Avia, hanaraka Ahy
13–19 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: -Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?-


“13–19 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: -Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“13–19 mey. Matio 19–20; Mark& 10; Lioka 18,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka

13–19 mey

Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”

Vakio sy diniho ny Matio 19–20; Marka 10; ary ny Lioka 18, ary henoy tsara ny bitsika voarainao. Raiso an-tsoratra izany bitsika izany ary farito ny fomba hanaovanao zavatra araka izany.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Raha nomena fahafahana hametraka fanontaniana amin’ny Tompo ianao, mety ho inona izany? Raha vao sambany ny lehilahy tanora manan-karena iray no nihaona tamin’ny Mpamonjy dia nanontany izy hoe: “Inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?” (Matio 19:16). Ny valintenin’ny Mpamonjy dia sady naneho ny fankasitrahany ireo tsara efa nataon’ilay zatovolahy no nankahery amim-pitiavana azy hanao zavatra misimisy kokoa. Rehefa misaintsaina ny fahafahana mahazo ny fiainana mandrakizay isika dia mety hanontany tena toy izany sao misy zavatra hafa tokony hataontsika. Rehefa manontany isika, amin’ny fombantsika manokana, manao hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” (Matio 19:20), dia afaka manome valiny natao manokana ho antsika tahaka ny namaliany ilay zatovo [mpanankarena] ny Tompo. Na inona na inona angatahin’ny Tompo hataontsika, ny fanaovana zavatra araka ny valinteny omeny dia hitaky foana ny fatokiantsika Azy mihoatra noho ny fahamarinantsika (jereo ny Lioka 18:9–14) sy ny “[fandraisantsika] ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza” (Lioka 18:17; jereo koa ny 3 Nefia 9:22).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 19:1–9; Marka 10:1–12

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra.

Ity fifampiresahan’ny Mpamonjy sy ny Fariseo ity no iray amin’ireo firaketana vitsy ireo fotoana nampianaran’ny Mpamonjy manokana momba ny fanambadiana. Rehefa avy mamaky ny Matio 19:1–9 sy ny Marka 10:1–12 ianao dia manaova lisitra ahitana filazana maromaro izay tsapanao fa mahafintina ny fahitan’ny Mpamonjy ny fanambadiana. Ahoana no hanampian’ny fahalalanao ny drafitry ny famonjen’ny Ray anao hahatakatra ny antony mahatonga ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ho tendrin’ Andriamanitra?

Sary
mpivady zokiolona manoloana ny tempoly

Ny fanambadiana mandrakizay dia tafiditra

ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Matio 19:3–9; Marka 10:2–12

Moa ve i Jesoa nampianatra fa ny fisaraham-pananambadiana dia tsy azo ekena mihitsy na ny olona nisara-bady dia tsy tokony hanambady indray?

Tao anatin’ny lahateny iray momba ny fisaraham-panambadiana ny Loholona Dallin H. Oaks dia nampianatra fa ny fanirian’ny Ray any An-danitra ho an’ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana dia ny ho mandrakizay. Kanefa fantatr’ Andriamanitra ihany koa fa noho ny “hamafin’ny [fontsika]” (Matio 19:8), tafiditra ao anatin’izany ireo safidy ratsy sy ny fitiavan-tenan’ny iray amin’ny mpivady na izy roa, dia indraindray ilaina ny fisarahana.

Nanazava ny loholona Oaks fa ny Tompo dia “mamela ny olona nisara-panambadiana hanambady indray … ka tsy voapentimpentin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena voalaza ao amin’ny lalàna ambony.” Raha tsy hoe nanao fandikan-dalàna goavana ny olona iray nisara-panambadiana, dia afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy raha mahafeno ny fenitry ny fahamendrehana mitovy amin’ny ampiharina amin’ireo mpikambana hafa” (“Divorce,” Liahona, mey 2007, 

70).

Matio 19:16–22; Marka 10:17–22; Lioka 18:18–23

Raha toa ka manontany ny Tompo aho, dia hampianatra ahy ny zavatra tokony hataoko mba handovana ny fiainana mandrakizay Izy.

Ny tantaran’ilay zatovo [mpanankarena] dia afaka ny ho zavatra hampandinin-tena na dia ho an’ny mpanara-dia mahatoky sy maharitra aza. Rehefa mamaky ny Marka 10:17–22 ianao dia inona no hitanao ho porofon’ny fahatokiana sy ny fahitsim-pon’io zatovo io?

Tahaka ilay zatovo [mpanankarena] dia tsy lavorary sy tsy tanteraka isika, koa amin’ny maha-mpianatra antsika dia tokony hanontany isika hoe “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”, ary tokony hanontany izany isika mandritra ny fiainantsika. Mariho fa ny valiny dia homena am-pitiavana avy amin’Ilay mijery antsika amin’ny tena maha-isika antsika. (jereo ny Marka 10:21). Inona no azonao atao mba hiomanana amin’ny fanontaniana ny Tompo izay tsy mahatanteraka anao, sy hanekena ny valinteniny?

Jereo koa ny Larry R. Lawrence, “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Liahona, nôv. 2015, 33–35; S. Mark Palmer, “Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy,” Liahona, mey 2017, 114–16.

Matio 20:1–16

Afaka mahazo ny fitahian’ny fiainana mandrakizay avokoa ny tsirairay, na oviana na oviana fotoana handraisany ny filazantsara.

Azonao resahina ve ny zavatra niainan’ny iray tamin’ireo mpiasa tao amin’ny tanimboaloboka? Inona no lesona hitanao ho anao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Ireo mpiasa ao amin’ ny tanimboaloboka” (Liahona, mey 2012, 31–33) dia mety hanampy anao hahita fomba vaovao hafa hampiharana io fanoharana io. Inona no bitsika fanampiny omen’ny Fanahy anao?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 19:1–9; Marka 10:1–12

Mety hisy tombontsoa ho an’ny fianakavianao ve ny mifanakalo hevitra momba ireo fampianaran’ Andriamanitra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana? Raha eny dia azonareo vakina ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (Liahona, nôv. 2010, 129). Inona no fanazavana entin’ireo fampianarana ao amin’ilay fanambarana mikasika ny tsy fitovian-kevitra sy ny hevi-diso eo amin’izao tontolo izao mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

Marka 10:23–27

Inona no tsy mampitovy ny manana harena sy ny matoky harena? (jereo ny Marka 10:23–24). Rehefa mamaky ny andininy 27 ianao dia azonao atao ny mampahafantatra ny Dikantenin’i Joseph Smith hoe: “Raha amin’ny olona izay mametraka ny fitokiany amin’ny harena dia tsy ho azo tanterahina izany; fa tsy mba toy izany kosa ho an’ireo izay mametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra sy mandao ny zava-drehetra noho ny Amiko, fa ho an’ny toa azy ireo zavatra rehetra ireo dia azo tanterahina avokoa.” 

Matio 20:1–16

Mba hanazavana ireo fitsipika ao amin’ny Matio 20:1–16 dia afaka mamorona fifaninanana tsotra ianao, toy ny fifaninanana hazakazaka fohy, ka mampanantena fa izay mandresy dia hahazo loka. Rehefa mahavita ilay fifaninanana ny tsirairay dia omeo loka mitovy ny tsirairay, manomboka amin’izay tonga farany ka miafara amin’izay tonga voalohany. Inona no ampianarin’izany antsika momba ny hoe iza no mandray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Matio 20:25–27; Marka 10:42–45

Inona no dikan’ny fehezan-teny hoe “izay te ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo”? (Matio 20:27). Tamin’ny fomba ahoana no niainan’i Jesoa Kristy an’io fitsipika io? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony, ao amin’ny fianakaviantsika, ao amin’ny paroasy na sampana misy antsika, ary eo amin’ny manodidina antsika?

Lioka 18:1–14

Inona no ianarantsika mikasika ny vavaka avy amin’ireo fanoharana roa ao amin’ireo andininy ireo?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitadiava fotoana izay mety aminao. Matetika mora kokoa ny mianatra amin’ny fotoana izay ahafahanao mandalina ny soratra masina tsy misy manelingelina. Mitadiava fotoana izay mety aminao, ary ataovy izay vitanao mba handalinana tsy tapaka amin’izany fotoana izany isan’andro.

Sary
I Kristy sy ilay zatovo [mpanankarena]

I Kristy sy ilay zatovo [mpanankarena], nataon’i Heinrich Hofmann