Avia, hanaraka Ahy
4–10 martsa. Matio 8–9; Marka 2–5:-Ny finoanao no nahasitrana anao-


“4–10 martsa. Matio 8–9; Marka 2–5: -Ny finoanao no nahasitrana anao-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“4–10 martsa. Matio 8–9; Marka 2–5,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Jesoa nanasitrana ilay lehilahy nalemy tongotra

Fanasitranana ao amin’ny tanany, nataon’i Jon McNaughton

4–10 martsa

Matio 8–9; Marka 2–5

“Ny finoanao no nahasitrana anao”

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 8–9 sy ny Marka 2–5 Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara tantara iray momba ny fanatanterahan’i Jesoa fahagagana iray (jereo ny lisitry ny fahagagana ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Azonao atao koa ny mampiseho sary mifandray amin’ny filazantsara (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 4041, na LDS.org).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 8–9; Marka 25

I Jesoa dia manana ny hery hanatanterahana fahagagana.

Rehefa mamaky mikasika ireo fahagagan’ny Mpamonjy ianao dia eritrereto izay fahagagana tokony hozaraina. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny anjara asan’ny finoana ao anatin’ireo fahagagana notanterahan’i Jesoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ny tantaran’ilay lehilahy nararin’ny paralysia Marka 2:1–12. Mba hahazoana fanampiana, dia jereo ny “Toko 23: Ilay lehilahy tsy afaka namindra,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 57-58 . Lazao amin’ny ankizy fa ilay lehilahy nararin’ny paralysia dia tsy afaka namindra. Ampio izy ireo hahatsapa fa io lehilahy io dia sitrana ary nahazo famelana tamin’ny Mpamonjy.

  • Asaivo mody manao hoe “mifoha” tahaka ny zanakavavin’i Jaïro ny ankizy rehefa mamaky ny Marka 5:22–23, 35–43 ianao. Ampio izy ireo hahatakatra fa nataon’i Jesoa ho azo tanterahina ny fahazoantsika rehetra ny fiainana mandrakizay.

  • Vakio ny Marka 5:34. Ampio ny ankizy mba hianatra tsianjery ny andian-teny hoe “Ny finoanao no nahasitrana anao,” angamba amin’ny alalan’ny fanomezana ny ankizy tsirairay teny iray, dia avy eo asaina milaza ny teniny araka ny tena filaharany ny ankizy. Efa nisy olona fantatr’izy ireo hoe sitrana ve rehefa narary?

  • Angataho ny ankizy mba hanakimpy ny masony sy hihaino rehefa mamaky ny Matio 9:27–30 ianao. Rehefa mamaky mikasika an’i Jesoa izay nanasitrana ireo lehilahy jamba i Jesoa dia asao ny ankizy mba hanokatra ny masony. Inona no ho tsapan’ny ankizy raha toa ka nositranin’i Jesoa izy ireo?

  • Asao ny ankizy mba hiresaka momba ny fotoana iray izay namparary azy ireo. Tantarao ny iray amin’ireo tantara mikasika an’i Jesoa nanasitrana ny marary, dia mijoroa ho vavolombelona fa afaka manasitrana sy mitahy antsika ny herin’i Jesoa rehefa mivavaka sy mandray ireo tsodranon’ny fisoronana. Hazavao fa na dia tsy manome ny fahagagana irintsika aza ny Tompo indraindray, dia tia antsika Izy ary mahafantatra ny zavatra ilaintsika. Hanome antsika ny fampaherezana ilaintsika Izy.

Marka 4:35–41

Rehefa matahotra aho na tandindomin-doza dia afaka manampy ahy hahatsapa fiadanana i Jesoa.

Ny tantaran’i Jesoa nampitsahatra ny tafio-drivotra dia afaka manampy ny ankizy hahafantatra fa afaka manome fiadanana azy ireo Izy rehefa mahatsapa ho matahotra izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy haka sary an-tsaina hoe eny ambonin’ny sambo izy ireo rehefa mamaky ny Marka 4:35–41 ianao. (Jereo koa ny “Toko 21: Nibaiko ny rivotra sy ny onjan-dranomasina i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 53 .) Angataho ny ankizy mba hamariparitra ny mety ho tsapan’izy ireo raha toa ka teo izy ireo. Tamin’ny fotoana inona no natahotra ny ankizy? Ahoana no fomba nahitan’izy ireo fampaherezana?

  • Asao ny ankizy mba hanao ny feon’ny tafio-drivotra, dia hijanona rehefa misy olona miteny hoe “Mangina, mitsahara.” Mijoroa ho vavolombelona fa toy ny ahafahan’i Jesoa mitondra fiadanana ho antsika rehefa misy tafio-drivotra any ivelany, no ahafahany mitondra fiadanana ao am-pontsika koa rehefa mihotakotaka ao anatintsika ao.

  • Mieritrereta fihetsika azo ampiarahina amin’ny andininy fahatelon’ny “Raconte-moi les histoires de Jésus,” Chants pour les enfants, 36.

Sary
I Kristy nampitsahatra ny tafio-drivotra

I Kristy nampitsahatra ny tafio-drivotra, nataon’i Robert T. Barrett

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Marka 25

Afaka manatanteraka fahagagana eo amin’ny fiainako i Jesoa rehefa manana finoana Azy aho.

Nanao fahagagana maro i Jesoa nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra fa misy fahagagana amin’izao fotoana izao?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hisafidy iray amin’ireto fahaganana manaraka ireto mba hovakina sy hatao sary: Marka 2:1–12; Marka 5:22–23, 35–43; na Marka 5:24–34. Asao ny ankizy hanazava ny sary nataony amin’ny mpianatra. Inona no ianaran’izy ireo momba an’i Jesoa mikasika ireo tantara ireo?

  • Angataho ny ankizy mba hilalao an-tsehatra ny zavatra tsapany rehefa marary na malahelo na matahotra na miahiahy izy ireo. Ahoana no fomba ahafahan’i Jesoa manampy antsika rehefa manana ireo fahatsapana ireo isika? Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy ny ankizy ao anatin’ireo toe-javatra rehetra ireo i Jesoa.

  • Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainana rehefa nandray tsodranon’ny fisoronana anankiray izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo. Inona no fomba nahasitrana an’ilay olona na nahazoany fitahiana?

Matio 8–9; Marka 25

Afaka mampiseho fitiavana ny hafa toy ny nataon’i Jesoa isika.

Naneho fitiavana lehibe tamin’ny alalan’ny fanasitranana ny marary sy ny ory i Jesoa. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampianatra ny ankizy mba haneho fangorahana ny olona sahirana.

Asa atao azo tanterahina

  • Misafidiana iray na maromaro amin’ireo fahagagana nataon’i Jesoa mba haverina vakina miaraka amin’ny ankizy, toy ny hita ao amin’ny Marka 2:1–12; Marka 5:22–23, 35–43; na Marka 5:24–34. Asao ny ankizy mba hizara fotoana iray nanampian’izy ireo olona iray sahirana sy ny zavatra tsapan’izy ireo.

  • Asao ny ankizy mba hizara toe-javatra hafa izay ahitana olona mety manana fahasahiranana. Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo?

  • Ampahatsiahivo ny ankizy fa tafiditra ao anatin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisa ny fanampiana ny hafa (jereo ny Môsià 18:8–10; Almà 34:28).

Matio 8:23–27; Marka 4:35–41

Rehefa matahotra aho na tandindomin-doza dia afaka manampy ahy hahatsapa fiadanana i Jesoa.

Ny ankizy dia mila mahafantatra fa afaka manome fiadanana azy ireo ny Mpamonjy rehefa miatrika ireo olan’ny fiainana izy ireo, ankehitriny sy amin’ny hoavy.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny iray amin’ireo ankizy mba hampiasa ny Marka 4:35–41 sy ny sary i Jesoa nampitsahatra ny tafio-drivotra (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 40) mba hitantarana ny tantaran’i Jesoa nampitony ny tafio-drivotra. Angataho ny ankizy mba hamariparitra ny mety ho tsapan’izy ireo raha toa ka teo izy ireo.

  • Asao ny ankizy hizara zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo fiadanana rehefa avy nivavaka nangataka fanampiana. Ampahatsiahivo izy ireo fa avy amin’ny Mpamonjy izany fiadanana izany.

  • Miaraha mihira amin’ny ankizy ny “Maître, la tempête lance,” Cantiques, no. 56, dia asao izy ireo mba hibitsibitsika rehefa mihira ny “Sois tranquille.”

  • Omeo taratasy miendrika rahona amin’ny fotoan’ny orana ny ankizy tsirairay dia angataho izy ireo mba hanoratra fitsapana iray izay mety mahazo ny olona iray. Apetaho eny amin’ny solaitrabe ny rahona rehetra izay anakonana sary irain’ny Mpamonjy. Asao ny ankizy iray mba hanala ny iray amin’ireo rahona dia hanolotra fomba ahafahantsika manampy olona iray manana fitsapana mba hahita fiadanana. Rehefa niala daholo ny rahona rehetra dia mijoroa ho vavolombelona mikasika ny hery ananan’ny Mpamonjy mba hampitony ny tafio-drivotry ny fiainantsika.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy mba hanoratra asa fanompoana iray hotanterahan’izy ireo amin’olona amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Mavitrika ny ankizy. Indraindray mety mahatsapa ianao fa ny fihetsiketsehan’ny ankizy dia manelingelina ny fianarana. Kanefa afaka manorina zavatra amin’ny alalan’ny toetran’izy ireo tia mihetsiketsika ianao amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo mba hilalao an-tsehatra tantara iray na hanao fihetsika izay mifanaraka amin’ny zava-miseho ao anatin’ny hira na soratra masina iray. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25.)

Sary
pejin’ny asa atao: Afaka manatanteraka fahagagana i Jesoa