Avia, hanaraka Ahy
24–30 jona. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: -Nitsangana tamin’ny maty Izy-


“24–30 jona. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: -Nitsangana tamin’ny maty Izy-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“24–30 jona. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: Nitsangana tamin’ny maty Izy” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Jesoa Kristy niresaka tamin’i Petera

Fahano ny ondriko, nataon’i Kamille Corry

24–30 jona

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21

“Nitsangana tamin’ny maty Izy”

Atombohy ny fiomananao amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 28; Marka 16; Lioka 24; ary Jaona 20–21. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hisafidy ireo fitsipika ato anatin’ireto toko ireto izay ho manan-danja ho an’ny ankizy ao amin’ny kilasinao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ny fahitana sary iray dia afaka manampy ny ankizy hahatsiaro ireo zavatra nianarany tany an-tokantrano na tamin’ny sehatra hafa. Azonao atao angamba ny mampiseho ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary mangataka ny ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny tantara naseho ao amin’ilay sary.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20:1–23

Ho velona indray aho rehefa avy maty, tahaka an’i Jesoa.

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary tafiditra ao anatin’izany ny Fitsanganany tamin’ny maty, no zava-nitranga manan-danja indrindra eo amin’ny tantara, ary izany no fototry ny finoana Kristiana. Rehefa mamaky momba ny Fitsanganana tamin’ny maty ianao dia saintsaino ny fomba hanampianao ny ankizy mba hanorina ny finoan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao araka ny fomba fiteninao azy ny tantaran’ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Asaivo mifandimby mamerina mitantara aminao ilay tantara ny ankizy. Azonao atao ny mampiasa ny “Toko 54: Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 139–44. Hazavao fa rehefa maty i Jesoa dia niala tamin’ny vatany ny fanahiny. Rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy dia niverina nikambana indray ny vatany sy ny fanahiny.

  • Asao ny mpikambana maromaro ao amin’ny paroasy mba hilalao an’ireo miaramila, ireo anjely, i Maria Magdalena, i Petera, i Jaona, ireo mpianatra, ary i Tomasy dia hilaza ny zavatra hitan’izy ireo taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty.

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hitsangana amin’ny maty ny olona rehetra indray andro any. Asao ireo ankizy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

  • Hirao miaraka ny “Jésus est-il ressuscité?” sy ny “Quand Jésus reviendra,” Chants pours les enfants, 45, 46-47. Asaivo alain’ny ankizy sary an-tsaina izany hoe mahita an’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty. Avelao hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy izy ireo.

Jaona 20:24–29

Afaka manana finoana an’i Jesoa Kristy aho na dia tsy afaka mahita Azy aza.

Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny atao hoe finoana sy ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra finoana ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ilay sary hoe I Kristy nanatona an’i Tomasy (LDS.org) eo am-piresahanao momba ny zavatra niainan’i Tomasy ao amin’ny Jaona 20:24–29. Avereno lazaina ilay tantara ao aoriandriana ao anatin’ny lesona, saingy amin’izany dia asaivo milaza ny antsipirian-javatra sasany ny ankizy.

  • Mampisehoa boaty misy zavatra iray ao anatiny izay tsy hitan’ny ankizy, ary lazalazao amin’ny ankizy ny momba ilay zavatra. Anontanio azy ireo raha toa izy ireo ka mino fa tena ao anatin’ilay boaty ilay zavatra, dia anontanio azy ireo ny antony inoany izany. Dia ampisehoy azy ireo ilay zavatra, ary hazavao fa ny finoana dia finoana ireo zavatra tsy hitantsika. Ny finoana manan-danja indrindra azontsika ananana dia ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Sary
I Jesoa mampiseho ny tanany amin’ny apôstôly

Izahao ny Tanako, nataon’i Jeff Ward.

Jaona 21:15–17

Afaka mampiseho ny fitiavako an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika ny ankizy hitia sy hanampy ireo izay manodidina azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Jaona 21:15–17 . Tsy tian’i Jesoa handany ny fotoany rehetra tamin’ny fanjonoana i Petera. Niriany kosa ny hizaran’i Petera ny filazantsara sy hanasany ny olona rehetra hanatona Azy. Omeo ondry vita amin’ny taratasy ny ankizy tsirairay, ary asaivo soratan’izy ireo eo amin’izany ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanampiana amin’ny famahanana ny ondrin’i Jesoa.

  • Asao mialoha ny ankizy maromaro mba hizara ireo zavatra ataon’izy ireo mba hitiavana sy hanompoana ny hafa, na ireo fomba nanompoan’ny hafa azy ireo.

  • Soraty eo amin’ny taratasy netezana mba hiendrika ondry ny anaran’ny ankizy tsirairay ao amin’ny kilasinao, ary aparitaho eran’ny trano ireo ondry ireo. (Ataovy ao ihany koa ny anaran’ireo ankizy tsy manatrika matetika ny kilasy.) Asao ny ankizy mba hanangona ireo ondry amin’ny alalan’ny fitadiavana ilay misy ny anaran’izy ireo. Inona no azontsika atao hanompoana izay ondry very mety fantatsika?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20:1–23

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty koa ny olona rehetra.

Efa mahazatra ny mahita ny ankizy manontany mikasika ny zavatra mitranga aorian’ny fahafatesantsika. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampianatra momba ny Fitsanganana amin’ny maty amin’ny fomba izay hampiorim-paka ny finoan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny mpianatra mba hampikimpy ny mason’izy ireo ka haka sary an-tsaina hoe mipetraka eo akaikin’ny fasan’i Jesoa izy ireo eo am-pamakianao ny Jaona 20:1–17 na fintino ny tantaran’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ihany koa ny “Toko 54: Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 139–44). Ho toy ny ahoana izany hoe mahita ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izany?

  • Angataho ny ankizy mba handalina ny zavatra niainan’ny olona iray izay nahita ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ary hizara amin’ny mpianatra ambiny ny zavatra nianarany.

Jaona 20:24–29

Afaka manana finoana an’i Jesoa Kristy aho na dia tsy afaka mahita Azy aza.

Inona no ataon’ireo ankizy ampianarinao mba hampatanjahana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ireo andininy ao amin’ny Jaona 20:24–29.

  • Soraty amin’ny taratasy misaratsaraka ny teny tsirairay ao amin’ilay fehezan-teny hoe: “Sambatra kosa izay tsy nahita nefa nino.” Asao ny ankizy hametraka ireo teny araka ny filaharany. Asao izy ireo mba hilaza momba ireo zavatra niainany izay nahatsapany ny fitiavan’ny Mpamonjy na dia tsy nahita Azy aza izy ireo.

  • Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba hampatanjahana ny finoany. Eo am-panaovan’izy ireo sary dia zarao ny zavatra nataonao mba hampatanjahana ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

Jaona 21:1–17

Afaka mampiseho ny fitiavako an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny famahanana ny ondriny.

Afaka mitaona ireo olona manodidina azy ireo ny ankizy. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika azy ireo mba hampatanjaka ny hafa ao amin’ny filazantsara?

Asa atao azo tanterahina

  • Mialoha ny hamakiana miaraka ny Jaona 21:1–17 dia anontanio ny mpianatra raha toa ka efa nandeha nanjono izy ireo. Nanao ahoana izany? Anontanio raha efa nisy nahazo “hazandrano betsaka” (Jaona 21:6).

  • Vakio ny Jaona 21:15–17, saingy ovao amin’ny anaran’ny ankizy ny anaran’i Simona. Iza ireo ondrin’i Jesoa? Ahoana no ahafahantsika mamahana ny ondriny?

  • Zarao ody am-bava fo tsotra ny ankizy. Eo am-pihinanan’izy ireo dia anontanio azy ireo ny mampitovy ny fizarana ny filazantsara amin’ny olona iray amin’ny famahanana azy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hampiasa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hampianarana ny fianakavian’izy ireo momba ny herinandro farany niainan’ny Mpamonjy.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana mba hanao asa. Rehefa manasa ny ankizy mba hanao asa araka ny zavatra nianarany ianao dia tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana nataonao mandritra ny fotoam-pampianarana manaraka. Izany dia mampiseho amin’ny ankizy fa miahiahy momba ny fomba hitahian’ny filazantsara ny fiainan’izy ireo ianao. Rehefa mizara ny zavatra niainany izy ireo dia hampatanjahana sy hifanampy mba hiaina ny filazantsara.

Sary
pejin’ny asa atao: Hitsangana amin’ny maty ny olona rehetra