Avia, hanaraka Ahy
13–19 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: -Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?-


“13–19 Mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: -Fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“13–19 Mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18; 11,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka

13–19 mey

Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”

Vakio ny Matio 19–20; Marka 10; ary Lioka 18, dia ataovy ao an’eritreritra ny ankizy ampianarinao. Raketo an-tsoratra izay bitsika voarainao. Ny fiomananao dia hanampy anao hampianatra ny ankizy ny zavatra ilain’izy ireo fantarina avy amin’ireo toko ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hilaza amin’ny iray kilasy ny zavatra tian’izy ireo mikasika ny fianakaviany. Afaka mangataka ny ray aman-drenin’ny ankizy mihitsy aza ianao mba hampitondra an-janany ny sarin’ny fianakaviana mba hozarain’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Marka 10:6–8

Tian’ny Ray any An-danitra isika mba hanambady any amin’ny tempoly ary hanana fianakaviana mandrakizay.

Ahoana no ahafahan’ny ankizy ampianarinao mahazo tombontsoa avy amin’ny fianarana mikasika ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay? Mety hanampy ny fampiasana ny Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” (Liahona,nôv. 2010, 129).

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Marka 10:6–8 dia mampisehoa sarin’ny mpivady anankiray. Angataho izy ireo mba hanondro ilay lehilahy sy vehivavy rehefa maheno ny teny hoe lehilahy sy vehivavy. Hazavao fa ny fikasan’ny Ray any An-danitra dia ny mba hivadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray (jereo ny Genesisy 1:27–28).

  • Mampisehoa sarin’ny fianakaviana iray sy tempoly iray. Hazavao fa tian’ny Ray any An-danitra isika mba hofehezina amin’ny fianakaviantsika any amin’ny tempoly mba hahafahantsika hiaraka amin’izy ireo mandrakizay. Aoka ianao ho antra fo amin’ireo ankizy izay mbola tsy voafehy ny ray aman-dreniny.

  • Hirao ny “Un heureux foyer,” Chants pour les enfants, 104. Asao ny ankizy mba hanondro ny tenan’izy ireo rehefa mihira hoe “J’aime” sy “Avec eux,” ary “En famille.” Azo averina imbetsaka ity asa atao ity. Asao ny ankizy mba hizara zavatra mahafinaritra izay nataon’izy ireo niaraka tamin’ny fianakaviany. Nahoana no feno fankasitrahana ny fianakaviany izy ireo?

  • Mihirà hira iray momba ny tempoly na fianakaviana toy ny hoe “Oh, j’aime voir le temple” na “Ensemble à tout jamais,” Chants pour les enfants, 99, 98. Avelao ny ankizy hihazona sarina tempoly na sarina fianakaviana, dia asao izy ireo mba hihazona ambony ny sarin’izy ireo rehefa mihira ny hoe “temple” na “famille” izy ireo. Nahoana no zava-dehibe ny manambady any amin’ny tempoly?

Sary
Mpivady efa lehibe eo anoloan’ny tempoly

Ampahany manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadiana mandrakizay.

Marka 10:13–16

Nanasa ny zaza mba hanatona Azy i Jesoa mba hahafahany mitsodrano azy ireo.

Ity tantara ity dia manome fahafahana mba hanampiana ny ankizy hahatsapa fa tena tian’i Jesoa izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana ny tantara hita ao amin’ny Marka 10:13–16 Afaka mampiseho ny horonan-tsary “Suffer the Little Children to Come unto Me” ianao (LDS.org). Oviana ny ankizy no nahatsapa ny fitiavan’i Jesoa azy ireo? Mijoroa ho vavolombelona amin’ny ankizy fa tia azy ireo i Jesoa ary te-hitahy azy ireo.

  • Asehoy ilay sary hoe I Kristy sy ny ankizy (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 47). Hazavao fa raha te ho tahaka an’ireo ankizy mipetraka eo akaikin’i Jesoa isika dia afaka mitandrina ny didiny sy mitia Azy ary ny olona hafa. Inona no zavatra azon’ny ankizy atao mba hitoviana amin’ireo ankizy mipetraka eo akaikin’i Jesoa?

  • Avelao ny ankizy hanao ny sarin’ny tenany omen’i Jesoa tsodrano (jereo ny Marka 10:16).

Marka 10:17–22

Raha mankatò ny didy isika dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay.

Nampianatra an’ilay tovolahy mpanankarena i Jesoa fa mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, izay fiainana tahaka ny an’ny Ray any An-danitra, dia tokony hankatò ny didy isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny tantran’ilay tovolahy mpanankarena iray ao amin’ny Marka 10:17–22. (Jereo koa ny “Toko 42: Ilay tovolahy mpanankarena,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 105–6.) Angataho izy ireo mba hihaino ny zavatra nasain’i Jesoa nataon’ilay tovolahy ary ny zavatra navalin’ilay tovolahy.

  • Mitantarà tantara iray na mihoatra mikasika ny ankizy izay mangataka torohevitra na torolalana any amin’ny ray aman-dreniny nefa tsy manaraka na mankatò izany. Inona avy ireo zavatra izay angatahan’ny Ray any An-danitra mba hataontsika? Inona no tsapantsika rehefa mankatò ny didiny isika?

  • Zarao izay zavatra niainanao tamin’ny ianao nandray bitsika manokana mba hanao zavatra tsaratsara kokoa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Marka 10:6–8

Tian’ny Ray any An-danitra isika mba hanambady any amin’ny tempoly ary hanana fianakaviana mandrakizay.

Ireo zavatra nampianarin’i Jesoa momba ny fanambadiana dia afaka manampy ny ankizy rehefa mandray hafatra mifanohitra amin’izany izy eto amin’izao tontolo izao.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy iray mba hamaky mafy ny Marka 10:6–8 Nahoana no zava-dehibe ny fiarahan’ny mpivady sy ny fifankatiavany ary ny fiasany ho toy ny mpiara-miasa?

  • Zarao ity fanambarana manaraka ity izay avy amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” ary ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe: “Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tanyamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.”

  • Angataho ny ankizy mba hanampy anao hieritreritra ny valin’ny fanontaniana hoe “Nahoana no manan-danja ny fianakaviana ao amin’ny Fiangonana?” na “Nahoana no zava-dehibe ho anao ny manambady any amin’ny tempoly?” Miaraha mihira ny “Ensemble à tout jamais,” Recueil de chants pour les enfants, 98. Zarao amin’ny ankizy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fanambadiana mandrakizay sy ny fianakaviana mandrakizay. Asao izy ireo mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo koa.

  • Asao ny ankizy tsirairay mba hamaky soratra masina avy amin’ity lisitra ity: Marka 10:6–8; 1 Korintiana 11:11; F&F 42:22; 131:1–4; ary Mosesy 3:18, 21–24. Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo momba ny fanambadiana?

Marka 10:17–22

Afaka manampy ahy i Jesoa mba hahafantatra izay tokony hataoko mba hivoarako.

Ilay tovolahy mpanankarena dia nitady an’i Jesoa ary nahazo torolalana manokana izay natokana ho azy manokana. Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ny ankizy hikatsaka fitarihana mitovy amin’izany eo amin’ny fiainany?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hitady andininy iray ao amin’ny Marka 10:17–22 izay mamaritra ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Hazavao fa ny torohevitra nomen’i Jesoa ho an’ilay tovolahy dia ho tena ho azy manokana, ary afaka mahazo torolalana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo daholo isika amin’ny alalan’ny Fanahy.

  • Vakio miaraka ny Marka 10:17–22. Asao ny ankizy mba hanoratra eo amin’ny solaitrabe ireo didy izay nasain’ny Mpamonjy nankatoavin’ilay tovolahy mpanankarena (jereo ny andininy 19). Inona koa ny zavatra hafa tsy maintsy nataony? (jereo ny andininy 21). Amporisiho ny ankizy mba hieritreritra zavatra izay mety ilain’izy ireo atomboka ny fanaovana azy na ny fampitsaharana azy mba hanarahana tsara kokoa an’i Jesoa. Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika mahita ny zavatra tian’i Jesoa hataontsika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hilaza amin’ny fianakaviany ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo amin’izy ireo, angamba amin’ny alalan’ny fanoratana teny fohy ho an’ny ray aman-dreniny na amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny fianakaviana mandritra ny takarivan’ny mpianakavy.

Manatsara ny fampianarantsika

Araho maso tsara ny ankizy. Manao ahoana ny fandraisan’ny ankizy anjara ao amin’ny kilasinao amin’ireo asa atao hoenti-mianatra? Raha toa ka tsy dia mazoto izy ireo dia mety eo no fotoana hanandramana asa atao iray hafa na hanaovana kely dian-tongotra fohy sy amim-panajana. Etsy ankilany, raha tsikaritrao fa mazoto ny ankizy ary mianatra avy amin’ny ampahany iray ao amin’ny lesona, dia aza mahatsapa ho voatery hiditra amina zavatra hafa mba hanaovana izay hahavitana ny ao anatin’ny lesona rehetra.