Avia, hanaraka Ahy
1–14 aprily. Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9: -Hianao no Kristy-


“1–14 aprily. Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9: -Hianao no Kristy-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“1–14 aprily. Matio 16; Marka 9; Lioka 9,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Ny fiovan-tarehin’i Kristy

Ny fiovan-tarehy, nataon’i Carl Heinrich Bloch

1–14 aprily

Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9

“Hianao no Kristy”

Eo am-pandalinanao ireto toko ao amin’ny Testamenta Vaovao ireto sy hihainoanao ireo hafatra mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, dia henoy tsara ireo hafatra izay tsapanao fa ilain’ny mpianatrao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Raha toa ka nihaino na nijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ireo ankizy ao amin’ny kilasinao, dia asao izy ireo mba hizara zavatra izay henony na hitany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 16:13–17

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona aho fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ny fijoroana ho vavolombelon’i Petera sy ny valintenin’i Jesoa mba hampianarana ny ankizy ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona sy hitaomana azy ireo hikatsaka ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hihaino izay nolazain’i Petera rehefa mamaky ny Matio 16:15–17 ianao. (Jereo ihany koa ny “Toko 32: Nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy i Petera,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 76–77 .) Hazavao fa nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy i Petera. Vakio indray ireo andinin-tsoratra masina. Izao dia asaivo henoin’ny ankizy hoe tamin’iza no nilazan’i Petera fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa.

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy, ary hazavao ny fomba nahazoanao izany. Asao ny ankizy mba hikatsaka ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana avy amin’ny Ray any An-danitra.

Matio 16:15–19

Manome ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ny Fiangonana amin’ireo mpaminany sy apôstôly i Jesoa Kristy.

Nampitahain’ny Mpamonjy tamin’ny vato iray ny fanambarana ary tamin’ny fanalahidy ny fahefan’ny fisoronana. Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ireo fampitahana ireo mba hanampiana ny ankizy hino an’ireo izay mitarika ny Fiangonany?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa vato iray amin’ny ankizy rehefa miaraka mamaky ny Matio 16:18 amin’izy ireo ianao. Avereno miaraka amin’izy ireo ilay andian-teny hoe, “ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako,” ka ampio fihetsika miaraka amin’ireo teny. Hazavao fa ny Fiangonana dia miorina eo ambonin’ny “vatolampin’”ny fanambarana.

  • Mampisehoa fanalahidy vitsivitsy amin’ny ankizy ary anontanio hoe inona no ampiasantsika fanalahidy. Hazavao fa i Petera sy ireo apôstôly hafa dia nahazo ireo fanalahidin’ny fisoronana avy tamin’i Jesoa. Ireo fanalahidy ireo dia “mamaha” ireo fitahiana ho antsika ary manokatra ny lalana mankany an-danitra. Ohatra, ireo fanalahidin’ny fisoronana dia mamela antsika hatao batisa sy handray ny fanasan’ny Tompo. Omeo fanalahidy vita amin’ny taratasy ny ankizy ary asaivo manoratra fitahiana vitsivitsy izay “vahan’”ny fanalahidin’ny fisoronana izy ireo.

  • Ampisehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mihazona ireo fanalahidy rehetran’ny fisoronana izy ankehitriny, tahaka an’i Petera tamin’izany.

Sary
sarimivongan’i Petera mihazona fanalahidy

Nanome ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’i Petera i Jesoa.

Matio 17:19–20

Afaka mahavita fahagagana ny finoako.

Rehefa mamaky ny fampanantenan’i Jesoa ianao fa ny finoana tahaka ny voan-tsinapy dia afaka mamindra tendrombohitra, dia inona ireo fahatsapana azonao momba ireo ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hifandimby hanao sarina tendrombohitra lehibe sy voa kely eny amin’ny solaitrabe eo am-pamakianao ny Matio 17:19–20 miaraka amin’izy ireo. Hazavao fa ireo tendrombohitra tokony hafindrantsika dia matetika ireo zavatra izay toa sarotra amintsika ny manao azy. Inona avy ireo zavatra vitsivitsy izay mety ho toy ny tendrombohitra ho antsika? Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hieritreritra momba ny fomba ahafahan’ny finoana manampy azy ireo hanao ireo zavatra tian’ Andriamanitra ataon’izy ireo.

  • Mametraha sarina tendrombohitra eo amin’ny ilan’ny rindrina iray, ary soraty eo amin’izany ny teny toy ny hoe tahotra, ahiahy, na tebiteby. Asaivo milaza izay azon’izy ireo atao mba hahazoana finoana bebe kokoa an’i Jesoa ny ankizy. Avelao ny ankizy tsirairay izay mandroso hevitra iray mba hanakisaka ilay tendrombohitra hanakaiky ny ilan’ny rindrina. Vakio ny Matio 17:19–20, ary mijoroa ho vavolombelona momba ny herin’ny finoana eo amin’ny fiainanao.

  • Asaivo hirain’ny ankizy ny “La foi,” Chants pour les enfants, 50, ary omeo voa iray hoentina mody any an-trano ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo mba hamboly ilay voa ary hametraka izany eo amin’ny toerana izay ahafahan’izy ireo mahita izany mitombo, hanampiana azy ireo hahatsiaro mba hanana finoana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 16:13–17

Tonga amin’ny alalan’ny fanambarana avy any an-danitra ny fijoroana ho vavolombelona iray.

Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fijoroan’i Petera ho vavolombelona ao amin’ny Matio 16:13–17 ny ankizy rehefa manorina ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy izay holazain’izy ireo raha toa ka manontany ny olona iray hoe: “Iza moa i Jesoa?” Asao ny ankizy hamaky ny Matio 16:13–17 hahitana ny fomba namalian’i Petera izany fanontaniana izany. Ahoana no nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa? Inona no azontsika atao mba hanamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona?

  • Ampio ireo ankizy hampitaha ny fomba ahafantarantsika ireo fahamarinana ara-panahy amin’ireo fomba ahafantarantsika ireo fahamarinana hafa. Ohatra, ahoana no ahafantarantsika ny halavan’ny olona iray na hoe manao ahoana ny toetrandro? Ahoana no ahafantarantsika fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra?

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy, ary omeo fanamby ny ankizy mba hahazo na hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana.

Matio 16:15–19

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tarihin’ireo izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana.

Ny fandalinana ny Matio 16:15–19 dia afaka mampiorim-paka ny finoana ananan’ny ankizy fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana izay natsangan’i Jesoa rehefa niaina teto ambonin’ny tany Izy.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny Matio 16:19 ka aza soratana ny teny vitsivitsy, anisan’izany ny teny hoe “fanalahidy.” Asaivo tadiavin’ny ankizy ireo teny tsy eo.

  • Avereno jerena ny fampahafantarana momba ireo fanalahidin’ny fisoronana ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, 126–27. Inona no atao hoe fanalahidin’ny fisoronana? Ahoana no hitovian’ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny tena fanalahidy?

  • Ampio ny ankizy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo olona izay manana ireo fanalahidin’ny fisoronana. (Ny Miorim-paka ao amin’ny finoana 126–27, dia manana lisitra izay afaka manampy azy ireo.) Asao ny olona iray ao amin’ny paroasinao izay mihazona ireo fanalahidy ireo mba hiresaka amin’ny mpianatra ny antony maha-manan-danja an’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo.

  • Afeno eran’ny efitrano ny fanalahidy maromaro (na sarina fanalahidy) ary asao ny ankizy hitady izany. Rehefa hita ny fanalahidy tsirairay dia ampio ny ankizy hieritreritra ireo fitahiana hankamamiantsika noho ireo fanalahidin’ny fisoronana (ohatra: fianakaviana mandrakizay, batisa, ary ny fanasan’ny Tompo).

Lioka 9:28–36

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Ny Fiovan-tarehin’i Kristy dia anisan’ireo fotoana vitsy ao amin’ny soratra masina izay nahenoana ny feon’ny Ray any An-danitra mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Zanaka Malalany. Afaka mampiorim-paka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ny fandalinana ity tantara ity miaraka amin’ny ankizy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny Fiovan-terahin’i Kristy, araka ny hita ao amin’ny Matio 17:1–9. Asaivo mifanazava ny sary nataony izy ireo. (Jereo ihany koa ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.)

  • Omeo fotoana ny ankizy hisaintsainana izay ampianarin’io tantara io azy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hanoratra ny eritreriny eny amin’ny solaitrabe. Manasà ankizy vitsivitsy mba hizara ny fomba ahafantaran’izy ireo fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanontany ny ray aman-dreniny na ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana ny fomba nahazoan’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira. Ireo hiran’ny kilonga sy fihirana dia afaka manampy ny ankizy amin’ny taona rehetra mba hahatakatra sy hahatsiaro ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ny fihirana ihany dia afaka mihazona ny ankizy ho mazoto mandray anjara amin’ny traikefa amin’ny fianarana iray. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy  22.)

Sary
pejin’ny asa atao: Afaka mahavita fahagagana ny finoantsika.