Avia, hanaraka Ahy
17–23 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: -Vita-


“17–23 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: -Vita-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“17–23 jona. Matio 27–12; Marka 15; Lioka 23; 19,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Kristy teo anoloan’i Pilato

Ecce Homo (Indro ilay Lehilahy!), nataon’i Antonio Ciseri

17–23 jona

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

“Vita”

Atombohy ny fiomananao amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary Jaona 19. Katsaho ombam-bavaka ny hahatakatra ny zavatra ilain’ny ankizy.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Avelao ny ankizy tsirairay mba hihazona sary avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Eo am-pihazonana ilay sary dia afaka mizara zavatra fantany mikasika ny fomba nahafatesan’i Jesoa ny ankizy tsirairay.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 27:11–66; Lioka 23; Jaona 19

Satria maty ho ahy i Jesoa dia afaka ny hitsangana amin’ny maty aho.

Mety ho tezitra amin’ny tantara mikasika ny Fanomboana an’i Kristy ny ankizy kely. Ny “Toko 52: Ny fitsarana an’i Jesoa” sy ny “Toko 53: Nohomboana i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 133–38, na ny horonan-tsary mifanaraka amin’izany (LDS.org) dia manolotra maodely tsara mikasika ny fomba ahafahantsika mizara araka ny tokony ho izy io tantara io amin’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana rehefa mitantara mikasika ny fitsarana an’i Jesoa sy ny Fanomboana ary ny fandevenana azy ianao (jereo koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 57 sy 58). Asao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ireo zava-nitranga ireo. Hamafiso fa tamin’ny andro fahatelo dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, izay midika hoe velona indray Izy.

  • Angataho ny ankizy mba hilaza zavatra vitsivitsy ataon’ny ray aman-dreniny ho azy ireo izay tsy vitan’izy ireo ny manao azy ho an’ny tenan’izy ireo. Asehoy ny sarin’ny Mpamonjy. Hazavao fa noho i Jesoa dia afaka ny hitsangana amin’ny maty isika, izay zavatra tsy vitan’ny tenantsika irery.

  • Mampisehoa sarin’olona iray izay efa maty. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa noho i Jesoa dia ho velona indray io olona io.

Sary
fandevenana an’i Kristy

Ny Fandevenana, nataon’i Carl Heinrich Bloch.

Matio 27:26–37; Lioka 23:34

Afaka mamela ny hafa toy ny nataon’i Jesoa aho.

Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy hahatakatra ny fomba hamelana ireo olona ratsy fanahy, toy ny nataon’i Jesoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao ny haratsiam-panahin’ireo miaramila tamin’i Jesoa (jereo ny Matio 27:26–37), dia vakio avy eo ny Lioka 23:34. Hazavao fa rehefa mamela heloka ny hafa isika dia tsy mihazona alahelo amin’izy ireo intsony ary maneho fitiavana.

  • Mizarà tantara noforonina izay ahitana olona miteny na manao zavatra feno haratsiam-panahy. Asao ny ankizy hampiseho ny fomba hamelany izany olona izany.

  • Manorata teny na andian-teny avy ao amin’ny “Aide-moi, Père,” Chants pour les enfants, 52, eo amin’ny solaitrabe. Asao ny ankizy hamerimberina hihira ilay hira, ka fafao tsikelikely ny teny vitsivitsy isaky ny mandeha mandra-pahaizan’izy ireo ilay hira iray manontolo. Araka io hira io dia iza no tokony havelantsika? Iza no afaka manampy antsika rehefa sarotra ny famelana?

  • Mitadiava laharan’ny gazetiboky Liahona nivoaka farany mba hitadiavana tantara iray momba ny ankizy iray namela olona iray. Zarao amin’ny ankizy izany tantara izany.

Lioka 23:32–33, 39–43

Satria nijaly sy maty ho ahy i Jesoa dia afaka ny hibebaka sy ho voavela aho.

Na dia tsy mbola tompon’andraikitra aza ny ankizy latsaky ny valo taona, dia zava-dehibe ho azy ireo ny manomboka mianatra dieny izao ny fomba hibebahana amin’ny safidy ratsy natao.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny Lioka 23:32–33, 39–43, ary tondroy ireo olon-dratsy roa lahy ao amin’ny sary 57 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara. Hazavao fa raha nanaraby an’i Jesoa ilay olon-dratsy voalohany, dia niaiky kosa ilay olon-dratsy faharoa fa nanao zavatra tsy nety. Nanomboka nibebaka izy.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:6. Nahoana no nijaly ho antsika i Jesoa?

  • Hazavao fa ny Ray any an-danitra dia afaka manampy antsika handamina ny fahotantsika sy ny fahadisoansika sy hahazo famelan-keloka.

  • Avelao ny ankizy hanisy teboteboka amin’ny tsaoka eny amin’ny solaitrabe mba hanehoana ireo safidy ratsy. Dia angataho izy ireo mba hamafa ny solaitrabe mba hanehoana ny fibebahana. Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy, dia mijoroa ho vavolombelona fa afaka mibebaka isika noho Izy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 27:11–66; Lioka 23; Jaona 19

Maty ho ahy i Jesoa satria tia ahy Izy.

Nahoana ianao no feno fankasitrahana fa maty ho anao i Jesoa Kristy? Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitanisà zava-niseho manan-danja avy amin’ny Matio 27:11–66 (mba hahazoana fanampiana eo amin’ny fanaovana izany dia jereo ny “Toko 52: Ny fitsarana an’i Jesoa” sy ny “Toko 53: Nohomboana i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 133–38). Asao ny ankizy mba handalina ireo andininy ireo sy hametraka araka ny filaharany ireo zava-niseho ireo.

  • Nahoana no vonona ny hijaly ho antsika i Jesoa?

  • Angataho ny ankizy iray hamaky ny Matio 27:54, dia asao ny ankizy hizara ireo zavatra mikasika an’i Jesoa izay manampy azy ireo hahafantatra fa Zanak’ Andriamanitra Izy.

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra nianarany mikasika ny Fanomboana avy ao amin’ny “Voyez: Il meurt, le Rédempteur,” Cantiques, no. 115, na hiran’ny fanasan’ny Tompo iray hafa.

Matio 27:26–37; Lioka 23:34

Afaka mamela ny hafa toy ny nataon’i Jesoa aho.

Mety ho sarotra ny mamela ny hafa. Ny ankizy ampianarinao dia ho voatahy rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ary mamela ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hifandimby hamaky mikasika ireo miaramila nampiseho haratsiam-panahy tamin’i Jesoa ao amin’ny Matio 27:26–37 sy i Jesoa namela azy ireo ao amin’ny Lioka 23:34. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa   ?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no azonao atao mba hamelana olona iray izay ratsy fanahy taminao? Avelao ny ankizy hifandimby hanoratra hevitra eny amin’ny solaitrabe, toy ny hoe Mivavaha mba hanana fahatsapan-javatra tsara mikasika ilay olona na Mieritrereta zavatra tsara mikasika ilay olona.

  • Asao ny ankizy mba hanao sary ny toe-javatra izay ahitana olona mampiseho haratsiam-panahy sy ny fomba hamelan’izy ireo izany olona izany. Avelao izy ireo mba hizara ny sariny amin’ny iray kilasy.

Lioka 23:32–33, 39–43

Satria nijaly sy maty ho ahy i Jesoa dia afaka ny hibebaka sy ho voavela aho.

Ity lesona ity dia fotoana tsara hijoroana ho vavolombelona fa noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka amin’ny fahotantsika sy afaka ny ho voavela isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Lioka 23:32–33, 39–43. Hazavao fa ireo olona nohomboana niaraka tamin’i Jesoa dia olon-dratsy. Ahoana no fomba nampisehoan’ny iray tamin’ireo olon-dratsy fa nanomboka nibebaka izy?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny manaraka ity, dia asio banga eo amin’ny toerana tokony hisy ireo teny natao sora-mandry: “Afaka ny ho voavela aho rehefa mibebaka noho ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy.” Omeo fampahalalana kely ny ankizy mba hanampiana azy ireo hameno ny banga.

  • Manasà ankizy iray hihazona harona iray, dia fenoy vato kely izany eo am-pitanisan’ireo ankizy ambiny ireo safidy ratsy mety ataon’ny olona. Ampio ny ankizy hampitaha ilay harona amin’ny enta-mavesatra ara-panahy izay lanjaintsika rehefa manota isika. Nahoana no mitovy amin’ny fanalana vato avy ao anaty harona ny fibebahana?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hieritreritra olona iray izay ilain’izy ireo avela sy hanapa-kevitra mikasika ny zavatra iray izay hataon’izy ireo mba hampisehoana an’ilay olona fa namela azy izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianara mamantatra fanambarana. Matetika “andalana hanampy andalana” (2 Nefia 28:30), no fomba ahatongavan’ny fanambarana fa tsy hoe tonga indray mandeha avokoa. Rehefa mivavaka sy misaintsaina ny soratra masina ary ity rindran-damina ity ianao dia hahita fa ireo hevitra sy zavatra tsapa dia afaka ny ho tonga amin’ny fotoana rehetra ary na aiza na aiza, rehefa mandeha miasa ianao, na rehefa manao ireo raharaha ao an-tokantrano, na rehefa mifanerasera amin’ny fianakaviana sy ny namana.

Sary
pejin’ny asa atao: Hitsangana amin’ny maty aho