Avia, hanaraka Ahy
11–17 martsa. Matio 10–12; Marka 2; Lioka 7; 11: -Ireo Roambinifololahy ireo dia nirahin’i Jesoa-


“11–17 martsa. Matio 10–12; Marka 2; Lioka 7; 11: -Ireo Roambinifololahy ireo dia nirahin’ i Jesoa-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“11–17 martsa. Matio 10–12; Marka 2; Lioka 7; 11,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
I Jesoa manendry an’i Petera

11–17 martsa

Matio 10–12; Marka 2; Lioka 711

“Ireo Roambinifololahy ireo dia nirahin’i Jesoa”

Eo am-pamakianao ny Matio 10–12; Marka 2; ary ny Lioka 711 dia raiso an-tsoratra ireo fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy Masina. Saintsaino ary raketo izy ireny

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Ny teny momba ireo fanasitranana izay fahagagana nataon’i Jesoa dia niparitaka haingana. Vahoaka maro no nanaraka Azy, nanantena fahasitranana tamin’ny aretiny. Fa rehefa nijery ny vahoaka ny Mpamonjy, dia nahita mihoatra noho ny aretin’izy ireo ara-batana fotsiny Izy. Feno fangorahana Izy ary nahita “ondry tsy misy mpiandry” (Matio 9:36). “Be ny vokatra,” raha ny hitany, “fa ny mpiasa no vitsy” (Matio 9:37). Koa niantso Apôstôly roa ambin’ny folo Izy, “nanome azy fahefana ,” ary naniraka azy ireo mba hampianatra sy hanompo ny “ondry very amin’ny taranak’Isiraely” (Matio 10:1, 6). Mbola lehibe toy izany ankehitriny ny filana mpiasa maro kokoa hanompo ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Mbola misy ireo Apôstôly roa ambin’ny folo, saingy mbola misy mpianatr’i Jesoa Kristy betsaka noho ny hatrizay, dia ireo olona izay afaka manambara amin’izao tontolo izao fa “Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 10:7).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 10

Nanome fahefana ireo mpanompony ny Tompo mba hanao ny asany.

Ny toromarika nomen’i Jesoa ao amin’ny Matio 10 dia ho an’ireo Apôstôliny, saingy manana anjara ao amin’ny asan’ny Tompo daholo isika rehetra. Fahefana inona no nomen’i Kristy an’ireo Apôstôliny mba hanampiana azy ireo hanatanteraka ny iraka nampanaovina azy ireo? Ahoana no ahafahanao mahazo ny heriny amin’ny asa izay niantsoana anao? (jereo ny 2 Korintiana 6:1–10; FF 121:34–46).

Sary
Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Ny Apôstôly Roambinifolo dia manatanteraka ny asan’ny Tompo ankehitriny.

Rehefa mamaky ny asa nanendren’i Kristy ireo Apôstôliny ianao, dia mety hahazo fahatsapana momba ny asa izay tian’ny Tompo hataonao. Afaka manampy anao handrindra ny eritreritrao ny tabilao tahaka izao manaraka izao:

Matio 10

Fahatsapana azoko

Nanome fahefana ireo mpianany ny Mpamonjy.

Fahatsapana azoko

Hanome ahy ny hery izay ilaiko hanaovako ny asako Andriamanitra.

Fahatsapana azoko

Jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:6; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Apôstôly”.

Matio 10:17–20

Rehefa eo am-panompoana ny Tompo aho, dia hanentana ny fanahiko hilaza izay tokony holazaiko Izy.

Efa hitan’ny Tompo mialoha fa hohenjehina sy ho ahiahiana noho ny finoany ireo mpianany, zavatra mitovy amin’izay mety iainan’ireo mpianatra ankehitriny. Saingy nampanantena ireo mpianany izy fa ho fantatr’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy izay tokony holazainy. Efa niaina zavatra izay efa nahatanterahan’io fampanantenana io ve ianao tamin’ny fiainanao, angamba tamin’ny nizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao, na nanomezanao tsodrano, na nifanakalozanao hevitra tamin’olona? Zarao ny zavatra niainanao niaraka tamin’olona iray izay tianao na soraty ao anaty diary izany.

Jereo koa ny Lioka 12:11–12; Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 84:85.

Matio 10:34–39

Inona no tian’i Jesoa holazaina amin’ny hoe: “Tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra”?

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Azoko antoka fa maro aminareo no efa nolavina sy nailikiliky ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo rehefa nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy niditra tao amin’ny fanekempihavanany. Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, ny fitiavanao ambony indrindra an’i Kristy dia efa nitaky famoizana fifandraisana izay mamy taminao ary efa nigogogogo nitomany imbetsaka anao. Kanefa sady tsy nihena ny fitiavanao no nijoro tsy voahozangozana ianao teo anivon’ireo fanenjehana ireo sady niseho tsy menatra ny amin’ny Zanak’ Andriamanitra” (“Finding Your Life,” Ensign, mar. 2016, 28).

Io fahavononana hamoy fifandraisana mamy mba hanaraka ny Mpamonjy io dia arahin’ny fampanantenana manao hoe: “Izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy” (Matio 10:39).

Matio 11:28–30

Hanome fitsaharana ahy i Jesoa Kristy rehefa miantehitra Aminy sy ny Sorompanavotany aho.

Mitondra enta-mavesatra avokoa isika rehetra, ny sasany vokatry ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika, ny sasany ateraky ny safidin’ny hafa, ary ny sasany dia tsy fahadisoan’iza na iza fa anisan’ny zavatra iainana eto an-tany fotsiny. Na inona na inona antony mahatonga ireo olantsika dia miangavy antsika i Jesoa mba hanatona Azy mba hahafahany manampy antsika hitondra ny enta-mavesatsika ary hahita fanamaivanana (jereo koa ny Môsià 24). Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika sy mahatonga antsika ho tafaray amin’i Jesoa Kristy Tompo” (“Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 88). Eo am-pieritreretana izany dia diniho ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hahatakarana bebe kokoa ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo: “Mampifandray ahy sy mahatonga ahy ho tafaray amin’ny Mpamponjy manao ahoana ireo fanekempihavanako?” “Inona no ilaiko atao mba hanatonana an’i Kristy?” na “Amin’ny lafiny inona no maha-mora ny ziogany sy maha-maivana ny entany?”

Inona ireo fanontaniana hafa tonga ao an-tsainao rehefa mamaky ianao? Soraty izany ary tadiavo ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ny valiny amin’ity herinandro ity. Mety hahita ny valin’ny sasany an’ireo fanontaniana ireo ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona David A. Bednar izay voalaza etsy ambony.

Lioka 7:36–50

Rehefa voavela heloka aho dia mihamitombo ny fitiavako ny Mpamonjy.

Azonao sary an-tsaina ve ny tenanao ao anatin’ny tantara voalaza ao amin’ireo andininy ireo momba ny fitsidihan’ny Mpamonjy an’i Simona ilay Fariseo? Misy itovianao amin’i Simona ve? Inona no azonao atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’ilay vehivavy tamin’ny fanehoana fanetrentena sy fitiavana an’i Jesoa Kristy? Oviana no efa niainanao ny hatsaram-po sy ny famindrampo izay nasehon’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy. Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahan’ny famelana mampatanjaka ny fitiavantsika ny Mpamonjy?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 10:40

Rehefa mijery ireo hafatra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra isika, manao ahoana ny fandraisantsika sy ny fanarahantsika ny torohevitry ny mpaminany velona amin’ny maha-fianakaviana antsika? Nahoana no mitondra antsika ho akaiky bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ny fankatoavantsika ny torohevitr’izy ireo ?

Matio 11:28–30

Azonao ampiana ny fianakavianao haka sary an-tsaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fangatahana azy ireo hanandrana hisintona zavatra mavesatra, voalohany irery ary avy eo misy manampy. Inona avy ireo enta-mavesatra sasany izay entintsika? Inona no dikan’ny hoe mitondra ny ziogan’i Kristy? Ny sary miaraka amin’ity rindran-damina ity dia mety hanampy anao hanazava ny dikan’ny zioga.

Matio 12:10–13; Marka 2:23–28

Ahoana no ahafahantsika “manao soa” amin’ny andro Sabata? (Matio 12:12). Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manasitrana antsika amin’ny andro Sabata?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mihaino ny Fanahy. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana anananao (jereo ny FF 8:2–3), na dia toa tsy mifanaraka amin’izay vakinao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho tena ireo zavatra tian’Andriamanitra ho fantatrao sy hataonao.

Sary
fananganana ny Tempolin’i Kirtland

Nilaza ny Tompo hoe: “Ento ny ziogako” (Matio 11:29).

Kirtland sy ny Tempoly voalohany, nataon’i Dan Burr