Avia, hanaraka Ahy
3-9 jona. Jaona 13–17: -Hitoetra amin’ny fitiavako-


“3–9 jona. Jaona 13–17: -Hitoetra amin’ny fitiavako-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“3-9 jona. Jaona 13–17,”Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Fanasana farany

Ho fahatsiarovana Ahy, nataon’i Walter Rane

3–9 jona

Jaona 13–17

“Hitoetra amin’ny fitiavako”

Mivavaha mba hahafantarana ny zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao eo am-pamakianao ny Jaona 13–17. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fotopampianarana sy manome hevitra ho anao mba hampianarana ireo ankizy ao amin’ny kilasinao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny ankizy hizara ny zavatra nianarany tany an-tokantrano dia ampitapitao ny taratasy miendrika fo iray ka asao ny ankizy tsirairay mba hizara ny zavatra izay ataony mba hampisehoana ny fitiavana ny hafa rehefa anjarany ny mihazona ilay fo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Jaona 13:1–17

Tian’i Jesoa hanompo ny hafa aho.

Ny tantaran’i Jesoa nanasa ny tongotry ny apôstôliny dia ohatra iray amin’ny fanompoana amim-panetrentena. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika ny ankizy hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hanampiana amin’ny fitantarana ilay tantara ao amin’ny Jaona 13:1–17. Asao ny ankizy mba hilaza antsipirian-javatra avy amin’ilay tantara izay ao amin’ireo sary.

  • Ampisehoy ireo sarin’i Jesoa manompo ny hafa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ireo gazetibokin’ ny Fiangonana mba hahitana hevitra). Avelao hifandimby hitazona ireo sary ny ankizy eo am-pitantaranao ireo tantara fonosin’ireo sary (avelao izy ireo hanampy hitantara ireo tantara raha afaka manao izany).

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa misy olona manampy azy ireo. Avelao ny ankizy hanao sary ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

Jaona 13:34–35; 14:15

Maneho ny fitiavako an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny fankatoavan’izy ireo dia famantarana iray fa tia an’i Jesoa Kristy izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo fo vita amin’ny taratasy mba holokolokoina ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo mba hampiakatra ambony ny fon’izy ireo isaky ny mihira ny teny hoe “fitiavana” ao amin’ny “Aimez chacun” ary “Aimez vos frères,” Chants pour les enfants, 39, 74.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny Jaona 14:15 amin’ny alalan’ny fampiakarana ambony ny taratasin’izy ireo miendrika fo rehefa miteny hoe: “Raha tia Ahy ianareo” ary ny “Tandremo ny didiko.”

  • Asao ny ankizy mba hifandimby hilalao an-tsehatra ny asa tsara azon’izy ireo atao mba hampisehoana ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa. Asao ny ankizy ambiny mba hamantatra ny zavatra ataon’izy ireo.

  • Fenoy miaraka amin’ny ankizy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity.

Jaona14:26–27; 15:26; 16:13–14

Manampy ahy hahatsapa ho akaiky an’i Jesoa ny Fanahy Masina.

Na dia tsy mbola nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina aza ireo ankizy ampianarinao dia afaka mianatra ny fomba fiasan’ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany izy ireo izao.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ilay sary hoe Ny Fanasana farany (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 54). Hazavao amin’ny ankizy fa tamin’ny Fanasana farany dia nampianatra ny mpianany momba n ny Fanahy Masina i Jesoa.

  • Asao ny ankizy mba hametraka ny tanany eo amin’ny fony sy eo amin’ny lohany. Sokafy ny soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2, dia hazavao fa ny Fanahy Masina dia miresaka amintsika “ao an-tsain[tsika] sy ao am-po[ntsika],” na amin’ny alalan’ny eritreritsika sy fahatsapantsika.

  • Vonoy ny jiro ary hazony ambony ny sary iray. Dia mandreheta fanilo elektrika fanao am-paosy eo amin’ilay sary. Anontanio ny ankizy izay mampitovy ilay fanilo elektrika fanao am-paosy amin’ny Fanahy Masina.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy amin’ny “feo tony sy malefaka” ny “Le Saint Esprit,” Chants pour les enfants, 56. Asao izy ireo mba hihaino ireo zavatra ataon’ny Fanahy Masina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Jaona 13:34–35; 14:15; 15:10–14

Maneho ny fitiavako an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny.

Rehefa mamaky ireo andalan-tsoratra masina ireo mandritra ny fandalinanao manokana ianao dia eritrereto ny momba ireo ankizy ampianarinao. Inona no fitahiana ho azon’izy ireo rehefa takatr’izy ireo fa ny fankatoavany dia famantarana iray fa tia an’i Jesoa Kristy izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hianatra tsianjery ny Jaona 13:34–35. Fomba iray hanaovana izany ny fihirana ny “Aimez vos freres” Chants pour les enfants, 74, ary ampio ny ankizy hianatra ireo fihetsika miaraka amin’izany.

  • Asao ny ankizy mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fomba nampisehoan’i Jesoa fa tiany isika. Azonao aseho ireo sary avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy (mba hahitana hevitra dia jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Ahoana no ahafahantsika mampiseho fitiavana ny hafa tahaka ny nataony? Asao ny ankizy tsirairay mba hitsangana sy hizara fomba iray “hifankatiavany” amin’ny hafa (Jaona 13:34).

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny Jaona 14:15. Avelao hifandimby hanao sary izay maneho olona iray mitandrina didy iray ny ankizy, ary ny ankizy ambiny kosa dia mamantatra izay sary ataony. Ohatra amin’ireo didy, jereo ny Jeunes, soyez forts. Ny fitandremana ireo didy ireo dia mampiseho amin’ny Mpamonjy fa tiantsika Izy, amin’ny fomba ahoana?

Jaona 14:26; 15:26; 16:13

Ny Fanahy Masina dia mitarika sy mankahery ary mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana.

Satria maro amin’ireo ankizy no nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ireo anjara asan’ny Fanahy Masina?

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo ny ankizy mba hovakiny tsiroaroa ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jaona 14:26; 15:26; ary 16:13. Asaivo mitady teny izay mampianatra azy ireo ny zavatra ataon’ny Fanahy Masina izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny.

  • Zarao ireo fotoana izay nitarihan’ny Fanahy Masina anao na nankaherezany anao na nampitandremany anao na nijoroany ho vavolombelona taminao momba ny fahamarinana. Asao ny ankizy hizara izay mety ho traikefa nananany niaraka tamin’ny Fanahy Masina. Ahoana no namantarany ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

  • Asao ny ankizy tsirairay mba hanao ny sarin’ny tarehiny eo amin’ny harona vita amin’ny taratasy iray. Mandreheta fanilo elektrika fanao am-paosy iray, izay maneho ny Fanahy Masina, ao anatin’ireo harona. Dia asio zavatra izay manakana ilay hazavana ao anatin’ireo harona, toy ny fehin-tenda na lamba iray, mba hampianarana fa ireo safidy diso ataontsika dia afaka manakana ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika. Avelao hanala ilay fehin-tenda na lamba avy ao amin’ny haron’izy ireo ny ankizy mba hanehoana ny fibebahana.

Jaona 15:1–8; 17:3

Tian’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa hahafantatra Azy Ireo aho.

Hitahy mandrakizay ny fiainan’ireo ankizy ianao amin’ny fanampiana azy ireo hanjary hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa zava-maniry iray rehefa mifandimby mamaky ireo andininy ao amin’ny Jaona 15:1–8 ny ankizy. Ahoana no maha-tahaka ny voaloboka an’i Jesoa Kristy? Ahoana no maha-tahaka ny rantsana antsika? Inona no azontsika atao mba hijanonana eo akaikin’ny Mpamonjy?

  • Vakio mafy ny Jaona 17:3. Anontanio ny ankizy izay ataon’izy ireo mba hahafantarana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Zarao ny fomba nahafantaranao Azy Ireo.

Sary
I Jesoa miampofo ankizilahy

Nampianatra i Kristy hoe: “Tomoera Amiko” (Jaona 15:4).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviany izay azon’izy ireo atao mba hanompoana azy. Mandritra ny fotoam-pianarana amin’ny herinandro manaraka dia omeo fotoana hizarana ny zavatra nataony ny ankizy.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampifanaraho amin’ny zava-misy ireo asa atao. Raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao dia mety hahita hevitra fanampiny izay azonao amboarina ho an’ny kilasinao ato anatin’ity fizarana ato amin’ny rindran-damina ho an’ny ankizy lehibe ity. Torak’izany koa, azo amboarina mba hampianarana ankizy lehibe ireo asa atao ho an’ny ankizy kely.

Sary
pejin’ny asa atao: mitandrina ireo didy