Avia, hanaraka Ahy
18–24 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino-


“18-24 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“18-24 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
vary efa vonona hojinjaina

18–24 martsa

Matio 13; Lioka 813

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”

Eo am-pamakianao ny Matio 13 sy ny Lioka 813 dia eritrereto ny fomba hiomananao “hihaino” sy hankasitraka ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo fanoharana ireo. Inona no hataonao hampiharana ireo fampianarana ireo eo amin’ny fiainanao?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Ny sasany amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay tsy hay hadinoina dia tamin’ny endrika tantara tsotra antsoina hoe fanoharana. Tsy tantara fohy mahaliana mikasika zavatra na trangan-javatra tsotra fotsiny izy ireny. Mirakitra fahamarinana lalina momba ny fanjakan’ Andriamanitra izy ireny ho an’ireo izay vonona ara-panahy. Ny fanoharana momba ny mpamafy voa (jereo ny Matio 13:3–23), iray amin’ireo fanoharana voalohany voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia manasa antsika handinika ny fahavononantsika handray ny tenin’ Andriamanitra. “Fa izay mandray,” hoy ny nambaran’i Jesoa, “no homena, ka hanana be dia be” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 13:10) . Koa rehefa miomana ny handalina ireo fanoharany, na ireo fampianarany, isika, dia tsara ny manomboka izany amin’ny fandinihana ny fontsika ary mamaritra raha toa ka omentsika “tany tsara” mba hitomboana sy hivelarana ary hiroboroboana ny tenin’ Andriamanitra, ka hamokatra voany izay hitahy be dia be antsika sy ny fianakaviantsika (Matio 13:8).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 13

Inona ilay “fanjakan’ny lanitra” izay resahin’i Kristy ao amin’ny Matio 13?

Ao amin’io toko io, “ny fanjakan’ny lanitra” dia entina milaza ny Fiangonana marin’i Kristy, izay fanjakan’ny lanitra ety an-tany. Mba hahazoana fanazavana fanampiny dia jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanjakan’ Andriamanitra na Fanjakan’ny lanitra.”

Matio 13:3–23; Lioka 8:4–15

Tokony ho vonona handray ny tenin’ Andriamanitra ny foko.

Nahoana ny fo sasany no mora mandray ny fahamarinana kanefa ny sasany manohitra izany? Ny famakiana ny fanoharana momba ny mpamafy voa dia afaka manolotra fahafahana tsara hieritreretana momba ny fandraisanao ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. Mety hanampy ny mampifandray ny andininy 3–8 an’ny Matio 13 amin’ireo fanazavana omena ao amin’ny andininy 18–23 aloha. Inona no azonao atao mba hikolokoloana “tany tsara” ao anatinao? Inona no mety ho “tsilo” izay mihazona anao tsy haheno sy hanaraka ny tenin’ Andriamanitra?

Jereo ny Lioka 13:34; Môsià 2:9; 3:19; Almà 12:10–11; 32:28–43; Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, mey 2015, 32–35.

Matio 13:24–35, 44–52

Ny fanoharan’i Jesoa dia manampy ahy hahatakatra ny fitomboan’ny Fiangonana sy ny hoaviny.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ilay fanoharana ao amin’ny Matio 13 dia manoritsoritra ny fitomboan’ny Fiangonana sy ny hoaviny amin’ny andro farany (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 293–303). Rehefa mamaky ireo fanoharana ireo ianao dia soraty ny zavatra izay ampianariny momba ny Fiangonan’ny Tompo (azonao atao ny miresaka ny zavatra nampianarin’i Joseph Smith momba ny sasany amin’ireo fanoharana ireo):

  • Ny [varimbazaha] sy ny tsimparifary (13:24–30, 36–43): Miara-mitombo ny ratsy sy ny tsara mandra-pahatapitr’izao tontolo izao.

  • Ny voan-tsinapy (13:31–32):

  • Ny masirasira (13:33):

  • Ilay harena nafenina sy ilay vato soa sarobidy (13:44–46):

  • Ny harato-tarihina (13:47–50):

  • Ilay tompon-trano (13:52):

Rehefa avy nandalina ireo fanoharana ireo, inona no tsapanao fa tokony hataonao mba handraisana anjara tanteraka kokoa amin’ny asan’ny Fiangonan’i Kristy amin’ny andro farany? Inona no fanontaniana tonga ao an-tsaina izay mety hanampy anao hampihatra ireo fanoharana ireo? Ohatra, “Inona no vonona hafoiko

ho an’ny Fiangonana?”

Sary
vato soa

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia “vato soa iray sarobidy” (Matio 13:46).

Matio 13:24–30, 36–43

Ny tsara dia tsy maintsy mitombo eo anivon’ny ratsy mandra-pahatapitr’izao tontolo izao.

Ny fomba iray azo hamakafakana io fanoharana io dia ny fanaovana sarin’izany ary ny fanoratana eo aminy ireo fanazavana ao amin’ny Matio 13:36–43 sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7. Ny tsimparifary dia voa misy poizina izay mitovy endrika amin’ny varimbazaha mandra-pahatonga azy ho salohy (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tsimparifary”). Fahamarinana inona ao amin’io fanoharana io no mitaona anao hijanona ho mahatoky na dia eo aza ny ratsy ao amin’izao tontolo izao?

Lioka 8:1–3

Tamin’ny fomba ahoana no nanompoan’ny “vehivavy sasany” ny Mpamonjy?

“Ny mpianatra vehivavy dia niara-dia tamin’i Jesoa sy ny Apôstôly, izay nianatra zavatra ara-panahy avy tamin’i Jesoa ary nanompo azy ara-batana. … Ankoatra ny fandraisana fanompoana nataon’i Jesoa, ny vaovao mahafalin’ny filazantsarany sy ireo fitahian’ny heriny manasitrana, dia nanompo Azy ireo vehivavy ireo, nanome ny fananany sy ny fanolorantenany” (Daughters in My Kingdom [2011], 4). Ny vehivavy nanaraka ny Mpamonjy dia nizara fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba Azy ihany koa (jereo ny Linda K. Burton, “Vehivavy –matoky tena–,” Liahona, mey 2017, 12–15).

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mandalina ireo fampianaran’ny Mpamonjy miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 13

Rehefa mamaky ireo fanoharan’ny Mpamonjy ny olona ao amin’ny fianakavianao dia mety ho tian’izy ireo ny hieritreritra ny fanoharan’izy ireo manokana izay mampianatra fahamarinana mitovy amin’izany mikasika ny fanjakan’ny lanitra (ny Fiangonana), amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra na toe-javatra tsy vaovao amin’izy ireo.

Matio 13:3–23; Lioka 8:4–15

Inona no azontsika atao amin’ny maha-mpianakavy antsika hikolokoloana “tany tsara” ao am-pontsika sy ao an-tokantranontsika? (Matio 13:23). Raha manana zanaka mbola kely ianao ao amin’ny fianakavianao, dia mety hahafinaritra ny manasa olona ao amin’ny fianakavianao hilalao an-tsehatra fomba samihafa hanomanana ny fo hihaino ny tenin’ Andriamanitra ary ny hafa kosa maminavina ny zavatra ataon’izy ireo.

Matio 13:13–16

Ahoana no hanampianao ny olona ao amin’ny fianakavianao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fandraisana an-tsitrapo ny tenin’i Kristy? Ohatra, mety ho tampenanao ny sofin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao eo am-pamakianao moramora ny Matio 13:13–16. Inona no azon’ilay olona ao amin’ny fianakaviana avy tamin’ireo andininy ireo? Inona no anjara asa sahanin’ny masontsika sy ny sofintsika ary ny fontsika amin’ny fandraisana ny tenin’ Andriamanitra? Inona ireo fomba mety hahatonga antsika hanampina ny masontsika sy ny sofintsika ary ny fontsika tsy handray ny tenin’ Andriamanitra?

Matio 13:44–46

Inona no mampitovy ny olona roa ao amin’ireo fanoharana ireo? Misy zavatra fanampiny ve tokony hataontsika manokana sy amin’ny maha-mpianakavy mba hametrahana ny fanjakan’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika?

Lioka 13:11–17

Ahoana no fomba hanarahantsika ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy hanafaka ny olona amin’ny famatorana?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova tsianjery soratra masina. Misafidiana soratra masina iray izay tena manan-danja manokana amin’ny fianakavianao, dia asao ny olona ao amin’ny fianakavianao hanao tsianjery izany. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ny soratra masina anankiray notadidiana dia lasa namana maharitra izay tsy mety lefin’ny fotoana mandalo” (“Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6).

Sary
lehilahy mamafy voa

Fanoharana momba ilay mpamafy, nataon’i George Soper