Avia, hanaraka Ahy
22–28 aprily. Matio 18; Lioka 10: -Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?-


“22–28 aprily. Matio 18; Lioka 10: -Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“22–28 aprily. Matio 18; Lioka 10,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
ilay Samaritana Tsara Fanahy

Ilay Samaritana tsara fanahy, nataon’i Dan Burr

22–28 aprily

Matio 18; Lioka 10

“Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”

Rehefa mamaky sy mandalina ombam-bavaka ny Matio 18 sy ny Lioka 10 ianao dia henoy tsara ny bitsika mangina avy amin’ny Fanahy Masina. Hilaza aminao ny fomba fiantefan’ireo fampianarana sy tantara ireo aminao Izy. Raketo ireo fahatsapana voarainao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Rehefa manontany zavatra amin’ny Tompo ianao dia mety hahazo valiny izay tsy nampoizinao. Iza ary no namako? Izay rehetra mila ny fanampianao sy ny fitiavanao. Iza moa no lehibe indrindra ao amin ny fanjakan’ny lanitra? Ny ankizy. Ampy ve ny mamela heloka impito ny olona iray izay nanafintohina? Tsia, mila mamela heloka impitopolo impito ianao. (Jereo ny Lioka 10:29–37; Matio 18:4, 21–22.) Rehefa mikatsaka ny sitrapon’ny Tompo ianao, fa tsy ny “[h]anamarina ny [tenanao]” (Lioka 10:29), satria tena te hianatra avy Aminy marina ianao, dia hampianatra anao ny fomba fiainana amin’ny fomba izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy Izy.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 18:21–35

Tsy maintsy mamela ny hafa aho raha te hahazo ny famelan’ny Tompo.

Mety ho mifono hatsaram-panahy lehibe tokoa ny tolo-kevitr’i Petera hoe afaka mamela olona impito izy, kanefa ny Tompo dia nampianatra lalàna ambony kokoa. Ilay valinteniny manao hoe: “Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby [fitopolo]” dia tsy mampianatra momba ny hoe impiry akory fa mampianatra toetra iray tahaka ny an’i Kristy, dia ny famelana. Rehefa mamaky ny amin’ny fanoharana momba ilay mpanompo ratsy fanahy ianao dia saintsaino ireo fotoana izay efa nahatsapanao ny famindrampo sy ny fangorahan’ Andriamanitra. Misy olona ve mila ny famindrampo sy ny fangorahanao?

Nampianatra ny Loholona David E. Sorensen ao amin’ny Fitopolahy hoe: “Tiako hazava fa ny famelan-keloka dia tsy tokony hafangaro amin’ny hoe fandeferana ny ratsy. … Na dia tsy maintsy mamela ny namantsika izay nandratra antsika aza isika dia tokony hanao zavatra amin’ny fomba tsara mba hisorohana ilay ratra tsy hiverina intsony” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Liahona, mey 2003, 

12).

Lioka 10:1–20

Iza moa ireo Fitopololahy?

Araka ny fomba natsangana tao amin’ny Testamenta Taloha (jereo ny Eksodosy 24:1; Nomery 11:16) dia “nanendry olona hafa koa [ny Tompo], dia [fitopolo] lahy,” ankoatra ireo Apôstôliny Roambinifolo, mba hijoro ho vavolombelona ny Aminy sy hitory ny filazantsarany ary hanampy Azy amin’ny asany. Mbola mitohy izany fomba izany ao amin’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny. Ny Fitopololahy dia antsoina mba hanampy ny Roambinifololahy amin’ny andraikiny amin’ny maha-vavolombelon’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao azy ireo. Alamina ho kôlejy ireo Fitopololahy. Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy roa voalohany dia atokana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, ary ireo mpikambana ao amin’ireo kôlejy hafa dia atokana ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra. (Jereo koa ny FF 107:25–26, 33–34, 97.)

Lioka 10:25–37

Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mitia an’ Andriamanitra sy mitia ny namako tahaka ny tenako aho.

Tena manampy ny mahatsiaro fa ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy no fomba namalian’i Jesoa ny fanontaniana hoe “Iza ary no namako?” Rehefa mamaky io fanoharana io ianao dia ataovy ao an-tsaina izany fanontaniana izany. Inona no valiny hitanao?

Tamin’ny andron’i Jesoa dia naharitra [taonjato] maro ny fifankahalana teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana. Ny Samaritana dia taranaka Jiosy nipetraka tao Samaria izay nifanambady tamin’ny Jentilisa. Nahatsapa ny Jiosy fa ny Samaritana dia lasa simban’ny fifangaroan’izy ireo tamin’ny Jentilisa ary nihemotra. Nivily lalana an-kilaometatra maro ny Jiosy rehefa mandeha mba tsy handalovana an’i Samaria. (Jereo ny Lioka 9:52–54; 17:11–18; Jaona 4:9; 8:48.)

Nahoana araka ny eritreritrao ny Mpamonjy no nisafidy ny Samaritana, olona izay halan’ny Jiosy, mba hatao ohatra izay maneho olona iray feno fangorahana sy fitiavana ny namany? Mitaona anao hanao inona io fanoharana io mba hanehoana famindrampo kokoa?

Jereo koa ny Môsià 2:17; “Seigneur, je te suivrai,” Cantiques, no. 141.

Lioka 10:38–42

Misafidy ilay “anjara tsara” isika rehefa manao safidy izay mitarika any amin’ny fiainana mandrakizay.

Nampianatra ny Rahavavy Bonnie D. Parkin, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, hoe: “I Maria sy i Marta dia izaho sy ianao . … Samy tia ny Tompo ireo olona roa ireo ary naniry ny haneho izany fitiavana izany. Amiko, tamin’io fotoana io dia toa naneho ny fitiavany tamin’ny fihainoana ny teniny i Maria, raha toa ka i Marta kosa naneho ny azy tamin’ny fanompoana Azy. … Tsy nanao tsinontsInona no ahiahin’i Marta i Jesoa, fa nanova kosa ny zavatra tokony hifantohany tamin’ny filazana mba hifidy ilay “anjara tsara” Ary inona izany? … Ilay zavatra iray ilaina dia ny misafidy ny fiainana mandrakizay [jereo ny 2 Nefia 2:28]. Misafidy isika isan’andro” (“Choosing Charity: That Good Part,” Liahona, nôv. 2003, 104). Fintino amin’ny teninao manokana ny zavatra nolazain’ny Tompo an’i Marta. Diniho ny fandaharam-potoanao, misy zavatra “ilaina” ve izay tokony hifantohanao bebe kokoa?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 18; Lioka 10

Inona ireo fihirana azon’ny fianakavianao hiraina izay mifandray amin’ireo fahamarinana ampianarina ato amin’ity toko ity? Misy ohatra iray “Seigneur, je te suivrai,” Cantiques, no. 141, saingy misy maro hafa. Ahoana no hanampian’ny tonon’izany hira izany ny fianakavianao hahatakatra bebe kokoa ny fampianaran’ny Mpamonjy?

Matio 18:1–11

Nahoana isika no tian’i Jesoa ho lasa tahaka ny zaza madinika? Inona avy ireo toetra sasany ananan’ny zaza izay hahatonga antsika ho tahaka an’i Kristy kokoa rehefa ampiharina eo amin’ny fiainantsika? (jereo ny Môsià 3:19).

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny ankizy eo am-pofoany

Tian’i Jesoa ireo mpianany mba ho lasa tahaka ny zaza madinika.

Lioka 10:25–37

Inona no mety hampiaina ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ho an’ny fianakavianao? Mety ho tian’izy ireo ve ny manao fitafy hilalaovana an-tsehatra izany? Ataovy izay hanampiana ny fianakavianao hahita ny fomba hahafahany ho tahaka ilay Samaritana tsara fanahy. Misy olona mila fanampiana ve any an-tsekoly na any am-piangonana izay tokony hojerentsika akaiky? Inona no azontsika atao ho an’io olona io?

Lioka 10:40–42

Sarotra ve ny mametraka zavatra ara-panahy ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fianakavianao? Ny tantaran’i Maria sy i Marta dia mety hitarika ny filankevitry ny mpianakavy na ny takarivan’ny mpianakavy handinika ny fomba hanaovana izany. Rehefa miaraka amin’ny mpianakavy dia afaka manao lisitra ny fomba ahafahana misafidy ilay “anjara tsara” ianareo (jereo ny Lioka 10:42).

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikolokoloa tontolo iray feno fitiavana Ny zavatra tsapan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana momba ny tsirairay ao amin’izy ireo sy ny fifampitondran’izy ireo dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny tontolon’ny tokantranonao. Ampio ny rehetra ao amin’ny fianakavianao hanao ny anjarany amin’ny fanorenana tokantrano feno fitiavana sy fanajana mba hahazo aina ny tsirairay hizara ireo zavatra niainana na fanontaniana na fijoroana ho vavolombelona. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15.)

Sary
I Kristy niaraka tamin’i Maria sy i Marta

I Kristy ao an-tranon’i Maria sy i Marta, nataon’i Walter Rane