Avia, hanaraka Ahy
6–12 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: -Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very-


“6–12 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: -Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“6–12 mey. Jaona 12–17; ; Jaona 11,”Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
lehilahy iray mamihina ny zanany lahy

Ilay zanaka adala, nataon’ i Liz Lemon Swindle

06–12 mey.

Lioka 12–17; Jaona 11

“Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very”

Vakio ombam-bavaka ny Lioka 12–17 sy ny Jaona 11, ary tadiavo ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao mba hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo sy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ampahatsiahivo ny ankizy ny sasany amin’ireo fanoharana sy tantara hita ao amin’ny Lioka 12–17 sy Jaona 11, ary asao izy ireo mba hisafidy anankiray amin’izany sy hanao ny sarin’izany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Lioka 15

Tian’ny Ray any An-danitra hiverina any Aminy ny zanany rehetra.

Mety misy ankizy ao amin’ny kilasinao tsy dia manatrika ny Kilonga isan-kerinandro. Ahoana no fomba ahafahanao mitaona ireo ankizy ampianarinao mba hanolo-tanana azy ireo amim-pitiavana?

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo vola madinika iray ny ankizy iray, omeo sarina ondry ny ankizy iray hafa, ary omeo ny sarin’ilay zanaka adala ny ankizy iray hafa (LDS.org). Tantarao ireo fanoharana telo hita ao amin’ny Lioka 15 ary asao ny ankizy hampakatra ambony ny volany, na ny sariny rehefa tononinao izany. Azonao atao ny manasa ireo ankizy hamerina hitantara amin’izy samy izy ireo fanoharana ireo amin’ny tenin’izy ireo manokana.

  • Asao ny ankizy hizara momba ny fotoana iray izay nahavery zavatra iray izy ireo. Hazavao fa ny olona dia mety ho very ara-panahy rehefa tsy mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra na rehefa manalavitra Azy. Mijoroa ho vavolombelona fa ireo fanoharana ireo dia mampianatra fa maniry hanampy ny olona izay very mba hiverina any Aminy Andriamanitra.

  • Asao ny ankizy mba hieritreritra ireo ankizy hafa izay tsy mandeha any am-piangonana. Ampio izy ireo hanoratra taratasy misy teny fohy izay manasa ireo ankizy ireo mba hanatrika ny Kilonga na ny fiaraha-mientan’ny Kilonga. Amin’ny fomba ahoana ihany koa ahafahantsika manampy ireo ankizy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo.

Lioka 17:11–19

Afaka mampiseho ny fitiavako ny Ray any An-danitra aho amin’ny alalan’ny fankasitrahana noho ireo fitahiana azoko.

Mety hamporisika ny ankizy mba hankasitraka ny tantaran’ireo boka folo, amin’ny fomba ahoana?

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao ny tantaran’ireo boka folo izay nositranin’i Jesoa. Ampisehoy ilay sary hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary asao ireo ankizy mba hanisa ireo rantsantanany folo. Dia asaivo mamoritra ny rantsantanany sivy izy ireo mba hampisehoana ilay boka iray izay nisaotra an’i Jesoa. Oviana ireo ankizy no naneho ny fisaorana tamin’ny namana iray na ny olon-tiany iray?

  • Asao ny kilasy tsirairay mba hanao fihetsika mikasika ireo zavatra izay ankasitrahan’izy ireo ary asaivo mamantatra izany ny ankizy ambiny. Asaivo mizara ireo fomba ahafahantsika mampiseho ny Ray any An-danitra fa mankasitraka noho ireo fitahiana azontsika ny ankizy.

Jaona 11:1–46

Mino isika fa i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra.

I Marta, izay anabavin’i Lazarosy, dia niteny tamin’i Jesoa hoe: “Mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra” (Jaona 11:27). Ny tantaran’i Maria sy i Marta ary i Lazarosy dia afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny ankizy momba an’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny tantaran’i Jesoa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty (jereo ihany koa ny “Toko 43: Namelona indray an’i Lazarosy i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 107–9) ary mampisehoa rantsan-kazo maty iray sy zava-maniry velona iray. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa noho ny herin’i Jesoa Kristy, ireo olona izay efa nodimandry dia hitsangana amin’ny maty sy hiaina mandrakizay.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ilay fehezan-teny izay nolazain’i Jesoa tamin’i Marta: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana” (Jaona 11:25). Hazavao fa noho ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia hahita ireo olon-tiantsika izay efa nodimandry indray isika.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Lioka 15

Afaka manampy an’i Jesoa hitady ireo ondriny very aho.

Mety tsy fantatr’ireo ankizy fa misy ankizy hafa ao amin’ny kilasy izay tsy tonga manatrika Kilonga. Ahoana no fomba ahafahanao mitaona azy ireo hanolo-tanana ireo ankizy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mamaky mangina na ny fanoharana momba ilay ondry very na ny fanoharana momba ilay farantsa very, izay hita ao amin’ny Lioka 15:1–10 ny ankizy, ka hizara ny zavatra nianarany.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto anarana ireto: ray, zanaka lahimatoa, ary zanaka faralahy Asehoy ny horonan-tsary “The Prodigal Son” (LDS.org) ary ajanony matetika izany mba ahafahan’ireo ankizy manoratra eo amin’ny solaitrabe ireo zavatra tsapan’izy ireo mahakasika ireo olona voatanisa ireo.

  • Angataho ny ankizy iray mba hivoaka ny efitrano, dia manafina vola madinika iray na ondry iray vita amin’ny taratasy ny ankizy ambiny. Asaivo miverina ilay ankizy, dia mitady ilay vola madinika na ilay ondry. Ampahatsiahivo ireo ankizy fa mety ho very tsy hahazo ireo fitahian’ny filazantsara ny olona. Asao izy ireo mba hanolotra hevitra ny amin’ireo fomba ahafahan’izy ireo manolo-tanana ny olona toy izany. Iaraho hiraina amin’ny ankizy ny “Au Berger elles sont chères,” Cantiques, no. 221, ary mijoroa ho vavolombelona momba ny fifaliana izay tonga rehefa miverina amin’ Andriamanitra ny olona.

  • Hazavao fa i Jesoa dia nampiasa ny ondry very sy ny farantsa kely very ary ny zanaka adala mba hampisehoana ireo olona izay “very” satria tsy manana ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara izy ireo. Asao ny ankizy mba hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay tsy mandeha any am-piangonana. Inona no azon’izy ireo atao mba hanampiana ireo olona ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo?

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny zanak’ondry eo an-tsorony

Ondry very, nataon’i Liz Lemon Swindle

Lioka 17:11–19

Afaka mampiseho ny fitiavako ny Ray any An-danitra aho amin’ny alalan’ny fankasitrahana noho ireo fitahiana azoko.

Ny tantaran’ireo boka folo dia mety ho fomba tsara iray hitaomana ny ankizy haneho fankasitrahana ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka ny tantaran’ireo boka folo. Ahoana no nitahiana ilay boka izay nanolotra fisaorana noho ny fankasitrahany? Nahoana no zava-dehibe ny misaotra an’ Andriamanitra noho ireo fitahiana azontsika?

  • Asao ny ankizy mba hitanisa ireo zavatra izay ankasitrahan’izy ireo izay miantomboka amin’ny tarehintsoratra tsirairay ao amin’ny anaran’izy ireo.

  • Angataho ny ankizy mba hanoratra teny fisaorana fohy ho an’ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiana nomeny azy ireo. Azon’izy ireo ahantona eo akaikin’ny fandriany ilay karatra mba hampahatsiahy azy ireo mba haneho fankasitrahana rehefa mivavaka izy ireo.

Jaona 11:1–46

Mino isika fa i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny tantaran’i Maria sy i Marta ary i Lazarosy mba hanampiana ny ankizy hahafantatra, tahaka an’i Marta, fa i Jesoa no “ilay Kristy, Zanak’ Andriamanitra”? (Jaona 11:27).

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ireo teny natao sasantsasany izay nolazain’ireo olona ao amin’ny Jaona 11. Asao ny ankizy mba hamantatra ny olona nilaza ny teny tsirairay, ary asaivo mamaky ny Jaona 11 izy ireo mba hanamarinana ny valintenin’izy ireo. Ahoana no ho fahatsapan’izy ireo raha toa ka i Jesoa na i Marta na i Maria na i Lazarosy izy ireo? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny finoana an’i Jesoa antsika rehefa malahelo na matahotra isika?

  • Vakio ny fijoroan’i Marta ho vavolombelona , izay hita ao amin’ny Jaona 11:20–27. Angataho ireo mpianatra hitady ireo teny sy andian-teny izay mampiseho fa nanana finoana i Marta. Inona no azontsika atao mba hananana finoana rehefa sarotra izany?

  • Ampio ny ankizy hitadidy tsianjery ny Jaona 11:25. Hazavao fa hitsangana amin’ny maty ny rehetra, saingy ireo olo-marina ihany no hahazo fiainana mandrakizay sy hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy indray.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Omeo taratasy vitsivitsy na kahie kely azon’izy ireo ampiasaina mba hanoratana na hanaovana ny sarin’ireo zavatra ankasitrahan’izy ireo mandritra ny herinandro ny ankizy.

Manatsara ny fampianarantsika

Fanalahidin’ny fianarana ny famerimberenana. Mahazo tombontsoa avy amin’ny fihainoana fitsipika iray ao amin’ny filazantsara na fanaovana asa atao mihoatra ny indray mandeha ny ankizy. Ezaho averimberina amin’ny fomba samihafa ireo asa atao.