Avia, hanaraka Ahy
20–26 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: -Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao-


“20–26 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: -Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“20–26 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
lehilahy teo ambony hazo iray rehefa nanatona i Jesoa

I Zakaiosy teo ambony aviavy, nataon’i James Tissot

20–26 mey

Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

“Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao”

Rehefa mamaky ny Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; ary Jaona 12 ianao dia henoy tsara ireo fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy Masina. Jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” any amin’ny fiandohan’ity boky torolalana ity hahitana ireo zavatra tokony hotsaroana rehefa mampianatra ireo fitsipika ireo ianao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ampisehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary asao ireo ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny zavatra niseho tao amin’ilay sary.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Lioka 19:1–10

Mahafantatra ahy amin’ny anarako ny Ray any an-danitra sy i Jesoa.

Rehefa namaky mikasika ny resaka nataon’ny Mpamonjy tamin’i Zakaiosy ianao dia inona ireo hafatra hitanao fa mety hitahy ireo ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ilay sary hoe I Zakaiosy teo ambony aviavy (LDS.org). Ampio ny ankizy hamantatra hoe iza i Zakaiosy ary hilaza ny anarany. Mamorona fihetsika mba hataon’ireo ankizy eo am-pitantaranao ilay tantaran’i Zakaiosy sy i Jesoa. Ohatra: mitsingitsingina mba hahita ao anatin’ny vahoaka marobe na mody mianika hazo iray. Hazavao fa nahita an’i Zakaiosy ny Mpamonjy ary niantso azy tamin’ny anarany. Mijoroa ho vavolombelona fa mahafantatra ny ankizy tsirairay sy ny anaran’izy ireo ny Mpamonjy.

  • Mitondrà fitoeran-tsary iray tsy misy na inona na inona ao an-dakilasy, na manamboara anankiray vita amin’ny taratasy. Asao ny ankizy tsirairay mba hifandimby hihazona ilay fitoeran-tsary manodidina ny tarehiny ka ny ankizy ambiny dia hilaza hoe: “Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa dia mahafantatra an’i [anaran’ilay ankizy].”

  • Asao ny ankizy hifandimby mody mianika hazo iray, tahaka ny nataon’i Zakaiosy. Asaivo miteny hoe: “Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa dia mahafantatra an’i [anaran’ilay ankizy]” ny ankizy ambiny.

  • Miaraha mihira ny “Zanaky ny Ray aho,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, 113, ary ampio ny ankizy hihaino ireo zavatra izay manampy azy ireo hahafantatra fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra.

Matio 21:12–14

Ny tempoly dia toerana masina.

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny tempoly dia afaka manampy ny ankizy ampianarinao mba hahatakatra fa ny tempoly dia toerana masina.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ilay sary hoe I Jesoa manadio ny tempoly (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 51), ary tantarao ilay tantara araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 21:12–14. Ampio ny ankizy mba hitady sarina vola na biby ao anatin’ilay sary. Dia ifampiresaho avy eo hoe nahoana no tian’ny Mpamonjy handao ny tempoly ireo mpanakalo vola sy olona nivarotra biby.

  • Mampisehoa sarina tempoly (jereo ohatra ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, 117–21), ary anontanio ny ankizy ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mahita tempoly izy ireo. Lazao amin’ny ankizy fa ireo fahatsapana ireo dia ny Fanahy Masina izay milaza amintsika fa ny tempoly dia toerana miavaka. Asaivo manao fihetsika toy ny hoe ao anatin’ny tempoly ny ankizy. Ohatra, afaka mibitsibitsika izy ireo rehefa miresaka sy mipetraka amim-panajana. Miaraha mihira ny “O j’aime voir le temple,” Chants pour les enfants, 99, ary asao ny ankizy hanao tanjona mba hiditra ao amin’ny tempoly indray andro any.

Sary
Tempolin’i Fort Collins, Colorado

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Matio 21:28–32

Afaka ny ho mpankatò aho.

Tian’ny Ray any An-danitra ho mpankatò aho. Ilay fanoharana momba ireo zanakalahy roa dia manome fahafahana tsara hampianarana momba ny maha-manan-danja ny fankatoavana.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina zanakalahy roa eny amin’ny solaitrabe, ary ampiasao ireo sary nataonao eo am-pitantarana ilay fanoharana ao amin’ny Matio 21:28–32. Iza tamin’ireo zanakalahy no nanao ny mety tamin’ny farany? Anontanio ny ankizy ireo zavatra azon’izy ireo atao mba ho mpankatò any an-tokantrano. Avelao hanao ny sariny manao ireo zavatra ireo izy ireo.

  • Asao ireo ankizy mba hizara ireo traikefa nananan’izy ireo rehefa nankatò ny ray aman-dreniny na ny mpitaiza na ny mpitarika iray hafa izy ireo. Inona no fitahiana azon’izy ireo noho izy ireo mpankatò? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izy ireo ho tonga mpankatò bebe kokoa amin’ny hoavy?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Lioka 19:1–10

Rehefa mikatsaka ny Mpamonjy aho dia hahita Azy.

Azonao ampiasaina ny tantaran’i Zakaiosy mba hanampiana ny ankizy hieritreritra ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hanatonana akaiky kokoa ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Lioka 19:1–10, ka miatoa kely isaky ny mahavita andininy vitsivitsy mba hifampiresahana mikasika ny zavatra nianarantsika momba an’i Zakaiosy. Inona no nataon’i Zakaiosy mba hahafahany mahita an’i Jesoa? Inona no navaliny rehefa nangataka azy mba hidina avy teny amin’ny hazo i Jesoa? Angataho ny ankizy mba hizara antony iray hanirian’izy ireo mba hahita an’i Jesoa. Raha ho avy ao an-tanànanareo ny Mpamonjy dia inona no ho ataonareo mba hiomanana?

  • Asao ny ankizy mba hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay mety mikatsaka ny Mpamonjy, tahaka an’i Zakaiosy. Anontanio ny ankizy izay azon’izy ireo atao mba hanampiana ny olona iray mba hianatra momba ny Mpamonjy.

  • Asao ireo ankizy hizara zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo fa mahafantatra azy ireo sy tia azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Matio 21:12–14

Ny tempoly dia toerana masina tokony hajaiko.

Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ilay tantara momba an’i Jesoa nanadio ny tempoly anao mba hampianatra ireo ankizy momba ny fahamasinan’ny tempoly.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo vakin’ny ankizy ny Matio 21:12–14. Ampisehoy ilay sary hoe I Jesoa nanadio ny tempoly (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 51), dia anontanio azy ireo hoe andininy inona no naseho teo amin’ilay sary. Asaivo ataon’ny ankizy ny sarin’ny endrika mety ho nananan’ny tempoly taloha sy taorian’ny nanadiovan’i Jesoa azy.

  • Asao ny mpianatra hizara ny fahatsapan’izy ireo rehefa niditra tao anatin’ny tempoly, na nitsidika ny tokontanin’ny tempoly, na nijery ny sarin’ny tempoly. Inona no nanampy azy ireo hahafantatra fa ny tempoly dia toerana masina?

  • Manasà zatovo iray na maromaro mba ho ao amin’ny kilasy ary hilaza momba ny fiomanan’izy ireo hiditra ny tempoly. Raha toa ka efa tany amin’ny tempoly izy ireo dia angataho mba hilaza momba ny fahatsapany rehefa tao anatin’izany.

  • Tapatapaho ho lasa piozila ny sarin’ny tempoly iray, ary omeo ampahany kely iray avy ny ankizy tsirairay. Asaivo soratan’ny ankizy ao an-damosin’ny ampahany kely amin’ilay piozila ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana hiditra ny tempoly. Rehefa mizara hevitra ny ankizy tsirairay dia ampidiro eo amin’ilay piozila ny ampahany kely tany aminy.

Matio 23:25–28

Mila marina aho amin’ireo asa ataoko sy faniriako.

Nampianatra ireo mpanora-dalàna sy Fariseo momba ny maha-manan-danja ny fiainana marina ny filazantsara i Jesoa, fa tsy mody hoe marina fotsiny. Inona no hanampy ny ankizy hahakatatra izany fahamarinana izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Rehefa mamaky miaraka amin’ny ankizy ny Matio 23:25–28 ianao dia zarao ity fa ny mpihatsaravelatsihy avy ao amin’ny Bible Dictionary (Rakibolan’ny Baiboly): “Olona iray izay milaza ho mpivavaka kanefa tsy mpivavaka.” Nahoana no ratsy ny hoe mpihatsaravelatsihy?

  • Ampisehoy ny ankizy ny kaopy iray izay madio ety ivelany fa maloto kosa ao anatiny mba hanampiana amin’ny fanazavana ilay fanoharana ao amin’ny Matio 23:25. Ahoana no fomba hakantsika antoka fa madio sy tsy misy pentina isika ao anaty?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy haka fitsipika na asa atao iray avy tamin’ny fampianarana mba hozaraina amin’ny fianakaviany any an-tokantrano.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohano ireo ray aman-drenin’ny ankizy. “Ny ray aman-dreny no mpampianatra filazantsara manan-danja indrindra ho an’ny zanany. Izy ireo dia samy manana andraikitra voalohany mba hitarika ny zanany ary manana hery tena lehibe hanaovana izany (jereo ny Deoteronomia 6:6–7). Rehefa mampianatra ny ankizy any am-piangonana ianao dia mivavaha mba hahita fomba hanohanana ny ray aman-dreny amin’ilay anjara asa lehibe hazonin’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Sary
pejin’ny asa atao: masina ny tempoly