Avia, hanaraka Ahy
1–7 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: -Ho vavolombeloko [ianareo]-


“1–7 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: -Ho vavolombeloko [ianareo]-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 20192019)

“1–7 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
andron’ny Pentekôsta

Andron’ ny Pentekôsta nataon’i Sidney King

1–7 jolay

Asan’ny Apostoly 1–5

“Ho vavolombeloko [ianareo]”

Atombohy ny fanomananao amin’ny alalan’ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 1–5. Katsaho ombam-bavaka ny hahatakatra ny zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao ihany koa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe Iza aho?. Manomeza teny maromaro momba an’i Petera ary anontanio an’ireo ankizy hoe mahakasika an’iza ireo teny ireo. Inona koa no hain’izy ireo momba an’i Petera?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 1:1–11

Mitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny mpaminany sy apôstôly i Jesoa Kristy

Ny fianarana momba ny fomba nitarihan’ny Mpamonjy ny Fiangonany taloha tamin’ny alalan’ny apôstôly dia afaka manampy ny ankizy hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ireo mpaminany sy apôstôly amin’izao androntsika izao.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ilay sary mameno pejy iray ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Anontanio ny ankizy ny antony hijeren’ireo olona ny lanitra araka ny eritreritr’izy ireo. Fintino ny tantara avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:1–11. Jereo koa ny Toko 55: Mitarika ny Fiangonana ireo apôstôly,”Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 145–47.

  • Ampisehoy ny iray kilasy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary asao ny ankizy iray mba hihazona ambony ny sarin’ireo Apôstôly ankehitriny. Iza no mitarika ny Fiangonana rehefa tsy eto ambonin’ny tany i Kristy? Ahoana no fomba hitarihan’izy ireo ny Fiangonana?

  • Manaova kilalao fampitoviana sary miaraka amin’ny andian-tsary roa mitovy an’ireo Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo velona. Rehefa vita ilay kilalao fampitoviana sary dia zarao ny anaran’ilay Apôstôly na Filoha ary zavatra iray momba azy.

  • Apetaho ao ambadiky ny sarin’i Jesoa ny sary kelin’ireo zavatra mety hampianarin’ny mpaminany iray, toy ny batisa na ny tempoly. Avelao hifandimby hijery ny iray amin’ireo sary ny ankizy tsirairay ka hilaza amin’ny iray kilasy hoe: “Ny mpaminany dia mampianatra antsika momba ny [ilay lohahevitra eo amin’ilay sary].”

Asan’ny apostoly 3:1–10

Afaka mitahy ireo olona hafa amin’ny alalako ny Ray any An-danitra.

Inona no azonao atao mba hanampiana ireo ankizy hamantatra ireo fomba ahafahan’izy ireo mitahy ireo olona manodidina azy ireo? Ampio izy ireo hianatra avy amin’ny ohatr’i Petera sy i Jaona nanasitrana ilay lehilahy nalemy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanao fihetsika mifanaraka amin’ilay tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:1–10, toy ny faninjirana ny tanana ka mangataka vola sy miandrandra fifaliana. Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Ray any An-danitra ilay lehilahy tsy afa-mandeha?

  • Mitondrà harona iray misy sary izay maneho ireo fomba ahafahantsika mitahy sy manompo ny hafa. Avelao ny ankizy hifandimby hisafidy sary avy ao amin’ilay harona ka hizara ny fomba ahafahan’izy ireo mitahy ny hafa amin’izany fomba izany.

  • Asao ny ankizy hizara momba ny fotoana iray izay nanampian’izy ireo olona.

Asan’ny apostoly 5:1–11

Afaka ny ho marin-toetra aho.

Ireo Kristiana tany aloha dia nampihatra karazana lalàn’ny fanokanana mba hanampiana amin’ny fikarakarana ny mahantra. Ireo izay nanana tany dia nivarotra izany ka nanome ny vola tamin’ireo Apôstôly mba hozaraina eo anivon’ireo Olomasina araka izay filan’izy ireo. Tsy marin-toetra mikasika ny anjara birikiny i Ananiasy sy Safira, nihevitra fa afaka hamitaka ireo mpanompon’ny Tompo izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hilalao ny tantaran’i Ananiasy sy Safira. Hazavao fa na dia tsy maty aza isika rehefa avy mandainga, io tantara io dia mampiseho ny maha-manan-danja ny fahamarinan-toetra amin’ny Ray any An-danitra.

  • Hirao miaraka ny hira iray momba ny fahamarinan-toetra, toy ny “I Believe in Being Honest” (Children’s Songbook, 149). Ampio ny ankizy hahatakatra fa tafiditra ao anatin’ny fahamarinan-toetra ny milaza ny marina sy ny tsy maka zavatra izay an’ny hafa.

  • Mampiasà sariolona vita amin’ny harona taratasy mba hamelomana ireo toe-java-miseho tsotra izay ahitana olona marin-toetra na tsy marin-toetra. Angataho ny ankizy mba hitsangana raha toa ka marin-toetra ilay olona ary hipetraka raha toa ka tsy marin-toetra ilay olona.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 1:8, 22–26

Mitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny mpaminany sy apôstôly i Jesoa Kristy

Ireo ankizy ampianarinao dia afaka mahatakatra fa ny Fiangonan’ny Mpamonjy ankehitriny dia tarihin’ny mpaminany sy apôstôly, tahaka ny tamin’ny andro fahiny.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe: Ahoana no fomba hitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonana rehefa tsy eto ambonin’ny tany Izy? Asao ny mpianatra hikaroka ny valin’ilay fanontaniana rehefa mamaky ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo apôstôly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8 ianao.

  • Iaraho mamaky ny Asan’ny Apostoly 1:22–26. Iaraho mamantatra ny fomba niantsoan’ny Apôstôly ny Apôstôly vaovao iray.

  • Mialoha ny fotoana dia angataho ny ankizy iray na ny ray aman-dreniny mba hamaky momba ny Apôstôly vao nantsoina vao haingana iray (angamba ao amin’ny LDS.org). Asao ilay ankizy iray mba hizara ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy ary, raha azo atao, dia hilaza ny zavatra nolazain’ilay Apôstôly momba ny antsony ao anatin’ny hafatra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana nataony voalohany.

Sary
i Petera miaraka amin’ireo Apôstôly

Ny Apôstôly no nitarika ny Fiangonana taorian’ny niakaran’i Kristy tany an-danitra.

Asan’ny apostoly 3:1–10

Mitahy ny hafa amin’ny alalako ny Ray any An-danitra, na dia tsy manan-karembe aza aho.

Ahoana no ahafahanao mampianatra ny ankizy fa afaka mitahy ny hafa izy ireo na dia tsy manana “volafotsy sy volamena” aza? (Asan’ny Apostoly 3:6). Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahita fahafahana hanompo an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy iray mba hamaky ny Asan’ny Apostoly 3:1–10 ka hamelona ilay tantara ny ankizy hafa mandritra izany. (Ho fanampiana dia jereo koa ny Toko 56: Nanasitrana lehilahy iray i Petera,”Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao,148-49.) Nahoana no lehibe kokoa noho ny vola nangatahiny ny fitahiana izay azon’izany lehilahy izany?

  • Ampandalovy amin’ny ankizy tsirairay ny harona iray misy vola madinika. Rehefa mihazona ilay harona ny ankizy dia anontanio azy ireo ny zavatra azony vidiana amin’ilay vola. Dia alaivo indray ilay harona iray misy vola madinika ary anontanio ny ankizy ireo fitahiana izay tsy azo vidiana. Asao izy ireo mba hizara ny fomba ahafahan’izy ireo manompo ny olona iray ka tsy hampiasa vola (Asan’ny Apostoly 3:6).

Asan’ny Apostoly 2:36–47

Mijoro ho vavolombelona ao am-poko momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny Fanahy Masina.

Rehefa mianatra mamantatra ny fomba hiresahan’ny Fanahy Masina amintsika ny ankizy dia hotaomim-panahy izy ireo hihaino sy hanao asa araka ny fitaomam-panahy azon’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Asan’ny Apostoly 2:36-37. Manao ahoana ny fahatsapana rehefa milaza zavatra ao am-pontsika ny Fanahy Masina?

  • Aoka ny iray kilasy hanamboatra peta-drindrina misy ny teny hoe Inona no tokony hataontsika? eny am-tampony. Asehoy ilay peta-drindrina isan-kerinandro, ary ampio ireo fomba ahafahan’ny ankizy manao asa araka izay hianarany ao amin’ny lesona isan-kerinandro.

  • Asao ny ankizy mba hitady ireo zavatra tsara nataon’ny olona rehefa vita batisa izy ireo, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:41–47. Inona ireo zavatra tsara azontsika atao mba hampisehoana fa mankasitraka ny fanomezana Fanahy Masina isika rehefa vita batisa?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba handrafitra fomba iray ahafahan’izy ireo manompo ny Ray any An-danitra amin’ny fanampiana ny olona iray ao amin’ny fianakaviany amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova tsianjery soratra masina. Misafidiana andalan-tsoratra masina iray izay eritreretinao fa afaka manampy ny ankizy ao amin’ny kilasinao, toy ny Asan’ny Apostoly 2:38 na Asan’ny Apostoly 3:19, ary ampio izy ireo hanao tsianjery andian-teny iray avy ao amin’ilay soratra masina. Afaka manampy ny ankizy hazoto hanao tsianjery ny soratra masina ny kisary, fihetsika amin’ny tanana, na fihetsiky ny vatana.