Avia, hanaraka Ahy
25–31 martsa. Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6: -Aza matahotra-


“25–31 Martsa. Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6: -Aza matahotra-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“25–31 Martsa. Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Kristy namahana olona maro be

Fahano izy ireo, nataon’i Jorge Cocco

25–31 martsa

Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6

“Aza matahotra”

Rehefa miomana ny hampianatra avy ao amin’ny Matio 14–15; Marka 6–7 ary Jaona 5–6 ianao dia mitadiava hafatra izay ilaina eo amin’ny fiainan’ny ankizy ampianarinao. Inona araka ny hevitrao no hanampy azy ireo hahatakatra ireo hafatra ireo? Afaka manome hevitra vitsivitsy ho anao ity rindran-damina ity.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mampisehoa sarin’i Jesoa mandeha eo ambonin’ny rano (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana), dia angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo mikasika io tantara io.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Jaona 5:1–9

Mahafantatra ny zavatra ilaintsika sy ny zavatra afaka manampy antsika i Jesoa Kristy.

Rehefa mamaky mikasika an’i Jesoa nanasitrana ilay lehilahy narary teo anilan’ny farihy Betesda ianao, dia saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahita ny zavatra ampianarin’ilay tantara mikasika ny hatsaram-panahin’i Jesoa sy ny fitiavany ary ireo toetra tsara hafa nananany.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny sary I Kristy nanasitrana ilay narary tany Betesda (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 42) mba hitantarana amin’ny ankizy ny tantara ao amin’ny Jaona 5:1–9 . Angataho ny ankizy mba haka sary an-tsaina hoe izy ireo ilay olona nositranin’i Jesoa. Inona no tsapan’izy ireo rehefa nositranin’i Jesoa izy ireo?

  • Angantaho ny ankizy mba hitanisa zavatra izay sarotra ho azy ireo na mitondra alahelo eo amin’izy ireo. Mitantarà fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nandraisanao fanampiana avy tamin’ny Mpamonjy nandritra ny fitsapana mafy iray. Mijoroa ho vavolombelona fa mahafantatra ny olantsika rehetra i Jesoa ary te hanampy antsika.

Matio 14:13–21

Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa isika rehefa tsara fanahy amin’ny hafa.

Ny fomba iray nanehoan’i Jesoa fitiavana dia tamin’ny namahanany an’ireo mpanara-dia azy rehefa noana izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra hanompo ny hafa tahaka ny nataon’i Jesoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa harona sy mofo vitsivitsy rehefa mitantara ny tantara ao amin’ny Matio 14:13–21 ianao. Hazavao fa na dia nandeha tany an-tendrombohitra mba ho irery aza i Jesoa dia naniry ny ho eo akaikiny ny olona. Zarao amin’ny ankizy ny ambin’ilay tantara dia angataho izy ireo mba hihaino ny zavatra nataon’i Jesoa mba hanehoana hatsaram-panahy sy fitiavana ho azy ireo.

  • Angataho ny ankizy mba hizara fomba izay nanehoan’ny olona hatsaram-panahy tamin’izy ireo. Inona no azonao atao amin’ity herinandro ity mba hanehoana hatsaram-panahy amin’ny hafa? Isaky manome valiny izy ireo dia manaova sarina mofo na hazandrano eo amin’ny solaitrabe. Lazao ny ankizy fa rehefa manao ireo zavatra ireo izy ireo dia manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa rehefa namahana olona dimy arivo izay noana Izy.

Matio 14:22–33

Afaka manampy antsika mba tsy hatahotra ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Nampiseho finoana lehibe i Petera rehefa nandeha teo ambonin’ny rano nanatona an’i Jesoa. Inona no lesona mety ho an’ny ankizy ao anatin’io tantara io?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sary I Jesoa nandeha teny ambonin’ny rano (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 43) rehefa mitantara ilay tantara amin’ny alalan’ny teninao manokana ianao. Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hamerina io tantara io aminao. Azonao atao koa ny mitondra vilia lalina aty misy rano, dia asao ny ankizy mody “hampandeha” ny rantsantanany eo amin’ny vohon’ny rano

  • Asehoy ny horonan-tsary “Wherefore Didst Thou Doubt?” (LDS.org), ary asaivo jeren’ireo ankizy ny antony nahatonga an’i Petera ho natahotra. Angataho izy ireo mba hitantara fotoana izay nahatsapan’izy ireo tahotra ary hizara ny zavatra nanampy azy ireo. Ampio izy ireo hahita fa ny finoana an’i Jesoa Kristy dia manampy antsika handresy ny tahotra.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Jaona 5:17–47

Mampianatra antsika momba ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.

Ahoana no ahafahan’ireo fampianaran’i Jesoa mikasika ny Rainy manampy ny ankizy hahafantatra mikasika ny Ray any An-danitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Manamboara andian-karatra roa izay mifanaraka ka ahitana ireo teny izay nampiasain’i Jesoa mba hampianarana mikasika ny Ray any An-danitra ao amin’ny Jaona 5, toy ny hoe tia, fiainana, ary asa (jereo ny Jaona 5:20, 26, 36). Ahohofy ireo karatra, dia angataho ny ankizy mba hitady an’izay mifanaraka amin’ny alalan’ny famadihana karatra roa isaky ny mandeha. Isaky ny vita ny mampifanaraka karatra iray dia vakio ilay andininy ahitana ilay teny ary anontanio ny ankizy ny zavatra ampianarin’ilay teny antsika momba ny Ray any An-danitra.

  • Angataho ny ankizy mba hamaky ny Jaona 5:30, dia avy eo hameno ity fehezan-teny manaraka ity: “Fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa  …” Ahoana no fomba nanaovan’i Kristy ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra? Ahoana no fomba ahafahantsika manao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra?

Jaona 6:5–14

Afaka mitondra fiovana ny zavatra kely atolotsika.

Zazalahy iray no nanome mofo sy hazandrano izay nampiasain’i Jesoa mba hamahanana olona dimy arivo. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahita ny fomba ahafahan’izy ireo mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny asan’ny Tompo?

Asa atao azo tanterahina

  • Zarazarao ho an’ny ankizy ireo bisikoita masira vitsivitsy na ireo tapatapa-mofo. Ampio izy ireo haka sary an-tsaina ny habetsak’izany olona dimy arivo izany. Ahoana izany mamahana olona maro amin’ny alalan’ny mofo dimy sy hazandrano roa monja izany?

  • Manasà ankizy iray mba hitantara amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana ny tantaran’ny famahanana ireo olona dimy arivo. Ahoana no ahafahantsika ho tonga tahaka ilay zazalahy ao amin’ny Jaona 6:9? Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ireo mofo sy hazandrano eo amin’ny taratasy ary hanoratra eo amin’izy ireo ny sasany amin’ireo zavatra izay azon’izy ireo atolotra ny Tompo mba hanampiana Azy amin’ny asany.

  • Omeo piozila kely mba hovitainy ny ankizy. Inona no zavatra hitranga raha toa ka tsy eo ny iray amin’ireo singa mandrafitra ilay piozila? Hazavao fa toy ilay singa iray ao anatin’ilay piozila isika. Manana anjara biriky manan-danja entiny eo amin’ny fiainan’ny hafa isika rehetra. Inona no anjara biriky entin’ny ankizy ho an’ny fianakaviany na ny kilasiny?

Sary
mofo sy hazandrano

Nampihinana vahoaka 5.000 tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa tamin’ny fomba mahagaga i Jesoa.

Matio 14:22–33

Afaka manampy antsika mba tsy hatahotra ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Ny finoana sy ny tahotra dia manana anjara toerana manan-danja ao anatin’ilay tantaran’i Jesoa sy i Petera nandeha teny ambonin’ny ranomasina. Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’izany tantara izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sary ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Angataho ny ankizy mba hitady andininy iray ao anatin’ny Matio 14 izay mamaritra ilay sary.

  • Angataho ny ankizy mba hitady mari-pamantarana ny finoana sy mari-pamantarana ny tahotra rehefa mamaky ny Matio 14:22–33 izy ireo. Afaka mampiseho ny horonan-tsary “Wherefore Didst Thou Doubt?” ianao (LDS.org). Inona no dikan’ny hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy? Ahoana no fomba ahafahantsika manolo ny tahotra amin’ny finoana?

  • Asaivo maka sary an-tsaina ny ankizy hoe nanatrika izany izy ireo ary nanana fakan-tsarimihetsika rehefa nandeha teny ambonin’ny ranomasina i Jesoa sy i Petera. Inona no fotoana hosafidin’izy ireo mba halaina sary ary nahoana? Toroy hevitra izy ireo mba handinika ny Matio 14:22–33 mba hahitana hevitra. Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ilay fotoana izay nosafidin’izy ireo, dia hizara ny sary nataon’izy ireo ary hanazava ny antony nisafidianan’izy ireo izany fotoana izany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Raha nahavita ity pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity ny ankizy, dia asao izy ireo mba hampiasa izany hampianarana ny fianakaviany ny zavatra izay nianaran’izy ireo androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Asao mba hizara. Anontanio ny ankizy izay eritreriny sy zavatra tsapany ary zavatra niainany. Ho hitanao fa manana hevitra tsotra nefa lalina izy ireo matetika.