Avia, hanaraka Ahy
24–30 jona. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: -Efa nitsangana [Izy]-


“24–30 jona. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: -Efa nitsangana [Izy]-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“24–30 jona. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Petera

Fahano ny ondriko, nataon’i Kamille Corry

24–30 jona

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21

“Nitsangana tamin’ny maty Izy”

Vakio amim-bavaka ny Matio 28; Marka 16; Lioka 24; ary ny Jaona 20–21 eo am-pisaintsainanao ny hafaliana azonao noho ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Eritrereto ny fomba azonao hizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika io trangan-javatra io amin’ny hafa.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Ho an’ny mpandinika maro, ny fahafatesan’i Jesoa avy any Nazareta dia mety ho toa fiafarana mampihomehy an’ny fiainana iray izay niavaka. Tsy io ve ilay lehilahy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty? Tsy efa imbetsaka ve Izy no nahatohitra ny fandrahonana ho faty nataon’ireo Fariseo? Efa nampiseho hery hanasitranana ny jamba sy ny boka ary ny paralysisa Izy. Na ny rivotra sy ny ranomasina aza dia nankatò Azy. Dia nefa indreo Izy, mihantona eny amin’ny hazo fijaliana ary nilaza hoe “Vita” (Jaona 19:30). Mety nisy zavatra nahagaga ihany tao anatin’ireo teny naneso hoe “Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena” (Matio 27:42). Saingy fantatsika fa ny fahafatesan’i Jesoa Kristy dia tsy fiafaran’ilay tantara. Fantatsika fa tsy naharitra ny fahanginan’ny fasana ary ny asa famonjen’i Kristy dia vao nanomboka mihitsy. Tsy “[ao] amin’ny maty” no ahitana Azy ankehitriny fa eo anivon’ny velona (Lioka 24:5). Tsy hangina ny fampianarany, satria ireo mpianany mahatoky dia hitory ny filazantsara amin’ny “firenena rehetra,” amim-patokiana ilay fampanantenany fa Izy dia “[homba azy ireo] mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 28:19–20).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia hitsangana amin’ny maty koa aho.

Ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia hamaky ny momba ny iray amin’ireo zava-niseho manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona: ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Eo am-pamakianao dia mipetraha amin’ny toeran’ireo olona izay nanatri-maso ireo zava-niseho nanodidina ny Fitsanganana tamin’ny maty. Inona no mety ho fahatsapana nananan’ireo vavolombelona ireo? Inona no zavatra tsapanao rehefa mamaky momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ianao? Eritrereto ny fiantraikan’izany taminao, tamin’ny fomba fijerinao ny fiainana, ny fifandraisanao amin’ny hafa, ny finoanao an’i Kristy, ary ny finoanao ireo fahamarinana hafan’ny filazantsara.

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitsanganana amin’ny maty”.

Lioka 24:13–35

Afaka manasa ny Mpamonjy hitoetra eto amintsika isika.

Ny zavatra niainan’ireo mpianatra anankiroa izay nandeha ka nihaona tamin’ny Mpamonjy dia afaka hisy fitoviana amin’ny lalanao amin’ny maha-mpianatra anao. Inona no fifandraisana hitanao amin’io tantara io sy ny fiainanao amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy anao? Ahoana no ahafahanao miaraka Aminy ankehitriny sy manasa Azy “hitoetra” elaela kokoa? (Lioka 24:29). Ahoana no ahafantaranao ny fisiany ao amin’ny fiainanao? Tamin’ny fomba ahoana no nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona taminao momba ny fahamasinan’i Jesoa Kristy?

Lioka 24:36–43; Jaona 20

Manana vatana ve i Jesoa Kristy?

Amin’ny alalan’ny tantaran’ny fisehoan’i Tompo nitsangana tamin’ny maty tamin’i Maria Magdalena sy ny fihaonany tamin’ireo mpianany taorian’izay dia mianatra isika fa ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia ara-bakiteny sy ara-batana. Nandeha sy niresaka ary nihinana niaraka tamin’ireo mpanara-dia Azy Izy tamin’ny vatany nitsangana tamin’ny maty sy feno voninahitra. Misy soratra masina hafa ihany koa mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia manana vatana nofo sy taolana: Filipiana 3:20–21; 3 Nefia 11:13–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:2–3; 130:1, 22.

Jaona 20:19–29

“Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.”

Mety ho sarotra ny mino ny fahamarinan’ny zavatra iray nefa tsy misy porofo azo tsapain-tanana. Mety hahatsapa toa an’i Tomasy ianao izay nilaza hoe: “Raha tsy hitako … dia tsy mba hino aho” (Jaona 20:25). Ho valin’izany dia hoy ny Tompo tamin’i Tomasy: “Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” (Jaona 20:29). Inona no fitahiana azonao noho ny finoana zavatra ara-panahy izay tsy hitan’ny masonao? Inona no manampy anao hanana finoana ny Mpamonjy na dia tsy afaka mahita Azy aza ianao? Inona koa ny fahamarinana hafa izay inoanao na dia tsy misy porofo azo tsapain-tanana aza? Ahoana no ahafahanao manohy ny fanamafisana orina ny finoanao ny “zavatra tsy hita kanefa marina”? (Almà 32:21; jereo ihany koa ny Etera 12:6). Soraty ao anaty diary ny zavatra niainanao izay nanampy anao hino an’i Jesoa Kristy na zarao amin’olona izay fantatrao izany.

Jaona 21:1–17

Manasa ahy hamahana ny ondriny ny Mpamonjy.

Mety hahaliana ny mampitaha ny fifanenan’ny Mpamonjy sy ireo mpianany ao amin’ny Jaona 21 amin’ny fotoana voalohany nandidiany azy ireo hamela ny haratony, izay voarakitra ao amin’ny Lioka 5:1–11. Inona no fitoviana sy ny fahasamihafana hitanao? Inona no hevi-baovao momba ny maha-mpianatra hitanao?

Eritrereto ny fomba azo hampiharana ny tenin’i Petera ao amin’ny Jaona 21:15–17 aminao. Misy zavatra ve manakana anao tsy hanompo ny ondrin’ny Tompo? Inona no mety ho valinteninao raha toa ka manontany anao ny Tompo hoe: “Tia ahy va ianao?” Eritrereto izay fomba ahafahanao maneho ny fitiavanao ny Tompo.

Jereo koa ny Jeffrey R. Holland, “Ny didy lehibe voalohany,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 83–85.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mahavita mamaky ireo Filazantsara miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ny fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 28:6

Nahoana ireo teny hoe “Tsy ato Izy, fa efa nitsangana” no anisan’ny teny tena manome fanantenana sy manan-danja indrindra voalaza hatrizay?

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21

Rehefa mamaky ireo toko ireo ny fianakavianao dia jereo tsara ny hoe iza no nihaona tamin’i Jesoa ao amin’ny tantara tsirairay. Ohatra, amin’ny fotoana iray ianao dia mety hifantoka amin’ireo olona izay nitsidika ny fasan’ny Mpamonjy. Amin’ny fotoana iray hafa ianao dia mety handalina tsara ireo zavatra nataon’ireo Apôstôly na mpianatra teo amin’ny lalana nankany Emaosy.

Sary
I Kristy miaraka amin’ny mpianatra anankiroa

Lalana mankany Emaosy,nataon’i Jon McNaughton

Matio 28:16–20; Marka 16:14–20; Lioka 24:44–53

Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny fianakaviana ny asa nampanaovin’i Kristy an’ireo Apôstôliny. Ahoana no ahafahantsika manampy amin’ny fanatanterahana io asa io? Afaka mizara fotoana iray izay nahatsapanao “ny Tompo niara-niasa tami[nao]” mba hanampy anao hanatanteraka ny tanjony ve ianao? (Marka 16:20).

Jaona 21:15–17

Azonareo vakina eo am-pisakafoanana ireo andininy ireo. Izany dia mety hanome lanja ny tenin’ny Mpamonjy manao hoe: “fahano ny ondriko.” Raha mifototra amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa momba ny ondry ao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ohatra ny Matio 9:35–36; 10:5–6; 25:31–46; Lioka 15:4–7; Jaona 10:1–16), nahoana ny famahanana ondry no fanoharana tsara ho an’ny fikolokoloana sy ny fikarakarana ireo zanak’ Andriamanitra? Inona no ampianarin’ilay fanoharana momba ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba antsika?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mampiasà mozika mba hanasana ny Fanahy ary hianarana fotopampianarana. Ny fihainoana na fihirana hira tahaka ny “Chantons tous, pleins d’allégresse!” na “Le Christ est ressuscité!,” Cantiques, nos. 121, 122, dia afaka manasa ny Fanahy sy manampy anao hianatra ny momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty.

Sary
i Kristy miseho amin’ny Maria eo amin’ny zaridainan’ny fasana

Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Nataon’i Simon Dewey