Avia, hanaraka Ahy
29 aprily–5 mey. Jaona 7–10: -Izaho no Mpiandry Tsara-


“29 aprily–5 mey. Jaona 7–10:-Izaho no Mpiandry Tsara-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“29 aprily–5 mey. Jaona 7–10,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Kristy sy ilay vehivavy azo nijangajanga

Izay tsy nanota teo aminareo, nataon’i Liz Lemon Swindle

29 Aprily–5 May

Jaona 7–10

“Izaho no Mpiandry Tsara”

Rehefa mamaky ny Jaona 7–10 ianao dia mieritrereta an’ireo ankizy ampianarinao. Maro amin’ireo hevitra ho an’ny ankizy lehibe ao anatin’ity rindran-damina ity no azo amboarina koa ho an’ny ankizy madinika, dia mety koa ny mifamadika amin’izay.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara zavatra izay nataon’izy ireo tamin’ny herinandro lasa mba ho tahaka an’ilay Samaritana tsara fanahy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Jaona 7:14–17

Ny fitandremana ny didy dia afaka manampy ahy hahafantatra fa marina izany.

Nampianatra i Jesoa fa afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana nozarainy isika rehefa miaina izany. Ahoana no ahafahanao mampiasa ity tantara ity mba hampianarana ny ankizy fa ny fiadanana izay tsapantsika rehefa mankatò ireo didy dia manampy antsika hahafantatra fa marina izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino amin’ny alalan’ny teny ho takatry ny ankizy ny Jaona 7:17. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny fankatoavana ny didy dia manampy antsika hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy, angamba amin’ny alalan’ny fiarahana mihira ny “Pour trouver la paix” na “Choisir le bien,” Chants pour les enfants, 68, 82. Angataho ny ankizy mba hihaino ny fitahiana ho azontsika rehefa mitandrina ny didy isika.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nahafantaranao fa avy amin’ Andriamanitra ny didy iray satria niainanao izany, toy ny fandoavana fahafolonkarena na famelana olona iray izay ratsy toetra. Asao ny ankizy hieritreritra zavatra niainany iray tamin’izy ireo nankatò didy iray. Anontanio izy ireo hoe: “Inona no zavatra tsapanareo taorian’ny nankatoavanareo?”

  • Misafidiana didy vitsivitsy dia manaova andiana sary tsotra mizara roa izay maneho ny didy tsirairay. Ahohofy ny sary rehetra, dia asao ny ankizy mba hifandimby hampifanaraka ireo didy. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny maha-zava-dehibe ny didy sy ny fahatanjahan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao noho ny fanajana azy ireo.

Jaona 8:29

Nankatò ny Rainy i Jesoa Kristy.

Nanao zavatra izay nahafaly foana ny Rainy any an-danitra i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahita fomba hanarahana ny ohatra nasehony?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamerina ny zavatra nolazain’i Jesoa mikasika ny Ray any an-danitra ao amin’ny Jaona 8:29: “Izaho manao izay sitrany mandrakariva.” Angataho izy ireo mba hizara zavatra nataon’i Jesoa izay nahafaly ny Ray any an-danitra. Mampisehoa sary avy ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara mba hanomezana hevitra azy ireo.

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra mitondra hafaliana ho azy ireo. Dia anontanio azy ireo ny zavatra azon’izy ireo atao amin’ity herinandro ity mba hitondrana fifaliana ho an’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray. Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ny tenan’izy ireo manao ireo asa ireo mba hoentiny any an-trano ho toy ny mpampahatsiahy azy ireo.

  • Asao ny ray na ny renin’ny iray amin’ireo ankizy mba hizara zavatra niainana iray izay nanaovan’ilay ankizy zavatra nahafaly ilay ray na reny. Avelao ilay ankizy hizara ny zavatra tsapany.

Jaona 10:1–18

Fantatr’i Jesoa aho ary tiany.

Ny fanoharana momba ilay mpiandry tsara dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fa i Jesoa dia tia azy ireo ary mahafantatra hoe iza izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hanao sary iray izay mampiseho zavatra hita ao amin’ny fanoharana momba ilay mpiandry tsara, toy ny ondry, mpangalatra, ambodia. Vakio amin’ny ankizy ny Jaona 10:1–18 dia angataho izy ireo hihazona ambony ny sarin’izy ireo rehefa henon’izy ireo ianao mamaky ny zavatra nataon’izy ireo sary. Hazavao fa toy ny nitarihan’ilay “mpiandry tsara” sy nitiavany ny ondriny no hitiavan’i Jesoa antsika sy hitarihany antsika rehetra mba hiverina any Aminy. Ampanaovy akanjo toy ny an’ny mpiandry ondry ny iray amin’ireo ankizy, dia avelao ny ankizy hizara ny maha-toy ny mpiandry ondry an’i Jesoa ho antsika.

  • Asehoy ny sarin’i Jesoa sy ireo zanak’ondry ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ahoana no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’ondry i Jesoa? Ahoana no ahafahantsika miteny fa tia an’i Jesoa ireo zanak’ondry?

  • Ampio ny ankizy mba hamita ity pejin’ny zavatra atao amin’ity herinandro ity.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Jaona 7:14–17

Ny fitandremana ny didy dia afaka manampy ahy hahafantatra fa marina izany.

Ianao sy ny ankizy ampianarinao dia mety efa niaina zavatra tamin’ny fiainana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy tamin’ny fahafantarana fa marina izy ireo. Ahoana no fomba ahafahanao mifototra amin’ireo zavatra niainana ireo rehefa mampianatra ianao?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty amin’ny tapa-taratasy misaratsaraka ny andininy tsirairay ao amin’ny Jaona 7:14–17 dia asehoy amin’izay filaharany eo fotsiny izy ireo. Angataho ny ankizy mba handamina izany araka ny filaharany dia hamaky ny Jaona 7:14–17 mba hahitana raha marina izany. Asao ny ankizy mba hisaratsaraka handeha tsiroaroa dia hizara ny fahatakaran’izy ireo ny andininy tsirairay miaraka amin’ilay miaraka miasa aminy. Ahoana no fomba nanampian’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra azy ireo hahafantatra fa marina izy ireo?

  • Mizarà ohatra avy ao amin’ny soratra masina izay mampiseho ny fitahiana azon’ny olona noho ny fiainana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, toa an’i Daniela (jereo ny Daniela 6) na Nefia (jereo ny 1 Nefia 3–4).

  • Andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana dia asao ny iray amin’ireo ankizy mba hanoratra mikasika ny fotoana iray izay nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba ny didy iray tamin’ny alalan’ny fiainana izany. Mandritra ny fotoam-pianarana dia angataho ilay ankizy hizara ny zavatra nosoratany.

Jaona 8:31–36

Afaka manafaka antsika ny fahamarinana.

Rehefa mihalehibe ny ankizy dia hahita olona izay mino fa mifono famerana ny fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Jaona 8:31-36 mba hanoherana izany fanambarana izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hamaky ny Jaona 8:31–36 ary hizara ny dikan’ny hoe andevon’ny ota araka ny eritreritr’izy ireo. Ahoana no fomba hanampian’ny fampianaran’i Jesoa antsika mba hahafaka antsika?

  • Angataho ny ankizy iray mba hanampy anao hamatotra moramora eo amin’ny hatotananao, tady na fehintenda na karavato, mba hanehoana fa lasa voagejan’ny fahotana isika rehefa mamerimberina izany foana nefa tsy mibebaka.

  • Mampisehoa hidim-baravarana iray mba hanehoana ny fahotana ary fanalahidy iray mba hanehoana fa afaka manafaka antsika ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ohatra, ny fahafantarana momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka manome fahafahana antsika mba hibebaka sy hahazo famelana amin’ny fahotantsika. Na ny fahalalana mikasika ny Tenin’ny Fahendrena dia afaka manome fahafahana antsika mba hisoroka ny fiankinan-doha.

Sary
I Kristy nampianatra tao amin’ny tempoly

Nampianatra i Jesoa hoe: “Ny marina hahafaka anareo” (Jaona 8:32).

Jaona 10:1–18

Toy ny mpiandry ondry i Jesoa ho antsika.

Rehefa mandalina ny fanoharana momba ilay mpiandry tsara ianao dia tadiavo ireo fahamarinana ampianariny mikasika ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy. Inona no fitahiana ho an’ny azon’ny ankizy rehefa mahafantatra ireo fahamarinana ireo izy?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe mpiandry tsara sy mpikarama. Hazavao fa ny atao hoe mpikarama dia olona iray izay ampiasaina mba hanao asa iray hahazoany vola. Asaivo tanisain’ny ankizy ny fahasamihafana hitan’izy ireo ao amin’ny Jaona 10:1–18 eo amin’ny mpiandry tsara sy ny mpikarama. Nahoana no hoe, aleonao manaraka ilay mpiandry tsara toy izay ilay mpikarama?

  • Manaova sarina vavahady iray na mampisehoa sarina vavahady iray. Iaraho mamaky ny Jaona 10:7–9, dia anontanio ny ankizy hoe, nahoana i Jesoa no toy ny vavahady iray. Araka ny andininy 9, dia inona avy ireo fitahiana azon’ireo izay “[miditra]” amin’ilay vavahady? Ahoana no fomba hidirantsika amin’ilay varavarana natolotr’i Jesoa Kristy ho antsika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hieritreritra didy iray izay vitan’izy ireo ny mankatò azy bebe kokoa. Angataho izy ireo mba hiezaka ny hankatò izany didy izany mandritra ny herinandro ho avy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana nentanim-panahy. Mametraha fanontaniana izay manasa ny ankizy ampianarinao hizara zavatra mihoatra noho ny mitatitra izay zava-niseho fotsiny. Aleo amporisihina izy ireo hizara fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ohatra, raha miresaka momba ny didy ianao, dia afaka mangataka ny ankizy mba hizara ny fitahiana azon’izy ireo tamin’ny fitandremana ny didy.

Sary
pejin’ny asa atao: Mahafantatra ahy sy tia ahy i Jesoa