Avia, hanaraka Ahy
15–21 aprily. Paska: -Ry fasana ô, aiza ny fandresenao?-


“15–21 aprily. Paska: -Ry fasana ô, aiza ny fandresenao?-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“15–21 aprily. Paska,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Zaridainan’ny Fasana

15–21 aprily

Paska

“Ry fasana ô, aiza ny fandresenao?”

Ampiasao ny fotoanao miaraka amin’ny ankizy mba hanampiana azy ireo hijery ny Paska ho vanim-potoana iray hifaliana ao amin’ny Mpamonjy sy hampiorenam-paka ny fankasitrahan’izy ireo ny sorona nataony. Ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity dia azo ovaina mba hanampiana anao hampianatra ny ankizy amin’ny taona rehetra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia azonao atao ny mampiseho ireo sarin’i Jesoa tao Getsemane, teo ambony hazo fijaliana, ary taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56, 57, 58, 59, ary 60).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

Rehefa mamaky momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatsapa fa tena tia azy ireo i Jesoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampianaro ny ankizy fa satria manota avokoa isika rehetra, dia tsy afaka miverina any amin’ Andriamanitra isika raha tsy misy Mpamonjy iray izay nijaly noho ny fahotantsika. Afaka manavotra antsika amin’ny fahotantsika i Jesoa Kristy raha toa isika mibebaka. Hazony ambony ny fitaratra iray ary avelao ny ankizy hifandimby hijery ao anatin’izany. Rehefa manao izany ny ankizy tsirairay dia lazao hoe: “Tia an’i [anaran’ilay ankizy] i Jesoa, ary afaka manavotra an’i [anaran’ilay ankizy] Izy.”

  • Asehoy ilay sary hoe I Jesoa nivavaka tao Getsemane (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56) rehefa mitantara ny tantaran’i Jesoa nijaly tao Getsemane noho ny fahotan’izao tontolo izao ianao (jereo ny Matio 26:36–46; Lioka 22:39–44). Hazavao fa noho ny fijaliany dia afaka ny ho voavela isika rehefa manao safidy ratsy. Azonao ampiasaina ihany koa ny “Toko 51: Nijaly tao amin’ny sahan’i Getsemane,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao 129-32 .

  • Miaraha mihira ny “Je ressens son amour”Chants pour les enfants,p. 42). Inona avy ireo teny ao amin’io hira io izay mamariparitra ny fitiavan’ny Mpamonjy? Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahany manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia ho velona indray aho.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty isika sy ireo olon-tiantsika indray andro any.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampianaro ny ankizy ny tantaran’ny Paska ka ampiasao ireo sarin’i Kristy tao Getsemane, teo ambony hazo fijaliana, ary taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, izay hita ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara (lah. 56, 57, 58, 59, sy 60), ary ilay sary mameno pejy iray manontolo ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Avelao ny ankizy vitsivitsy mba hihazona ireo sary eo am-pitantaranao ilay tantara. Tantarao amin’ny ankizy ny momba ireo olona vitsivitsy izay nahita an’i Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, toa an’i Maria (jereo ny Jaona 20:1–18) na Tomasy (jereo ny Jaona 20:24–29).

  • Fantaro raha toa ka fantatry ny ankizy ny antony hankalazantsika ny Paska. Hazavao fa ankalazaintsika amin’ny Paska ny andro manan-danja indrindra ara-tantara: dia ny andro nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Anontanio raha toa ka misy ankizy te hizara ny zavatra ataon’ny fianakavian’izy ireo mba hahatsiarovana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

  • Hazavao fa ny hoe mitsangana amin’ny maty dia midika hoe velona indray rehefa avy maty isika. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty isika. Ho velona indray isika rehefa avy maty, ary tsy ho faty na oviana na oviana intsony isika.

  • Mampiasà fonon-tanana iray mba hampianarana ny ankizy fa manana vatana iray isika rehetra (aseho amin’ny alalan’ilay fonon-tanana) ary fanahy iray (aseho amin’ny alalan’ny tanana). Rehefa maty isika dia mitohy miaina ny fanahintsika. Tsy mitohy miaina kosa ny vatantsika. Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia miverina mikambana indray ny fanahintsika sy ny vatantsika. Avelao ny ankizy hifandimby hanao ilay fonon-tanana sy hanala izany.

  • Miaraha mihira hiran’ny Paska iray, toy ny “Jésus est-il ressuscité?” na “Jésus est ressuscité,” Chants pour les enfants, 45, 44, ary asehoy ny ankizy ireo sarin’i Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara lah. 59, 60, 61).

  • Mampisehoa sarin’olona iray fantatrao izay efa nodimandry. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hitsangana amin’ny maty izy noho ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

  • Hita ao amin’ny mormon.org/easter ireo hafatra fanampiny momba ny Paska.

Sary
I Kristy miaraka amin’i Maria eo amin’ny fasana foana

Nitsangana Izy, nataon’i Greg Olsen

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Nijaly tao Getsemane sy teo ambony hazofijaliana ho ahy i Jesoa Kristy.

Eo am-pandalinanao ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hianatra sy hahatsiaro fa i Kristy dia nijaly tao Getsemane sy teo ambony hazo fijaliana noho ny fahotana sy ny rofy ary ny fahorian’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Lioka 22:39–44 sy ireo andininy voafantina avy ao amin’ny Matio 27:29–50. Asao izy ireo mba hikaroka ireo teny izay manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra niainan’ny Mpamonjy tao Getsemane sy teo ambony hazo fijaliana.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny fanekem-pinoana fahatelo. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia manana hery hanavotana antsika amin’ny fahotana sy amin’ny fahafatesana.

  • Ampio ny ankizy hanomana lahateny fohy momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay azon’izy ireo zaraina amin’ny hafa. Amporisiho izy ireo mba hampiditra soratra masina iray sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ao anatin’ny lahateniny. Raha toa ka mila fanampiana fanampiny izy ireo dia afaka mamaky ny “Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana (14–21).

Satria maty i Jesoa ary nitsangana tamin’ny maty dia hiaina indray isika.

Ireo ankizy ampianarinao dia hiaina ny fahafatesan’olon-tiana indray andro any raha tsy efa niaina izany izy ireo. Ampio izy ireo hahafantatra fa satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 57, 58, ary 59, ary asaivo mampitovy ireo sary amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny ankizy: Matio 27:29–38, 59–60; Jaona 20:10–18.

  • Asao ny ankizy mba hamaky samirery ny “Fitsanganana amin’ny maty” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ary hanoratra fanontaniana fitsapana izay azon’izy ireo apetraka mikasika izay novakin’izy ireo. Omeo fotoana ny ankizy mba hametraka ny tsirairay amin’ireo fanontanian’izy ireo ary hiaraka hikaroka valinteny.

  • Ampio ny ankizy hijery ao amin’ny lohahevitra manaraka ny abidia ao amin’ny Chants pour les enfants mba hahitana hira iray izay tian’izy ireo hianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganana tamin’ny maty. Iaraho mihira miverimberina kely ilay hira. Anontanio ny ankizy ny zavatra nianarany avy tamin’io hira io.

  • Mialoha ny fotoam-pianarana dia manasà ankizy vitsivitsy mba ho vonona hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Asao ny ankizy hanoratra ny fijoroana ho vavolombelona ananany mba hozaraina any an-trano.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanampiana ny ankizy hizara ny zavatra nianarany amin’ny fianakaviany, dia amporisiho izy ireo mba hihira hira iray momba an’i Jesoa Kristy any an-tokantrano amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Mahazo tombontsoa avy amin’ny famerimberenana ny ankizy. Aza matahotra ny hamerina imbetsaka ireo asa atao, indrindra miaraka amin’ireo ankizy kely. Hanampy ny ankizy hahatadidy ny zavatra ampianarinao ny famerimberenana.

Sary
pejin’ny asa atao: Ho velona indray aho