Avia, hanaraka Ahy
18–24 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino-


“18–24 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino-”Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“18–24 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
varimbazaha vonona hojinjaina

18–24 martsa

Matio 13; Lioka 813

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”

Ny fanoharana dia tantara tsotra izay afaka manintona ny ankizy. Ity hevitra hoenti-mampianatra ity sy ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hampiasa ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy mba hampianarana fahamarinana manan-danja amin’ny ankizy.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mitondrà zavatra maromaro izay afaka manampy ny ankizy hahatsiaro ny sasantsasany amin’ireo fanoharana ao amin’ny Matio 13, toy ny voa-javamaniry iray, na perla iray, na vata fasian-java-tsarobidy iray. Asao ny ankizy hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo momba ireo fanoharana ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 13:1–23

Mila miomana hianatra ireo fampianaran’i Jesoa aho.

Ny ankizy kely dia mety tsy afaka hahatakatra ireo fanehoana an’ohatra rehetra ao amin’ny fanoharana momba ilay mpamafy, kanefa afaka mianatra ireo fahamarinana tsotra ampianarin’izany izy ireo. Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny ifandraisan’io fanoharana io amin’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa karazana tany (na sarina tany) eo am-pamintinanao ny Matio 13:3–8. Omeo voa iray mba hambolena ao amin’ny tany ny ankizy tsirairay. Anontanio ny ankizy ny zavatra azontsika atao mba hanampiana ny voantsika mba hitombo. Hazavao fa ny fananana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia fomba iray hanampiantsika ny “voan’” ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika mba hitombo .

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hahatakatra izay ampianarin’ny karazana tany tsirairay voafariparitra ao amin’ny Matio 13 momba ny fontsika. Anontanio ny ankizy hoe karazana fo inona no tian’i Jesoa hananan’izy ireo mba hianarana ireo fampianarany.

  • Vakio ny Matio 13:9, 15, ary asao ny ankizy mba hanondro ireo ampahany isan-karazany amin’ny vatany rehefa henony voatonona izy ireny. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo ampahany amin’ny vatana ireo mba hianarana ireo fampianaran’i Jesoa?

Matio 13:24–30, 36–43, 47–48

Tian’ny Ray any An-danitra hisafidy ny tsara aho.

Ny sasany amin’ireo fanoharana nataon’i Jesoa dia mampianatra fa hampisaraka ireo olon-dratsy amin’ny olo-marina Andriamanitra amin’ny andro farany. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo fanoharana mba hitaomana ny ankizy hisafidy ny tsara?

Asa atao azo tanterahina

  • Avelao ny ankizy hilalao ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary (jereo ny Matio 13:24–30). Hazavao fa ny vary dia maneho ireo olona izay manao safidy tsara, ary ny tsimparifary (ahitra manimba) dia maneho ireo olona izay tsy manao safidy tsara. Indray andro dia hangonin’ny Ray any An-danitra hiaina hiaraka Aminy ireo olo-marina.

  • Milazà tantara vitsivitsy momba ireo ankizy nanao safidy. Asaivo milaza hoe: “safidin’ny vary” ny ankizy rehefa misafidy ny tsara ireo ankizy ao amin’ireo tantara ary hoe: “safidin’ny tsimparifary” rehefa manao safidy ratsy ireo ankizy.

  • Mitondrà sarina salohim-bary, ary avelao hanao sary eo amin’ilay sary ireo fomba sasany ahafahan’izy ireo ho tonga olo-marina ny ankizy.

  • Mamoròna kilalao iray izay ahafahan’ny ankizy mampifanaraka ireo antsipirian-javatra avy ao amin’ny fanoharana momba ilay mpamafy amin’ny fitantarana ao amin’ny Matio 13:18–23.

Matio 13:44–46

Sarobidy ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny sarintsarin’ny harena sy perla sarobidy mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny lanjan’ny maha-ao amin’ny Fiangonan’i Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Afeno any amin’ny efitrano ny sarin’ny vata misy harena sy perla iray, dia avelao hitady izany ireo ankizy. Ampiasao ireo sary ireo mba hanampiana anao hampianatra ireo fanoharana ao amin’ny Matio 13:44–46. Inona no homen’ireo ankizy mba hahazoana perla tsara tarehy na harena ao an-tsaha? Hazavao fa indraindray isika mahafoy zavatra tsara iray mba hahazoana zavatra tsara kokoa. Lazao amin’ny ankizy ny antony maha-manan-danja ny filazantsara aminao.

  • Apetraho ao anatin’ny baoritra iray na vata iray ny zavatra na sary maromaro izay maneho ireo “harena” ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, toy ny tempoly na ny Bokin’i Môrmôna. Angataho ny ankizy tsirairay mba hisafidy zavatra na sary iray ary hiresaka momba ny antony maha-harena izany.

  • Miaraha mihira ny “L’Eglise de Jésus Christ,” Chants pour les enfants 48, ary asaivo mihaino ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ireo ankizy. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana niainanao satria mpikamban’ny Fiangonana ianao?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 13:1–23

Mila manomana ny foko handray ireo fampianaran’i Jesoa aho.

Amin’ny fomba ahoana ho ahafahanao manampy ny ankizy hamantatra ny maha-manan-danja ny fananana fo malefaka sy vonona mba hahafahan’i Jesoa mampianatra azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo anjara hamaky momba ny iray amin’ireo karazana tany efatra ao amin’ny Matio13:4–8 ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo mba hitady sy hizara izay zavatra mitranga amin’ireo voa ao amin’ilay karazana tany izay novakin’izy ireo ny momba izany. Ahoana no mety itovian’ny fontsika amin’ireo karazana tany ireo? (jereo ny Matio 13:19–23).

  • Omeo voa anankiroa ny ankizy tsirairay, ary asao izy ireo mba hamboly ny voa azon’izy ireo ao amin’ny tany malefaka sy eo ambonin’ny vato mivangongo. Voa iza no hanana fahafahana hitombo tsara kokoa? Ahoana no ahafahantsika maka antoka fa mitovy amin’ny tany malefaka ny fontsika ka afaka handray ireo fampianaran’ny Mpamonjy isika?

  • Asao ny ankizy mba hamaky ny Matio 13:9–17. Manaova sarina maso iray, sofina iray ary fo iray eo amin’ny solaitrabe. Ahoana no ampiasantsika ny tsirairay amin’ireo ampahan’ny vatana ireo mba hianarana ireo fampianaran’i Jesoa?

Matio 1:24-30, 36-43

Afaka misafidy ny tsara aho na dia tsy manao izany aza ireo manodidina ahy.

Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao sady mieritreritra ny ankizy ao an-tsainao, dia inona ireo fahatsapana tonga ao aminao?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hanao sarina zava-mitranga samihafa avy amin’ny fanoharana momba ny vary sy tsimparifary, izay hita ao amin’ny Matio 13:24–30, ary zarao amin’ny iray kilasy ny sary nataon’izy ireo. Angataho izy ireo mba hanisy anarana ny sary nataony ka hampiasa ny fitantarana ao amin’ilay fanoharana hita ao amin’ny Matio 13:36–43. Hazavao fa ny tsimparifary dia ahi-dratsy manimba.

  • Raha azo atao dia asehoy ny sarin’ny vary sy ny tsimparifary. Hazavao fa ny vary sy ny tsimparifary dia hitombo miaraka mandra-pahatapitr’izao tontolo izao. Izany dia mampianatra antsika fa miaina miaraka amin’ny tsara sy ny ratsy manodidina antsika isika, ka mila mitandrina mba hisafidy ny tsara. Asaivo mizara ny fomba ahafahan’izy ireo milaza ny maha-samy hafa ny tsara sy ny ratsy ny ankizy.

Matio 13:44–46

Sarobidy ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy.

Moa ve raisin’ireo ankizy ampianarinao ho harena sarobidy ny maha-mpikambana azy ireo ato am-piangonana. Afaka manampy azy ireo angamba ireo fanoharana ao amin’ny Matio 13:44–46.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy mba hamaky samirery ny Matio 13:44–46 ary hizara ireo fanoharana amin’ny tenin’izy ireo manokana amin’ny olona iray hafa ao an-dakilasy.

  • Maneteza boribory maromaro mba hanehoana vola madinika, ary apetraho ao anaty boaty fasiana zava-tsarobidy iray izany. Asao ireo ankizy mba haka vola madinika iray ary hanao sary na hanoratra eo ambonin’izany ny zavatra iray izay tian’izy ireo momba ny maha-mpikambana azy ireo ato amin’ny Fiangonana. Asaivo mizara ny zavatra napetrany teo amin’ny volany ireo ankizy.

  • Asao ny mpikambana iray ao amin’ny paroasy mba hizara ny tantaran’ny fiovam-pony sy hilaza izay zavatra nafoiny mba hidirana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hampianatra ny fianakavian’izy ireo momba ny iray amin’ireo fanoharana nianarany tao amin’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Tian’ny ankizy ny mizara ny zavatra nianarany. Na dia mbola kely aza izy ireo dia afaka mampatanjaka ny olona ao amin’ny fianakaviany ny ankizy. Amporisiho izy ireo mba hizara amin’ny fianakaviana ireo zavatra izay nianarany tao amin’ny Kilonga. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30.)

Sary
pejin’ny asa atao: Mila mianatra ny ho vonona aho