Avia, hanaraka Ahy
3–9 jona. Jaona 13–17: -Tomoera amin’ny fitiavako hianareo-


“3–9 jona. Jaona 13–17: -Tomoera amin’ny fitiavako hianareo-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“3–9 jona. Jaona 13–17,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Fanasana farany

Ho fahatsiarovana Ahy, nataon’i Walter Rane

3–9 jona

Jaona 13–17

“Tomoera amin’ny fitiavako hianareo”

Eo am-pamakiana ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 13–17 dia hanampy anao ny Fanahy Masina hahita ireo hafatra natao ho anao. Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Ankehitriny izany dia antsointsika hoe “Fanasana farany,” saingy tsy fantatsika raha tena tsapan’ny mpianatr’i Jesoa, rehefa tafavory izy ireo ho amin’ny fetin’ny Paska fanao isan-taona, fa izany no sakafo farany hiarahan’izy ireo mihinana amin’ny Mpampianany mialoha ny hahafatesany. I Jesoa anefa dia nahafantatra “fa tonga ny fotoan[y]” (Jaona 13:1). Tsy ho ela Izy dia hizaka ilay fijaliana tao Getsemane, ny famadihana sy ny fandavan’ireo namany akaiky Azy, ary ilay fahafatesana mangidy teo amin’ny hazo fijaliana. Na dia teo aza anefa ireo zavatra hitranga Aminy ireo dia tsy nifantoka tamin’ny tenany i Jesoa fa tamin’ny fanompoana an’ireo mpianany. Nanasa tamim-panetrentena ny tongon’izy ireo Izy. Nampianatra azy ireo mikasika ny fitiavana Izy. Nanome toky azy ireo Izy fa, amin’ny lafiny iray, dia tsy hamela azy ireo na oviana na oviana Izy ary tsy mila mamela Azy na oviana na oviana izy ireo. Dia nankahery ireo mpianatra tamin’izany sy amin’izao fotoana izao ny fampaherezany hoe: “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho” (Jaona 14:18). “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ y fitiavako” (Jaona 15:10).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Jaona 13–15

Maneho ny fitiavako an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fitandremana ilay didiny mba hitia.

Efa nampianatra i Jesoa fa ny didy roa lehibe indrindra dia miompana amin’ny fitiavana (jereo ny Matio 22:34–40). Araka izany fanamafisana izany, ny fitiavana dia lohahevitra fototra iray an’ny fampianarany farany nomeny an’ireo Apôstôliny. Rehefa mamaky ny Jaona 13–15 ianao dia azonao raisina an-tsoratra na asianao marika ny fampiasana tsirairay ny teny hoe fitiavana.

Mety tsikaritrao fa ny teny hoe didy dia matetika miverimberina izay miaraka amin’ny teny hoe fitiavana ao amin’ireo toko ireo. Inona no azonao ianarana mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ny fitiavana sy ny didy avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy? Inona koa ny teny hafa hitanao fa matetika no miverimberina miaraka amin’ny teny hoe fitiavana ao amin’ireo toko ireo? Manorata famintinana fohy ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fitiavana miainga amin’ny zavatra nianaranao.

Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Hitoetra ao amin’ny fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 48–51.

Jaona 14–16

Manampy ahy hanatanteraka ny tanjoko amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy ny Fanahy Masina.

Fantatr’i Jesoa Kristy fa tsy ho ela Izy dia handao ireo mpianany, ary fantany fa hila fanampiana ara-panahy izy ireo raha vao lasa Izy. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fomba hahazoana io fanampiana io dia nampianatra azy ireo momba ny Fanahy Masina Izy. Inona no ianaranao mikasika ny anjara asan’ny Fanahy Masina avy amin’ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ireto andininy manaraka ireto?

Nahoana ireo mpianatra no nila io karazana fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina io? Ahoana no nanatanterahan’ny Fanahy Masina an’ireo andraikitra ireo teo amin’ny fiainanao? Eo am-panohizanao ny fandalinana ny Testamenta Vaovao dia mitadiava fomba nitahian’ny Fanahy Masina ny fiainan’ireo mpianatr’i Jesoa. Inona no mety niova tamin’ny fiainanao rehefa nanasa ny Fanahy Masina hitarika anao misimisy kokoa ianao?

Jereo koa ny Môsià 3:19; 5:1–3; 3 Nefia 27:20; Môrônia 8:25–26; 10:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–14; Mosesy 6:61.

Jaona 15:1–8

Rehefa miray amin’i Kristy aho dia hamoa voa tsara.

Inona no mety ho dikan’ny hoe, “miray [amin’i Kristy]”? (Jaona 15:4). Inona no voa izay maneho fa mitohy amin’ilay voaloboka, izay maneho an’i Jesoa Kristy, ianao?

Jaona 17

I Kristy no mpanalalana ho an’ireo mpianany.

Ny tenin’i Jesoa ao amin’ny Jaona 17 dia fantatra amin’ny hoe Vavaka fanalalanana. Ao amin’io vavaka io i Jesoa dia nivavaka ho an’ireo Apôstôliny sy “ho an’izay mino [Azy] koa noho ny teniny” (Jaona 17:20). Midika izany fa nivavaka ho anao Izy. Inona no nangatahin’i Jesoa tamin’ny Rainy any An-danitra ho anao sy ho an’ireo mpino rehetra?

Io vavaka io ihany koa dia mampianatra fahamarinana lalina sy mandrakizay. Inona no fahamarinana hitanao rehefa mamaky izany ianao?

Jaona 17:11, 21–23

Ahoana no maha-iray an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra?

Ao amin’ny vavaka nataony ao amin’ny Jaona 17 i Jesoa dia nanantitrantitra ny maha-iray Azy amin’ny Ray, saingy tsy midika akory izany hoe Izy sy ny Rainy dia olona iray ihany. Rehefa nivavaka ny Mpamonjy mba haha-iray an’ireo mpianany “tahaka ny,” na mitovy amin’ny maha-iray Azy sy ny Ray (Jaona 17:22), dia tsy nangataka ny hahalasa olona iray an’ireo mpianatra Izy. Fa naniry kosa Izy ny hankafizan’izy ireo an’ilay firaisana mitovy amin’ny maha-iray Azy amin’ny Ray, iray tanteraka amin’ny tanjona sy fo ary fisainana.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Jaona 13:1–17

Inona no ianaran’ny fianakaviantsika avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo? Inona avy ny fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Jaona 13:34–35; 15:9–14

Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fitiavana ianareo dia diniho ihany koa ireto tenin’ny Filoha Thomas S. Monson ireto: “Tsy misy toerana hafa tena ilana bebe kokoa izany fototra mafy orin’ny fitiavana izany mihoatra noho ny ao anatin’ny tokantrano. Ary tsy misy toerana tsara tokony hahitan’izao tontolo izao ohatra tsara kokoa maneho izany fototra izany noho ny ao anatin’ny tokantranon’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay manao ny fitiavana ho ivon’ny fiainam-pianakavian’izy ireo. … Ny fitiavana no tena fototry ny filazantsara, toetra mendrika indrindra eo amin’ny maha-olombelona” (“Toy ny nitiavako anareo,” Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, feb. 2017).

Mety hahafinaritra ny olona ao amin’ny fianakavianao ny manao sary na manoratra zavatra izay tian’izy ireo momba ny tsirairay eo amin’ny taratasy miendrika fo. Azon’izy ireo apetraka manerana ny trano ireo fo ireo mba ho mpampahatsiahy ny tokony hifampisehoana fitiavana.

Jaona 15:1–8

Mety hahafinaritra ny mamaky ireo andininy ireo any ivelany eo akaikina hazom-boaloboka, na hazo, na zava-maniry hafa. Ahoana no hanampian’io zavatra atao io ny olona ao amin’ny fianakavianao hahatakatra bebe kokoa ireo fampianaran’ny Mpamonjy?

Sary
voaloboka eo amin’ny hazom-boaloboka

Nampianatra i Jesoa hoe “Izaho no voaloboka, hianareo no sampany” (Jaona 15:5).

Jaona 15:17–27; 16:1–7

Nahoana araka ny eritreritrao no nampitandrina ireo mpianany amin’ny fanenjehana i Jesoa Kristy ? Amin’ny fomba ahoana no anenjehana ny mpianatr’i Jesoa Kristy ankehitriny? Nahoana no afaka manampy antsika rehefa miatrika fanenjehana ireo torohevitry ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo manampy ?

Jaona 16:33

Ahoana no nandresen’i Kristy an’izao tontolo izao? Ahoana no nitondran’ny Sorompanavotany fiadanana sy fifaliana ho antsika? (jereo koa ny FF 68:6).

Jaona 17:21–23

Ahoana no ahafahan’ny fianakaviantsika ho iray tahaka ny maha-iray an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra? Nahoana isika no tian’ny Tompo ho iray? (jereo koa ny FF 38:27).

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mamakia mafy. Rehefa mampianatra ny soratra masina amin’ny fianakavianao ianao, ny famakiana mafy ny andinin-tsoratra masina dia afaka mahatonga ny tantara ao amin’ny soratra masina ho tena marina kokoa. Hahery vaika manokana kokoa izany ho an’ireo toko tahaka ny Jaona 13–17 satria ireo andininy ireo dia ahitana betsaka ny tenin’ny Mpamonjy.

Sary
I Jesoa manasa ny tongotry ny Apôstôliny

Tompo Mpanompo, nataon’i Del Parson