Avia, hanaraka Ahy
Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely


“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

Sary
Fotoam-pianaran’ny Kilonga

Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely

Ny ankizy kely dia vonona sy maniry ny hianatra rehefa aseho amin’ny fomba ahatakaran’izy ireo azy izany. Raha mampianatra ankizy kely ianao dia diniho ireto asa atao ireto izay afaka manampy azy ireo hianatra (afaka mahazo tombontsoa avy amin’ireto asa atao ireto koa ny ankizy lehibe sasany):

  • Mihaino tantara na milalao an-tsehatra tantara iray. Ny ankizy kely dia tia tantara, avy amin’ny soratra masina, na avy amin’ny fiainanao, na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na avy amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana. Mitadiava fomba hampandraisana anjara azy ireo ao anatin’ny fitantarana tantara. Afaka mihazona sary na zavatra izy ireo, na manao sary ny zavatra henony, na milalao an-tsehatra ilay tantara, na manampy amin’ny fitantarana tantara. Ampio ny ankizy hahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao anatin’ireo tantara zarainao.

  • Mamaky soratra masina. Ny ankizy kely dia mety tsy tena mahay mamaky teny, kanefa azonao ampandraisina anjara foana amin’ny fianarana zavatra avy amin’ny soratra masina izy ireo. Mety mila mifantoka amin’ny andinin-tsoratra masina iray ianao, na andian-teny manan-danja iray, na teny iray. Rehefa mamaky mafy soratra masina iray ianao dia afaka manasa ny ankizy mba hitsangana na hanangana ny tanany rehefa maheno teny na andian-teny manokana tianao hifantohana izy ireo. Mety afaka manao tsianjery andian-teny fohy avy amin’ny soratra masina aza izy ireo rehefa mamerimberina kely izany. Rehefa maheno ny tenin’ Andriamanitra izy ireo dia hahatsapa ny Fanahy.

  • Manao zavatra mampihetsiketsika. Noho ny ankizy matetika mihetsiketsika, dia mandrafeta fomba hanomezanao fahafahana azy ireo hivezivezy, hitanjozotra, hitsambikimbikina, hiondrika, handehandeha, na hanao fihetsika hafa izay mifandray amin’ilay fitsipika na ilay tantara ampianarinao. Mety mahomby koa ireo fihetsika ireo rehefa miara-mihira ianareo.

  • Mijery sary iray na mijery horonan-tsary iray. Rehefa mampiseho sary na horonan-tsary iray mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara iray na tantara iray ao amin’ny soratra masina ianao, dia mametraha fanontaniana izay manampy azy ireo hianatra avy amin’ny zavatra hitany. Ohatra, afaka manontany ianao hoe: “Inona no zava-miseho eto amin’ity sary ity na ao anatin’io horonan-tsary io? Inona no fahatsapana entin’izany eo aminao?” Ny Biblevideos.lds.org, medialibrary.lds.org, sy children.lds.org dia toerana tsara hitadiavana horonan-tsary.

  • Mihira. Ny Hira ao amin’ny Fihirana sy hira avy ao amin’ny Chants pour les enfants dia mampianatra fotopampianarana amin’ny fomba mahery vaika. Ampiasao ny fanoroana lohahevitra manaraka ny abidia any amin’ny faran’ny Chants pour les enfants mba hahitana ireo hira izay mifandray amin’ireo fotopampianaran’ny filazantsara ampianarinao. Ampio ny ankizy hampifandray ilay hafatr’ireo hira amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra, afaka mametraka fanontaniana momba ireo teny na andian-teny ao amin’ilay tonony izy ireo. Ankoatra ny mihira dia afaka manao fihetsika mifanaraka amin’ilay hira koa ny ankizy na mihaino fotsiny ny hira izay atao feo mandravaka eo am-panaovana asa atao hafa izy ireo.

  • Mizara ireo zavatra niainana. Ny ankizy kely dia mety tsy manana zavatra betsaka zaraina toy ny ataon’ny ankizy lehibe, saingy rehefa omenao torolalana manokana izy ireo, dia afaka mizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany mahakasika ny zavatra nianarany.

  • Mamorona. Ny ankizy kely dia afaka manamboatra zavatra, na manao sarina zavatra, na mandoko zavatra izay mifandray amin’ny tantara na fitsipika ianaran’izy ireo. Ampio izy ireo hitondra ny zavatra namboariny any an-trano ary hizara izany amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hanampiana ny ankizy hahatadidy ny zavatra nianarany.

  • Mandray anjara amin’ireo lesona maneho ohatra mivaingana. Ny lesona tsotra maneho ohatra mivaingana dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fitsipiky ny filazantsara anankiray izay sarotra takarina. Rehefa mampiasa lesona maneho ohatra mivaingana dia mitadiava fomba hamelana ny ankizy handray anjara. Hianatra bebe kokoa avy amin’ny toe-javatra misy fampandraisana anjara izy ireo noho ny avy amin’ny fijerena fanazavana fotsiny.

  • Milalao an-tsehatra. Rehefa lalaovin’ny ankizy an-tsehatra ny toe-javatra iray tena ho hitany mihitsy eo amin’ny fiainana, dia afaka mahatakatra tsara kokoa ilay fiantefan’ilay fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainany izy ireo.

  • Mamerimberina asa atao. Mety ilain’ny ankizy ny mihaino imbetsaka hevitra mba hahatakaran’izy ireo azy. Aza matahotra ny hamerina matetika tantara na asa atao, na dia mandritra iny lesona iny ihany aza. Ohatra, mety hizara imbetsaka tantara iray ao amin’ny soratra masina amin’ny fomba samihafa ianao mandritra ny lesona iray. Mamaky avy ao amin’ny soratra masina, manome famintinana amin’ny alalan’ny tenanao manokana, mampiseho horonan-tsary, mamela ny ankizy hanampy anao amin’ny fitantarana ilay tantara, manasa azy ireo mba hilalao an-tsehatra ilay tantara sy ny sisa. Raha averina any an-trano koa ilay asa atao any am-pianarana, dia hanampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ilay famerimberenana.

  • Mifandray amin’ny hafa. Ao anatin’ny fampivelarana ny fahaizany mifanerasera amin’ny hafa ny ankizy ary matetika mankafy miara-mianatra sy milalao amin’ny namany. Mamoròna fotoana ahafahan’izy ireo mizara, mifandimby mandray anjara, sy miara-miasa rehefa mianatra izy ireo.

  • Mandray anjara amina asa atao isan-karazany. Raha ho an’ny ankizy kely manokana dia fohy ny fifantohan-tsainy ary manana fomba samihafa hianarana izy ireo. Mampiasà asa atao samihafa dia jereo tsara ireo mari-pamantarana maneho fa mila fanovana ny famindra ny ankizy. Ohatra, mety mila mampifandimby ny asa atao milamindamina sy ny asa atao mampihetsiketsika ianao.

Anisan’ny anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra ankizy kely anao, ankoatra ny fampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara, ny manampy ny ankizy hianatra ny fomba fandraisana anjara araka ny tokony ho izy ao anatin’ny kilasy any am-piangonana. Ohatra, mety mila mianatra mikasika ny fifandimbiasana manao zavatra, ny fizarana, sy ny fanajana ny hafa sy ny sisa izy ireo. Ny mpampianatra sasany dia mamorona tabilao izay ahitana ny asa ampanaovina mba handraisan’ny ankizy tsirairay anjara amin’ny fomba manokana ao amin’ny kilasy (toy ny fanaovana vavaka, fihazonana sary, na fizarana taratasy). Azo ovaina isan-kerinandro ny asa ampanaovina. Manampy ny ankizy hifandimby hanao zavatra sy hifantoka amin’ny fitondrantena tokony hananana ao an-dakilasy izany.

Ny ankizy—indrindra ny ankizy kely—dia matetika mahazo tombontsoa amin’ilay zavatra mahazatra fanao tsy tapaka sy azo vinavina. Satria fohy ny fifantohan-tsain’ny ankizy kely ary indraindray sahirana izy ireo eo amin’ny fifantohana mandritra ny fotoam-pianarana iray manontolo, dia matetika tena tsara raha ampidirina ao amin’ilay zavatra mahazatra ny fanovana matetika karazana asa atao iray amin’ny karazany iray hafa. Ohatra, ny zavatra mahazatra fanaon’ny kilasinao dia mety ahitana ny fiatoana kely indraindray mba hanaovana kilalao, sy ny fandokoana sary iray, ary ny fihirana hira iray sy ny sisa.

Sary
Fotoam-pianaran’ny Kilonga