Avia, hanaraka Ahy
10–16 jona. Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18: -Nefa aoka anie tsy ny sitrapoko no atao, fa ny Anao-


“10–16 jona. Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18: -Nefa aoka anie tsy ny sitrapoko no atao, fa ny Anao-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“10–16 jona. Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Fanasana farany

Ary nony hariva ny andro, nataon’i Benjamin McPherson

10–16 jona

Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18

“Nefa aoka anie tsy ny sitrapoko no atao, fa ny Anao”

Eo am-pamakianao ny Matio 26; Marka 14; Lioka 22; ary ny Jaona 18, dia tadiavo ireo fitsipika izay tsapanao fa ilain’ny ankizy hotakarina.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ampisehoy ny sarin’ireo zava-nitranga ao amin’ireo toko ireo, toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 54, 55, ary 56, ary asao ny ankizy mba hilaza ny zava-nitranga tao anatin’ireo sary.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Marka 14:22–25; Lioka 22:19–20

Manampy ahy hieritreritra momba an’i Jesoa ny fanasan’ny Tompo.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa fahafahana iray hieritreretana momba an’i Jesoa Kristy ny fanasan’ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny tantaran’i Jesoa nanolotra ny fanasan’ny Tompo. Azonao ampiasaina ny “Toko 49: Ny fanasan’ny Tompo voalohana,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao 124–26. Ampio ireo ankizy hahatakatra fa mahatsiaro an’i Jesoa isika mandritra ny fanasan’ny Tompo.

  • Anontanio ny ankizy raha toa ka fantatr’izy ireo hoe maneho inona ny mofo sy ny rano amin’ny fanasan’ny Tompo. Hazavao fa ireo tandindona ireo dia manampy antsika hahatsiaro fa maty ho antsika sy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Mampisehoa tapaka mofo kely sy rano anaty kaopy kely eo am-panampianao ny ankizy hitadidy tsianjery ilay andian-teny hoe “Ho fahatsiarovana [Azy]” (Lioka 22:19).

  • Asaivo mikimpy ireo ankizy ka hieritreritra olona iray izay tian’izy ireo, ary avy eo asao izy ireo mba hilazalaza momba izany olona izany. Asaivo mikimpy indray izy ireo, ka hieritreritra momba ny Mpamonjy, ary avy eo hizara ireo zavatra fantany momba Azy. Amporisiho izy ireo mba hieritreritra momba an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.

  • Asao ireo ankizy hampiseho ny zavatra azony atao mba hahatsiarovana an’i Jesoa sy hanehoana fanajana lalina mandritra ny fanasan’ny Tompo.

  • Ampio ny ankizy hanao ilay kiboky voafariparitra ao amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Toroy hevitra ny mba hampiasan’izy ireo izany hanampiana azy ireo hieritreritra momba an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo.

  • Ampio ny ankizy hitady gazetibokin’ny Fiangonana vitsivitsy hahitana sarin’i Jesoa ka hanamboatra sary maromaro napetapetaka izay azon’izy ireo jerena mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Matio 26:36–46

Niljaly ho ahy i Jesoa satria tiany aho.

Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa azy ireo eo am-piresahanareo ny tantaran’ny fijaliany tao Getsemane.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hieritreritra fotoana iray nahatsapan’izy ireo ho nalahelo na tohina. Raha azo atao dia asao ny ankizy vitsivitsy mba hizara ny tantarany. Asehoy ny sary ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Hazavao fa i Jesoa dia nahatsapa ny fanaintainana sy ny alahelo rehetra izay tsapan’ny olona rehetra tamin’ny fomba izay tsy takatsika tanteraka. Izany dia midika fa afaka manampy antsika hanana fahatsapana tsara kokoa Izy rehefa mahatsapa ho malahelo, na tohina, na sorena isika.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny “Je ressens son amour,” Chants pour les enfants, 42–43. Asao izy ireo hizara ireo fomba nahatsapan’izy ireo ny fitiavan’i Jesoa.

Sary
I Kristy nivavaka tao Getsemane

I Jesoa nivavaka tao amin’ny sahan’i Getsemane, nataon’i Hermann Clementz

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Marka 14:22–24

Manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony ho ahy ny fanasan’ny Tompo.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hanana traikefa manan-danja kokoa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny Marka 14:22–24 (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 14:20–24 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]) sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79. Inona ireo teny sy andian-teny mitovitovy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo?

  • Anontanio ny ankizy izay ataon’izy ireo izay manampy azy ireo hieritreritra momba an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo. Ampio izy ireo hitady soratra masina na teny avy ao amin’ireo fihirana natokana ho an’ny fanasan’ny Tompo izay azon’izy ireo vakina mandritra ny fanasan’ny Tompo, dia hitanisa izany eo amin’ny karatra iray izay azon’ny ankizy jerena amin’ny fotoana manaraka handraisan’izy ireo ny fanasan’ny Tompo. Hirao miaraka amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo hira ireo (jereo ny Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 32–45).

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny manan-danja avy ao amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo, ary ampio ny ankizy hanao tsianjery izany. Inona no dikan’ireo andian-teny ireo? Nahoana isika no feno fankasitrahana fa afaka manavao isan-kerinandro ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa?

  • Manasà mpihazona ny Fisoronana Aharôna iray mba hilaza amin’ny ankizy momba ny zavatra iainany rehefa manomana, sy mitsodrano ary mizara ny fanasan’ny Tompo. Inona no manampy azy hiomana mba hanao izany? Inona no zavatra tsapany rehefa manao izany izy? Amin’ny fomba ahoana no mampatsiahy azy momba ny Mpamonjy ny mofo sy ny rano?

  • Asao ireo ankizy izay efa vita batisa mba hizara ny zavatra tadidiny momba ny batisan’izy ireo. Inona no tsapan’izy ireo? Inona ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo? (Jereo ny Môsià 18:8–10). Lazao azy ireo fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika dia azo ampitoviana amin’ny hoe atao batisa indray izany. Afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika isika, ary manavao ireo fanekempihavanana nataontsika isika.

Matio 26:36–42

Nentin’i Jesoa teo Aminy tao Getsemane ny fahotako sy ny fanaintainako.

Ny fahafantarana momba ny zavatra nataon’i Jesoa ho antsika tao Getsemane dia afaka manampy ny ankizy hibebaka amin’ny fahotan’izy ireo sy hitodika amin’ny Mpamonjy rehefa miaina fitsapana sarotra izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Matio 26:36–42, ary hitady ireo teny na andian-teny izay mamariparitra ny fahatsapan’i Jesoa tao Getsemane. Inona no niainan’i Jesoa ka nahatonga azy hahatsapa zavatra toy izany? Omeo fahafahana ny ankizy mba hizara ny fahatsapan’izy ireo mikasika an’i Jesoa sy ny sorona nataony ho antsika.

  • Asao ny ankizy hizara momba ny fotoana iray ka nalahelo na tao anatin’ny fanaintainana izy ireo. Anontanio izy ireo raha toa ka mahafantatra olona iray izay nahatsapa toy izany. Hazavao fa, tao Getsemane, i Jesoa dia nahatsapa ny fanaintainana sy ny alahelo rehetra izay tsapan’ny olona rehetra. Nataony izany mba hahafahany mankahery antsika rehefa mila izany isika (jereo ny Almà 7:11–12).

  • Omeo tsora-kazo iray izay lava kokoa noho ny sakan’ny varavaran’ny efitrano fianarana ny ankizy iray, dia asaivo mihazona izany mitsivalana izy ka hiezaka hiditra ilay varavarana. Hazavao fa ilay tsora-kazo dia maneho ireo fahotantsika, izay mahatonga antsika tsy afaka miditra ny fanjakan’ Andriamanitra. Esory ilay tsora-kazo mba hampisehoana fa nentin’i Jesoa teo Aminy ny fahotantsika mba ho voavela isika rehefa mibebaka.

Lioka 22:39–44

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Ray any An-danitra.

Nampiseho fankatoavana ny Ray i Jesoa rehefa niteny hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42). Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy?

Asa atao azo tanterahina

  • Ataovy tsianjery miaraka amin’ny ankizy ilay fehezan-teny hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42) ary ifampiresaho ny dikan’izany. Inona no azontsika atao mba hankatoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ny sasantsasany amin’ireo didy izay nankatoavin’izy ireo. Anontanio hoe: Inona ireo fitahiana azonareo tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny Ray any An-danitra, na dia sarotra aza izany? Asao izy ireo hizara ny zavatra niainany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Lioka 22:41–43

Afaka mahazo fanampiana aho rehefa mivavaka.

Rehefa nivavaka tao Getsemane i Jesoa dia niseho Taminy mba hankahery Azy ny anjely iray. Takatr’ireo ankizy ampianarinao ve fa afaka mangataka tanjaka amin’ny Ray any An-danitra ihany koa izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny ankizy ny tantara ao amin’ny Lioka 22:41–43 (angamba amin’ny alalan’ny fampiasana ny “Toko 51: Nijaly tao amin’ny sahan’i Getsemane i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 129–32). Hazavao fa rehefa nivavaka i Jesoa dia nandefa anjely iray mba hampatanjaka Azy ny Ray any An-danitra. Iza no irahin’ny Ray any An-danitra mba hampatanjaka antsika?

  • Ampisehoy ny sarin’ilay anjely mankahery an’i Kristy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary mizarà zavatra niainana iray izay nahatsapanao fa nampatanjahan’ny Ray any An-danitra ianao.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra hataony mandritra ny fanasan’ny Tompo mba hahatsiarovana an’i Jesoa.

Manatsara ny fampianarantsika

Zarao amin’ny mpianatra ny fijoroanao ho vavolombelona. Ny fijoroana ho vavolombelona dia mety ho tsotra toy ny hoe “Fantatro fa tia anareo tsirairay ny Ray any An-danitra” na “Mahatsapa zava-mahafinaritra ao anaty aho rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy.”

Sary
pejin’ny asa atao: ny fanasan’ny Tompo