Avia, hanaraka Ahy
Lamina iray ho an’ny fampianarana


“Lamina iray ho an’ny fampianarana,”Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Lamina iray ho an’ny fampianarana,”Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019

Sary
Fotoam-pianaran’ny Kilonga

Lamina iray ho an’ny fampianarana

Ho hitanao ato anatin’ity loharana ity izao lamina manaraka izao izay miverina ao anatin’ny rindran-damina tsirairay: asao mba hizara, ampianaro ny fotopampianarana, ary amporisiho ny fianarana any an-trano. Amin’ny karazan-java-mitranga maro, rehefa mampianatra ianao, dia mety hifanaingina na hiseho amin’ny filaharany samihafa ireo singa ao amin’ity lamina ity. Ohatra, raiso ho fahafahana iray hampianarana fotopampianarana ny fizarana, ary ny fampianarana fotopampianarana dia tokony hahitana fanasana mba hizara. Torak’izany koa, ny famporisihana ny fianarana any an-trano dia mety hitranga mandritra ny fifanakalozan-kevitra mandritra ny fampianarana. Avelao hitranga ho azy izany fifanaingenana izany, araka ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy mba hanomezana ireo zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao.

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ao anatin’ny fotoam-pianarana rehetra, dia asao ny ankizy mba hizara ny fihetseham-pony, ny heviny, ary ny zavatra niainany momba ireo fitsipika ao anatin’ilay rindran-damina. Ny fanehoan-kevitr’izy ireo dia mety ahitana ireo zavatra niainany rehefa nandalina tany an-trano. Azonao atao ihany koa ny mamerina mijery izay nianaran’izy ireo tamin’ny herinandro lasa ary manontany ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ilay fotopampianarana hampianarinao ny ankizy. Diniho ireo andinin-tsoratra masina, teny nindramina, zavatra niainana, fanontaniana, ary ireo loharano hafa azonao zaraina mba hanampiana ny ankizy hianatra sy hanao asa araka ireo fitsipiky ny filazantsara. Mitadiava fomba miavaka mba hanampiana azy ireo hientanentana mikasika ny zavatra ianaran’izy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Satria ny tokantrano no ivon-toerana fianarana ny filazantsara dia anisan’ireo tanjon’ny mpampianatra ny Kilonga ny mamporisika ny fianarana ao an-tokantrano. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra nianarany tao an-dakilasy? Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ny ankizy sy ny ray aman-drenin’izy ireo mba hanohy hianatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao any an-tokantrano?