Avia, hanaraka Ahy
20–26 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: -Indro, ny Mpanjakanao avy-


“20–26 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: -Indro, ny Mpanjakanao avy-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“20–26 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
lehilahy iray teo ambonin’ny hazo raha nanatona i Jesoa

I Zakaiosy eo ambonin’ny aviavy, nataon’i James Tissot

20–26 mey

Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

“Indro, ny Mpanjakanao avy”

Mialoha ny hamakiana ny hevitra aroso ato amin’ity rindran-damina ity dia vakio ny Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; ary Jaona 12. Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana izay azonao zaraina amin’ny fianakavianao na ny kilasinao ao am-piangonana.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Noana ny Mpamonjy rehefa nandeha avy tany Betania nankany Jerosalema, ary nisy aviavy iray teny lavitra izay toa ahitana zavatra azo hanina. Saingy rehefa nanatona ilay hazo i Jesoa dia nahita fa tsy namoa izany (jereo ny Matio 21:17–20; Marka 11:12–14, 20). Misy fomba itovian’ilay aviavy amin’ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy tao Jerosalema: ny fampianarana tsy misy dikany sy ny fampisehoana ivelany ny fahamasinana izay nataon’izy ireo dia tsy nanome sakafo ara-panahy. Ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna dia niseho ho mpitandrina didy maro kanefa tsy nitandrina ny didy roa lehibe indrindra: ny mitia an’ Andriamanitra sy ny mitia ny namanao tahaka ny tenanao (jereo ny Matio 22:34–40; 23:23).

Etsy ankilany dia olona maro no nanomboka nahatsikaritra ny voa tsaran’ny fampianaran’i Jesoa. Rehefa tonga tao Jerosalema Izy dia notsenain’ny olona tamin’ny sampan-kazo napetraka tamin’ny lalany, sady faly izy ireo satria tanteraka ihany nony farany ilay voalazan’ny faminaniana fahiny hoe “Mpanjakanao avy” (Zakaria 9:9). Eo am-pamakianao mandritra ity herinandro ity dia eritrereto ny voan’ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany eo amin’ny fiainanao sy ny fomba hahatonga izany “hahavokatra be” (Jaona 12:24).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 23; Lioka 19:1–10; 20:45–47

Tsy mitsara amin’ny endrika ivelany ny Tompo fa amin’ny fanirian’ny fo.

Tamin’ny andron’i Jesoa dia nihevitra ny olona maro fa ny mpamory hetra dia tsy marin-toetra ary nangalatra tamin’ny olona. Koa satria nanan-karena i Zakaiosy, ilay lehiben’ny mpamory hetra, dia vao mainka mety ho nahiahiana izy. Saingy ny Tompo dia nijery ny fon’i Zakaiosy. Inona no ambaran’ny Lioka 19:1–10 momba ny fon’i Zakaiosy? Azonao raisina naoty ireo teny ao amin’ireo andininy ireo izay mamariparitra ny zavatra nataon’i Zakaiosy mba hanehoana ny fanolorantenany tamin’ny Mpamonjy. Inona no fanirian’ny fonao? Inona no ataonao mba hikatsahana ny Mpamonjy, tahaka ny nataon’i Zakaiosy?

Ny fiarahan’ny Mpamonjy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia maneho zavatra mifanohitra amin’ny fiarahany tamin’i Zakaiosy izay mahavariana . Nanazava ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Naneho fahatezerana marina [i Jesoa] tamin’ireo mpihatsaravelatsihy toy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ary Sadoseo,dia ireo niezaka niseho ho marina mba hahazoana ny dera sy ny laza ary ny haren’izao tontolo izao, kanefa sady nampahory ireo vahoaka izay tokony ho notahiany” (“Ny amin’ny hoe tsisy fitaka,” Liahona, mey 2015, 81).

Ao amin’ny Matio 23 ny Mpamonjy dia nampiasa fanoharana maro mba hanehoana ny fihatsarambelatsihy. Asio marika na ataovy lisitra ireo fanoharana ireo ary raketo an-tsoratra ny zavatra ampianarin’izany momba ny fihatsarambelatsihy. Mitaona anao hanova inona amin’ny zavatra ataonao ny fampianaran’ny Mpamonjy?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–63.

Matio 21:1–11; Marka 11:1–11; Lioka 19:29–44; Jaona 12:12–16

I Jesoa Kristy no Mpanjakako.

Ny tantara ao amin’ny Matio 21:1–11; Marka 11:1–11; Lioka 19:29–44; ary Jaona 12:12–16 dia manazava ny fanombohan’ny herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy, tafiditra ao anatin’izany ny fidirany tamim-boninahitra tao Jerosalema. Ireo izay nandray Azy ho mpanjakany dia naneho ny fanolorantenany tamin’ny fanosorana menaka Azy (jereo ny Jaona 12:1–8), sy fametrahana akanjo sy sampan-kazo teny amin’ny lalany nankany Jerosalema, ary tamin’ny fihobiana Azy. Eritrereto ny ahafahan’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto mampitombo ny fahatakaranao ireo trangan-javatra izay nanomboka tamin’ny herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy.

Ahoana no ahafahanao mandray ny Mpamonjy ho Tomponao sy

Mpanjakanao?

Matio 22:34–40

Ny didy roa lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra sy ny mitia ny hafa tahaka ny tenako.

Raha mahatsiaro ho reraka ianao eo am-piezahanao manaraka an’i Jesoa Kristy dia afaka manampy anao ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo mpahay lalàna ao amin’ny Matio 22 mba hanamora ny maha-mpianatra anao sy hifantoka amin’izany. Ity misy fomba iray hanaovana izany: Manaova lisitra ahitana didin’ny Tompo maromaro. Inona no ifandraisan’ny zavatra tsirairay ao amin’ilay lisitra amin’ireo didy roa lehibe indrindra? Amin’ny fomba ahoana ny fifantohana amin’ireo didy roa lehibe indrindra no manampy anao hitandrina ny didy hafa?

Matio 23:5

Inona no atao hoe fylakitera?

Ny fylakitera dia boaty vita amin’ny hoditra fasiana tapa-taratasy misy soratra masina voasoratra eo aminy. Afatotry ny Jiosy amin’ny tady hoditra izany boaty kely izany ary anaovany eny amin’ny handriny na ny sandriny mba hitadidiana ireo didy (jereo ny Deuteronomia 6:6–8). Noho ny fieboeboana dia nitondra fylakitera lehibe noho ny mahazatra ireo Fariseo mba hahitan’ny olona ny fitiavany ny tenin’ Andriamanitra.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Jaona 12:1–8

Ahoana no fomba nampisehoan’i Maria ny fitiavany ny Mpamonjy? Ahoana no fomba hanehoantsika ny fitiavantsika Azy?

Sary
vehivavy namaoka ny tongotr’i Jesoa tamin’ny volony

Fanasana ny tongotr’i Jesoa, nataon’i Brian Call

Jaona 12:42–43

Ahoana no ahafahantsika maneho fanajana ny hafa rehefa miresaka na miaro ny finoany ara-pivavahana izy ireo? Vokany ara-piarahamonina inona no indraindray manakivy antsika amin’ny firesahana na fiarovana ny finoantsika an’i Kristy? Raha hijery ohatra ahitana olona tsy nanaraka ny faneriterena eo amin’ny fiarahamonina dia jereo ny Daniela 1:3–20; 3; 6; Jaona 7:45–53; 9:1–38; ary Môsià 17:1–4.

Matio 21:12–17

Ahoana no anehoantsika ny fanajantsika ny tempoly? Inona no zavatra izay manakana antsika tsy hiaina ny tempoly ho “trano fivavahana” sy toeran’ny fahasitranana ara-panahy (Matio 21:12–13) ka azontsika esorina eo amin’ny fiainantsika? Hirao ny “Oh, j’aime voir le temple,” Chants pour les enfants, 99.

Matio 21:28–32

Lesona inona avy amin’ilay fanoharana momba ny lehilahy manan-janaka roa no mety hanampy ny fianakavianao? Ohatra, azonao ampiasaina ilay tantara mba hiresahana ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana sy ny fibebahana amin-kitsimpo. Angamba afaka manoratra tantara ny fianakavianao mba hamelomana an-tsehatra ilay fanoharana ka hifandimby hilalao anjara samihafa ny rehetra.

Matio 22:15–22

Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay “an’ Andriamanitra” (andininy 21) ka tokony homentsika Azy?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasàa zavakanto mba handrisihana ny fianakaviana. “Ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara sy ny LDS Media Library ao amin’ny LDS.org dia ahitana sary sy horonan-tsary izay afaka manampy ny [fianakavianao] hahita endri-javatra na zava-miseho” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 23). Ohatra, ny sary hosodoko izay miaraka amin’ity rindran-damina ity dia mety hamelona ilay tantaran’ny fidiran’i Kristy tamim-boninahitra teo Jerosalema.

Sary
Fidiran’i Kristy tamim-boninahitra

Ny Fidirana tamim-boninahitra, nataon’i Walter Rane