Avia, hanaraka Ahy
1–14 aprily. Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9: -Hianao no Kristy-


“1–14 aprily. Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9: -Hianao no Kristy-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“1–14 aprily. Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Ny fiovan’i Kristy tarehy

Ny fiovana tarehy, nataon’i Carl Heinrich Bloch

1–14 aprily

Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9

“Hianao no Kristy”

Mandritra ny roa herinandro manaraka dia saintsaino ny tenivavolombelon’i Petera hita ao amin’ny Matio 16:15–17, sy ny tenivavolombelon’ireo mpaminany sy apôstôly izay horenesinao mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Tsy hafahafa ve raha ny Fariseo sy ny Sadoseo no hangataka an’i Jesoa mba haneho “famantarana … avy any an-danitra”? Tsy efa ampy ve ireo fahagagana malaza nataony? Dia ahoana ny amin’ireo fampianarana mahery vaika nomeny na ireo fomba maro nahatanterahany ireo faminaniana fahiny? Tsy ny tsy fisian’ny famantarana no nitaona azy ireo hangataka fa ny tsy fahavononany hamantatra famantarana ary hanaiky izany. (Jereo ny Matio 16:1–4.)

I Petera, tahaka ireo Fariseo sy Sadoseo, dia nahita maso ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy ary nahare ny fampianarany. Saingy ilay tenivavolombelon’i Petera izay tsy miova hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona” dia tsy avy amin’ny retsipamantarany ara-batana (ny “nofo aman-drà”). Ny fijoroany ho vavolombelona dia nambaran’ny Raintsika izay any An-danitra taminy.” Ny fanambarana no ilay vatolampy nanorenan’ny Mpamonjy ny Fiangonany, tamin’izany ary hatramin’izao, dia ny fanambarana avy any an-danitra ho an’ireo mpanompony. Ary eo ambonin’io vatolampy io no ahafahantsika manorina ny maha-mpianatra antsika, dia ny fanambarana fa i Jesoa no Kristy ary ireo mpanompony dia mihazona ireo “fanalahidin’ny fanjakana.” Rehefa miorina eo ambonin’izany fototra izany isika, “ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita [dia] tsy haharesy [antsika].” (Matio 16:15–19.)

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 16:13–17; Lioka 9:18–21

Ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia tonga amin’ny alalan’ny fanambarana.

Raha manontany ny olona i Jesoa Kristy izao hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’ olona?” dia tsy hitovy amin’ny valinteny nomen’ny olona tamin’ny androny ny valinteny homen’izy ireo. Inona no tsikaritrao amin’ny fandraisan’ny olona amin’izao fotoana izao an’i Jesoa? Inona no havalinao raha manontany anao i Jesoa hoe: “Ataonao ho iza moa Aho?” (Jereo ny Matio 16:13–15.)

Saintsaino ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny fomba nahazoanao izany. Inona no ianaranao avy amin’ny Matio 16:15–17 izay mety hampatanjaka izany? Raha te hianatra bebe kokoa mikasika ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana ianao dia karohy ireto soratra masina ireto: Jaona 15:26; 1 Korintiana 12:3; 2 Nefia 31:18; Almà 5:45–48; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.

Matio 17:1–9; Marka 9:2–10; Lioka 9:28–36

Inona no nitranga teo amin’ny Tendrombohitry ny fiovan-tarehy?

Rehefa nentin’i Jesoa ho eny “an-tendrombohitra avo” i Petera sy i Jakoba ary i Jaona dia niova tarehy (na nomem-boninahitra) teo anatrehan’izy ireo Izy. Niseho ihany koa i Mosesy sy i Elia ary nanome ny fanalahidin’ny Fisoronana tamin’ireo Apôstôly. Ireo fanalahidy ireo no nanome fahafahana azy ireo hitarika ny Fiangonan’i Kristy eto an-tany taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiovan-tarehy”). Naverina tamin’ny laoniny ihany koa ireo fanalahidy ireo amin’izao androntsika izao (jereo ny FF 110).

Matio 16:13–19; 17:1–9

Inona ireo “fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” ireo?

Ny “fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” izay nampanantenain’ny Mpamonjy an’i Petera dia ireo fanalahidin’ny fisoronana (Matio 16:19). “Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambony tany. Ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana dia tantanan’ireo izay mihazona ireo fanalahidiny (jereo ny FF 65:281:2124:123 Ireo mpihazona fanalahidin’ny fisoronana dia manan-jo hiahy sy hitarika ny Fiangonana ao anatin’ny faritra sahanina iray” (Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana [2010], 2.1.1).

Sary
sarivongan’i Petera mihazona fanalahidy

Ny “fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” dia ny fanalahidin’ny fisoronana.

Ireo fanalahidin’ny fisoronana nomena an’i Petera sy ireo Apôstôly hafa teo amin’ny tendrombohitry ny fiovan-tarehy dia tafaverina amin’ny laoniny amin’izao androntsika izao (jereo ny FF 110:11–16). Ny mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana dia ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireo Manampahefana Ambony hafa, ireo filohan’ny tempoly, misiôna, tsatòka ary distrika, sy ireo eveka sy filohan’ny sampana ary filohan’ny kôlejy.

Jereo ihany koa ny Neil L. Andersen, “Hery ao amin’ny fisoronana,” Liahona, nôv. 2013, 92–95; ny Miorim-paka ao amin’ny finoana,.

Matio 17:14–21; Marka 9:14–29

Rehefa mikatsaka finoana bebe kokoa dia tokony hifikitra amin’ny finoana izay efa ananako aho.

Ilay ray voalaza ao amin’ny Matio 17 sy ny Marka 9 dia nanana antony hisalasalana hoe afaka hanasitrana ny zanany i Jesoa. Nangataka ny mpianatr’i Jesoa izy mba hanasitrana ny zanany fa tsy nahavita ireo. Fa rehefa nanasa azy mba hampihatra finoana ny Mpamonjy dia tsy nifantoka tamin’ny fisalasalany izy. “Mino aho,” hoy izy, ary avy eo tao anatin’ny fiaikena fa tsy tonga lafatra ny finoany, dia nanampy izy hoe: “Vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako.”

Inona no nampianarin’ny Fanahy anao rehefa namaky io fahagagana io ianao? Ahoana no nanampian’ny Ray any An-danitra anao hampitombo ny finoanao? Inona no azonao atao mba hiorina eo amin’ny finoana izay efa anananao? Angamba afaka manaolisitra ahitana soratra masina, na hafatra avy tamin’ny fihaonambe, na zavatra niainana izay nampatanjaka ny finoanao ianao.

Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Tompo ô, Mino aho,” Liahona, mey 2013, 93–95.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 16:13–19; 17:1–9

Mba hampianarana ireo ankizy mikasika ny fanalahidin’ny fisoronana dia azonao tantaraina ilay tantaran’ny Loholona Gary E. Stevenson momba ilay fiara nihidy ka tsy tafiditra izy (jereo ny “Aiza ny fanalahidy sy ny fahefan’ny Fisoronana?” Liahona, mey 2016, 29–32). Azonao atao ny mamela ireo ankizy hampiasa fanalahidy mba hanokafana ny trano na ny fiara na zavatra mihidy hafa. Mampisehoa sarin’ny Filohan’ny Fiangonana iray ary mijoroa ho vavolombelona fa mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra izy, tahaka an’i Petera.

Matio 17:20

Efa nahafindra tendrombohitra ireo mpaminany nanam-pinoana an’i Jesoa (jereo ny Jakôba 4:6; Mosesy 7:13). Ity fijoroana ho vavolombelona manaraka nataon’ny Eveka Richard C. Edgley ity dia mety hahatonga an’io andininy io ho manan-danja amin’ny fianakavianao: “Tsy mbola nahita velively ny famindrana ny tena tendrombohitra iray aho. Kanefa noho ny finoako dia efa nahita ny fanesorana ny tendrombohitry ny fiahiahiana sy ny fahadisoam-panantenana aho ary nosoloina fanantenana sy fiheverana ny zava-drehetra ho tsara. Noho ny finoana dia efa nahita manokana ny fanoloana ny tendrombohitry ny fahotana tamin’ny fibebahana sy famelan-keloka aho. Ary noho ny finoana dia efa nahita manokana ny fanoloana ny tendrombohitry ny fijaliana tamin’ny fiadanana sy fanantenana ary fankasitrahana aho. Eny, efa nahita tendrombohitra maro nafindra aho” (“Faith—the Choice Is Yours,” Liahona, nôv. 2010, 33). Inona avy ireo tendrombohitra sasany eo amin’ny fiainantsika izay ilaina afindra? Ahoana no ahafahantsika maneho finoana ny herin’ Andriamanitra izay manampy antsika hanala ireo tendrombohitra ireo?

Lioka 9:61–62

Inona no dikan’ny hoe mierika rehefa avy mitana fangady tarihina? Nahoana io fihetsika io no mahatonga antsika tsy ho miendrika ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Miaraha mivory matetika. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “[Aza avela] velively fotsiny amin’izao ny fahafahana iray hanangonana miaraka ny zanaka mba hianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Ny fotoana toy izany dia mahalana raha oharina amin’ny ezaka ataon’ilay fahavalo” (“The Power of Teaching Doctrine,” Ensign, mey 1999, 74).

Sary
lehilahy manan-janaka marary eo anoloan’i Jesoa

Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny [zanakolahy], nataon’i Walter Rane