsivitsy manaraka: Isak’izay mifanerasera amina olona iray ianao dia miezaha mieritreritra fa “io olona io dia zanak’ Andriamanitra.” Rehefa manao izany ianao dia inona ireo fiovana tsikaritrao amin’ny fomba fieritreretanao sy fifaneraseranao amin’ny hafa?

Jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Hitoetra amin’ny fitiavako,” Ensign na Liahona, nôv. 2016, 48–51; 1 Samoela 16:7; “Peter’s Revelation to Take the Gospel to the Gentiles” (horonantsary, LDS.org).

Asan’ny Apostoly 10; 11:1–1815

Mampianatra ahy andalana anampy andalana amin’ny alalan’ny fanambarana ny Ray any An-danitra.

Rehefa nahita ilay fahitana voasoritsoritra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 i Petera dia sahirana izy tamin’ny voalohany tamin’ny fahatakarana izany ary “nieritreritra tao am-pony ny amin’izay anton’[izany]” (andininy 17). Nomen’ny Tompo fahatakarana misimisy kokoa anefa i Petera rehefa nikatsaka izany. Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 10, 11, sy 15, dia mariho fa niha-lalina hatrany hatrany ny fahatakaran’i Petera an’ilay fahitana rehefa nandeha ny fotoana. Tamin’ny fomba ahoana no nikatsahanao sy nandraisanao fahatakarana bebe kokoa avy tamin’ Andriamanitra rehefa nanana fanontaniana ianao?

Ny Asan’ny Apostoly 10, 11, ary 15 dia mitantara ireo fotoana izay nitarihan’ny Tompo ny mpanompony tamin’ny alalan’ny fanambarana. Mety hanampy ny fandraisana an-tsoratra ny zavatra hitanao mahakasika ny fanambarana eo am-pamakianao an’ireo toko ireo. Ahoana no fomba hiresahan’ny Fanahy aminao?

Jereo koa ny “Revelation,” Gospel Topics, topics.lds.org; Ronald A. Rasband, “Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina,” Ensign na Liahona, mey 2017, 93–96; “The Jerusalem Conference” (video, LDS.org).

Asan’ny Apostoly 11:26

Kristianina aho satria mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy.

Inona no zavatra miavaka momba ny olona iray izay antsoina hoe Kristianina? (jereo ny Asan’ny Apostoly 11:26). Midika inona aminao ny hoe fantatry ny hafa fa Kristianina na ny fitondrana ny anaran’i Jesoa Kristy eo aminao? (jereo ny FF 20:77). Diniho ny lanjan’ny anarana. Ohatra, midika inona aminao ny anaran’ny fianakavianao? Nahoana ny anaran’ny Fiangonana ankehitriny no manan-danja? (jereo ny FF 115:4).

Jereo ny Môsià 5:7–15; Almà 46:13–15; 3 Nefia 27:3–8; M. Russell Ballard, “Ny maha-zava-dehibe ny anarana,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 79–82.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Asan’ny Apostoly 10:17, 20

Efa nisy zavatra ara-panahy niainantsika ve dia nisalasalantsika ny zavatra tsapantsika na nianarantsika taty aoriana? Inona no torohevitra azontsika ifanomezana izay mety hanampy antsika handresy ny fisalasalantsika? (Jereo ny Ronald A. Rasband, “Fandrao hadinonao,” Ensign na Liahona, nôv. 2016, 113–15.)

Asan’ny Apostoly 12:1–17

Rehefa natsipy tao am-ponja i Petera dia niara-nivondrona sy nivavaka ho azy ireo mpikamban’ny Fiangonana. Misy olona iray ve, mpitarika ao amin’ny Fiangonana na olon-tiana ohatra, izay tsapan’ny fianakavianao avy amin’ny fanentanam-panahy fa mila hivavahana? Inona ny dikan’ny hoe “[mahery] mangataka” amin’ny alalan’ny fivavahana? (Asan’ny Apostoly 12:5).

Sary
Nafahana tao an-tranomaizina i Petera

Peter Delivered from Prison, nataon’i A. L. Noakes

Asan’ny Apostoly 14

Eo am-pamakianareo miaraka an’ireo toko ireo dia mety hilaza ireo fitahiana izay tonga tamin’ireo mpianatry ny Tompo sy ny Fiangonana ny olona ao amin’ny fianakaviana sasany, raha toa kosa ny hafa ka hilaza ny fanoherana na fitsapana niainan’ireo mpianatry ny Tompo. Nahoana Andriamanitra no mamela ny zava-tsarotra hitranga amin’ny olona marina?

Asan’ny Apostoly 15:1–21

Ireo andininy ireo dia manoritsoritra ny fifandirana tao amin’ny Fiangonana mikasika ny hoe tokony hatao famoràna mba ho famantarana ny fanekempihavanany ve ny jentilisa niova fo (tsy Jiosy) sa tsia. Nitsahatra ilay fifandirana rehefa avy nihaona ny Apôstôly mba handinika ilay raharaha ary avy eo dia nandray valin-teny nentanim-panahy izy ireo. Ity dia mety ho fotoana tena mety hampianarana ny fianakavianao fa mbola mihatra ankehitriny izany lamina izany. Asaivo maka fanontaniana iray momba ny filazantsara izay tianao hahazoana valiny miaraka ny fianakaviana manontolo. Jereo miaraka ireo hevi-baovao ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova sary. Ny sary dia afaka manampy ny olona ao amin’ny fianakaviana hahazo an-tsaina ireo fampianarana sy tantara ao amin’ny soratra masina. Azonareo atao ny mamaky andininy vitsivitsy dia mamela fotoana ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviana avy eo hanao sarin-javatra izay mifandray amin’ny zavatra izay novakinareo. Mety hahafinaritra ny olona ao amin’ny fianakaviana ohatra ny hanao sary ny fahitana hitan’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10.

Sary
I Kornelio sy i Petera

Ny fahitana mahagaga hitan’ny kapiteny Kornelio sy ny dia nataony mba hihaona tamin’i Petera dia mampiseho fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 10:34).