Avia, hanaraka Ahy
4–10 martsa. Matio 8–9; Marka 2–5: -Ny finoanao no efa namonjy anao-


“4–10 martsa. Matio 8–9; Marka 2–5: -Ny finoanao no efa namonjy anao-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“4–10 martsa. Matio 8–9; Marka 2–5,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
I Jesoa manasitra lehilahy malemy

Fanasitranana ao amin’ ny tanany, nataon’i Jon McNaughton

4–10 martsa

Matio 8–9; Marka 2–5

“Ny finoanao no efa namonjy anao”

Eo am-pamakianao ny Matio 8–9 sy ny Marka 2–5 dia henoy ireo fahatsapana voarainao avy amin’ny Fanahy Masina. Soraty ireo bitsika azonao sy ireo zavatra azonao atao mba handraisana andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sarotra ny mamaky ny Testamenta Vaovao ka tsy ho talanjona amin’ireo tantara maro ahitana ny Mpamonjy manasitrana ny marary sy ny ory, ny tsirairay nanomboka tamin’ny vehivavy iray nanavy ka hatramin’ny ankizivavy iray izay efa nolazaina fa maty. Inona no mety ho hafatra ho antsika avy amin’ireo fanasitranana ara-batana izay fahagagana ireo? Azo antoka fa ny hafatra iray misongadina dia ny hoe i Jesoa Kristy no ilay Zanak’ Andriamanitra, izay manana ny hery eo amin’ny zavatra rehetra, anisan’izany ireo fanaintainantsika ara-batana sy ireo tsy fahalavorariantsika. Saingy misy dikany iray hafa hita ao amin’ireo teniny ho an’ireo mpanora-dalàna miroahan-tsaina manao hoe: “Mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka” (Marka 2:10). Noho izany raha mamaky ny momba ny olona jamba na boka nositranina ianao, dia mety hieritreritra ilay fanasitranana, sady ara-batana no ara-panahy, izay mety ho azonao avy amin’ny Mpamonjy ka handre Azy milaza aminao hoe: “Ny finoanao no efa namonjy anao” (Marka 5:34).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 8–9; Marka 25

Afaka manasitrana ny rofintsika sy ny aretintsika ny Mpamonjy.

Ireo toko vitsivitsy ireo dia ahitana ohatra maro momba ny fanasitranana mahagaga notanterahin’ny Mpamonjy. Rehefa mandalina ireo fanasitranana ireo ianao, dia mitadiava hafatra ho anao. Mety hanontany tena ianao hoe: Inona no ampianarin’ilay tantara momba ny finoana? Inona no ampianarin’ilay tantara momba ny Mpamonjy? Inona no tian’ Andriamanitra hianarako avy amin’io fahagagana io?

Sary
I Jesoa manasitrana ny marary

I Jesoa manasitrana ny marary, nataon’i Joseph Brickey, taorian’i Heinrich Hofmann

Matio 8:5–13; Marka 5:24–34

Afaka mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra aho na dia mahatsapa ho tsy mendrika izany aza.

Ilay kapiteny, izay Jentilisa, dia nahatsapa ho tsy mendrika ny hidiran’ny Mpamonjy ao an-tranony. Ilay vehivavy nandeha ra tsy tapaka dia noheverina ho tsy madio ary voailikilika teo amin’ny fiarahamonina Jiosy. Kanefa mbola nositranin’ny Mpamonjy izy ireo. Inona no ianaranao avy amin’ireo tantara roa ireo mikasika ny fikatsahana fanampiana avy amin’ny Tompo?

Matio 8:18–22; Marka 3:31–35

Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia midika fa Izy no ataoko lohalaharana amin’ny fiainako.

Ao amin’ireo andininy ireo i Jesoa dia nampianatra fa ny hoe mpianany dia mitaky antsika hametraka azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika, na dia indraindray aza izany midika fa mahafoy ireo zavatra sarobidy amintsika isika. Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia saintsaino ny maha-mpianatra anao manokana. Nahoana ny mpianatra no tsy maintsy vonona hametraka ny Mpamonjy ho lohalaharana? Inona no mety ilainao avela mba hametrahana an’i Jesoa ho lohalaharana? (Jereo ihany koa ny Lioka 9:57–62.)

Matio 8:23–27; Marka 4:35–41

I Jesoa Kristy dia manana hery hitondra fiadanana eo anivon’ireo tafiotry ny fiainana.

Efa nahatsapa ny zavatra tsapan’ireo mpianatr’i Jesoa tao amin’ilay tafio-drivotra an-dranomasina ve ianao, mijery ireo onjan’ny rano mameno ilay sambo sady manontany hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?”

Ao amin’ny Marka 4:35–41 ianao dia hahita fanontaniana efatra. Ataovy lisitra ny tsirairay amin’izany ary saintsaino ny zavatra ampianarin’izany anao mikasika ny fiatrehana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ireo olana eo amin’ny fiainana. Amin’ny fomba ahoana no hitondran’i Jesoa Kristy fiadanana amin’ireo tafiotry ny fiainana?

Matio 9:1–13; Marka 2:15–17

Afaka miaro ny finoako aho amin’ny alalan’ny fampianarana fitsipika marina.

Sarotra indraindray ny mahafantatra ny fomba hamaliana rehefa mitsikera ireo zavatra inoantsika sy ireo fomba fanaontsika ato am-piangonana ny olona. Eo am-pamakianao ny Matio 9:1–13 sy ny Marka 2:15–17 dia tadiavo ireo tsikera nataon’ireo mpiampanga sy ny valintenin’ny Mpamonjy. Mariho amin’ny loko samihafa na soraty ireo tsikera sy valinteny. Inona no tsikaritrao mikasika ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny ohatra nasehony hanampy anao rehefa mila miaro fitsipiky ny filazantsara iray na fomba fanaon’ny Fiangonana iray

ianao?

Matio 9:1–8

Noho ny fibebahana dia afaka ny hatoky aho.

Rehefa nentina teo amin’ny Mpamonjy ny mararin’ny paralysisa iray dia nazava ho azy tamin’ny olona fa nila fanasitranana ara-batana izy. Saingy nilaza ny zavatra tena nilain’ilay lehilahy aloha i Jesoa, ny famelana ny fahotany. Na dia tsy sitrana ara-panahy aza ilay lehilahy, dia mbola tokony ho afaka nanaraka ny torohevitry ny Mpamonjy foana izy manao hoe “matokia” (Matio 9:2). Oviana ianao no efa nahatsapa fifaliana satria voavela heloka? (Jereo koa ny Almà 36:18–24.)

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa manohy mianatra momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ny fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 8–9; Marka 25

Manaova lisitr’ireo fahagagana voasoritra ao anatin’ireo toko ireo ary mitadiava sarin’ny sasany amin’izany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ny LDS.org). Azonao anontaniana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hilaza momba ny iray amin’ireo fahagagana (amin’ny alalan’ny fampiasana sary raha misy) ary hizara ny zavatra ianarany avy amin’izany. Afaka mizara ohatra ahitana fahagagana hitanao na novakinao tao amin’ny tantaran’ny Fiangonana maoderina ianao.

Matio 9:10–13

Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nandraisan’ny Mpamonjy ireo mpamory hetra sy mpanota, izay nailiky ny hafa? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony rehefa mifanerasera amin’olona hafa isika?

Matio 9:36–38

Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakavianao hahatakatra ny fangatahan’ny Mpamonjy mpiasa maro kokoa hizara ny filazantsara? Afaka manao zavatra tsotra toy ny fiarahana manao asa iray izay handany fotoana be raha ataon’olona irery ianao, tahaka ny fanadiovana ny lakozia rehefa avy misakafo. Inona no azontsika atao mba hizarana ny filazantsara?

Marka 4:35–41

Afaka manampy ny fianakaviana ve io tantara io rehefa mahatsapa ho matahotra izy ireo? Angamba afaka mamaky ny andininy 39 izy ireo ary hizara zavatra niainana izay nanampian’ny Mpamonjy azy ireo hahatsapa fiadanana nandritra ny fotoana nampikorotan-tsaina na nampatahotra.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao mba ho azo iresahana. Ny sasany amin’ireo fotoana tena tsara azo ampianarana dia manomboka amin’ny fanontaniana na olana ao am-pon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Ampahafantaro ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny teninao sy fihetsikao fa maniry ny hihaino azy ireo ianao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16).

Sary
lehilahy eo ambony fandriana ampidinina avy eo amin’ny tafo ho ao amin’i Jesoa

I Kristy sy ilay lehilahy nalemy, nataon’i J. Kirk Richards