Avia, hanaraka Ahy
29 aprily–5 mey. Jaona 7–10: -Izaho no Mpiandry Tsara-


“29 aprily–5 mey. Jaona 7–10: -Izaho no Mpiandry Tsara-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“29 aprily–5 mey. Jaona 7–10,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
I Kristy sy ilay vehivavy tratra nijangajanga

Izay tsy nanota teo aminareo, nataon’i Liz Lemon Swindle

29 aprily–5 mey

Jaona 7–10

“Izaho no Mpiandry Tsara”

Eo am-pamakianao ny Jaona 7–10 dia mety hahazo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina ianao momba ireo fitsipika ara-potopampianarana ato amin’ireto toko ireto. Ny firaketana ireo fahatsapanao dia afaka manampy anao hanao drafitra hanatanterahana asa araka izany.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Na dia tonga aza i Jesoa Kristy mba hitondra “fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona” (Lioka 2:14), dia “nisara-tsaina ny amin’i Jesoa ny vahoaka” (Jaona 7:43). Ireo olona izay nanatri-maso ireo tranga ireo dia lasa nanana tsoa-kevitra tena tsy mitovy momba ny hoe iza i Jesoa. Ny sasany nanatsoaka fa, “Tsara fanahy Izy,” raha ny hafa kosa nilaza fa “mamitaka ny vahoaka Izy” (Jaona 7:12). Rehefa nanasitrana jamba iray tamin’ny andro sabata Izy dia nanizingizina ny sasany hoe, “tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy” ary ny hafa kosa nanontany hoe, “Hataon’ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany?” (Jaona 9:16). Na dia teo aza anefa izany tsy fitovian-kevitra izany, ireo izay nikatsaka fahamarinana dia nahafantatra ny hery tao anatin’ny teniny, satria “tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46). Rehefa nangataka an’i Jesoa ireo Jiosy hoe “lazao marimarina aminay” raha Izy no ilay Kristy, dia nanambara fitsipika iray izay afaka manampy antsika hanavaka ny fahamarinana sy ny fahadisoana Izy: “Ny ondriko mihaino ny feoko,” hoy Izy, “ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” (Jaona 10:27).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Jaona 7:14–17

Rehefa miaina ireo fahamarinana nampianarin’i Jesoa aho dia hahafantatra fa marina izy ireny.

Nahatalanjona ireo Jiosy ny fahaizan’i Jesoa satria olona tsy nanam-pahaizana Izy (jereo ny andininy 15), na izany na tsy izany aloharaha amin’ny fomba izay mahazatra azy ireo. Tao anatin’ny valinteniny i Jesoa dia nampianatra fomba ahafantarana fahamarinana iray hafa izay vitan’ny olon-drehetra, na inona na inona fianarana na fomba nanabeazana azy. Araka ny Jaona 7:14–17, ahoana ny fomba ahafahanao mahafantatra fa marina ny fotopampianarana nampianarin’i Jesoa? Ahoana no nanampian’io dingana io anao hampivoatra ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara?

Jaona 8:2–11

Natao ho antsika rehetra ny famindrampon’ny Mpamonjy.

Raha niresaka momba ny nihaon’i Jesoa tamin’ilay vehivavy tratra nijangajanga ny Loholona Dale G. Renlund dia nilaza hoe: “Azo antoka fa tsy namela ny hanaovana fijangajangana ny Mpamonjy. Kanefa tsy nanameloka ilay vehivavy koa Izy. Namporisika azy hanova ny fiainany Izy. Vonona ny hiova izy noho ny famindrampo sy ny fahasoavany. Ny Baiboly Dikantenin’i Joseph Smith dia manamarina ny nahalasa mpianatra azy taorian’izay: -Ary nanomboka tamin’izay ora izay dia nanome voninahitra an’ Andriamanitra ilay vehivavy, sady nino ny anarany- ” (“Ilay Mpiandry Tsarantsika,” Liahona, mey 2017, 30).

Oviana ianao no efa nahatsapa tahaka ilay vehivavy ka nahazo famindrampo fa tsy fanamelohana avy amin’ny Mpamonjy? Oviana ianao no efa tahaka ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo, manendrikendrika sy mitsara ny hafa na dia nanota aza ianao? (jereo ny Jaona 8:7). Inona koa no azonao ianarana avy amin’ny fomba nihaonan’i Mpamonjy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ary ilay vehivavy tratra nijangajanga? Inona no ianaranao momba ny famelan-keloky ny Mpamonjy rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao?

Jaona 8:58–59

Nahoana ireo Jiosy no tafintohina rehefa nilaza i Jesoa hoe: “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho”?

Ny hoe “Izy Aho” no ilay teny hoe Jehovah nampiasaina hilazana ny Tenany tamin’i Mosesy, izay voarakitra ao amin’ny Eksodosy 3:14. Noho izany rehefa niteny i Jesoa hoe “Izy aho,” dia nampahafantatra ny tenany ho Jehovah Izy, ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra no nandraisan’ny Jiosy izany, ary teo ambany lalàn’i Mosesy dia vonoina amin’ny alalan’ny tora-bato no sazy.

Jaona 9

Amin’ny alalan’ireo olana atrehantsika dia afaka miseho eo amin’ny fianantsika Andriamanitra.

Satria voka-dratsy no matetika manaraka ny fahotana, dia mety ho raisintsika ho vokatry ny zavatra ratsy nataontsika ireo fahoriantsika. Kanefa rehefa noheverin’ireo mpianatry ny Mpamonjy fa jamba hatrany am-bohoka ny olona iray satria nanota ny ray aman-dreniny dia nahitsin’i Jesoa izy ireo. Amin’ny fomba ahoana ny tenin’i Jesoa ao amin’ny Jaona 9:3 no manova ny fomba fijerinao ny olanao sy ny olan’ny hafa? Eo am-pamakianao ny Jaona 9 dia eritrereto ny fomba “[n]anehoana ny asan’ Andriamanitra” (Jaona 9:3). Ahoana no nisehoan’izany rehefa niatrika olana ianao?

Tsara ihany koa ny manamarika fa ny fanontanian’ireo mpianatra ao amin’ny Jaona 9:2 dia manambara fa nino ny fisiana talohan’ny nahaterahana izy ireo, izay fotopampianarana iray very nandritra ny Apôstazia Lehibe saingy tafaverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny FF 93:29; Mosesy 4:1–4; Abrahama 3:22–26).

Jaona 10:16

Iza ireo “ondry hafa” izay voalazan’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 10:16?

Rehefa nitsidika ny Amerika ny Mpamonjy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia nohazavainy hoe iza ireo ondriny hafa (jereo ny 3 Nefia 15:21–16:5).

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Jaona 7:24

Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakavianao hahatakatra ny fampianaran’i Jesoa ao amin’ny Jaona 7:24? Ny fomba iray dia ny mandeha mivoaka ary atao maloto ny olona iray ao amin’ny fianakaviana. Inona no mety ho eritreretin’ny olona tsy fantatra iray momba io olona iray ao amin’ny fianakaviana io rehefa mijery azy amin’ny endrika ivelany izy? Manaova lisitry ny toetra tsara ananan’io mpikambana ao amin’ny fianakaviana io izay tsy hita amin’ny fijerena azy tsotra izao fotsiny (jereo koa ny 1 Samoela 16:7).

Jaona 8:31–36

Ahoana no mahatonga antsika indraindray ho andevon’ny ota? Fahamarinana inona nampianarin’i Jesoa no afaka manafaka antsika?

Sary
I Kristy manasitrana lehilahy iray jamba

I Jesoa manasitrana ilay lehilahy jamba, nataon’i Carl Heinrich Bloch.

Jaona 9

Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakavianao hahita sary an-tsaina ny tantaran’i Jesoa manasitrana ilay lehilahy jamba ao amin’ny Jaona 9? Azonao atao ny milalao an-tsehatra ilay tantara . Asao izy ireo handray an-tsoratra izay lesona nianaran’izy ireo avy amin’ilay tantara, toy ny hoe Inona no dikan’ny hoe miova fo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Jaona 10:1–18, 27–29

Mba hampandraisana anjara bebe kokoa ny mpianakavy amin’ny fianarana avy amin’ny fanoharana momba ilay Mpiandry ondry Tsara dia asao ny tsirairay hanao sary ny iray amin’ireto manaraka ireto: mpangalatra, varavarana, mpiandry ondry, mpikarama (mpiasa iray karamaina), amboadia, ary ondry. Asao izy ireo hamaky ny Jaona 10:1–18, 27–29, avy eo dia miaraha mifanakalo hevitra amin’ny maha-fianakaviana mikasika ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ireo zavatra nataon’izy ireo sary ireo.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitady teny sy andian-teny manentana ny fanahy. Rehefa mamaky ianao dia mety hanisy teny na andian-teny ao an-tsainao ny Fanahy izay manentana ny fanahinao sy mandrisika anao hanao zavatra na toa nosoratana ho anao mihitsy. Raiso an-tsoratra izay teny na andian-teny manentana ny fanahinao ao amin’ny Jaona 7–10.

Sary
I Kristy miaraka amin’ny ondry iray

Tsy ho very intsony, nataon’i Greg K. Olsen