Avia, hanaraka Ahy
27 mey–2 jona. Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21: -[Ho tonga] ny Zanak’olona-


“27 mey–2 jona. Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21: -[Ho tonga] ny Zanak’olona-”Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“27 mey–2 jona. Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Fiaviana Fanindroany

Ny Fiaviana Fanindroany,nataon’i Harry Anderson

27 mey–2 jona

Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21

“[Ho tonga] ny Zanak’olona”

Saintsaino ny zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao fantarina momba ny Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; ary Lioka 21. Aza misalasala manamboatra ireo hevitra ho an’ny ankizy lehibe ao amin’ity rindran-damina ity mba ho an’ny ankizy, dia mety koa ny mifamadika amin’izay.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mampisehoa sary izay mifandray amin’ny iray amin’ireo tantara ao anatin’ny zavatra vakina ho an’ity herinandro ity (toy ny sarin’ny virjiny folo avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany mikasika ilay tantara.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Joseph Smith—Matio 1:31.

Mialoha ny hahatongavan’i Jesoa indray dia hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara.

Nilaza i Jesoa fa mialoha ny hahatongavany indray dia hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara. Afaka manatanteraka io faminaniana io ny ankizy amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarintany, na bolantany, na sarin’ny tany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 3) dia ampio ny ankizy hiteny hoe: “Ity [Filazantsara] ity … dia hotorina manerana izao tontolo izao” (Joseph Smith—Matio 1:31). Nahoana no tian’ Andriamanitra ny zanany rehetra mba haheno ny filazantsara?

  • Asao ny ankizy mba hanao famindra-miaramila eo amin’ny toerany eo ihany eo am-pihiranareo miaraka ny “Je voudrais déja partir en mission” sy “Appelés à servir,” Chants pour les enfants, 90, 94. Manasà misiônera manompo amin’ny fotoana feno na misiônera vao nahavita ny asa fitoriany vao haingana mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo mahakasika ny fitoriana ny filazantsara, ary ampio ny ankizy mba hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo mizara ny filazantsara.

Sary
Ny tany hita avy eny amin’ny habakabaka

Sary nahazoana lalana tamin’ny NASA Johnson Space Center

Matio 25:14-30

Afaka mampiasa ireo talenta nomen’ Andriamanitra ahy aho.

Manomboka mahita ireo fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao ananany ny ankizy kely. Ampio izy ireo hahatakatra fa avy amin’ny Ray any An-danitra ireo fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà vola madinika maromaro rehefa mitantara ny fanoharana momba ny talenta ianao, izay hita ao amin’ny Matio 25:14–30. Afaka mangataka ankizy telo ianao mba hilalao an’ireo mpanompo telo. Hazavao fa tamin’ny andron’i Jesoa dia talenta no niantsoana ny vola, saingy ankehitriny dia mety midika hoe ny fanomezam-pahasoavana sy ny fahaiza-manao ananantsika ny talenta.

  • Angataho ny ankizy mba hitanisa fomba nanampian’ny ray aman-dreniny na ny mpiray tampo aminy na ny mpampianatra azy ireo na ny naman’izy ireo. Inona avy ireo fahaiza-manao nananan’ireo olona ireo izay nanampy azy ireo mba hanompo ny hafa?

  • Manorata teny fohy amin’ny taratasy ho an’ny ankizy izay milaza amin’izy tsirairay mikasika ny fanomezam-pahasoavana na ny fahaiza-manao tsikaritrao fa ananan’izy ireo. Fonosy toy ny fanomezana ilay taratasy misy teny fohy, dia asao ny ankizy mba hanokatra ny “fanomezana” ho azy ireo. Amporisiho izy ireo hampivoatra ny fanomezam-pahasoavana ananan’izy ireo sy hampiasa izany mba hanompoana ny hafa.

Matio 25:31–46

Tian’i Jesoa hanompo ny hafa aho.

Manompo ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanompoana ny olona manodidina antsika. Na ny ankizy kely aza dia afaka manompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny fanoharana ao amin’ny Matio 25:34-46. Ampio ny ankizy hahatakatra fa rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’i Jesoa.

  • Hazony ambony ny sarin’ny ankizy iray ao amin’ny kilasinao miaraka amin’ny sarin’i Jesoa Kristy afenina ao ambadik’izany. Inona no azontsika atao hanompoana io ankizy io? Esory ny sarin’ilay ankizy dia hazavao fa rehefa mifanompo isika dia manompo an’i Jesoa.

  • Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ny tenan’izy ireo manompo ny hafa amin’ny fomba nofaritan’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 25:35–36. Angataho ny ankizy hafa hamantatra ny zavatra ataon’izy ireo sary.

  • Asao ny ankizy hizara ny zavatra niainany rehefa nanompo azy ireo na ny fianakaviany tahaka ny nataon’i Kristy ny olona iray.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Joseph Smith—Matio 1:31.

Mialoha ny hahatongavan’i Jesoa indray dia hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara.

Ny ankizy ampianarinao dia afaka manampy amin’ny fitoriana ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao mialoha ny hahatongavan’ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara ireo fitahiana noraisin’izy ireo na horaisin’izy ireo satria mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy izy ireo. Iaraho mamaky ny Joseph Smith—Matio 1:31, dia anontanio ny ankizy ny fomba hitahian’ny filazantsara ireo zanak’ Andriamanitra manerana an’izao tontolo izao.

  • Mampisehoa sarintanin’izao tontolo izao na sarintanin’ny firenenao, dia ampio izy ireo hitady ireo toerana izay nitorian’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray ny filazantsara tamin’ny fotoana feno.

  • Manasà ankizy vitsivitsy mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny fomba nahafantaran’ireo olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo na ny razamben’izy ireo ny filazantsara. Raha azo atao dia mangataha olona iray ao amin’ny paroasy izay nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno mba hizara zavatra niainana iray mahakasika ny fitoriana ny filazantsara.

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba hanoratra ny anaran’ny olona iray azon’izy ireo resahina mikasika ny filazantsara na azon’izy ireo asaina hiangona. Angataho koa ny ankizy mba hitanisa ireo zavatra azon’izy ireo atao mba ho misiônera amin’izao fotoana izao.

Matio 25:1–13

Tompon’andraikitra amin’ny fiovam-poko manokana amin’ny filazantsara aho.

Ny fanoharana ny amin’ny virijiny folo dia mampianatra fa tsy afaka mindrana ny fiovam-pontsika amin’ny filazantsara any amin’ny olona hafa isika. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy mba handray andraikitra mikasika ny fiovam-pony manokana?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy iray ary ny rainy na ny reniny mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny fomba nianarany mikasika ilay fanorahana ny amin’ny virjiny folo tany an-trano tamin’ity herinandro ity.

  • Manaova sarina jiro mandeha amin’ny solitany iray eo amin’ny solaitrabe dia asio soratra hoe fijoroana ho vavolombelona eo amin’izany. Omeo taratasy iray avy ny ankizy tsirairay izay miendrika solitany indray mitete, dia angataho ny ankizy hanoratra eo amin’izany ny zavatra izay hataony mba hahatonga azy hiova fo bebe kokoa amin’ny filazantasara. Apetaho manodidina ilay sarina jiro mandeha amin’ny solitany eny amin’ny solaitrabe ireo sarina solitany indray mitete avy amin’izy ireo ireo.

  • Asao ny ankizy mba hanampy anao hanao ny lisitry ny zavatra hatao mba hiomanana amin’ny fahatongavan’ny mpamangy manokana iray. Inona no mampitovy na maha-samy hafa ireo zavatra ireo amin’ireo fomba ahafahantsika miomana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany?

  • Soraty eo amin’ny taratasy lavalava miisa dimy ireo zavatra izay tsy azo indramina. Soraty eo amin’ny taratasy lavalava miisa dimy ireo zavatra izay azo indramina. Afangaroy ireo taratasy lavalava ireo dia angataho ny ankizy mba handamina azy ireo ao anatin’ireo sokajy roa ireo. Iaraho mamaky ny Matio 25:1-13. Nahoana no zava-dehibe ny tsy fianteherana amin’ny hafa eo amin’ny fiovam-pontsika amin’ny filazantsara?

Matio 25:14–46

Any amin’ny fitsarana farany dia hanao tatitra ny fiainantsika amin’ny Tompo isika.

Aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty dia hitsara antsika araka izay fankatoavantsika ireo didiny sy izay fanekentsika ny sorompanavotan’ny Mpamonjy Andriamanitra. Ny fanoharana momba ny talenta sy ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy dia mampianatra antsika mikasika ny Fitsarana Farany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny antsasaky ny kilasy hamaky ny Matio 25:14–30 ary ny antsasany hafa hamaky ny Matio 25:31–46. Angataho ny mpianatra hilalao an-tsehatra ireo fanoharana ireo.

  • Asao ny ankizy hamaky tsiroaroa ny Matio 25:35–36 ary hitanisa ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba hampisehoana ny fitiavany an’i Jesoa Kristy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Angataho ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviana ireo fomba ahafahan’izy ireo ho misiônera tsara kokoa sy hiresaka amin’ny fianakaviany mikasika ireo olona azon’izy ireo hizarana ny filazantsara.

Manatsara ny fampianarantsika

Mihaino tantara na milalao an-tsehatra tantara iray. Satria tia tantara ny ankizy dia mitadiava fomba hampandraisana anjara azy ireo amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina izay zarainao. Afaka mihazona sary na zavatra izy ireo, na manao sary mikasika ilay tantara, na milalao an-tsehatra ilay tantara na manampy amin’ny fitantarana ilay tantara. Avereno ilay tantara mba hanampiana azy ireo hahafantatra ireo antsipirian-javatra manan-danja sy ireo fampianaran’ny filazantsara.

Sary
pejin’ny asa atao: mizara ny filazantsara