Avia, hanaraka Ahy
15–21 aprily. Paska: -Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao?-


“15–21 aprily. Paska: -Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao?-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“15–21 aprily. Paska,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Zaridainan’ny Fasana

15–21 aprily

Paska

“Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao?”

Rehefa mamaky ireo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ianao ato amin’ity rindran-damina ity dia raiso an-tsoratra ireo fahatsapana tonga aminao avy amin’ny Fanahy Masina.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Nandritra ny herinandro farany tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy dia nandray anjara tamin’ny fomban-drazan’ny paska ireo Jiosy nanodidina Azy. Nikarakara sakafo izy ireo, nihira, ary niara-nivory mba hahatsiaro ny nanafahana ny mpianakavin’i Isiraely tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. Nihaino ny tantaran’ny anjely mpandringana nandalo ny tranon’ireo razambeny izay nanisy marika ny varavarany tamin’ny ran’ny zanakondry ny mpianakavy. Teo anivon’ireo fankalazana feno tandindon’ny fanafahana ireo dia vitsy no nahafantatra fa i Jesoa Kristy, ilay Zanakondrin’ Andriamanitra, dia teo am-panafahana azy ireo tamin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Na izany aza dia nisy ireo izay nandray an’i Jesoa ho ilay Mesia nampanantenaina azy ireo, ilay Mpanafaka mandrakizay. Nanomboka tamin’io andro io ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia nijoro ho vavolombelona tamin’izao tontolo izao fa “maty noho ny fahotantsika [i Kristy] … ; dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo” (1 Korintiana 15:3–4).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 21–28

I Jesoa Kristy dia manana ny hery hanampiana antsika handresy ny fahotana, ny fahafatesana, ny fitsapana ary ny fahalemena.

Ny fomba iray hifantohana amin’ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy amin’ity herinandro ity dia ny mandany fotoana isan’andro hamakiana ny tantaran’ny herinandro farany tamin’ny fiainan’i Jesoa (ity manaraka ity misy fandrindrana ny famakiana azo atao). Inona no hitanao ao amin’ireo toko ireo izay manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy? Inona no ianaranao momba ny heriny manafaka anao avy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana? Inona no ianaranao mikasika ny fizakana fitsapana sy ny fandresena ny fahalemena. Amin’ny fomba ahoana no ampiharanao ny finoana ny heriny manafaka?

  • Alahady: Fidirana tao Jerosalema tamim-boninahitra (Matio 21:6–11)

  • Alatsinainy: Fanadiovana ny tempoly (Matio 21:12–16)

  • Talata: Fampianarana tao Jerosalema (Matio 21–23)

  • Alarobia: Tohin’ny fampianarana (Matio 24–25)

  • Alakamisy: Ny Paska sy ny fijalian’i Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane (Matio 26)

  • Zoma: Fitsarana, Fanomboana, ary fandevenana (Matio 27:1–61)

  • Sabotsy: Natory tao am-pasana ny vatan’i Kristy (Matio 27:62–66) raha nanompo tany amin’ny tontolon’ny fanahy kosa ny fanahiny(FF 138)

  • Alahady: Ny fisehoan’i Kristy nitsangana tamin’ny maty (Matio 28:1–10)

Sary
Fanasana farany

Fanasana farany, nataon’i Carl Heinrich Bloch

Matio 28:1–10; Lioka 24:13–35; Jaona 20:19–29; 1 Korintiana 15:1–8, 55

Tenivavolombelona maro no manamarina ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho nanao ahoana tamin’ireo mpianatra ny nijery ny Mpamonjy notevatevaina sy noharabirabiana ary nohomboana. Nahita maso ny heriny izy ireo, nahatsapa ny fahamarinan’ny fampianarany, ary nino fa Izy no ilay Zanak’ Andriamanitra. Mety ho tena fizahan-toetra ny finoan’ny sasany ny nahita ny fahafatesany, saingy tsy ela dia lasa vavolombelon’ilay fahagagana lehiben’ny Fitsanganany tamin’ny maty izy ireo.

Inona no azonao ianarana avy amin’ny tantaran’ireo izay nahita maso ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty? Mariho na raiso an-tsoratra ny zavatra niainan’ny olona tsirairay ao amin’ny Matio 28:1–10; Lioka 24:13–35; Jaona 20:19–29; ary 1 Korintiana 15:1–8, 55. (Jereo fa misy fijoroana ho vavolombelona hafa momba an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty hita ao amin’ny 3 Nefia 11; Môrmôna 1:15; Etera 12:38–39; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24; 110:1–10; ary Joseph Smith—Tantara 1:15–17.) Ao amin’ireo tantara ireo, inona no manamafy orina ny finoanao ny Fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty ara-bakiteny? Taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia nisy olona hafa nitsangana tamin’ny maty ary niseho tamin’ny olona maro (jereo ny Matio 27:52–53; 3 Nefia 23:9). Inona araka ny fahatsapanao ny maha-zava-dehibe ny nanoratana izany tao amin’ny Baiboly sy ny

Bokin’i Môrmôna?

1 Petera 1:3–11

I Jesoa Kristy dia manome ahy fanantenana sy fifaliana.

I Alisa, zanakavavin’ny Loholona Paul V. Johnson, izay nijaly noho ny aretina homamiadana efa amin’ny ambaratonga farany sy nizaka fandidiana maro dia naneho ohatry ny “fanantenana velona” izay voasoritra ao amin’ny 1 Petera 1:3–11. Nizara taratasy iray izay nosoratan’i Alisa tamin’ny fotoan’ny Paska, fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, ny Loholona Johnson: “Mpampahatsiahy izay rehetra antenaiko ho ahy ny Paska. Dia ny hoe ho sitrana aho indray andro any ary ho tomombana aho indray andro any. Indray andro any aho dia tsy hisy vý na plastika ao anatiko. Indray andro any ny foko dia ho afaka amin’ny tahotra ary ny saiko ho afaka amin’ny tebiteby. … Faly tokoa aho fa tena mino ny fiainana mahafinaritra aorian’ny fahafatesana” (“Ary tsy hisy fahafatesana intsony,” Liahona, mey 2016, 121).

Teny na andian-teny inona ao amin’ny 1 Petera 1:3–11 no manome fanantenana anao noho i Jesoa Kristy? Oviana no efa nahatsapanao izany fananantenana izany? Ahoana no ahafahanao mizara ny fanantenana azonao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy amin’ireo olona tianao?

Jereo ihany koa ny Almà 27:28; 36:1–24; 3 Nefia 9:11–17; Môrônia 7:40–41.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Mormon.org

Ny fizarana hoe “Holy Week” (Herinandro Masina) ao amin’ny mormon.org/easter dia ahitana fisehoan-javatra ara-banim-potoana sy famaritana ny zavatra nitranga tamin’ny andro tsirairay nandritra ny herinandro farany tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Isan’andro mandritra ny herinandro dia azon’ny fianakavianao atao ny mandinika ireo famaritana ireo mba hahitana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy tamin’izany andro izany, na azonao vakina miaraka amin’ny fianakavianao ny tantaran’ny herinandrony farany ao amin’ny soratra masina (jereo ny lisitra atolotra ao amin’ny fizarana hoe “Hevitra ho amin’ny fandalinana manokana ny soratra masina”).

Fihirana sy Hiran’ny ankizy

Miaraha mihira fihirana mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty mandritra ity herinandro ity, tafiditra amin’izany ny sasany izay tsy dia mahazatra anareo. Mba hanampiana ny ao amin’ny fianakavianao hianatra ireo hira dia afaka maneho sary izay mifandray amin’ireo tonony ianao.

“Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly”

Vakio miaraka amin’ny mpianakavy ny “Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (Liahona, apr. 2000, 2–3; jereo koa ny LDS.org), ary asao ny tsirairay hisintona hafatra momba ny Paska avy amin’io tenivavolombelona io mba hozaraina amin’ny hafa. Ohatra, mety hamorona petadrindrina haseho eny amin’ny tambazotra ifaneraserana na eo amin’ny varavarana fidirana na eo amin’ny varavarankelinareo ianao.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mametraha tanjona azo tratrarina. Ny fanokanana fotoana na dia minitra vitsy monja aza isan’andro mba handalinana ny soratra masina dia afaka mitahy ny fiainanao. Manolora tena handalina isan’andro, mitadiava fomba hampahatsiahivana amin’ny tenanao ny fanolorantenanao, ary ataovy izay azonao atao hahatratrarana izany.

Sary
Kristy tao Getsemane

Getsemane, nataon’i Adam Abram