Avia, hanaraka Ahy
25–31 martsa. Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6: -Aza matahotra-


“25–31 martsa. Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6: -Aza matahotra-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“25–31 martsa. Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
I Kristy mampihinana ny vahoaka

Omenareo hanina izy, nataon’i Jorge Cocco

25–31 martsa

Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6

“Aza matahotra.”

Eo am-pamakianao ny Matio 14–15; Marka 6–7; ary Jaona 5–6 dia mitadiava fahamarinana izay manan-danja aminao. Mety hametraka fanontaniana toy izao amin’ny tenanao ianao: “Ahoana no ifandraisan’ny tantara ao amin’ireo toko ireo amiko?” “Inona no hafatra hitako ho an’ny fiainako?” na “Inona no tiako hozaraina amin’ny fianakaviako na amin’ny hafa?”

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Inona no mety nitaona an’i Petera hiala an’ilay sambony izay azo antoka teny afovoan’ny ranomasin’i Galilia nandritra ny tafio-drivotra mafy iray? Inona no nitarika azy hino fa raha afaka nandeha teny ambony rano i Jesoa dia ho afaka hanao izany koa izy? Tsy ho fantatsika tanteraka izany saingy takatr’i Petera angamba fa ny Zanak’ Andriamanitra dia tsy tonga hanao zava-mahagaga fotsiny ihany fa hanome hery ny olona toa an’i Petera mba hanao zava-mahagaga ihany koa. Sady ny fanasan’i Jesoa rahateo moa dia hoe “Avia, manaraha Ahy” (Lioka 18:22). Efa nanaiky ny fanasany i Petera indray mandeha, ary mbola vonona ny hanaiky izany indray izy, na dia nidika aza izany fa hiatrika ny tahony sy hanao zavatra izay toa tsy ho vita izy. Ny Tompo angamba tsy hangataka antsika hiala ny sambo iray eo anivon’ny tafio-drivotra na hanolotra ny mofo kely izay ananantsika rehefa noana ny vahoaka an’arivony, fa mety hangataka antsika Izy mba hanaiky ireo torolalana na dia tsy azontsika tanteraka aza izany. Na inona na inona fanasana omeny antsika dia mety toa tsy hampoizina izany na hampatahotra mihitsy aza. Saingy afaka mitranga ireo fahagagana raha toa ka avelantsika ny tahotsika sy ny ahiahintsika ary ny fahatakarantsika voafetra, tahaka ny nataon’i Petera, dia manaraka Azy isika.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Jaona 5:17–47

Manome voninahitra ny Rainy i Jesoa Kristy.

Ny fifandraisana eo amin’ny Ray any An-danitra sy ireo zanany tsirairay dia natao ho masina. Ao amin’ireo andininy ireo i Jesoa Kristy dia nanome antsika ohatra tena tsara tokony harahina ao amin’ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra. Vakio ny Jaona 5:17–47 ary mariho na raiso naoty ny teny tsirairay hoe Ray. Amin’ny fomba ahoana no hanajan’ny Zanaka ny Ray, ary ahoana no fomba ahafahanao manaraka izany ohatra asehony izany? Inona no ianaranao mikasika ny zavatra tsapan’ny Ray momba ny Zanaka? Mampitombo ny fahavononanao hikatsaka sy hankatò ny sitrapony amin’ny fomba ahoana ny fampatanjahana ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra?

Jereo koa ny Jaona 17 .

Matio 14:16–21; Marka 6:33–44; Jaona 6:5–14

Afaka manandratra ny fanatitra ataoko amim-panetrentena mba hanatanterahana ny tanjony ny Mpamonjy.

Efa nahatsapa ho tsy nahavita azy ve ianao teo amin’ny fanomezana ireo zavatra rehetra ilain’ny olona nanodidina anao, tao an-tokantranonao na tamin’ny fifandraisanao tamin’ny olona na teo amin’ny fiarahamonina? Tsy maintsy ho nahatsapa ho tsy nahavita azy ireo ny mpianatr’i Jesoa rehefa nangatahiny hampihinana ireo vahoaka noana dimy arivo izy ireo (jereo ny Matio 14:21) raha toa ka mofo dimy sy hazandrano roa ihany no nisy teo. Rehefa mamaky ny tantaran’ny fahagagana izay niseho nanaraka izany ianao dia saintsaino ny fomba mety hampiasan’ Andriamanitra ny asa fanompoana feno fanetrentena atolotrao mba hitahiana ireo manodidina anao. Ahoana no mety hanandratany ny ezaka ataonao rehefa manompo ato amin’ny Fiangonana ianao? Eritrereto ity zavatra nolazain’ny Filoha James E. Faust ity: “Olona maro manana zavatra omena mitovy amin’ny mofo dimy sy hazandrano roa fotsiny no milofo amin’ny antsony sy manompo tsy mitaky fijerena na fankasitrahana, ary mamoky ara-bakiteny olona an’arivony” (“Five Loaves and Two Fishes,” Ensign, mey 1994, 5).

Matio 14:22–33; Marka 6:45–52; Jaona 6:15–21

Manasa ahy hamela ny tahotro sy ny ahiahiko i Jesoa Kristy ary hampihatra finoana Azy.

Alaivo sary an-tsaina ny antsipirian’ny zavatra mitranga voasoritra ao amin’ny Matio 14:22–33 sy Marka 6:45–52 ary Jaona 6:15–21. Eritrereto ny mety ho fahatsapana nananan’i Petera sy ireo mpianatra hafa. Inona no ianaranao mikasika ny maha-mpianatra avy amin’ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ao amin’ireo andininy ireo. Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra nolazain’i Petera sy ny zavatra nataony? (Jereo koa ny 1 Nefia 3:7.) Inona no zavatra asain’ny Tompo ataonao izay mety hitovy amin’ny fivoahana avy ao anatin’ilay sambo? Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mankahery anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy?

Jaona 6:22–71

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy dia tsy maintsy vonona ny hino sy hanaiky ny fahamarinana aho, na dia sarotra aza ny manao izany.

Ny ampitson’ilay andro nampihinanan’i Jesoa tamin’ny fomba mahagaga mofo ny vahoaka tao an-tany efitra dia nahita Azy ireo mpanara-dia Azy ary nitady sakafo indray. Kanefa dia diso fanantenana izy ireo ary tafintohina mihitsy aza rehefa karazana sakafo ara-panahy indray no nomeny azy ireo, dia ny “mofon’aina” (Jaona 6:48). Maro no nahita fa “sarotra izany teny izany” (Jaona 6:60).

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa fa fotopampianarana “sarotra” na sarotra ekena no nampianarin’ny Mpamonjy na ny iray amin’ireo mpanompony? Eritrereto izany zavatra niainanao izany rehefa mamaky ity tantara ity ianao, indrindra fa ny tenin’i Petera ao amin’ny andininy 68–69. Inona avy ireo “tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:68) sasany izay manampy anao hijanona amin’ny fanolorantenanao hanaraka ny Mpamonjy?

Jereo ihany koa ny M. Russell Ballard, “Hankany amin’iza moa isika?” Liahona, nôv. 2016, 90–92.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 14:16–21

Rehefa mamaky ny tantaran’ny fampihinana vahoaka dimy arivo ianareo dia afaka mihinana mofo sy trondro ary haka sary an-tsaina hoe firy amin’izany no mety hahavoky vahoaka dimy arivo. Ahoana no namokisan’i Kristy ara-panahy ny fianakavianao. Ahoana no nampiasany anao mba hamokiana ny hafa?

Sary
mofo sy hazandrano

Nampihinana vahoaka 5.000 tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa tamin’ny fomba mahagaga i Jesoa.

Matio 14:22–33

Mety hahafinaritra ny fianakavianao ny hamelona an-tsehatra ny tantara ao amin’ireo andininy ireo. Nahoana ireo mpianatra no natahotra? Inona no nahatonga an’i Petera nandresy ny tahony ka niala ilay sambo? Tamin’ny fomba ahoana no nanehoany ny finoany na dia efa nanomboka nilentika aza izy? Amin’ny fomba ahona no itoviantsika amin’i Petera indraindray?

Jaona 5:1–16

Asao ny olona ao amin’ny fianakavianao handray naoty ireo andian-teny ahitana ny hoe “sitrana” ao amin’ireo andininy ireo. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manasitrana ny olona? Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanasitranany antsika?

Jaona 6:28–58

Omeo tapa-mofo hohanina ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana, ary ifanakalozy hevitra ny tombontsoa azontsika avy amin’ny mofo sy ny sakafo ara-pahasalamana hafa. Avy eo dia diniho ireo andininy ireo mba hitadiavana ny antony nahatonga an’i Jesoa hiantso ny tenany hoe ilay “mofon’aina” (Jaona 6:35).

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mikatsaha hevi-baovao ara-panahy anao manokana. Rehefa manao fandalinana manokana na miaraka amin’ny fianakaviana ianao dia aza mionona fotsiny amin’ireo andinin-tsoratra masina voalaza ao amin’ireto rindran-damina ireto. Mety manana hafatra ho anao ny Tompo a-o amin’ireo toko ireo izay tsy voaresaka ato. Katsaho ombam-bavaka izany.

Sary
I Jesoa misintona an’i Petera avy ao amin’ny rano

Manohitra ny rivotra, nataon’i Liz Lemon Swindle